Fiainana Feno Filaminan-tsaina Maharitra
RAHA manavy ianao, dia azo inoana fa hihinam-panafody mba hahafaka ny aretin’andohanao, ary angamba hanisy gilasy eo amin’ny lohanao mba hampidina ny hafananao. Na dia mahatonga ireo soritr’aretina ho azo zakaina aza anefa ilay fanafody sy ilay gilasy, dia tsy mitsabo ny fototr’ilay fanaviana mahazo anao akory izy ireo. Ary raha aretim-be ilay izy, dia mila fitsaboan’ny dokotera mahay ianao.
Ny taranak’olombelona dia mijaly noho ny tsy filaminan-tsaina, izay mamely toy ny fanaviana, tsy mety miafana. Mety ny handraisantsika fepetra vonjy maika hanamaivanana ny soritr’aretina manorisory antsika. Ny fanasitranana anefa dia avy amin’ny olona izay mahay mamantatra ilay tena aretina ihany. Ary tsy misy mahalala tsara kokoa ny taranak’olombelona mihoatra noho i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika. Fantany fa tsy azo antoka ny fiainana ankehitriny, satria nisy olana nanjary nianjady tamintsika.
Nanjavona tanteraka ilay filaminana tany am-boalohany
Hazavain’ny Tenin’Andriamanitra fa lavorary ny mpivady olombelona voalohany rehefa noforonin’i Jehovah, ary napetrany tao amin’ny tontolo iray nilamina izy ireo. Tsy nahalala ny atao hoe tebiteby izy ireo. Ny hiainan’ny olombelona mandrakizay ao amin’ny paradisa iray, misy filaminan-tsaina tanteraka, no fikasan’Andriamanitra. Ny faritra voalohany nisy ny taranak’olombelona dia nahitana ny “hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana”. Mariho fa voakarakara ny zavatra nilainy ara-batana; ary toy izany koa ny zavatra nilainy ara-pihetseham-po, satria nolazaina hoe “maha-te-hizaha” ilay tontolo. Tsy isalasalana fa nidika izany hoe napetraka tao amin’ny toerana nahatonga ny fiainan’izy ireo ho azo antoka sy tsy nisy korontana ilay mpivady voalohany. — Genesisy 2:9.
Nanda ny fiandrianana feno fitiavan’Andriamanitra i Adama sy i Eva, ka tamin’izany izy ireo dia nampiditra ny fiahiahiana, ny tahotra, ny henatra, ny fahatsapana ho meloka ary ny tsy filaminan-tsaina teo amin’ny fiainany. Rehefa avy nanda an’Andriamanitra i Adama, dia niaiky fa “natahotra” izy. Nanamboatra fitafiana ho an’ny tenany ireo olombelona voalohany, ary niafina an’ilay Mpamorona azy be fitiavana, izay nananany fifandraisana akaiky sy nahasoa talohan’izay. — Genesisy 3:1-5, 8-10.
Tsy niova ny fikasan’i Jehovah tany am-boalohany. Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra fitiavana ilay Mpamorona antsika, ary kely sisa dia hataony izay hahafahan’ny olombelona mpankato hamerina ny tany ho paradisa indray, sy hiaina mandrakizay ao anatin’ny filaminan-tsaina. Tamin’ny alalan’i Isaia no nanomezana izao fampanantenana izao: “Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, (...) mifalia (...) sy miravoravoa mandrakizay”. (Isaia 65:17, 18). Hoy ny apostoly Petera momba izany lanitra vaovao sy tany vaovao izany: “Tsy maintsy hitoeran’ny fahamarinana ireo.” — 2 Petera 3:13, NW.
Ahoana no hanatanterahana izany? Amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana iray aorin’i Jehovah. Nasain’i Jesosy Kristy hivavaka momba izany Fanjakana izany toy izao ny mpanara-dia azy: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.
Hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra ary hanatanteraka amim-pitiavana ny fikasan’Andriamanitra maneran-tany. (Daniela 2:44). Hanjavona ny fiahiahiana, ny tahotra, ny henatra, ny fahatsapana ho meloka, ary ny tsy filaminan-tsaina izay namely ny taranak’olombelona nanomboka tamin’ny andron’i Adama. Efa antomotra io Fanjakana io, araka ny Baiboly. Na dia ankehitriny aza, eto amin’ity tontolo tsy azo antoka iainantsika ity, dia misy filaminan-tsaina ihany tsapan’ireo izay maniry fatratra ny Fanjakan’Andriamanitra.
Omeo ny laharam-pahamehana ny zavatra ara-panahy
Mpanompon’Andriamanitra nahalala tsara ny atao hoe tahotra sy fahoriana i Davida. Na izany aza, dia nanoratra toy izao izy, araka ny voarakitra ao amin’ny Salamo 4:8: “Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.” (Izahay no manao sora-mandry.) Nataon’i Jehovah izay hahatsapan’i Davida filaminan-tsaina, na dia voahodidin’ny olana aza izy indraindray. Misy lesona azontsika tsoahina ve avy amin’izany? Ahoana no ahafahantsika mahazo filaminan-tsaina na dia miaina ao amin’ny tontolo tsy azo antoka aza isika?
Diniho ny fitantaran’ny Genesisy momba an’i Adama sy i Eva. Oviana moa izy ireo no tsy nahatsapa filaminan-tsaina intsony? Tamin’ny fotoana namoizan’izy ireo ny fifandraisany manokana tamin’ny Mpamorona sy nandavany tsy hiaina nifanaraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona. Noho izany, raha avaditsika izany fizotran-javatra izany, ka manao izay hananantsika fifandraisana manokana sy akaiky amin’i Jehovah isika, sy miezaka hiaina mifanaraka amin’ny sitrapony, dia afaka manana fiainana feno filaminan-tsaina kokoa isika, mihoatra lavitra noho izay mety ho azo amin’ny fomba hafa, na dia ankehitriny aza.
Raha mianatra ny Baiboly isika, dia manjary mahalala an’i Jehovah, ary manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny fiainana izany. Amin’izay fomba izay ihany no hahatakarantsika hoe iza moa isika, ary inona no antony mahaeto antsika. Azontsika atao ny hanana fiainana feno filaminan-tsaina rehefa tia an’Andriamanitra isika, sy mahalala ny fikasany ho an’ny taranak’olombelona, ary mahatakatra ny anjara toerantsika ao amin’izany fikasana izany. Nahita izany ny lehilahy iray antsoina hoe Paul, taona maromaro lasa izay.
Teraka tao amin’ny iray amin’ireo nosy tandrifin’ny moron-tsirak’i Alemaina indrindra i Paul, ary notezaina tao. Tsy liana, na kely akory aza, tamin’ny fivavahana ny fianakaviany vokatry ny zavatra niainan’ny ray aman-dreniny nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Hoy i Paul, rehefa nilazalaza ny tenany fony izy mbola tanora: “Tsy nino na inona na inona aho ary tsy nanaja na iza na iza. Ny toaka no fanalako alahelo, ka niboboka indroa na intelo isan-kerinandro aho. Tsy nisy filaminan-tsaina mihitsy teo amin’ny fiainako.”
Avy eo, dia niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Paul. Niady hevitra be izy, kanefa nampisaintsaina azy ny zavatra iray nolazain’ilay Vavolombelona. “Tsy misy zavatra tongatonga ho azy.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe tsy maintsy nisy Mpamorona ny zavatra rehetra hitantsika manodidina antsika eo amin’ny natiora.
“Namerimberina nieritreritra momba izany aho, ary voatery niaiky fa marina izany.” Koa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry i Paul, ary nanjary nahafantatra an’i Jehovah. Niaiky toy izao izy: “Ankoatra ny ray aman-dreniko, dia i Jehovah no voalohany mba nanao zavatra ho ahy, teo amin’ny fiainako.” Tonga Vavolombelona vita batisa i Paul tamin’ny 1977, ary ankehitriny dia hoy izy: “Fantatro ankehitriny hoe inona marina ny zava-kendren’ny fiainana. Tiako ny miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah. Milamin-tsaina aho, satria tsy misy zavatra na inona na inona mety hitranga amiko na amin’ny fianakaviako ka tsy ho azon’i Jehovah ahitsy amin’ny hoavy.”
Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’io fitantarana io? Naharesy ny tsy filaminan-tsaina, izay enta-mavesatra ara-pihetseham-po, nahazo azy i Paul tamin’ny fifantohana, tsy tamin’ny harena ara-nofo akory, fa tamin’ny zavatra ara-panahy. Namboly tsikelikely fifandraisana mafy tamin’ny Mpamorona izy. Manana fifandraisana mafy amin’ny Mpamorona koa ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro. Manome azy ireo hery anaty izay manampy azy haneho fahafoizan-tena izany, rehefa mifampiraharaha amin’ny hafa izy ireo. Rehefa mitsidika ny olona any an-tokantranony ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiasa ny fotoanany mba hanampiana ny hafa hanana fiainana azo antoka kokoa, amin’ny fifantohana amin’ny zavatra ara-panahy. Tsy ny fitoriana ihany anefa no ataon’ny Vavolombelona.
“Antsoy i Jehovah Andriamanitrareo”
Tamin’ny Jolay 1997, rehefa nandifotra faritra nidadasika tany amin’ny faritra avaratr’i Eoropa ny Ony Oder, dia ren’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina ny loza nanjo ireo olona tany Polonina, firenena iray eo akaikiny. Inona no azon’izy ireo natao? Tany Berlin sy ny manodidina azy, dia nisy Vavolombelona naneho fahalalahan-tanana nahatalanjona tamin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo vola nitentina 650 000 000 FMG mahery, tao anatin’ny andro vitsivitsy.
Nisy Vavolombelona nanana traikefa teo amin’ny asa fanorenana nanao dia naharitra adiny enina tamin’ny fiarakodia, avy any Berlin ka hatrany amin’ny faritra manodidina an’i Wrocław, any Polonina. Nianto-tena izy ireo tamin’izany. Simba be ny trano maro tao amin’ny vohitra kely iray. Difotry ny rano nahatratra enina metatra ny tranon’ny fianakaviana iray Vavolombelona. Nikasa ny hanambady ny zanakavavin’izy ireo ny volana nanaraka, ka hipetraka tao amin’ilay trano niaraka tamin’ny vadiny, avy eo. Inona no azo natao mba hanamboarana ilay trano sy hanampiana ilay fianakaviana izay namoy saika ny fananany rehetra?
Raha vantany vao nihena ny rano, dia naneso toy izao ny mpiray tanàna iray: “Antsoy i Jehovah Andriamanitrareo e! Ho hita eo raha hanampy anareo izy.” Akory ny hagagan’ilay mpiray tanàna ny ampitso raha nahita fiarakodia maromaro avy tany Alemaina tonga teo amin’ny tranon’ilay fianakaviana Vavolombelona! Nitsambikina nivoaka ny fiarakodia ny vahiny maromaro ary nanomboka nanamboatra ny simba tamin’ilay trano. “Fa iza ireo? Iza no nividy ireo fitaovana ireo?”, hoy ilay mpiray tanàna, nanontany. Nohazavain’ilay fianakaviana Vavolombelona fa rahalahiny ara-panahy ireo mpitsidika ireo, ary izy ireo ihany no nividy ny fitaovana. Gaga ireo mponin’ilay vohitra teo am-pandinihana ny nanavaozana ilay trano. Marihina kely eto fa vita tamin’ilay daty nikasana azy ihany ilay fampakaram-bady.
Hitan’io fianakaviana io fa tsy vitan’ny hoe mitondra tombontsoa ara-panahy ny hoe anisan’ny firahalahiana maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa mitondra filaminan-tsaina ihany koa eo anivon’ny tontolo iray tsy azo antoka. Tsy izy ireo ihany no nahita zavatra toy izany. Nanerana ilay faritra niharam-pahavoazana manontolo dia nisy trano sy Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah namboarina. Tsy hadino koa anefa ny mpiray tanàna tsy Vavolombelona. Nisy asa betsaka koa natao, nanamboarana ny tranon’izy ireo, ary tena nankasitrahana tokoa izany.
Fahamarinana sy fiadanana ary filaminana
Nony injay afaka ilay fanaviana be amin’ny farany, ka miverina ho ara-dalàna indray ny fahasalamana, toy inona moa ny fankasitrahantsika ilay dokotera izay nanampy antsika! Rehefa esorina mandrakizay, amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ilay tsy filaminan-tsaina, izay toy ny aretina namely ny taranak’olombelona, ho toy inona moa ny fankasitrahantsika ilay Mpamorona antsika! Eny, izy ilay nampanantena antsika fiainana feno ‘fahamarinana sy fiadanana ary filaminana mandrakizay’. Izany ka fanantenana mahatalanjona! — Isaia 32:17.
[Teny notsongaina, pejy 10]
Afaka manamaivana enta-mavesatra ara-pihetseham-po isika amin’ny fifantohana, tsy amin’ny harena ara-nofo akory, fa amin’ny zavatra ara-panahy
[Sary, pejy 8, 9]
Mampanantena tontolo vaovao izay hiainan’ny olona rehetra ao anatin’ny filaminan-tsaina maharitra Andriamanitra