Fitadiavana Fiainana Feno Filaminan-tsaina
ZAVATRA samy hafa no atao hoe filaminan-tsaina amin’ny olona samy hafa. Midika ho fahitana asa izany ho an’ny olona iray; ho an’ny iray hafa, harena; ary ho an’ny iray fahatelo, tontolo tsy misy heloka bevava. Ary aminao, midika ho zavatra hafa ve ny filaminan-tsaina?
Na ahoana na ahoana fomba fijerinao, dia tsy isalasalana fa mandray fepetra ianao mba hanandramana hanao izay hahatonga ny fiainanao ho azo antoka, araka ny itiavanao azy. Hevero ny ezaka ataon’ny olona any Eoropa mba hahitan’ny isam-batan’olona filaminan-tsaina amin’ny fetrany sasany.
Fianarana ambony
Araka ny voalazan’i Jacques Santer, prezidàn’ny Vaomiera Eoropeanina, dia ny 20 isan-jaton’ny tanora ao amin’ny Vondrona Eoropeanina no tsy an’asa. Noho izany, ho an’ny olona ao amin’io antokon-taona io, dia iankinan-javatra betsaka izao fanontaniana iray izao: Ahoana no hahitako asa izay hahatonga ny fiainako ho azo antoka? Ny fianarana ambony, araka ny fiheveran’ny maro, no fomba tsara indrindra hahatratrarana izany tanjona izany. Manazava tokoa mantsy ny The Sunday Times any Londres, fa manome an’ireo mpianatra “tombony lehibe eo amin’ny tsenan’asa” ny fianarana ambony.
Any Alemaina, ohatra, “dia mbola tsy mafy toy izao mihitsy ny faniriana hahazo fanabeazana sy hanana fahaizana ambony”, hoy ny tatitra nataon’ny Nassauische Neue Presse. Izany no izy na dia mitentina 308 000 000 FMG eo ho eo aza, amin’ny antsalany, ny lanin’ny mpianatra iray amin’ny fandehanana any amin’ny oniversite, mandra-pahavitan’ny fianarana, ao amin’io firenena io.
Tokony hoderaina ny tanora izay tia fianarana sy ta hanana asa azo antoka. Matetika ny olona manan-talenta sy fahaizana no manan-tombony kokoa, rehefa mitady asa. Manolotra asa azo antoka foana ve anefa ny fianarana ambony? Hoy ny mpianatra iray: “Efa fantatro hatrany am-boalohany mihitsy fa tsy hitarika ho amin’ny asa iray voafaritra mazava ny fianarana nataoko, ary tsy hanome fiainana azo antoka.” Tsy hoe tsy fahita izany toe-javatra misy azy izany. Tamin’ny taona iray vao haingana, dia nahatratra ny fara tampony ny isan’ny mpianatra nivoaka ny oniversite nefa tsy an’asa, tany Alemaina.
Any Frantsa, araka ny voalazan’ny gazety iray, dia manohy fianarana any amin’ny oniversite ny tanora satria tsy misy vidiny ny diplaoma azo tany amin’ny lise, noho ny fahabetsahan’ny tanora tsy an’asa. Eken’ireo mpianatra maro any amin’ny oniversite anefa fa, amin’ny faran’ny fianarany, dia “tsy ho tsara kokoa ny toe-javatra misy azy, satria hoe nahavita fianarana izy”. Milaza ny The Independent fa, any Grande-Bretagne, dia “misy voka-dratsiny lehibe eo amin’ireo mpianatra ny fihenjanana entin’ny fiainana eny amin’ny oniversite”. Voalaza fa tsy nanampy ny mpianatra hiatrika ity fiainana tsy azo antoka ity ny fiainana any amin’ny oniversite, fa miteraka olana toy ny fahaketrahana, ny fitebitebena, ary ny fiheveran-tena ho ambany kosa aza, indraindray.
Matetika ny fianarana asa na ny fiofanana eo amin’ny sehatr’asa iray no azo antoka kokoa hahazoana asa noho ny fananana fahaizana avy tany amin’ny oniversite.
Ampy ve ny fananana zavatra 10 000?
Maro no mihevitra fa ny harena no fanalahidin’ny fiainana azo antoka. Toa marim-pototra izany, satria tahiry afaka mamonjy amin’ny fotoan-tsarotra ny vola ampy any amin’ny banky. Hazavain’ny Baiboly fa “fialokalofana ny vola”. (Mpitoriteny 7:12). Mahatonga ny isam-batan’olona hilamin-tsaina kokoa foana ve anefa ny fitomboan’ny harena?
Tsy voatery ho izany. Diniho ny fitomboan’ny harena tato anatin’ireo 50 taona farany. Tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, dia saika tsy nanana na inona na inona ny ankamaroan’ny mponina tany Alemaina. Amin’izao andro izao, araka ny gazety alemà iray, ny Alemà tsotsotra iray dia manam-pananana miisa 10 000. Raha marina ny fanombantombanana ara-toe-karena, dia mbola hanan-javatra betsaka kokoa noho izany mihitsy aza ireo taranaka ho avy. Mahatonga ny fiainana ho azo antoka kokoa ve anefa izany fanangonan-karena izany? Tsia. Nahariharin’ny fanadihadiana iray natao tany Alemaina fa olona 2 amin’ny 3 no mihevitra fa tsy azo antoka kokoa ny fiainana ankehitriny, raha oharina amin’ny tamin’ny 20 na 30 taona lasa. Koa tsy nahatonga ny olona hilaminan-tsaina kokoa àry ny fitomboana be teo amin’ny harena.
Mora takatra izany, satria araka ny voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ny fahatsapana tsy filaminan-tsaina dia enta-mavesatra ara-pihetseham-po. Ary tsy afaka manamaivana tanteraka ny enta-mavesatra ara-pihetseham-po ny harena ara-nofo. Marina aloha fa manalefaka ny vokatry ny fahantrana ny harena, ary manampy amin’ny fotoan-tsarotra. Ao anatin’ny tarehin-javatra sasany anefa, dia enta-mavesatra lehibe toy ny tsy fananam-bola ihany ny fananam-bola be.
Noho izany, ny fihetsika voalanjalanja manoloana ny fananana ara-nofo dia hanampy antsika hitadidy ao an-tsaina fa, na dia mety ho fitahiana aza ny harena, dia tsy anton-javatra fototra hananana fiainana azo antoka. Nankahery ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy, fony izy teto an-tany, rehefa nilaza hoe: “Ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” (Lioka 12:15). Mba hahatsapana filaminan-tsaina tanteraka eo amin’ny fiainana àry, dia zavatra betsaka kokoa noho ny harena ara-nofo fotsiny no ilain’ny olona.
Zava-dehibe amin’ireo olona be taona ny fananana, tsy dia noho ny hasarobidiny ara-nofo loatra akory, fa noho ny hasarobidiny ara-pihetseham-po indrindra indrindra. Ny mampanahy kokoa ny olona be taona, mihoatra noho ny harena, dia ny heloka bevava izay mety hihatra aminy.
Mbà mailo!
“Olana mihamitombo maneran-tany tato anatin’ireo 30 taona farany (...) ny heloka bevava”, hoy ilay bokikely hoe Practical Ways to Crack Crime (Fomba Azo Ampiharina Hisorohana ny Heloka Bevava), navoaka tany Grande-Bretagne. Efa manao izay ho afany ny polisy. Ahoana no fomba hiatrehan’ny olona sasany izany?
Ao an-tokantrano no manomboka ny fiarovana ny isam-batan’olona. Any Soisa, ohatra, dia nanjary nanam-pahaizana manokana tamin’ny famolavolana trano tsy mora tafihin’ny mpangalatra ny mpanao mari-trano iray. Trano misy hidiny azo antoka, varavarana nohamafisina, ary varavarankely misy tsivalan-kazo no nataony. Toa voagadra ara-bakiteny ao an-tranony ny olona mipetraka ao amin’ireny trano ireny. Lafo be ireny trano ireny, nefa dia olona betsaka no mitady azy ireny, araka ny voalazan’ilay gazetiboky hoe Focus.
Mba hahatsapan’ny isam-batan’olona ho voaro tsara kokoa, ao anatiny sy ivelan’ny tranony, dia nandamina ny hisian’ny fandaharam-piambenana ny manodidina ny mponina ao amin’ny faritra sasany. Lasa lavitra kokoa aza ny mponina ao amin’ny faritanàna sasany manamorona tanàn-dehibe, ka manakarama kompaniam-piarovana mba hisafo ny faritra misy azy ireo amin’ny ora nifanomezana. Olona maro no mihevitra fa fahendrena ny tsy ho irery eny amin’ny arabe tsy misy mpandalo, any amin’ny tanàn-dehibe, amin’ny alina. Ara-dalàna raha manahy ny amin’izay hahasoa ny zanany ny ray aman-dreny ka mety handray fepetra fanampiny, mba hiarovana azy ireny. Diniho ireo fanoloran-kevitra ao amin’ilay faritra voafefy eto amin’ity pejy ity.
Tsy ny olona rehetra anefa no afaka mividy trano tsy mora tafihin’ny mpangalatra. Ankoatra izany, dia mety tsy hampihena ny heloka bevava amin’ny ankapobeny ny fandaharana noraisin’ny mpiara-monina sy ny fisafoan’ny mpiambina; satria mety hifindra fotsiny any amin’ny faritra tsy voaro ny mpanao heloka bevava. Mitoetra ho loza lehibe mandrahona ny filaminan-tsain’ny isam-batan’olona àry ny heloka bevava. Zavatra betsaka kokoa no ilaina mba hananantsika fiainana milamina, fa tsy ezaka faran’izay mafy handresena ny heloka bevava fotsiny.
Ny aretina no tsaboy, fa tsy ny soritr’aretina fotsiny
Faniriana voajanahary ao amintsika rehetra ny hanana fiainana azo antoka, ary tsara raha mandray fepetra azo ampiharina sy araka ny antoniny isika mba hahatongavana amin’izany tanjona izany. Soritr’aretina fotsiny anefa ny heloka bevava, sy ny tsy fananana asa, ary ny zavatra hafa rehetra izay mahatonga ny fiainantsika ho tsy azo antoka, soritr’aretina mampahafantatra ny toe-javatra misy ny taranak’olombelona rehetra. Mba hanasitranana izany, dia tena ilaina ny itsaboana ny fototr’aretina mihitsy, fa tsy ny soritr’aretina fotsiny.
Fa inona no antony fototra mahatonga tsy filaminan-tsaina eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no azontsika amongorana azy io, ka hanaisotra mandrakizay ny tsy filaminan-tsaina tsy ho eo amin’ny fiainana? Izany no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Efajoro, pejy 6]
Fomba Hiarovana Ireo Ankizy Madinika
Koa satria mitranga matetika ny fanafihana sy fakana an-keriny ary famonoana ankizy, dia ray aman-dreny maro no mahita fa mahasoa ny hampianarana ny zanany ireto zavatra manaraka ireto:
1. Mandà mafy raha misy mitady hampanao azy zavatra heveriny fa ratsy.
2. Tsy manaiky ny hikasihan’olona na iza na iza ny faritra miafina amin’ny tenany. Na ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy aza dia tsy havela hanao izany, raha tsy hoe eo angaha ny rainy na ny reniny.
3. Mandositra, mikiakiaka, miantsoantso, na miantso olon-dehibe eo akaiky eo, rehefa misy loza.
4. Mitantara amin’ny ray aman-dreny izay zava-nitranga na resaka rehetra nahatonga ilay ankizy hahatsiaro ny tenany ho saikatsaikatra.
5. Tsy manaiky hopeperana tsy hilaza tsiambaratelo amin’ny ray aman-dreny.
Ary farany, tsara raha mifantina amim-pitandremana izay olona anankinany ny fikarakarana ny zanany ny ray aman-dreny.
[Sary, pejy 5]
Zavatra betsaka kokoa no ilaina mba hananantsika fiainana milamina, fa tsy fianarana, harena, na ezaka faran’izay mafy handresena ny heloka bevava fotsiny