FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/11 p. 19
  • Tsy Nilavo Lefona Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Nilavo Lefona Izy
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiatrehana Tarehin-javatra Nilana Fikarakarana Ara-pitsaboana Maika
    Mifohaza!—1996
  • Rehefa tanana ho tsiambaratelo ny homamiadana
    Mifohaza!—1991
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • “Ho Faty Ianao!”
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/11 p. 19

Tsy Nilavo Lefona Izy

NODIDIANA i Matt Tapio, 14 taona, tamin’ny 5 Oktobra 1995, satria nisy fivontosana tao amin’ny lohan-tsokandamosiny. Hita fa fivontosana mety hahafaty ilay izy. Izay no fandidiana voalohany natao taminy, ary nisy maro hafa koa, tao anatin’ireo roa taona sy tapany taorian’izay. Nanaraka izany, dia nisy fitsaboana simika sy fitarafana koa natao taminy.

Tany Michigan, Etazonia, i Matt no nipetraka. Tany koa izy no nianatra tao amin’ny sekolim-panjakana iray, sy nanatrika fivoriana kristianina. Nanararaotra ireo fahafahana hiresaka tamin’ny mpampianatra sy ny mpiray kilasy taminy momba ny zavatra ninoany izy, ary koa ireo fahafahana handray anjara tamin’ny fitsidihana ny hafa teo amin’ny fanompoana ampahibemaso. Nahapetraka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly an-jatony maro tamin’ireo izay nihaona taminy tany amin’ny hôpitaly izy, nandritra ny fotoana nijanonany matetika tany: 18 volana tamin’ireo roa taona sy tapany farany niainany no laniny tany amin’ny hôpitaly.

Impiry impiry akory moa no toa tsy ho velona intsony i Matt, nefa dia tafarina haingana hatrany hatrany ihany izy. Indray mandeha, rehefa teny an-dalana ho any amin’ny hôpitaly izy, dia nifanintona imbetsaka, ary tsy niaina intsony. Natomboka ny famerenana ny fisefo sy ny fitepon’ny fo, ka velona indray izy. Rehefa nahatsiaro tena izy, dia nanomboka nitomany ary niteny mafy hoe: “Mbola miady aho! Miady aho, fa tsy milavo lefona!” Ny finoan’i Matt an’Andriamanitra no nahavelomany ela toy izao, hoy ny olona.

Notanterahin’i Matt tamin’ny 13 Janoary 1996 ny faniriana iray maminy aoka izany, rehefa natao batisa izy, ho fanamarihana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra. Tao amin’ny dobo filomanosana an’olona manokana no natao ilay batisa, satria natahorana sao hamindra aretina izy. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niverina tany amin’ny hôpitaly izy, mba hodidiana indray koa. Tamin’ny Aogositra 1997, dia nandoa tsy an-kijanona i Matt nandritra ny herinandro maromaro, nefa afaka ihany izany rehefa nanaovana fandidiana fanampiny izy.

Na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tia hatsikana foana i Matt, ka nanao vazivazy tamin’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy. Tsy azon’izy ireo ny antony nananany fitiavana mivazivazy mahatalanjona toy izany. Hoy ny iray tamin’ireo dokotera taminy: “Raha izaho no eo amin’ny toeranao, ry Matt an, dia ho nohidiako ny ridao manodidina ny fandrianako, ary nosaronako ny lohako, ka noroahiko daholo ny olona rehetra.”

Nody farany avy tany amin’ny hôpitaly i Matt, tamin’ny Febroary 1998. Nientam-po erỳ izy satria velona sy tonga tany an-tranony, hany ka raha vao nandingana ny varavarana izy, dia nilaza hoe: “Faly be aho! Andao isika hivavaka.” Tamin’izay, dia naneho ny hafaliany tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka izy. Matin’ny kansera ihany izy tamin’ny farany, roa volana tatỳ aoriana, ny 19 Aprily.

Talohan’izay, dia nalefa nandritra ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana, ny fanadinadinana an’i Matt noraisim-peo. Nanontaniana izy hoe: “Inona no holazainao aminay, izay azo lazaina hoe salama, momba ny fanompoana sy ny fivoriana kristianina ataontsika?”

Izao no navalin’i Matt: “Ataovy izay azonareo atao dieny izao. (...) Tsy fantatrareo mihitsy izay mety hitranga. (...) Na inona na inona mitranga anefa, dia aza mitsahatra manao fanambarana momba an’i Jehovah mihitsy.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara