FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/1 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Mikitro-nify ve Ianao?
    Mifohaza!—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/1 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Naoty Tsara Kokoa Mbola mpianatra aho, ary tiako ny hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ho Afaka Hanao Tsara Kokoa ve Aho any An-tsekoly?” (8 Aprily 1998). Na dia nahazo naoty ambony noho ny salany foana aza aho, dia tsy hitako mihitsy izay tena antony tokony hanatsarana izany. Noho io lahatsoratra mahaliana sy manome risi-po io anefa, dia hitako mazava fa afaka mahavita tsara kokoa aho amin’ny famerako tanjona araka ny antonony.

B. R., Etazonia

Efatra ambin’ny folo taona aho, ary tsy tena takatro mihitsy hoe ahoana no fomba fianatra. Ny tenako ihany no nanapaka hoe misy zavatra sasany tsy hilaiko amin’ny hoavy, ka nihevitra aho fa tsy nilaina nianarana izy ireny. Nahatonga ahy hanova ny fomba fihevitro ny famakiana io lahatsoratra io. Afa-tsy izany koa, dia iriko ny hisaotra anareo noho ny nanazavanareo tamin’ny fomba tena azo ampiharina ny fomba fianatra!

K. F., Japon

Mikitro-nify Nifanentana tamin’ny zavatra nilaiko ilay lahatsoratra hoe “Mikitro-nify ve Ianao?” (8 Aprily 1998). Noho izaho mikitro-nify, dia hitako ho mampita fahalalana sy mampahery ilay lahatsoratra. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hanoratra momba io foto-kevitra io ianareo. Mahakasika ny mpamaky tsirairay ireo lahatsoratra avoakanareo, satria mamelabelatra fanazavana maro samihafa.

A. M. N. C., Brezila

Vehivavy Teo am-panombohako namaky ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Vehivavy — Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Aprily 1998, dia nikoriana teo amin’ny tavako ny ranomasoko. Mbola tsy nihetsi-po toy izany mihitsy aho. Misaotra indrindra noho ny fampirisihanareo hiandrandra ny hoavy, izay hifaranan’ny famoretana.

C. J., Etazonia

Nampihetsi-po ahy ny toe-piainana sarotra misy ny vehivavy maro maneran-tany. Nanganohano ny ranomasoko teo am-pahafantarako ny zavatra rehetra tsy maintsy ataon’ireny vehivavy ireny, izay matetika no mizaka irery ny enta-mavesatra. Manan-janaka roa aho, ary matetika no mitomany noho ny zava-tsarotra maro atrehiko. Nanampy ahy io lahatsoratra io hahatakatra fa tsara kokoa noho ny an’ny maro hafa ny toe-piainako.

K. S., Etazonia

Vehivavy Maty Vady Ho tiako ny haneho ny fankasitrahako amim-pahatsorana ny tantaran’i Barbara Schweizer hoe “Consolée dans ‘la vallée de l’ombre profonde’ ”. (8 Aprily 1998, frantsay). Tsy maty vady aho, nefa namoy ny ray aman-dreniko sy ny anadahiko tao anatin’ny telo taona. Nilaza i Barbara Schweizer fa “vangian’alahelo tsindraindray” izy. Faly aho namaky fa, hay, mba misy olona manana fihetseham-po toy ny ahy koa.

H. T., Hawaii

Fito ambin’ny folo taona aho, ary mpitory manontolo andro. Na dia tsy manana olana lehibe aza aho, dia nampirisika ahy hanana toe-tsaina falifaly sy feno fahatapahan-kevitra io tantara io. Nahatonga ahy hahatakatra izy io fa manohana ahy i Jehovah, ary tsy handao ahy mihitsy izy.

T. C., Italia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara