FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/3 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Mahazo Manambady ve ny Mpitondra Fivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Takina Amin’ny Minisitra Kristiana ve ny Fitovoana?
    Mifohaza!—1998
  • “Izao Mahazo Ahy Izao Mihitsy no Voalazanareo!”
    Mifohaza!—2000
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/3 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Faran’ny Fahantrana Misaotra indrindra noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Akaiky ny Faran’ny Fahantrana”, tao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Jona 1998. Tena nahafahako nahita ny fipetraky ny toe-javatra izy io, ary nahatonga ahy hahatakatra fa, hay, be taraina aho. Tsy an’asa aho, nefa manam-bola kely ambiny. Nihevitra ny tenako ho nahantra aho. Tsy izany velively anefa! Asehon’io lahatsoratra io fa misy hafa ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy kokoa noho ny ahy. Tokony ho velom-pankasitrahana aho, noho izay efa ananako: sakafo, fitafiana, fahasalamana ary, ny zava-dehibe indrindra, dia i Jehovah. Miandrandra mafy aoka izany ny faran’ny fahantrana aho. Ny fahatapahan-kevitro dia ny tsy hitsahatra hikatsaka ny Fanjakan’i Jehovah, sy ny tsy hitaraina intsony.

C. W., Nouvelle-Zélande

Ny Safidiko Nanoloana Ray Anankiroa Avy tamin’ny namana mpiara-mianatra no nahafantarako ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, fony aho 14 taona. Nanohitra ny hianarako izany ny ray aman-dreniko, indrindra fa ny raiko. Soa ihany fa tsy notanterahiny mihitsy ny fandrahonany handroaka ahy hiala tao an-trano. Naneho fikirizana aho, ary vita batisa, dimy taona lasa izay. Toa an’ilay rahalahy ao amin’ilay lahatsoratra (8 Jona 1998), dia manantena aho fa indray andro any, dia mba hanantena ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’i Jehovah, toa ahy koa, ny ray aman-dreniko.

W. S. L., Brezila

Nanganohano ny ranomasoko, rehefa namaky ilay lahatsoratra aho. Feno fahatapahan-kevitra hanohitra ny zavatra inoako ny raiko. Na dia afaka mifampiresaka ihany aza izahay mianaka indraindray, dia mipoaka ny fahatezerany isaky misy firesahana momba ny Baiboly, na momba ny Vavolombelon’i Jehovah, hany ka matahotra aho. Matetika izy no nikasi-tanana ahy. Ilay lahatsoratra anefa dia nampirisika ahy mafy mba hiorina tsara, na dia eo anoloan’ny fihenjanana toy izany aza.

I. H., Alemaina

Nampihetsi-po ahy lalina ilay lahatsoratra. Koa satria aho nihalehibe tao amin’ny fianakaviana misara-bazana ara-pivavahana, dia takatro tsara ny fahoriam-po nahazo an’ilay tovolahy, izay voatery nanao safidy sarotra toy izany.

A. M., Italia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara