FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/6 p. 28-29
  • Takina Amin’ny Minisitra Kristiana ve ny Fitovoana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Takina Amin’ny Minisitra Kristiana ve ny Fitovoana?
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanambadiana sa fitoerana ho mpitovo?
  • Ny nitarika ho amin’ny fanerena hanaraka ny fitovoana
  • Tsy Mahazo Manambady ve ny Mpitondra Fivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Mpitovo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Fitoerana ho Mpitovo — Varavarana ho Amin’ny Asa Tsy Voahelingelina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/6 p. 28-29

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Takina Amin’ny Minisitra Kristiana ve ny Fitovoana?

RAHA amin’ny heviny hentitra, ny fitovoana dia ny tsy fananam-bady. Araka ny The New Encylopædia Britannica anefa, io teny io dia “mazàna no ampiasaina mifandray amin’ny anjara asan’ny olona ao anatin’ny fitovoana, satria izy mpitondra fivavahana, manam-pahaizana manokana [momba ny fivavahana], na mpivavaka mafana fo”. Ilay teny hoe ‘fitovoana’ dia ampiasaina “amin’ireo izay tsy manambady, satria nanao voady masina, na nanda tena, na mino fa mety kokoa izany ho an’ny olona iray, noho ny toerany ara-pivavahana na ny fiheverany ny fivavahana ho zava-dehibe”.

Nisy fotoana nitakian’ny fivavahana lehibe sasany ny fitovoana tamin’ny mpitondra fivavahana tao aminy. Nanjary lafiny mampiavaka kokoa ny Fivavahana Katolika amin’ny fivavahana hafa rehetra ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana anefa, ny fitovoana. Amin’izao andro izao, dia misy ady hevitra be momba ny fitovoana katolika. Nomarihin’ny The Wilson Quaterly ny “fanatsoahan-kevitry ny fandinihana maro tato anatin’ny am-polony taona faramparany, dia izao: fototry ny fahasahiranan’ny eglizy amin’ny fahitana sy fihazonana pretra, ny fitakiana amin’ny pretra katolika hoe tsy maintsy ho mpitovo, nanomboka tamin’ny taonjato faha-12”. Lazain’i Richard A. Schoenherr, sôsiôlôgy, fa “manjary tsy eken’ny zava-misy ara-tantara sy araka ny fiovana ara-tsosialy ny tsy fandraisana afa-tsy lehilahy mpitovo ihany ho pretra katolika”. Ahoana no fiheveran’ny Baiboly ny fitovoana?

Fanambadiana sa fitoerana ho mpitovo?

Nandritra ny tantara manontolo, dia nisy lehilahy sy vehivavy mpivavaka be tsy tambo isaina tao amin’ny fivavahana maro samy hafa, nifidy ny fitovoana. Fa nahoana? Tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia satria ninoany fa “fitoeran’ny faharatsiana” ny zavatra ara-nofo sy ara-batana. Izany dia niteraka ilay filôzôfia hoe tsy misy afa-tsy amin’ny fifadiana tanteraka ny firaisana ihany no hahazoana fahadiovana ara-panahy. Tsy izany anefa no fiheveran’ny Baiboly. Ao amin’ny Baiboly, ny fanambadiana dia heverina ho fanomezana madio sy masina avy amin’Andriamanitra. Milaza mazava tsara ny fitantarana ny famoronana ao amin’ny Genesisy fa “tsara” eo imason’Andriamanitra ny fanambadiana, ary miharihary fa tsy sakana amin’ny fifandraisana madio ara-panahy amin’Andriamanitra izy io. — Genesisy 1:26-28, 31; 2:18, 22-24; jereo koa ny Ohabolana 5:15-19.

Nanambady ny apostoly Petera sy ireo mpanompo hafa nankasitrahan’Andriamanitra, izay nitana toeram-pahefana tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany. (Matio 8:14; Asan’ny Apostoly 18:2; 21:8, 9; 1 Korintiana 9:5). Mampiseho izany mazava tsara ny toromarika nomen’ny apostoly Paoly an’i Timoty, momba ny fanendrena tao amin’ny kongregasiona ny mpiandraikitra, na “eveka”. Izao no nosoratany: “Ny eveka dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana”. (Izahay no manao sora-mandry; 1 Timoty 3:2, Revised Standard Version, Fandikan-teny Katolika.) Mariho fa eo dia tsy misy filazana na dia kely aza hoe tsy mety mihitsy ny hanambadian’ny “eveka”. Nasehon’i Paoly fotsiny fa tsy tokony hanana vady maro ny “eveka”; raha manambady izy, dia tsy tokony hanana afa-tsy vady tokana. Raha ny marina, dia nanatsoaka hevitra toy izao ny Cyclopedia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nataon’i McClintock sy i Strong: “Tsy misy andalan-teny ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] azo hazavaina hoe mandrara ny fanambadian’ny klerjy, raha araka ny rafitra napetraky ny Filazantsara.”

Na dia mihevitra ny fanambadiana ho ambony aza ny Baiboly, dia azo antoka fa tsy manameloka ny fitoerana ho mpitovo, raha toa ka safidy malalaka izany. Manoro hevitra ny Baiboly hoe faniry izy io ho an’ny olona sasany. (1 Korintiana 7:7, 8). Nilaza i Jesosy Kristy fa misy lehilahy sy vehivavy mifidy an-tsitrapo ny hitoetra ho mpitovo. (Matio 19:12). Fa nahoana? Tsy hoe misy fahalotoana efa raiki-tampisaka amin’ny fanambadiana akory, ka hanakantsakana ny fandrosoany ara-panahy. Mifidy izany izy ireo, satria fotsiny maniry hampifantoka ny fiezahany amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fotoana tsapany fa mahadodona.

Ny nitarika ho amin’ny fanerena hanaraka ny fitovoana

Niova anefa ny toe-javatra tao anatin’ireo taonjato nanaraka ny andron’i Kristy. Nandritra ireo taonjato telo voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia “nisy mpitondra fivavahana nanambady sy tsy nanambady”, hoy ny fanazavan’i David Rice, izay niala tsy ho pretra dominikana mba hanambady. Avy eo dia nanomboka voatarik’ilay nantsoin’ny mpanoratra ara-pivavahana iray hoe “fifangaroan’ny hevitra grika sy ara-baiboly”, ny Kristiana anarana. Niteraka fomba fihevitra voaolana momba ny firaisana sy ny fanambadiana, io fifangaroan-kevitra io.

Mazava ho azy fa nisy mbola nitoetra ho mpitovo ihany, satria fotsiny “naniry hahazo fahafahana tanteraka mba hanokan[-tena] ho amin’ny asan’ny fanjakan’Andriamanitra”. Tamin’ny hafa kosa anefa, dia ny filôzôfian’ny mpanompo sampy noraisiny no nanosika azy bebe kokoa. Hoy ny The New Encyclopædia Britannica: “Nanjary niharihary [tao amin’ny eglizy nitonona ho kristiana] fa antony nanosika lehibe nanarahana ny fitovoana ny finoana hoe mandoto ny firaisana, ka tsy mifanaraka amin’ny fahamasinana.”

Tamin’ny taonjato fahefatra, hoy i Rice, ny eglizy dia “nandrara ny pretra nanambady mba tsy hanao firaisana, ny alina talohan’ny hankamasinany ny Eokaristia”. Rehefa nampiditra ny Eokaristia isan’andro ny eglizy, dia nidika izany fa tsy maintsy nifady foana ny fanaovana firaisana ny pretra. Norarana tanteraka tsy hanambady ny pretra, tamin’ny farany. Nanjary noterena hanaraka ny fitovoana, araka izany, izay rehetra nirotsaka ho mpitondra fivavahana tao amin’ny eglizy.

Efa nampitandrina ny amin’ny fizotran-javatra toy izany indrindra ny apostoly Paoly. Izao no nosoratany: “Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony (...); handrara tsy hanambady izy”. — 1 Timote 4:1, 3, Fandikan-teny Katolika.

“Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany”, hoy i Jesosy Kristy. (Matio 11:19). Ny nialana tamin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra dia nohamarinin’ny asany na ny vokany fa hadalana. Nanadinadina pretra maro naneran-tany momba ny fanerena azy hanaraka ny fitovoana, i David Rice, mpanoratra. Hoy ny sasany izay niresahany: “Mitoetra ho pretra ianao, manao soa betsaka araka izay azonao atao, ary anefa koa manararaotra mangingina ny fahavononan’ireo vehivavy be fandavan-tena izay tia anao, dia ny fahavononany hanao firaisana aminao.”

Nanonona ny Matio 7:20, i Rice, ka hoy izy: “ ‘Ny voany no hahafantaranareo azy’, hoy i Jeso.” Avy eo dia nilaza ny heviny izy momba ilay toe-javatra mampalahelo nateraky ny fanerena hanaraka ny fitovoana: “Ny vokatry ny fanerena hanaraka ny fitovoana dia ireo lehilahy an’arivony maro manana fiainana roa sosona, ireo vehivavy an’arivony maro izay simba ny fiainany, ireo ankizy an’arivony maro ailiky ny rainy pretra, ary tsy resahina intsony ireo pretra mijaly ara-pihetseham-po.”

Fitahiana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana mendri-kaja. Hita fa manimba eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fanerena hanaraka ny fitovoana. Hita kosa, tetsy an-daniny, fa fomba fiaina mitondra valisoa sy mahafa-po eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fitoerana ho mpitovo araka ny safidy malalaka, ho an’ny olona sasany, na dia tsy tena ilaina mba hahazoana fahamasinana na famonjena aza izy io. — Matio 19:12.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

Life

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara