FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/5 p. 31
  • Fomba Analavirana Loza Maneran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Analavirana Loza Maneran-tany
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpampivelona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitohy ny Fikarohana Vahaolana
    Mifohaza!—2000
  • Mandray Soa ny Bevohoka Mikarakara Fahasalamana
    Mifohaza!—2003
  • Manao Ahoana ny Fahombiazan’ireo Fandaharan’asan’ny ONU Momba ny Tanora?
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/5 p. 31

Fomba Analavirana Loza Maneran-tany

ANTSOIN’NY FIRENENA MIKAMBANA HOE “LOZA MANERAN-TANY” IZY IO, ARY MARINA IZANY. MANERAN-TANY TOKOA MANTSY, DIA MISY VEHIVAVY IRAY ISA-MINITRA MATY NOHO NY FITONDRANA VOHOKA SY NY FITERAHANA.

Atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no itrangan’ny ankamaroan’ireo fahafatesana ireo. Raha vehivavy 1 monja amin’ny 10 000 no maty noho ny antony mifandraika amin’ny fitondrana vohoka any Eoropa, ary 1 amin’ny 12 500 any Etazonia, dia miakatra ho vehivavy 1 amin’ny 73 izany any Amerika Latina, 1 amin’ny 54 any Azia, ary mahavery hevitra fa 1 amin’ny 21 atỳ Afrika!

Koa satria azo nosorohina ny ankamaroan’ireny fahafatesana 600 000 isan-taona mifandraika amin’ny fitondrana vohoka ireny raha nisy mpampivelona mpanampy nahay, dia manantitrantitra ny momba ny fampiofanana vehivavy (sy lehilahy) ho tonga mpampivelona matihanina ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF) sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), ankehitriny.

Any amin’ireo firenena tsy misy dokotera firy, dia afaka misoroka ny fahafatesana ny mpampivelona voaofana. Nilaza vao haingana tao amin’ny Radion’ny ONU i France Donnay, dokotera ao amin’ny UNICEF, sy i Anne Thompson, mpanolo-tsaina ao amin’ny OMS, fa ny fanomezana fahefana bebe kokoa an’ireo mpampivelona voaofana dia efa mitondra vokatra sahady. Nilaza izy ireo fa any amin’ny firenena maromaro atỳ Afrika, ohatra, dia nihena be ny fahafatesan’ny reny, rehefa nahazo lalana ny mpampivelona hanala ny ahitra izay tsy nivoaka taorian’ny fiterahana. Nahitana fandrosoana nitovy tamin’izany koa tany Indonezia. Nisy tetik’asa nikendry ny hampiofanana mpampivelona roa isam-bohitra mantsy tany. Hatramin’izao, dia mpampivelona voaofana 55 000 no nalefa.

“Any amin’ny tany mandroso koa, dia mbola mpampivelona no mampiteraka”, hoy ny fanamarihan’ilay fandaharana hoe Perspective, ao amin’ny Radion’ny ONU. Mbola tsy niala mihitsy tamin’ny fanao nentim-paharazana, dia ny fampiterahan’ny mpampivelona, ny firenena toa an’i Frantsa, i Holandy, i Soeda ary i Royaume-Uni, ary niverina indray io fanao io any Etazonia. Misy vidiny ny mpampivelona any amin’ireo firenena ireo, satria manolotra fikarakarana ho an’ny isam-batan’olona sy fikarakarana mitohy, hoy i Anne Thompson, izay mpampivelona voaofana koa. “Rehefa mihetsi-jaza ny vehivavy, izany dia tena mety haharitra 24 ora, ary tsy manam-potoana hipetraham-potsiny mandritra ny 24 ora ny dokotera.” Nanampy teny anefa izy fa anisan’ny nahatonga ny fiterahana ho tsy azon-tsampona kokoa ny “maha eo ny olona iray tsara fanahy, manana fahalalana, mahay mahatakatra ny manjo ny hafa, ary afaka manome toky indray an’ilay vehivavy”.

Mbola nomarihin’ny Perspective koa fa “misy fiterahana 60 tapitrisa isan-taona, ka amin’izany ilay mpiteraka dia tsy manana olona hikarakara azy, afa-tsy mpianakavy iray, mpampivelona mpanampy araka ny fomba nentim-paharazana iray, izay tsy voaofana ho amin’ny fampiterahana akory — na tsy misy na iza na iza hikarakara azy mihitsy”. Mifofotra hanova izany ny ONU. Ho fanombohana, dia nampifantohan’ny OMS tamin’ilay loha hevitra hoe “Fiterahana Ieren-doza” ny Andro Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana tamin’ny taona 1998. “Fantatray fa tsy ho tratra ato anatin’ny 2 na 3 taona izany”, hoy ny Dr. Donnay. Ny tanjony anefa dia ny hananana “mpampivelona mpanampy iray matihanina, isaky mpiteraka iray”.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

UN/J. Isaac

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara