FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpampivelona”
  • Mpampivelona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpampivelona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Poha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sifra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fahaterahana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fomba Analavirana Loza Maneran-tany
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpampivelona”

MPAMPIVELONA

Endriny milaza vavy amin’ilay matoanteny hoe yalad (miteraka) ny teny hebreo nadika hoe “mpampivelona.” Midika ara-bakiteny hoe vehivavy mpampiteraka àry izy io. (Jereo FAHATERAHANA.) Manampy ny vehivavy mihetsi-jaza ny mpampivelona, ary rehefa teraka ilay zaza dia izy no manapaka ny tadim-poitrany sy mampandro azy. Nokosehin’ny mpampivelona fahiny tamin’ny sira ilay zazakely avy eo, ary nohodidininy lamban-jaza.​—Ezk 16:4.

Ny namana na havana akaiky na vehivavy zokiolona no nampiteraka, indraindray. Ilana fahaizana manokana sy traikefa anefa izany, indrindra raha saro-piterahana ny vehivavy. Lasa anton’asan’ny vehivavy sasany mihitsy àry ny hoe mpampivelona. Efa akaiky hiteraka an’i Benjamina, ohatra, i Rahely, “nefa saro-piterahana.” Nanome toky azy ny mpampivelona fa hahazo lahikely izy. Maty anefa i Rahely. (Ge 35:16-19) Saro-piterahana koa i Tamara rehefa niteraka kambana: Pereza sy Zera. Hain’ilay mpampivelona ny namantatra hoe iza no tokony ho lahimatoa: Namoaka ny tanany mantsy i Zera ary nafatotr’ilay mpampivelona haingana teo amin’ny tanan’ilay zaza ny kofehy mena midorehitra. Nampidirin’i Zera indray ny tanany, ary ilay kambana aminy no nivoaka voalohany ka rovitra mihitsy ny reniny.​—Ge 38:27-30.

Nisy mpampivelona teo amin’ny Israelita tamin’izy ireo andevo tany Ejipta. Nampanantsoin’i Farao ny roa tamin’izy ireo, izany hoe i Sifra sy Poha, ka nasain’i Farao namono ny zazalahy hebreo rehetra vao teraka. Lehiben’ny mpampivelona angamba izy roa vavy ireo, ary izy ireo no nampita ny baikon’ny mpanjaka tany amin’ireo mpiara-miasa taminy. Baiko sarotra notanterahina izany, nefa koa nampidi-doza ny tsy fanarahana azy. “Natahotra an’ilay tena Andriamanitra anefa ny mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ireo zazalahy.” Nanao ampamoaka azy roa vavy àry i Farao, ka nanao hoe: “Nahoana ianareo no nanao izao zavatra izao?” Nanazava izy ireo fa tsy afa-nanoatra, satria ‘natanjaka’ ny vehivavy hebreo ka efa teraka raha mbola tsy tonga akory ny mpampivelona. (Ek 1:15-19) Natahotra an’i Jehovah ireo mpampivelona ka tsy nety namono an’ireo zazakely. Notahin’i Jehovah izy ireo ary novaliany soa ka nomeny ankohonana.​—Ek 1:20, 21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara