FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/6 p. 14-15
  • Miarova Tena Amin’ny Katsentsitra!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miarova Tena Amin’ny Katsentsitra!
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aleo misoroka toy izay mitsabo
  • Aoka ny sakafonao ho azo antoka
    Mifohaza!—1990
  • Efa Tsinjo ve ny Faran’ny Takilodrano?
    Mifohaza!—1997
  • Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Tazomoka?
    Mifohaza!—2015
  • Fanampiana ny ankizy tsy ho faty!
    Mifohaza!—1990
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/6 p. 14-15

Miarova Tena Amin’ny Katsentsitra!

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY HONDURAS

MISALEBOLEBO ianao rehefa mifoha. Mora vizana ianao. Somary mizihitra ny kibonao. Famantarana fa mitoe-jaza ve? Angamba. Raha mipetraka any amin’ny faritra tropikaly na any akaikin’ny tropika anefa ianao, dia tena mety ho katsentsitra ao amin’ny tsinay no mahazo anao. Fa inona moa ny katsentsitra ao amin’ny tsinay, ary ahoana no ilazanao fa misy an’ireny vahiny tsy irina ireny ao anatinao?

Raha lazaina tsotra, ny katsentsitra dia zavamiaina izay mivelona ao anaty zavamiaina iray hafa. Misy karazany roa ny katsentsitra ao amin’ny tsinay, dia ny prôtôzôera, anisan’izany ny amiba, sy ny kankana. Miankina amin’ny karazany sy ny isan’ny katsentsitra ao amin’ilay itoerany, sy ny taona ary ny fahasalaman’ilay itoerany ny hamafin’ny fahavoazana.

Ny vavy amin’ny viky (kankana boribory), ohatra, dia afaka mamoaka atody 200 000 isan’andro. Tsy maintsy mitoetra ao amin’ny tany anefa ireo atody vao mety ho foy. Miankina amin’ny isan’ny atodin-kankana, na olitra kely, voatelin’ny olona iray ny isan’ny viky ao anatiny. Olona maro no misy kankana nefa tsy mahalala izany akory. Mety hahatsentsina ny tsinay anefa ny fisian’ny kankana be loatra.

Soritr’aretina fahita manambara ny fisian’ny katsentsitra ao amin’ny tsinay ny fanaintainana ao amin’ny faritry ny kibo, ny salebolebo, ny fahalainan-komana, ny kibo mizihitra, ny faharerahana, ary ny tsy fahalevonan-kanina maharitra, ny aretim-pivalanana, na ny fitohanam-pivalanana. Mety ho famantarana ny fisian’ny katsentsitra koa ny fahiazana, ny torimaso tsy mahafaka havizanana, ny hidihidy, ny fisefosefoana, ary ny tazo. Mazava ho azy fa mety ho famantarana aretina maromaro koa ireo soritr’aretina ireo. Azo atao anefa ny mamantatra ny fisian’ny katsentsitra amin’ny alalan’ny fandiniham-pivalanana imbetsaka.

Tena ilaina ny hamantarana marina izay mahazo ny tena. Ohatra, raha toa ka misy viky sy karazan-katsentsitra hafa, dia ny viky no ilaina hesorina voalohany. Nahoana? Satria misy fanafody sasany tsy mahafaty ny kankana, fa mety hanorisory azy fotsiny ka mahatonga azy hifindra any amin’ny taova hafa amin’ny vatana, ary hiteraka fahavoazana lehibe.

Aleo misoroka toy izay mitsabo

Na dia misy fanafody hita ho mandaitra aza mba hanesorana ny katsentsitra, dia aleo manao izay tsy hahazoana azy ireny, hatramin’ny voalohany. Ahoana àry no azonao iarovan-tena amin’ny katsentsitra?

Ny fahadiovana no fiarovana tsara indrindra. Tsy tokony havela hiharihary ny diky. Tokony hisy elanelana ampy eo amin’ny kabine sy ny toerana fakana rano, mba tsy hiteraka aretina. Tsy tokony hatao zezika ny dikin’olombelona. Tena ilaina koa ny fahadiovana tsara. Fanampin’izany, dia aza avela hihinan-javatra maloto ny zanakao. Raha hita fa misy katsentsitra ny zaza iray, dia ho tsara raha hanaovana fizahana ny mpianakavy rehetra.

Tokony hitandrina koa rehefa mividy sy mikarakara sakafo. Miezaha hividy zavatra nambolena tao amin’ny faritra fantatra tsara ho madio. Tokony hohandrahoina tsara ho masaka hatrany anatiny ny hena. Aza mba mihinana hena manta mihitsy. Tokony hosasana tsara aloha ny voankazo sy ny legioma tsy handrahoina. Tandremo anefa, aza ampiasaina fanindroany intsony ilay rano, satria mety ho efa voaloto.

Tokony hampangotrahina tsara ny rano fisotro. Rehefa avy nampangatsiahina ilay rano, dia mety ho azo ampiana rivotra mba hamerenana ny ôksizenina amin’ny laoniny. Tsy mahavita manaisotra ny katsentsitra rehetra ny fanatantavanana ampiasaina any amin’ny ankamaroan’ny tokantrano. Miankina amin’izay fitandremam-pahadiovana tany amin’ny ozinina nanaovana azy ny fahadiovan’ny rano an-tavoahangy amidy eny amin’ny toeram-pivarotana.

Raha mpandehandeha na mpisakafo any ivelany ianao, dia hila handray fepetra fiarovana fanampiny. Mazàna no tsy ahitan-doza ny zava-pisotro an-tavoahangy sy ao anaty baoritra, raha aroso tsy misy gilasy. Koa satria tsy mahafaty ny katsentsitra sasany ny maripana mampivaingan-drano, dia mitovy amin’ny hadion’ny rano nanaovana azy ihany ny hadion’ny gilasy. Mety ho tianao ny hitandrina mba tsy hihinan-kanina amidin’ny mpivarotra amoron-dalana. Mety ho maha te hihinana erỳ ny fijery ny mananasy voatetika na ny karazana voanketsihetsy voatetika, nefa matetika izy ireny no fafazana rano mba ho toy ny vao avy notetehina no fijery azy, ary mety ho rano voaloto izany. Mitandrema, nefa aza dia be fiahiahiana tafahoatra, hany ka tsy ho afaka hankafy ny dianao intsony. Amin’ny fandraisana fepetra fiarovana araka ny antonony, dia afaka miaro tena tsara amin’ny katsentsitra ianao.

[Sary, pejy 14]

Ny fahadiovana no fiarovana tsara indrindra

[Sary, pejy 15]

Mitovy amin’ny hadion’ny rano nanaovana azy ihany ny hadion’ny gilasy

[Sary, pejy 15]

Karazany roa amin’ny katsentsitra ny amiba sy ny kankana

[Sary nahazoan-dalana]

DPDx, the CDC Parasitology Website

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara