FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/7 p. 8-11
  • Fihazonana Fomba Fihevitra Mahasalama

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fihazonana Fomba Fihevitra Mahasalama
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Poizina ho an’ny saina
  • Fidio amim-pahendrena ny fialam-boly
  • Mitadiava tari-dalana avy amin’Andriamanitra
  • Ahoana no Hifidianana Fialam-boly Mahasoa?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Afaka Mahita Fialam-boly Mahasoa Ianao
    Mifohaza!—1997
  • Nanova anao ve ny televiziona?
    Mifohaza!—1992
  • “Mpampianatra Mahay” ny Tele
    Mifohaza!—2006
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/7 p. 8-11

Fihazonana Fomba Fihevitra Mahasalama

MIANKINA be amin’izay ampidirintsika ao anatin’ny vatantsika ny fahasalamantsika ara-batana. Raha sakafo tsy manjary no hanin’ny olona iray tsy tapaka, dia ho simba ny fahasalamany amin’ny farany. Mihatra amin’ny fahasalaman’ny saintsika izany foto-pitsipika izany.

Ohatra, azonao ampitahaina amin’ny karazan-tsakafon-tsaina ny zavatra ampidirintsika ao an-tsaintsika. Sakafon-tsaina hoe? Eny, mety hisy vokany eo amin’ny fomba fihevitsika sy ny maha isika antsika ny fanazavana raisintsika avy ao amin’ny boky, ny gazetiboky, ny fampisehoana ao amin’ny televiziona, ny vidéos, ny lalao amin’ny vidéo, ny Internet, ary ny tonon-kira, tsy misy hafa amin’ny sakafo ara-bakiteny izay misy vokany eo amin’ny vatantsika. Amin’ny fomba ahoana?

Nanoratra toy izao i Jerry Mander, lehiben’ny sampana dokam-barotra teo aloha, momba ny vokatra entin’ny televiziona eo amin’ny fiainantsika: “Mihoatra noho ny zavatra hafa na inona na inona manan-kery mitaona, ny televiziona dia mametraka sary ao an-tsaintsika.” Tsy mampiala voly antsika fotsiny anefa ireny sary ao an-tsaintsika ireny. Hoy ilay gazetiboky hoe The Family Therapy Networker: “Manjary votoatin’ny zavatra eritreretintsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny sary ao an-tsaintsika ny fiteny, ny sary, ny feo, ny hevitra, ny olona, ny toe-javatra, ny zavatra heverina ho sarobidy ary ny hakanto ampitain’ny fampahalalam-baovao.”

Eny, na voamaritsika izany na tsia, ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika dia mety ho voavily amim-pitaka noho izay jerentsika ao amin’ny televiziona sy noho ny endri-pialam-boly hafa. Eo indrindra no mipetraka ny loza. Araka ny nolazain’i Mander, “isika olombelona dia manahaka tsikelikely an’izay sary ao an-tsaintsika”.

Poizina ho an’ny saina

Olona maro, izay mety hanara-maso amim-pitandremana ny sakafo haniny, no handrapaka izay rehetra sakafon-tsaina tsy an-kanavaka aroso ho azy ireo amin’ny alalan’ny fampitam-baovao. Ohatra, efa mba nandre olona niteny ve ianao hoe: “Tsy misy zavatra tsara azo jerena mihitsy ao amin’ny tele!” Toa babo tanteraka ny sasany, ka manovaova chaînes tsy misy farany amin’ny fanantenana fa hahita zavatra mendrika hojerena. Tsy mandalo ao an-tsainy mihitsy ny eritreritra hamono ilay tele!

Fampisehoana maro no maka fotoana be loatra, ary ambonin’izany dia manasongadina loha hevitra izay irin’ny Kristianina hohalavirina. “Ankoatra ny fitenenan-dratsy”, hoy i Gary Koltookian, mpanoratra momba ny zavakanto, “dia mihabetsaka kokoa noho ny tamin’ny lasa ny foto-kevitra mahatonga adihevitra, sy mahakasika ny maha lahy sy ny maha vavy, aseho ao amin’ny tele amin’izao andro izao.” Eny tokoa, nisy fandinihana iray vao haingana natao tany Etazonia nahitana fa miseho im-27 isan’ora, amin’ny antsalany, ny sary misy ifandraisana amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, mandritra ireo ora mahabe mpijery televiziona indrindra.

Izany dia mahatonga hieritreritra ny vokany eo amin’ny fomba fihevitry ny olona. Nambabo olona maro aoka izany ny fampisehoana tantara iray be mpitia tao amin’ny televiziona tany Japon, hany ka nilaza ny fampitam-baovaon’ilay firenena fa niteraka “firongatry ny fanitsakitsaham-bady” izy io. Ambonin’izany, dia hoy ny mpanoratra ilay boky hoe Watching America: “Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny endriny samihafa amin’ny fitondran-tena eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy dia (...) heverina ho safidy ara-dalàna mahakasika ny fomba fiainan’ny tena manokana.”

Na izany aza, dia ampahany iray monja amin’ilay olana ny fandaharan’ny tele izay manindrahindra ny maha lahy sy ny maha vavy. Fahita koa ny fampisehoana herisetra mazava tsara. Mampanahy indrindra ny vokatra manimba mety hoentin’ny fandaharana feno herisetra ao amin’ny tele sy ny sinema eo amin’ny saina mora taomina ananan’ny tanora. “Rehefa mahita, ao amin’ny tele, olona voatifitra ny ankizy madinika, na mahita olona voatsatoka antsy, na novetavetaina, na nampiharana herisetra, nampietrena, na novonoina”, hoy i David Grossman, manamboninahitry ny tafika efa misotro ronono sady manam-pahaizana manokana eo amin’ny psikôlôjian’ny famonoana, “aminy dia toy ny hoe zavatra tena mitranga izany.” Rehefa nanazava momba io olana io ihany ny The Journal of the American Medical Association, dia nilaza hoe: “Hatreo amin’ny faha-3 sy faha-4 taonany, dia ankizy maro no tsy mahay manavaka ny zava-misy amin’ny zavatra foronin’ny saina ao amin’ny fandaharan’ny televiziona, ary mbola tsy afaka manao izany ihany izy ireo na dia misy olon-dehibe manoro azy aza.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mbola tsy afaka manavaka ilay fahasamihafana ihany ny sain’ny ankizy iray, na dia mety hilaza aminy aza ny ray na reny iray hoe: ‘Tsy tena maty ange ireo olona ireo e! Mody maty fotsiny izy.’ Amin’ny ankizy madinika iray, dia zavatra tena izy ny herisetra ao amin’ny tele.

Nilaza toy izao ny gazetiboky Time, rehefa namintina ny vokatry ny “herisetran’ny fampitam-baovao”: “Misy mpikaroka vitsy tsy misahirana hiady hevitra intsony hoe misy vokany eo amin’ny ankizy manatri-maso izany ny fandatsahan-dra ao amin’ny tele sy ao amin’ny sinema.” Vokany karazany inona? “Noho ireo am-polony taona maro nijeren’ny olona fialam-boly feno herisetra, dia niova ny fomba fiheviny sy ny zavatra heveriny ho sarobidy”, hoy i Michael Medved, mpanao tsikera sarimihetsika. Hoy koa izy: “Tsy azo antsoina velively hoe fandrosoana ny hoe manjary tsy mihontsina intsony ny fitambaran’olona.” Tsy mahagaga firy àry raha nilaza ny mpanoratra iray fa “fanapoizinana ny sain[’ny ankizy efa-taona]” ny fitondrana azy hijery sarimihetsika feno herisetra.

Mazava ho azy fa tsy midika akory izany hoe ratsy avokoa ny fandaharana rehetra ao amin’ny televiziona, sy ny boky, ny gazetiboky, ny vidéos, ny lalao ao amin’ny ôrdinatera, ary ny endri-pialam-boly hafa. Mazava anefa fa tsy sahaza an’ireo izay maniry hihazona fomba fihevitra mahasalama, ny ankamaroan’ny antsoina hoe fialam-boly.

Fidio amim-pahendrena ny fialam-boly

Mampihatra fitaomana mahery eo amin’ny eritreritsika sy ny ataontsika ny sary ampitain’ny masontsika any amin’ny saintsika. Ohatra, raha fialam-boly miharo fahalotoam-pitondran-tena no ampidirintsika tsy tapaka ao an-tsaintsika, dia mety hihena ny fahatapahan-kevitsika hankato ny fandidian’ny Baiboly ‘handositra ny fijangajangana’. (1 Korintiana 6:18). Mitovy amin’izany koa, raha mankafy fialam-boly manasongadina “olona mpanao ratsy” isika, dia mety ho hitantsika fa sarotra ny ‘hihavana amin’ny olona rehetra’. (Salamo 141:4; Romana 12:18). Mba hanalavirana izany, dia tsy maintsy avilintsika ny masontsika tsy ho amin’izay “zava-dratsy”. — Salamo 101:3; Ohabolana 4:25, 27.

Marina aloha fa noho ny tsy fahalavorariana nolovana, dia tsy maintsy manao ezaka mafy isika rehetra mba hanao izay mahitsy. Nitsotra ny apostoly Paoly ary niaiky hoe: “Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” (Romana 7:22, 23). Midika ve izany fa nanaiky ho resin’ny fahalemen’ny nofony i Paoly? Tsy izany velively! Hoy izy: ‘Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao holavina ny tenako.’ — 1 Korintiana 9:27.

Mitovy amin’izany koa fa tsy irintsika mihitsy ny hampiasa ny tsy fahalavorariantsika ho fialan-tsiny mba hanotana. Hoy i Joda, mpanoratra ao amin’ny Baiboly: “Ry malala, (...) nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina.” (Joda 3, 4). Eny, mila ‘miezaka mafy’ isika ary miala amin’ny fialam-boly izay manosika antsika hanao ratsy.a

Mitadiava tari-dalana avy amin’Andriamanitra

Tsy mora foana ny mamboly fomba fihevitra mahasalama eto amin’ity fandehan-javatra ity. Manome toky antsika anefa ny Baiboly fa azo atao ny mitoetra ho madio ara-tsaina sy ara-pitondran-tena. Amin’ny fomba ahoana? Izao no vakintsika ao amin’ny Salamo 119:11: “Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao.”

Ny hoe mandrakitra ny tenin’Andriamanitra dia midika hoe mihevitra azy ireny ho sarobidy na manisy vidiny ambony azy ireny. Miharihary fa ho sarotra ny hanaja ny Baiboly raha tsy fantatsika izay lazainy. Amin’ny fandraisana fahalalana araka ny marina avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mandray ny fihevitr’Andriamanitra ao anatintsika isika. (Isaia 55:8, 9; Jaona 17:3). Izany indray kosa dia mampanan-karena antsika ara-panahy sady mampisondrotra ny fihevitsika.

Misy fomba azo ianteherana ve hamantarana raha mahasalama ara-panahy sy ara-tsaina ny zavatra iray? Eny! Nanoro hevitra toy izao ny apostoly Paoly: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” — Filipiana 4:8.

Raha tiantsika anefa ny handray soa marina, dia tsy ampy ny fahazoana fahalalana an’Andriamanitra fotsiny. Nahazo tsindrimandry i Isaia mpaminany ka nanoratra hoe: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:17, izahay no manao sora-mandry.) Eny, tsy vitan’ny hoe mila mitady tari-dalana avy amin’Andriamanitra isika, fa mila manao zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany koa.

Fomba hafa iray handraisan-tsoa ara-pitondran-tena sy ara-panahy ny fiantsoana an’i Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka”. (Salamo 65:2; 66:19). Hihaino ny fitarainantsika ny Mpamorona antsika, raha manatona azy amim-pahatsoram-po sy amim-panetren-tena isika. Ary raha ‘mitady Azy isika, dia hahita Azy’. — 2 Tantara 15:2.

Azo atao àry ve ny mihazona ny fahasalaman’ny saintsika eto amin’ity tontolo feno herisetra sy ratsy fitondran-tena ity? Eny tokoa! Amin’ny tsy famelana ny saintsika ho tonga donton’ny fialam-bolin’ity tontolo ity, amin’ny fanatanjahana ny fahaizantsika misaina amin’ny alalan’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ary amin’ny fitadiavana tari-dalana avy amin’Andriamanitra, dia afaka mihazona fomba fihevitra mahasalama isika!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fifidianana fialam-boly mahasoa, dia jereo ny Mifohaza! tamin’ny 8 Jona 1997, pejy 8-10.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Ankizy maro no tsy mahay manavaka ny zava-misy amin’ny zavatra foronin’ny saina ao amin’ny fandaharan’ny televiziona”

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Noho ireo am-polony taona maro nijeren’ny olona fialam-boly feno herisetra dia niova ny fomba fiheviny sy ny zavatra heveriny ho sarobidy”

[Efajoro, pejy 11]

Fampihenana ny Mety Hahavoan’ny Aretim-po Anao

Indreto misy fanoloran-kevitra avy tao amin’ilay gazetikely hoe Nutrition Action Healthletter mba hanampiana anao hampihena ny mety hahavoan’ny aretim-po anao.

• Mialà amin’ny sigara. Ny fialanao anio dia afaka mampihena ny mety hahavoan’ny aretim-po anao ao anatin’ny herintaona, na dia mihamitombo aza ny lanjanao.

• Mampihenà tena. Raha matavy loatra ianao, ny fihenana roa kilaograma sy sasany ka hatramin’ny dimy kilaograma dia efa misy vokany.

• Manaova fampiasan-tena. Ny fampiasan-tena tsy tapaka (fara fahakeliny intelo isan-kerinandro) dia manampy mba hampihenana ny kôlesterôla ratsy (LDL), hihazonana ny tosidra tsy hiakatra, ary ny lanja tsy hitombo.

• Ahenao ny zavatra be menaka tsy mora levona haninao. Raha ambony ny LDL-nao, dia didin-kena mahia kokoa indray no hano, ary ronono tsy misy menaka afa-tsy 1 isan-jato, na ronono tsy misy menaka mihitsy no sotroy, fa tsy ronono misy menaka 2 isan-jato.

• Fero ny habetsahan’ny zava-pisotro misy alkaola sotroinao. Misy milaza fa ny olona misotro divay mena araka ny antonony dia mety hampihena ny mety hahavoan’ny aretim-po azy.

• Ampitomboy ny voankazo sy ny legioma ary ny sakafo hafa be tsiratsiraka na fibra mora levona haninao.

[Sary, pejy 8]

Toy ny poizina ho an’ny sain’ny ankizy ny herisetra ao amin’ny tele

[Sary, pejy 9]

Indraindray ny ankizy dia manahaka ny herisetra hitany ao amin’ny tele

[Sary, pejy 10]

Afaka manampy ireo zanany ny ray aman-dreny amin’ny fanomezana zavatra tsara sy isan-karazany azony vakina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara