Nanova anao ve ny televiziona?
“VARAVARANKELY iray mivoha eo anoloan’izao tontolo izao.” Toy izany no fiheverana ny televiziona. Ao amin’ilay boky hoe Mirimorimo — Ny fivoaran’ny televiziona amerikana, dia nanamarika i Erik Barnouw fa, vao tany amin’ny fiandohan’ireo taona 60, “[ny televiziona], ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia tonga ny varavarankelin’izy ireo mivoha eo anoloan’izao tontolo izao. Toa ny an’izao tontolo izao araka ny tena izy ny fahitana nomeny. Noheverina tamim-pahatsorana fa marina sy feno io sary io”.
Izany dia fanadinoana fa tsy afaka mifantina ny zavatra tazana eo anoloany ny varavarankely tsotra iray, toy ny tsy ahafahany manapaka ny amin’ny fahazavana na ny zoro na hanova tampoka io zavatra tazana io mba hitazonana ny fahaliananao. Afaka manao toy izany kosa ny televiziona. Kanefa, ireny anton-javatra, izay misy heriny lehibe eo amin’ireo fahatsapana sy ireo tsoakevitra raisinao avy amin’izay jerenao ireny, dia hararaotin’ireo mpamorona sarimihetsika an-televiziona. Na dia ireo gazety sy ireo sarimihetsika mampahafantatra ny zava-misy hita fototra indrindra aza dia iharan’ny famolavolana, na dia tsy iniana atao aza izanya.
Raindahiny amin’ny fanangolena
Amin’ny ankamaroan’ny fotoana anefa, ireo izay mitazona ny lamboridin’ny televiziona dia minia mitady hampihatra fitaomana eo amin’ireo mpijery televiziona. Eo amin’ny sehatry ny dokam-barotra, ohatra, dia afaka mampiasa saiky ny fitaovam-panangolena rehetra izy ireo mba hampirisihana ireo mpanjifa hividy. Loko, mozika, olona manana toe-batana mahafinaritra, ny fampitodihana amin’ny mahakasika ny lahy sy ny vavy, toerana taza-maso mahatalanjona — midadasika ny tahirim-pahalalana, ary hararaotiny amim-pahefana tokoa izany.
Izao no nosoratan’ny mpiasa za-draharaha amin’ny dokam-barotra taloha iray, taorian’ny 15 taona nanaovana asa: “Nianarako fa azo atao ny mampiasa ny fampahalalam-baovao [toy ny televiziona] mba hiresahana mivantana amin’ny sain’ny olona ary, toy ny mpanao majika sasantsasany, hamelana sary ao izay mety hitarika azy ireny hanao zavatra tsy ho noeritreretiny mihitsy.”
Ny hoe mampihatra hery mitaona lehibe eo amin’ny olona ny televiziona, dia efa niharihary izany tany amin’ireo taona 50. Nahita ny fitomboan’ny varony haingana ary ny vola amin’ny raharaham-barony isan-taona nanjary 4 500 000 dôlara ilay 50 000 dôlara, tao anatin’ny roa taona, ny mpanamboatra lokomena iray izay nanomboka nandefa dokam-barotra tao amin’ireo televiziona amerikana. Ny banky iray izay nanolotra ny fiaraha-miasany tao anatin’ny fandaharana iray ao amin’ny televiziona tena ankafizin’ny vehivavy dia nifanotofana ara-bakiteny, nahavory petra-bola teo amin’ny 15 000 000 dôlara teo ho eo.
Mahita, amin’ny antsalany, filazana dokam-barotra mihoatra ny 32 000 isan-taona ny Amerikana iray, amin’izao andro izao. Natao indrindra mba hanangolena sy hanohinana ny fo izy ireny. Araka ny anamarihan’i Mark Crispin Miller ao amin’ilay bokiny hoe Ny fandriky ny fahalalana an-televiziona (anglisy) azy, dia hoe: “Marina tokoa fa volavolain’izay jerentsika isika. Manenika ny fiainantsika andavanandro ny dokam-barotra ary manan-kery eo amintsika hatrany”. Io famolavolana io, hoy ny nanampiny, “dia mampidi-doza, indrindra fa noho izy tsy mora hita matetika, ary hanohy hiasa izy mandra-pahaizantsika mamantatra azy”.
Tsy mivarotra lokomena, hevitra ara-politika sy kolontsaina fotsiny ny televiziona, amin’izao andro izao. Mivarotra fitsipi-pitondrantena koa izy ... na tsy fisiana fitsipi-pitondrantena.
Ny televiziona sy ny fahamboniana ara-pitondrantena
Tsy misy na iza na iza ho gaga raha mahafantatra fa mihahita hatrany eo amin’ireo televiziona amerikana ny momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Nanamarika fanasiana fitenenana ny amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy in-722, na ankolaka izany, na am-bava na aseho amin’ny efijery, izany hoe amin’ny antsalany 10,94 isan’ora, ny fandinihana nivoaka tamin’ny 1989, tao amin’ny Journalism Quarterly. Manomboka amin’ny fifanafosafoana eo amin’ny lahy sy ny vavy ka hatramin’ny firaisana, mandalo amin’ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy, ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy ary ny fandriana amin’ny havana akaiky ireo fampisehoana an-tsehatra resahina.
Tsy maningana akory izay hita any Etazonia, tsy izany velively. Mibaribary eo amin’ny vata fahitana lavitra ny fampisehoana an-tsehatra feno habibiana, any Frantsa; mampiseho “strip-tease” (fampisehoana voaforon’ny fanalana tsikelikely izay eny an-koditra arahin’ny fihetsika mihantsy, atao an-kira) ny televiziona italiana; sarimihetsika feno herisetra sy mampiseho ny fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy no apariaka amin’ny fifaranan’ny takariva any Espaina. Ary mbola ho azo halavaina ny lisitra.
Endriky ny faharatsiam-pitondrantena iray hafa entin’ny televiziona ny herisetra. Vao haingana, tany Etazonia, ny tsikeran’ny televiziona iray ao amin’ny gazetiboky Time dia nanao teny fiderana ny “vazivazy mahatsiravina” ao amin’ny karazan-tsarimihetsika mitohitohy mampihorohoro izay ahitana fampisehoana an-tsehatra misy fanapahan-doha, fanapahana ratsam-batana, fanatrabahana amin’ny hazo maranitra ary fitoeran’ny demonia amin’ny olona iray. Marina fa mahalana ihany no mahatratra ny fara heriny toy izany ny herisetra, kanefa dia ekena kokoa izy amin’izay. Taona vitsivitsy lasa izay, rehefa naseho tany amin’ny tanàna kely mitokana iray any Côte d’Ivoire, atsy Afrika, ny fandaharana an-televiziona tandrefana dia tsy naharitra ny lahiantitra iray fa nanontany toy izao, sanganehana: “Fa maninona ry zareo fotsy hoditra no miady foana na mifamono amin’ny tsatoka antsy na amin’ny basipoleta?”
Azo antoka fa ny valiny, dia ny hoe: na ireo mpamorona sarimihetsika na ireo mpamatsy vola dia miezaka hanome fahafahampo ireo mpijery televiziona. Koa satria mampitombo isa ny mpanatrika ny herisetra sy ny maha-lahy na ny maha-vavy, dia aroso amin’ny ampahany lehibe na ny voalohany na ity faharoa — tsy be loatra na aloha loatra anefa, mba hisorohana ny fihetsika mandà. Manazava toy izao i Donna McCrohan ao amin’ilay bokiny hoe Prime Time, Our Time: “Ny ankamaroan’ireo fandaharana mitana ny loha laharana dia lasan-davitra araka izay azo atao amin’ny fitenenan-dratsy, ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny herisetra na ny foto-kevitra velabelariny; avy eo, rehefa tratrany ny fetra, dia ihoarany. Vonona hanaiky fetra hafa indray àry ny mpijery.”
Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. Foto-kevitra iray noheverina ho any ivelan’ny fetra azo ekena ho tsara eo amin’ny televiziona izy io taloha. Kanefa, rehefa injay zatra ireo mpijery televiziona dia vonona ny hanaiky ny mihoatra an’izay. Araka ny filazan’ny mpanao gazety frantsay iray, dia “tsy misy intsony na dia iray aza mpandrindra tantara ho azo lalaovina an-tsehatra ho sahy hampiseho ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy ho toy ny fivaona. (...) Toa any amin’izay misy ny antokon’olona sy ny tsy fileferany no misy ny tsy ara-dalàna”. Tamin’ny taon-dasa, tany Etazonia, ny televiziona iray tsy mandefa sary afa-tsy ho an’ireo izay nanao famandrihana ihany dia nanapariaka voalohany “tantara mitohy momba ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy” tany amin’ny tanàn-dehibe 11. Azo natao ny nahita tao, lehilahy niray fandriana. Nanazava tao amin’ny Newsweek ilay mpamorona ilay sarimihetsika fa ireny fampisehoana an-tsehatra, izay novolavolaina lehilahy mandry amin’ny lehilahy ireny, dia nomanina mba “tsy hahamora tohina ny mpijery mba hahatakarany fa toy ny olon-drehetra isika”.
Tontolo an’eritreritra manohitra ny zava-misy
Nanamarika ireo mpanoratra ilay fandinihana navoaka tao amin’ny journalism Quarterly fa, satria azo lazaina ho tsy mampiseho mihitsy ny vokatry ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna ny televiziona, ny “fikitikitihany tsy miato ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny alalan’ny sary” dia mitovy amin’ny fampielezana fanazavana diso. Ary dia lazainy ny amin’ny fandinihana hafa iray izay manambara fa mampita alohan’ny zava-drehetra izao hafatra manaraka izao ireo tantara mitohy tsara fiafara hatrany: natao ho an’ireo olona tsy mpivady koa ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ary tsy tompon’andraikitra mihitsy amin’ny aretina.
Toy izany marina ve izao tontolo izao araka ny tena izy? Tsy miafara mihitsy amin’ny fananan’ny zatovovavy anaka ve na amin’ny areti-mifindra azo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ireo firaisana alohan’ny fanambadiana? Na lehilahy mandry amin’ny lehilahy na lehilahy mandry amin’ny vehivavy, moa ve tsy manana tahotra mihitsy sao tratran’ny SIDA? Ny herisetra sy ny fanimbana tsy amin’antony ve miafara hatrany amin’ny fandresen’ny tsara sy ny fietren’ny ratsy, ka na ny andaniny na ny ankilany dia mahagaga fa samy tafavoaka soa aman-tsara tsy misy maratra? Mamorona tontolo iray izay mahafinaritra fa tsy mba ahitana vokatry ny atao, ny televiziona. Nosoloana fotopoto-pitsipiky ny fahafinaretana avy hatrany ireo fotopoto-pitsipika momba ny fieritreretana, ny fitsipi-pitondrantena, ary ny fifehezan-tena.
Miharihary àry fa tsy “varavarankely iray mivoha eo anoloan’izao tontolo izao” ny televiziona, tsy eo anoloan’izao tontolo izao araka ny tena izy fara faharatsiny. Nanome indrindra ny lohateny hoe Ny taozava-baventin’ny zavatra tsy tena misy (anglisy) ho an’ny bokiny ireo mpanoratra ny boky vao haingana iray mahakasika io foto-kevitra io. Vakina ao fa “tonga iray amin’ireo hery matanjaka indrindra eo amin’ny fiainantsika ny televiziona. Vokatr’izany, dia tsy mamaritra fotsiny ny atao hoe zava-misy ny televiziona, fa ny mbola zava-dehibe lavitra sady manorisory, dia fafany tanteraka ny fanavahana, ny tsipika mampisaraka ny tena izy amin’ny tsy tena izy”.
Mety hanaitra ny fitenenana toy izany eo imason’ireo izay mihevi-tena fa tsy mihontsina amin’ny hery mitaonan’ny televiziona. ‘Tsy manao telimoka izay rehetra hitako aho’, hoy ny sasany. Angamba tsy matoky ny televiziona tokoa aza isika. Kanefa, mihevitra ireo manam-pahaizana manokana fa tsy voatery ho ampy mba hiarovan-tena amin’ireo fanao feno hakingana ampiasaina mba hisy heriny eo amin’ny fihetseham-pontsika, io fisalasalana avy hatrany io. Izany no nofintinin’ny iray tamin’izy ireo tamin’ny fitenenana hoe: “Ny iray amin’ireo hafetsen’ny televiziona tsara indrindra dia ny tsy famborahana mihitsy ny hoe hatraiza izy no manan-kery eo amin’ny fiasan’ny saintsika.
Milina fitaomana iray
Mandany amin’ny antsalany fito ora sy roa minitra isan’andro eo anoloan’ny fahitana lavitra ry zareo Amerikana, araka ny boky fakàn-kevitra iray. (1990 Britannica Book of the Year). Milaza ny roa ora isan’andro ny faminavinana iray tsotsotra kokoa, izany anefa dia hitovy, mandritra ny androm-piainana iray, amin’ny fito taona eo anoloan’ny televiziona. Koa ahoana no hahafahan’ny fisetrana lehibe toy izany tsy hisy vokany mihitsy?
Tsy misy ho gaga raha mahafantatra fa sahirana ny olona sasany manavaka izay hitany ao amin’ny televiziona amin’ny zava-misy. Nanambara ny fandinihana iray navoaka tao amin’ny gazetiboky britanika iray (Media, Culture and Society) fa tena mitarika ny olona hanana “fahitana hafa an’izao tontolo izao” ny televiziona, ka mandrotsirotsy azy ireo amin’ny fiheverana fa mifanaraka amin’ny zava-misy ny fanirian’izy ireo. Toa manamarina io fisehoan-javatra io ny fandinihana hafa, toy izay nataon’ny Fikambanana amerikana misahana ny fahasalamana ara-tsaina.
Raha manan-kery toy izany eo amin’ireo fiheveram-bahoaka ny televiziona, ahoana no tsy hahafahany hanan-kery eo amin’ny atao sy ny fiainan’ny olona mihitsy? Nanao izao fanamarihana izao i Donna McCrohan ao amin’ilay bokiny hoe Prime Time, Our Time: “Rehefa azera ireo fady na ampiasaina ny fiteny tsy mihaja ao anatin’ny fandaharana maro mpihaino iray, dia mahatsapa tena ho afaka kokoa hanao toy izany isika. Toy izany koa, (...) ny fanaovana ny fifindrafindrana olona iraisana ho zavatra efa mahazatra na ny tsilian-tsofina ataon’ny olona iray ambony satria hoe lehilahy, momba ny fampiasany kapôty anglisy dia tsy hoe tsy misy vokany eo amintsika. Miasa toy ny vanja miotrika ny televiziona amin’ny toe-javatra rehetra, ka mamerina amintsika ny sarin’ilay mety hinoantsika fa isika ary noho izany, dia mety ho tonga isika.”
Tsy azo lavina fa niara-dalana tamin’ny fitomboan’ny faharatsiam-pitondrantena sy ny herisetra ny fisehoan’ny televiziona. Fifanandrifian-javatra ve? Tsy dia tena izany. Mampiseho ny fandinihana iray fa tsy voamarika ny fitombon’ny herisetra sy ny heloka bevava tany amin’ny firenena telo raha tsy taorian’ny fidiran’ny televiziona. Teo amin’izay nisehoan’ny televiziona aloha kokoa no nanombohan’ny biloky ny heloka bevava niakatra aloha koa.
Na dia toa mahagaga aza izany, ary mifanohitra amin’izay eritreretin’ny maro, dia tsy heverina akory ho toy ny fialam-boly manala fihenjanana ny televiziona. Nampiseho tokoa ny fandinihana natao tamin’ny olona 1200 tao anatin’ny vanim-potoana naharitra 13 taona fa, amin’ny fialam-boly rehetra, dia ny televiziona no tsy manala fihenjanana indrindra. Mifanohitra amin’izany fa mirona hamela ireo mpijery tsy hanao asa, hihenjana sy tsy ho afaka hampifantoka ny sainy izy io. Tsy nanao indrindra afa-tsy ny nampanjoretra, ny fijanonana ela teo anoloan’ny fahitana lavitra. Ny vakiteny kosa anefa dia namela ny nanao azy ho tsy nihenjana kokoa, ho falifaly kokoa, ary ho afaka hampifantoka ny sainy kokoa.
Mampalahelo fa, na manorina toy inona aza ny famakiana boky tsara iray, io mpangala-potoana tsy lany hevitra atao hoe televiziona io dia afaka misintona mora foana ho any aminy ireo tombontsoa. Izany no asehon’ny zava-misy hoe, fotoana fohy taorian’ny nametrahana ny televiziona tany New York, dia nilaza ny fihenan’ny fifamezivezen’ny boky ireo tranom-bokim-pokonolona. Tsy midika mihitsy izany aloha fa tandindomim-pahafoanana ny vakiteny. Kanefa, voalaza amin’izao fotoana izao fa tsy dia manana faharetana mamaky teny ny olona, ka vetivety dia tsy mifantoka ny sainy raha tsy totofana sary mitana ny saina izy. Angamba tsy misy tarehimarika na fandinihana manohana ireny fanahiana tsy voafaritra mazava ireny. Kanefa, moa ve tsy misy ariana amin’ny fisaintsainana sy amin’ny fifehezan-tena manokana raha toa ny tena ka mila ny hahatsapa mandrakariva ny ho voarotsirotsin’ny onjam-pialam-boly tsy miato an-televiziona natao amin’ny lafiny rehetra mba hitazonana ny fifantohan’ny saina kely indrindra?
Ny televiziona sy ireo ankizy
Tonga tena manahirana ny olana ny amin’ny televiziona rehefa mahakasika ny lafin’ny fahazazana. Amin’ny ankapobeny, na inona na inona hery mitaona mety hananan’ny televiziona eo amin’ireo olon-dehibe, dia azo antoka fa ananany koa izany eo amin’ireo ankizy, mafimafy kokoa. Aoka tsy hohadinointsika tokoa, fa mirona kokoa hino ireo tontolo noforonin’ny saina fotsiny aseho eo amin’ny vata fahitana lavitra ny ankizy. Matetika ny ankizy no “tsy afaka manavaka ny fahasamihafana eo amin’ny fiainana tena misy sy izay hitany eo amin’ny efijery, araka ny fandinihana vao haingana nolazalazaina tao amin’ilay gazety mivoaka isan’andro alemanina hoe Rheinischer Merkur/Christ und Welt. Afindrany eo amin’ny tontolo tena misy ireo foto-javatra ao amin’ny tontolo tsy tena misy”.
Fandinihana mihoatra ny 3000 sy fikarohana nandritra ny am-polony taona maro no nitondra ny porofo fa misy vokany ratsy eo amin’ireo ankizy kely sy ireo zatovo ny herisetra ao amin’ny televiziona. Fandaminana malaza toy ny Akademia amerikana momba ny aretin’ny zaza, ny Fikambanana amerikana misahana ny fahasalamana ara-tsaina ary ny Fiombonan’ireo mpitsabo amerikana no miray hevitra mba hilaza fa miteraka fihetsika tia setrasetra sy manohitra ny fiaraha-monina ny herisetra an-televiziona.
Nampibaribary vokany hafa manimba ireo fandinihana. Ohatra, noporofoina ny fifandraisan’ny fijerena televiziona tafahoatra sy ny aretin’ny hatavezana eo amin’ny zaza. Antony roa no toa mahatonga izany: 1) Raha mijanona tsy manao na inona na inona eo anoloan’ny televiziona ny ankizy iray mandritra ny ora maro, izany dia ho fotoana tsy atokany ho amin’ny fampiasam-batana amin’ny filalaovana. 2) Manatsara amim-pahakingana amin’ireo tanora, sakafo matavy tsy dia misy hery mahavelona firy, ireo dokam-barotra. Mamela hahafantatra ny asa hafa fa ireo ankizy izay mijery televiziona tafahoatra dia mahita vokatra tsy tsara loatra any an-tsekoly. Na dia tsy eken’ny besinimaro aza io tsoakevitra io, ny gazetiboky Time dia nilaza vao haingana fa mpitsabo aretin-tsaina sy mpampianatra maro no miampanga ny televiziona ho tompon’andraikitra amin’ny fikororosiana lehibe na eo amin’ny vokatra any an-tsekoly na eo amin’ny fahaizana mamaky teny eo amin’ny ankizy.
Anton-javatra lehibe hafa: ny fotoana. Ho nandany 17 000 ora teo anoloan’ny vata fahitana lavitra ny Amerikana tanora iray fa 11 000 kosa tany an-tsekoly, amin’ny antsalany, eo amin’ny fifaranan’ny fianarany any amin’ny ambaratonga faharoa. Mahaforona ny asa fialam-boly lehibe indrindra, raha tsy ny asa lehibe indrindra tsotra izao aza ny televiziona ho an’ny ankamaroan’izy ireo. Manamarika ny boky iray natokana ho an’ny fanabeazana ankizy natao ho an’ny ray aman-dreny (The National PTA Talks to Parents: How to Get the Best Education for Your Child) fa manokana 4 minitra isan’andro mba hamakian-teny any an-tranony ny antsasaky ny ankizy 10 taona, fa 130 minitra kosa hijerena televiziona.
Ho famaranana ny famakafakana, dia azo inoana fa vitsy tokoa ny olona tena handa ny loza tena misy atataon’ny televiziona, tsy eo amin’ny ankizy ihany fa eo amin’ny olon-dehibe koa. Kanefa, inona no tokony ho fanatsoahan-kevitra? Moa ve tokony handrara ny zanany tsy hijery televiziona ireo izay manana izany? Amin’ny ankapobeny, ilaina ve, mba hiarovan-tena amin’ny hery mitaonany, ny manary azy na mametraka azy any amin’ny lakaly?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay fitambaran-taratasy “Tokony hinoana ve ireo fampahalalam-baovao?” navoaka tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Aogositra 1990.
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Fa maninona ry zareo fotsy hoditra no miady foana na mifamono amin’ny tsatoka antsy na amin’ny basipoleta?”
[Sary, pejy 9]
Vonoy ny televiziona ary mandraisa boky.