FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/10 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Voady Tsy Hanambady — Nahoana?
  • Zavatra Simika ao Amin’ireo Kilalao
  • Fandripahana Amin’ny Fanaratoana
  • Paroasy Tsy Misy Pretra
  • Mitombo Isa ny Olona Bankirompitra
  • Fitafiana Tsy Misy Fofona Hoe?
  • Fanahiana Bebe Kokoa Momba ny Rano
  • Fitomboan’ny Mponina any Amin’ny Fonja Amerikanina
  • Mifanamby Momba ny Haramagedona
  • Zavatra Simika — Namana sa Fahavalo?
    Mifohaza!—1999
  • Kilalao Taloha sy Ankehitriny
    Mifohaza!—2005
  • Ny Kilalao Tsara Indrindra
    Mifohaza!—2004
  • Tsy Mahazo Manambady ve ny Mpitondra Fivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/10 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Voady Tsy Hanambady — Nahoana?

“Anisan’ireo zava-tsarotra lehibe indrindra eo amin’ireo pretra ny fifandonana mahakasika ny voady tsy hanambady, ao amin’ny Eglizy Katolika”, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky Veja. “Tamin’ny 1970, dia 10 000 ireo pretra voasoratra anarana fa niala tamin’ny asany mba hanambadiana. Amin’izao andro izao, dia misy 120 000 izy ireo, izany hoe avo 12 heny. Tany Brezila, ny isan’ny pretra izay nandray io fanapahan-kevitra io dia nitombo avo 20 heny tao anatin’io vanim-potoana io ihany.” Na dia tsy misy fototra ao amin’ny Soratra Masina aza ny porofo aroson’ireo filohan’ny eglizy ao amin’ny Fivavahana Katolika, dia miaro ilay fanaony mahakasika ny voady tsy hanambady izy ireo amin’ny filazana fa izany dia mahatonga ireo pretra “hanisy fiheverana kokoa an’Andriamanitra” sy hifantoka amin’ny asany. “Ny tena antony marina anohanana ny voady tsy hanambady anefa dia antony tena mahazatra”, hoy ny Veja. “Nipoitra tany amin’ny Moyen Âge ilay hevitra, mba hiarovana ireo fananan’ny eglizy, ka hisakanana ireo taranaka mba tsy hahazo tany na fananana hafa.”

Zavatra Simika ao Amin’ireo Kilalao

“Misy fitambaran-javatra simika fampiasa mba hampahalemilemy ny kilalaon’ankizy, izay hita fa mampidi-doza kokoa efa ho avo 20 heny noho izay niheverana azy teo aloha”, hoy ny tatitra nataon’ny The Independent, gazety iray any Londres. Asehon’ny fikarohana natao tany Holandy fa ny phtalates — ilay mampahalemilemy ny plastika mafy, toy ny chlorure de polyvinyle — dia hita ao amin’ny kiboribory plastika natao hokaikikekerin’ireo zaza vao maniry nify sy ao amin’ireo kilalao hafa izay tsakotsakoin’ny ankizy kely. Hita koa fa mora mivoaka ao anatin’ny rora ireny zavatra simika ireny. Nahariharin’ny fitsirihana fa ny fatra ambony dia ambony amin’ny phtalates roa mahazatra dia “mety hahatonga kanseran’ny aty sy ny voa, ary mety hampikainkona ny vihindahy”. Ny ankizy kely no mety ho voa indrindra satria ny “lanja[ny] maivana sy ny taova[ny] vao mitombo ary ny mety hifampikasohany ela [amin’ireo zavatra simika] dia mahatonga azy ireo ho somary mora andairan’ny zavatra simika kokoa”, hoy ilay lahatsoratra. Rehefa nijery indray ilay zava-manahirana ho an’ny Vaomiera Eoropeanina ny Profesora James Bridges, mpahay siansa britanika, dia nilaza ny fanahiany, indrindra fa mahakasika ireo “ankizy izay apetraka hokarakarain’ny fikambanana, toy ny any amin’ny akanin-jaza na hopitaly ratsy fikarakara, ohatra. Any mantsy ireo ankizy dia mirona hitsakotsako kilalao satria tsy manan-katao afa-tsy izany”. Tany enina no efa nandrara sahady ny fampiasana ireo zavatra simika ireo ao amin’ireo kilalao, ary tany efatra hafa no miomana ny hanao izany.

Fandripahana Amin’ny Fanaratoana

“Isan-taona, dia lehibe kokoa noho i Kanada iray manontolo ny faritra amin’ny fanambanin-dranomasina maneran-tany izay anaovana jono amin’ny harato”, hoy ny tatitra tao amin’ny The Globe and Mail. “Rehefa atao ny fanaratoana, dia misy harato mavesatra sarihina mamakivaky ny fanambanin-dranomasina, ka mamono tsy an-kanavaka ny trondro sy ireo biby miaina any amin’ny fanambaniny any, dia biby izay tena ilaina eo amin’ny sakafon’ireo biby mifampihinana any amin’ny ranomasimbe. Karazan-trondro maro tsy ilain’ny mpanjono no voaray koa ao anaty harato ka maty”. Tombanan’ireo mpikaroka fa “isaky ny makamba iray azo amin’ny fanaratoana, dia misy zana-trondro turbot, na zanaka lamôria folo voaray ao anaty harato ka maty”. Any amin’izay fanambanin-dranomasina nanaovana fanaratoana rehetra, dia saiky lasa avokoa ireo biby sponjy sy ireo betsimitsitekiteky (moules) ary ireo bibin-dranomasina misy akora, hoy ilay tatitra. Hoy ny fanazavan’i Les Watling, profesora momba ny hairanomasina ao amin’ny Oniversiten’i Maine: “Tsy voatery ho tonga biôlôjista momba ny ranomasina ny tena vao hahatakatra fa tena manimba ny biby an-dranomasina ireny fomba fanjonoana ireny. Mbola tsy nisy mihitsy zavatra nataon’ny olombelona tamin’ny ranomasina nisy vokany be toy izao.” Nampitovy ilay fanimbana tamin’ny fandripahana ala etỳ an-tanety ireo biôlôjista ka mitaky ny hanokanana faritra sasany ho toy ny tahirin-javaboary an-dranomasina.

Paroasy Tsy Misy Pretra

Paroasy katolika maro any Italia — 3 800, raha ny marimarina kokoa — no tsy manana pretra monina ao amin’ny paroasy, hoy ny fanadihadiana iray nataon’ny Foibe Fanoroan-dalana Hanao ny Asan’ny Pretra, izay an’ny eglizy. Tsy ireo paroasy any ambanivohitra na any amin’ireo toerana mitokana ihany anefa izany. Araka ny voalazan’ilay gazety hoe La Repubblica, “dia tsy misy ‘pretra monina ao amin’ny paroasy’, na dia any amin’ireo foibe an-tanàn-dehibe antonontonony aza (izay misy mponina eo anelanelan’ny arivo sy ny telo arivo)”. Mba hanafenana ilay tsy fisiana, dia mazàna misy vondrona paroasy ankinina amin’olon-tokana voatendry na amin’ny antokona pretra. “Amin’izany fomba izany anefa”, hoy ny fanazavan’ilay gazety, “dia very ilay fifandraisana mivantana isan’andro eo amin’ilay pretran’ny paroasy sy ireo olona ao amin’ny paroasiny, ary (...) voatery mihazakazaka, mila ho sempotra, avy amin’ny toerana iray mankamin’ny iray hafa, ireo pretra.” Karakaraina amin’ny fomba samihafa izao ilay tsy fisiana. Ireo tanàna lehibe sahala amin’i Roma dia nampiditra pretra vahiny. Paroasy italianina roa, fara fahakeliny, izao no nankinina tamin’ny lahika izay tsy afaka mitarika Lamesa fa tsy maintsy mianina fotsiny amin’ny fizarana Kôminio na amin’ny fanaovana batemy an-kamehana.

Mitombo Isa ny Olona Bankirompitra

“Ao anatin’ny krizy mahakasika ny bankirompitra i Amerika”, hoy ny senatera amerikanina Charles Grassley. Hatramin’ny niorenan’ny lalàna amerikanina momba ny bankirompitra, efa zato taona lasa izay, dia Amerikanina 20 tapitrisa teo ho eo no nanao fangatahana ôfisialy miaiky fa bankirompitra, ary maherin’ny antsasak’izy ireo no nanao izany, nanomboka tamin’ny 1985. Teo antenatenan’ny 1998, dia nahatratra isa ambony indrindra 1,42 tapitrisa ireo fangatahana ôfisialy fiekena ho bankirompitra tao anatin’ireo 12 volana talohan’izay. Nahoana no nitombo ireo tarehimarika? Araka ny voalazan’i Alan Greenspan, mpitari-draharaha ao amin’ny Tahiry Federaly Amerikanina, dia mety ho anisan’ny nahatonga ilay fitomboan’ny bankirompitra tamin’ny fomba nanaitra, ireo fiovana “teo amin’ny fiheverana ilay fahafaham-baraka entin’ny fiekena ho bankirompitra”. Voalaza fa anton-javatra hafa iray ny “fipoiran’ny kolontsaina iray fatra-pisambo-bola sy fatra-pampiasa cartes de crédits, hany ka nanjary zatra nidi-trosa bebe kokoa hatrany ny mpanjifa”, hoy ny The Wall Street Journal.

Fitafiana Tsy Misy Fofona Hoe?

“Efa hatramin’ny roa taona izao no nahatakaran’ireo matihanina momba ny fanamboaran-damba, ny hasarobidin’ny lamba bioactif, antsoina koa hoe mpamono bakteria (...) na tsy mampisy fofona”, hoy ilay gazety frantsay hoe Le Monde. Mandroso ny tsenan’ny lamba mpamono bakteria. Na dia amin’ny lambam-pandriana indrindra indrindra aza no ampiasana io lamba io, dia ampiasaina koa mba hanamboarana ba kiraro sy atin’akanjo izy io amin’izao fotoana izao. Tsy ny olona rehetra anefa no mafana fo amin’ny fampiasana lamba misy phénols sy metaly mavesatra izay manova ny fomba fiasan’ny bakteria, satria misy bakteria maro mahasoa ny olombelona. “Mila ireo bakteria voajanahary rehetra eo aminy ny hoditsika mba hanatanterahana ny asany araka ny tokony ho izy”, hoy ny fanamarihan’ny Le Monde. “Ireo mpanamboatra lamba mpamono bakteria dia voatery miaiky fa miatrika toe-javatra tena mahavery hevitra izy ireo” — ahoana no atao mba hamerana ny fitombon’ireo bakteria manimba kanefa tsy hamonoana ireo bakteria izay ilaina mba hiadiana amin’ny otrikaretina.

Fanahiana Bebe Kokoa Momba ny Rano

“Tsy vitan’ny hoe feno fanafody famonoana bibikely fotsiny ny rano fisotrontsika, fa toa hoe feno fanafodin[’ny dokotera] koa”, hoy ny New Scientist. Avy amin-javatra maromaro no iavian’ireo fanafodin’ny dokotera ireo. Ireo fanafody tsy ilaina indraindray dia ariana any an-kabine, amin’ny fandefasana ny rano. Ambonin’izany, dia mivoaka amin’ny alalan’ny fivalanan-drano ny fanafody. “Eo anelanelan’ny 30 sy ny 90 isan-jaton’ny ankamaroan’ireo antibiôtika nohanin’ny olona sy ny biby no mivoaka any amin’ny fivalanandranony”, hoy i Bent Halling-Sorensen, avy ao amin’ny Sekoli-mpanjaka Danoà Momba ny Farmasia. Ireo mpiompy dia zatra nampiasa ny diky sy ny ditsaky ny biby teny amin’ny sahany. Rehefa tonga eny amin’ny tontolo iainana ireo fanafody, dia mety ho mbola hanana ilay endriny tany am-boalohany izy ireo, na, raha efa novan’ny vatan’olombelona izy ireo, dia mety hanjary ho mora manan-kery kokoa amin-javatra hafa, na mora misy poizina kokoa noho ilay endriny tany am-boalohany. Ary matetika mora levona ao anaty rano izy ireo amin’izay. “Iray amin’ireo zavatra simika vitsy ao anaty rano izay tsy arahintsika maso ny fanafody”, hoy i Steve Killeen, avy ao amin’ny Masoivohon’i Grande-Bretagne Momba ny Tontolo Iainana.

Fitomboan’ny Mponina any Amin’ny Fonja Amerikanina

“Tsy misy fitondrana demokratika afaka mifampitaha amin’i Amerika eo amin’ny habetsahan’ny fanaovana am-ponja amin’izao fotoana izao. Maro kokoa mihitsy aza izany raha miohatra amin’izay efa nandraman’ireo tena fitondrana jadona natao”, hoy ny fanamarihan’ny The Economist. “Tamin’ny taon-dasa, dia mponina [amerikanina] iray isaky ny 150 (anisan’izany ny ankizy) no tany am-ponja.” Ny tahan’ny fampidirana am-ponja dia avo 20 heny noho ny an’i Japon, avo 6 heny noho ny an’i Kanada, ary avo 5 ka hatramin’ny 10 heny noho ny an’ireo tany eoropeanina tandrefana. Nitombo avo efatra heny ny isan’ireo voafonja any Etazonia, nanomboka tamin’ny 1980. Maherin’ny 400 000 amin’ireo voafonja amin’izao fotoana izao no any satria nanao heloka mifandray amin’ny zava-mahadomelina, kanefa nitoetra ho tsy niova ny isan’ny olona midoroka zava-mahadomelina nanomboka tamin’ny 1988. Manontany toy izao ny The Economist: “Na mandaitra na tsia ny fanaovana am-ponja mba hiadiana amin’ny heloka bevava, dia [mipetraka ny fanontaniana hoe] mandra-pahoviana i Amerika no mbola ho afaka hanao am-ponja matetika kokoa hatrany ihany?” 

Mifanamby Momba ny Haramagedona

Isan-kerinandro dia misy olona maro any Grande-Bretagne “mifanamby momba ny Haramagedona”, hoy ny tatitra nataon’ny The Guardian. Nahariharin’ny fanadihadiana olon-dehibe 1 001 fa ny 33 isan-jato aminy dia mihevitra fa ady haneran-tany iray no hiteraka ny faran’izao tontolo izao; mihevitra kosa ny 26 isan-jato aminy fa ny fiakaran’ny maripanan’ny tany no hahatonga ny farany. Misy hafa manombantombana fa fifandonana amin’ny planeta kely iray no hahatonga izany. Raha ny marina, dia 59 isan-jaton’ireo nadinadinina no “mihevitra fa betsaka kokoa ny fahafahan’izy ireo hahita ny farany, noho ny fahafahany hahazo amin’ny Loteriam-pirenena”, hoy ny The Guardian. Nahoana no misy io fanombantombanana ny amin’ny Haramagedona io? “Tandindomin’ny fahatongavan’ny Fiandohan’ny Arivo Taona Vaovao sy ny fahatsapana loza manodidina azy io angamba” ny olona, hoy ny fanazavan’ilay gazety.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara