FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/1 p. 4-7
  • Zavatra Simika — Namana sa Fahavalo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Simika — Namana sa Fahavalo?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny olana mipetraka momba ny fitiliana
  • Azo ianteherana ve ny fitiliana atao amin’ny biby?
  • Rehefa tsy mahomby ny andrana ataon’ny laboratoara
  • Zavatra simika maka tahaka ny hôrmônina
  • Mitosaka ny Zavatra Simika Voatr’olombelona
    Mifohaza!—1999
  • Manapoizina Anao ve ny Tranonao?
    Mifohaza!—1999
  • Fikarohana Mahavariana An’ireo Fanafody Vaovao
    Mifohaza!—1994
Mifohaza!—1999
g99 8/1 p. 4-7

Zavatra Simika — Namana sa Fahavalo?

MANDINIKA amim-pitandremana ny lafy tsaran-javatra sy ny lafy ratsiny isika rehefa mandray fanapahan-kevitra maro eo amin’ny fiainana. Olona maro, ohatra, no mividy fiarakodia noho izy io mifanentana amin’izay ilany azy. Etsy an-danin’izany anefa, dia tsy maintsy mandinika amim-pitandremana ny saran’izany hoe manana fiarakodia izany izy ireo: ny fiantohana, ny fandraketana an-tsoratra any amin’ny fanjakana, ny fihenan’ny hasarobidin’ilay fiarakodia, ary ny fikojakojana azy. Tsy maintsy mihevitra ny ratra na ny fahafatesana mety hitranga noho ny lozam-piarakodia koa izy ireo. Mitovy be amin’izany ny toe-javatra amin’ny zavatra simika sentetika: tsy maintsy ampifandanjaina amin’ny lafy tsarany ny lafy ratsiny. Raiso ho ohatra ilay zavatra simika antsoina hoe MTBE (éther butylique tertiaire méthylique), izay afangaro amin’ny solika ka manatsara ny firehetany, ary mampihena ny setroka avoakan’ny fiarakodia.

Anisan’ny nahatonga ny rivotra any amin’ny tanàna maro any Etazonia ho madio indrindra hatramin’ny taona maro, ny MTBE. “Novidina lafo” anefa ny rivotra madio kokoa, hoy ny tatitra nataon’ny New Scientist. Izany no izy, satria mety hiteraka kansera ny MTBE, ary nisy tamin’izy io nitsininika avy tamin’ny fitahirizan-dasantsy lehibe an’aliny maro any ambanin’ny tany, ka matetika no nandoto ny rano any ambanin’ny tany. Ho vokany, dia voatery manafatra avy any ivelany ny 82 isan-jaton’ny rano ilainy ny tanàna iray any Etazonia ankehitriny, amin’ny vidiny telo tapitrisa dolara sy sasany isan-taona! Milaza ny New Scientist fa io loza io dia “mety hanjary ny krizy ratsy indrindra hitan’i Etazonia, mahakasika ny fandotoana ny rano any ambanin’ny tany, ary krizy mety haharitra an-taonany maro”.

Norarana sy nesorina tanteraka tsy ho eny amin’ny tsena ny zavatra simika sasany, noho ny voka-dratsiny teo amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalamana. ‘Nahoana anefa no mitranga izany?’, hoy angamba ianao. ‘Angaha moa, alohan’ny hamoahana azy, tsy efa nanaovana fitiliana tanteraka ny zavatra simika vaovao rehetra, sao mety hanapoizina?’

Ny olana mipetraka momba ny fitiliana

Siansa miharo fanombantombanana, raha ny marina, ny fitiliana ny zavatra simika sao mety hanapoizina. “Tsy hain’ireo manam-pahaizana manokana ny mamaritra mazava ny atao hoe fampiasana ‘mampidi-doza’ sy ‘tsy mampidi-doza’ ny zavatra simika, na inona izany na inona”, hoy i Joseph V. Rodricks, ao amin’ilay bokiny hoe Calculated Risks. Izany no izy, na dia ny amin’ny fanafody aza, izay sentetika ny ankamaroany. “Na dia ny fitiliana natao tamim-pitandremana indrindra aza”, hoy ny The World Book Encyclopedia, “dia tsy afaka mampiharihary foana raha mety hiteraka vokany manimba tsy ampoizina ny fanafody iray.”

Voafetra ihany ny mety ho vitan’ny laboratoara, ary tsy azo ialana izany. Ohatra, tsy afaka ny haka tahaka amin’ny fomba feno izay ho fiasan’ny zavatra simika iray eo amin’ny tontolo voaforon-javatra samy hafa sady tontolo be kojakojany any ivelan’ny laboratoara izy ireo. Io tontolo io dia feno zavatra simika sentetika samy hafa an-jatony maro, eny, an’arivony maro mihitsy aza. Afaka manan-kery eo amin’izy samy izy, ary koa eo amin’ny zavamananaina ny ankamaroan’ireo zavatra simika ireo. Ny sasany amin’ireny zavatra simika ireny dia tsy manimba, raha mandeha misingana. Raha ampiarahina anefa izy ireny, na any ivelan’ny vatantsika na ao anatiny, dia afaka miteraka zavatra vaovao manapoizina. Rehefa tafiditra ao amin’ny vatana ny zavatra simika sasany vao manjary manapoizina, na miteraka kansera mihitsy aza.

Raha izany no zava-tsarotra atrehin’ireo manam-pahaizana manokana, ahoana moa no ahafahany mamantatra raha tsy mampidi-doza ny zavatra simika iray? Ny fomba mahazatra dia ny fanomezana ilay zavatra simika efa voafatra, ho an’ny biby ao amin’ny laboratoara, ary avy eo dia manandrana mampihatra amin’ny olombelona ny vokatra azo. Azo ianteherana foana ve izany fomba fanao izany?

Azo ianteherana ve ny fitiliana atao amin’ny biby?

Tsy vitan’ny hoe mampipoitra olana mahakasika ny fampijaliana biby izany fanaovana fitiliana amin’ny biby izany, fa mampipoitra olana hafa koa. Ohatra, samy hafa tanteraka matetika ny vokatry ny zavatra simika eo amin’ny biby samy hafa. Hahafaty bitro voalavo vavy iray ny fatra kely amin’ny dioxine be poizina, nefa voatery hampitomboina avo 5 000 heny io fatra io vao hahafaty hamster (karazam-boalavo mpanimba voly) iray! Na dia eo amin’ny biby mitovitovy karazana, toy ny voalavo sy ny totozy aza, dia samy hafa tanteraka ny vokatry ny zavatra simika maro.

Ny vokatry ny zavatra simika iray eo amin’ny karazam-biby iray dia tsy mampiseho amin’ny fomba azo antoka ny ho vokany eo amin’ny karazam-biby hafa. Koa ahoana àry no ahafahan’ny mpikaroka mahazo antoka raha ho zakan’ny olombelona ny zavatra simika iray, ka tsy hampidi-doza azy? Izao no marina: tsy afaka ny tena hahazo antoka ny amin’izany izy ireo.

Sarotra tokoa ny asan’ireo mpahay simia. Tsy maintsy mampifaly ny olona maniry hahazo ireo zavatra noforoniny izy ireo, tsy maintsy mampitony ny sain’ireo izay miahy ny hahasoa ny biby, ary anefa koa tsy maintsy manaja ny feon’ny fieritreretan’ny tenany manokana hoe tsy mampidi-doza ny zavatra vokariny. Noho ireo antony ireo, ankehitriny ny laboratoara sasany dia manao fanandramana amin’ny fampiasana zavatra simika eo amin’ny selan’olombelona nambolena. Mbola ho hita eo ihany anefa raha azo antoka tokoa fa tsy mampidi-doza izy ireny.

Rehefa tsy mahomby ny andrana ataon’ny laboratoara

Ohatra iray ny amin’ny zavatra simika, izay nambara tamim-pahadisoana hoe tsy mampidi-doza, fony navoaka voalohany, ilay fanafody famonoana bibikely atao hoe DDT, izay mbola hita miely patrana ihany eo amin’ny tontolo iainana. Tatỳ aoriana vao fantatr’ireo mpahay siansa fa mazàna ny DDT no mitoetra maharitra ao amin’ny zavamananaina, toy ny ataon’ny zavatra hafa mety hanapoizina. Inona avy no loza aterak’izany? Ireo biby mihinana biby hafa, manomboka amin’ny zavamiaina bitika an-tapitrisany maro hanin’ny trondro, izay hanin’ny vorona, ny orsa, ny loutres, sy ny toy izany, dia manjary lantonoara velona, ary manangona ny poizina any amin’ny biby mpihinana farany. Ohatra iray: tsy nahafoy atody na iray aza ireo voronandrano vivỳ tao amin’ny toerana iray, nandritra ny folo taona mahery!

Mandaitra aoka izany ireny lantonoara velona ireny, hany ka mahazendana ny habetsahan’ny zavatra simika sasany tafangona ao amin’ireo biby mpihinana farany, na dia tsy ahitana ireo zavatra simika ireo firy aza ao amin’ny rano. Ohatra tsara ny amin’izany ny trozona fotsy ao amin’ny Ony Saint-Laurent, any Amerika Avaratra. Betsaka aoka izany ny poizina ao amin’izy ireo, hany ka tsy maintsy karakaraina toy ny mikarakara fako mampidi-doza izy ireo, rehefa maty!

Hita fa toa miseho ho hôrmônina ny zavatra simika sasany ao amin’ny biby maro. Ary vao haingana foana ny mpahay siansa no nanomboka nanala sarona ny vokany misoko miadana sy miteraka poizina avy amin’ireny zavatra simika ireny.

Zavatra simika maka tahaka ny hôrmônina

Zavatra simika mitana toerana lehibe izay mpitondra hafatra ao amin’ny vatana ny hôrmônina. Manaraka ny lalan-drantsika izy ireny, mba ho any amin’ny faritra hafa amin’ny vatantsika, ary any izy ireny dia mandrisika na misakana ny fiasan’ny vatana, toy ny fitomboan’ny vatana, na ny tsingerin’ny fananahana. Mahaliana ny filazan’ny gazety iray vao haingana, navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), ny amin’ny “fitambaram-porofo mihamitombo haingana avy amin’ny siansa”, manondro fa rehefa tafiditra ao amin’ny vatana ny zavatra simika sentetika sasany, dia manakantsakana ny hôrmônina, satria sady maka tahaka azy no manimba azy, na koa misakana ny lalan’ny hôrmônina.

Anisan’izany zavatra simika izany ny PCB,a ny dioxines, sy ny furannes, ary ny fanafody famonoana bibikely sasany, toy ny ny faikana DDT. Antsoina hoe mpanakorontana ny endôkrinina ireny zavatra simika ireny, satria mety hanakorontana ny fiasan’ny fihary hôrmônina ao amin’ny vatana.

Maka tahaka ny estirôzenina, izay hôrmônim-behivavy, ireo zavatra simika ireo. Toa manondro ny fandinihana iray navoaka tao amin’ny Pediatrics, gazety momba ny fitsaboana, fa ny fitomboan’ny isan’ny ankizivavy maoty aloha be dia mety hisy fifandraisany amin’ny zavatra misy estirôzenina fanao amin’ny volo, ary koa amin’ny zavatra simika eo amin’ny tontolo iainana izay maka tahaka ny estirôzenina.

Mety hanimba ny lahy ny fahazoana zavatra simika sasany, raha amin’ny fotoana iankinan’ny fitomboany. Hoy ny tatitra iray nataon’ny gazetiboky Discover: “Nasehon’ny andrana fa afaka manova sokatra lahy sy voay alligators lahy ho vavy na ‘eo anelanelany’ ny fahazoany PCB amin’ny fotoana voafaritra tsara mandritra ny fitomboany.”

Fanampin’izany, dia mampihena ny rafi-kery fanefitra ny poizina avy amin’ny zavatra simika, ka mahatonga ny biby ho mora voan’ny areti-mifindra avy amin’ny virosy. Eny tokoa, toa mihamiely patrana sy miely haingana kokoa noho ny hatramin’izay ny areti-mifindra avy amin’ny virosy, indrindra fa eo amin’ny biby mihinana biby hafa izay efa nihinana hafa koa, toy ny feso sy ny voron-dranomasina.

Eo amin’ny olombelona, dia ny ankizy indrindra indrindra no mahita faisana amin’ny zavatra simika maka tahaka ny hôrmônina. Taona maromaro lasa izay, tany Japon, ny zaza nateraky ny vehivavy nihinana menaka vita tamin’ny ampombo voaloton’ny PCB, dia “tara fitomboana teo amin’ny vatany sy ny sainy. Nanana olana teo amin’ny fihetsika koa izy ireny, anisan’izany ny fahalainana mihetsika na fihetsehana be loatra. Kely tsy araka ny tokony ho izy ny filahiany, ary ny tarehimarika manondro ny fahiratan-tsainy dia latsaka dimy amin’ny antsalany”, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky Discover. Ny fitiliana natao tamin’ny ankizy nahazo PCB be dia be, tany Holandy sy tany Amerika Avaratra, dia nampiharihary vokany ratsy mitovy amin’izany teo amin’ny fitomboan’ny vatany sy ny sainy.

Mety hisy fifandraisany amin’ireo zavatra simika ireo koa, hoy ny tatitra nataon’ny OMS, ny fitomboan’ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy voan’ny kansera “nateraky ny hôrmônina”, toy ny kanseran’ny nono, ny kanseran’ny vihy, ary ny kanseran’ny prostaty. Fanampin’izany, any amin’ny tany maromaro, dia miharihary fa mihena hatrany ny salanisan’ny tsirilahy eo amin’ny lehilahy, ary miharatsy hatrany ihany koa ireo tsirilahy. Mety hisy fifandraisany amin’ny fampiasana zavatra simika ireo toe-javatra roa ireo. Any amin’ny tany sasany, dia nihena efa ho 50 isan-jato ny salanisan’ny tsirilahy, tao anatin’ny 50 taona!

Tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia voalaza fa nisy dokotera nilaza hoe “taranaka anaovana andrana” isika. Toa marina ny azy. Marina aloha fa nandraisantsika soa ny maro tamin’ireo zavatra simika noforonintsika, nefa tsy izy rehetra. Fahendrena àry ny hanalavirantsika ny zavatra simika izay mety hanimba antsika, raha tsy ilaina akory izany. Mahagaga fa mety ho hita ao an-tranontsika ny ankamaroan’izy ireny. Handinika izay azontsika atao mba hiarovan-tena amin’ny zavatra simika mety hampidi-doza ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Miely patrana ny fampiasana ny PCB (polychlorobiphényles) nanomboka tamin’ireo taona 1930. Maherin’ny 200 ny taharon-javatra misy menaka mahaforona ny PCB ampiasaina amin’ny menaka fanalamana, ny plastika, ny mpanefitra aratra, ny fanafody famonoana bibikely, ny ranoka fanasam-bilia, ary ny vokatra hafa. Na dia voarara aza ankehitriny ny famokarana PCB any amin’ny tany maro, dia PCB teo anelanelan’ny iray sy roa tapitrisa taonina no efa novokarina. Avy tamin’ny PCB nariana izay nihanaka teo amin’ny tontolo iainana ny poizina.

[Sary, pejy 7]

Betsaka aoka izany ny poizina ao amin’ireo trozona ireo, hany ka heverina ho fako mampidi-doza izy ireo, rehefa maty

[Sary nahazoan-dalana]

©George Holton, The National Audubon Society Collection/PR

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara