FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/12 p. 5
  • Lasa Aloha Loatra sa Diso Aoriana Loatra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lasa Aloha Loatra sa Diso Aoriana Loatra?
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Rahoviana no Hanomboka ny Taonarivo Fahatelo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Ny Taonarivo Vaovao — Inona no Ampanantenain’ny Hoavy ho Anao?
    Ny Taonarivo Vaovao — Inona no Ampanantenain’ny Hoavy ho Anao?
  • Ny arivo taona fahatelo — Hanome fahafaham-po ireo fanantenanao ve izy io?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mifono Heviny Lehibe ve ny Taona 2000?
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/12 p. 5

Lasa Aloha Loatra sa Diso Aoriana Loatra?

ANKEHITRINY, dia misy firesahana betsaka momba ny fanombohan’ny taonjato faha-21 sy ny taonarivo fahatelo aorian’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy. Nilaza ny gazetiboky Newsweek fa ‘ny taonjato faha-20, izay Taonjaton’ny Ady Lehibe no nanombohany, sy nanjary Vanim-potoana Ataomika, dia toa ho Vanim-potoan’ny Fialam-boly no hiafarany’. Izao no tatitra nataony tao amin’ny nomeraony tamin’ny 22 Janoary 1997: “Efa voafandrika sahady ireo hotely manerana ny gilaoby” ho amin’ny fankalazana ny Alin’ny Taom-baovao, ny 31 Desambra 1999.

Misy anefa milaza fa lasa aloha loatra ireo fankalazana. Hazavain’izy ireo mantsy fa, mifanohitra amin’ny fiheveran’ny maro, dia tsy amin’ny 1 Janoary 2000 no manomboka ny taonjato faha-21 sy ny taonarivo vaovao, fa amin’ny 1 Janoary 2001. Koa satria tsy nisy taona 0, dia nanomboka tamin’ny taona 1 ka hatramin’ny taona 100 ny taonjato voalohany, ny taonjato faharoa nanomboka tamin’ny 101 ka hatramin’ny 200, ary toy izany hatrany. Araka izany, dia misy manizingizina fa ny taonjato faha-20 izay nanomboka tamin’ny 1 Janoary 1901, sy ny taonarivo faharoa, izay nanomboka tamin’ny 1 Janoary 1001, dia tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 Desambra 2000.

Misy hevitra fanampiny hafa tokony hodinihina. Ny kalandrientsika dia mizara ny fotoana miorina amin’ny hoe aloha na aorian’ny nahaterahan’i Kristy. Misy manam-pahaizana manaiky izao fa teraka taloha kokoa tsy araka ny niheverana azy teo aloha i Jesosy, ka tsy marina, araka izany, ny fotoana fiaingana ampiasain’ny kalandrie. Samy hafa ny hevitry ny olona mahakasika ny fotoana nahaterahan’i Jesosy, nefa ny fandaharan-taonan’ny Baiboly dia manondro ny taona 2 al.f.i. Araka izany fanisana izany, dia tena nanomboka tokoa tamin’ny fararanon’ity taona ity (any amin’ny Ila Bolantany Avaratra) ny taonarivo fahatelo taorian’ny nahaterahan’i Kristy! Azo atao ny mahita fanazavana fanampiny ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 22 May 1997 (frantsay), pejy faha-28, sy tamin’ny 22 Desambra 1975 (anglisy), pejy faha-27.a

Na ahoana na ahoana, dia fahendrena ny tsy hanizingizinana hoe hanomboka ato anatin’ny herinandro vitsivitsy monja ny taonjato faha-21 sy ny taonarivo vaovao. Na izany aza, rehefa jerena ny fomba fihevitra be mpanaraka dia tsapan’ny Mifohaza! fa mety ny handinihana, amin’izao fotoana izao, ilay loha hevitra hoe “Ny Taonjato Faha-20 — Fotoam-piovana Tena Lehibe”.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo koa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1999.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara