Ny arivo taona fahatelo — Hanome fahafaham-po ireo fanantenanao ve izy io?
EFA nanomboka ilay fanisana miverina. Ny famantaranandro misy marika eo anoloan’ny foibe Beaubourg any Paris, Frantsa, dia manondro ny isan’ireo segondra sisa tavela. Hanohy ny fanisany miverina tsy misy fangorahana izy io mandra-pahatongan’ny 31 desambra 1999 amin’ny misasakalina. Amin’izay fotoana izay, dia hisy zavatra hitranga izay mbola tsy hita afa-tsy indray mandeha monja tamin’ity fanisan-taona iraisana ity, dia ny fahatongavan’ny arivo taona vaovao, ny arivo taona fahatelo.
“Ny taona 2000, amin’ny fomba iray, dia ‘ny zavatra hitranga andrasana lehibe indrindra’ hatramin’izay teo amin’ny tantaran’ny olombelona”, hoy i Bernward Joerges, mpanao fikarohana ara-tsosialy any Berlin, any Alemaina. Nahoana no andrasana toy izany izy io? Daty iray monja eo amin’ny fandehan’ny fotoana tokoa ny taona 2000. Ankoatra izany, ireo izay manaraka ny fanisan’andro tandrefana ihany no manaiky io daty io. Araka ny fanisan’andro miozilimana, ny 2000 am. fan. ir. dia mifanitsy amin’ny taona 1420 miozilimana; araka ny fanisan’andro jiosy, amin’ny taona 5760 A. M.
Kanefa, tao amin’ny fanadinadinana navoaka tao amin’ny gazety soedoa hoe Dagens Nyheter, dia nanazava toy izao ny Profesora Joerges: “Noho ny fanjanahan-tany sy ny imperialisma, ny fanisantsika andro gregoriana, izay nanomboka tamin’ny fotoana noheverina fa nahaterahan’i Kristy, dia niely tany amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao.” Araka izany àry, ny taona 2000 dia daty fanamarihana tokoa ho an’ny tapany lehibe amin’ny taranak’olombelona. Hoy ny filazan’ny Profesora Joerges: “Ny olona rehetra dia hampifandray ny fiainany manokana ary koa ny zavatra hafa rehetra amin’io zavatra hitranga io.
Ary anefa maro no hihevitra izany ho mihoatra noho ny daty fanamarihana fotsiny. “Fikasana goavana sy fandaharana maro natao ‘hanamarika’ sy hanome vidiny ary hankalaza io zavatra hitranga io no efa eo am-pikarakarana izao eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana sy amin’ny ambaratonga ara-tsosialy rehetra”, araka ny filazan’i Joerges. Manampy izy fa “manerana ny gilaoby, ireo mpanatontosa fandaharana sy ‘mpampiseho lanonana’ lehibe dia mihevitra sy mamolavola zava-dehibe.” Ny mpanambara ny hoavy hafa dia milaza fa “ho tototry ny boky momba ilay taonjato lasa isika. Ny fampahalalam-baovao iray manontolo dia ho ‘lasa adala’ noho io fahatongavan’ny arivo taona vaovao io. Ny foibe mandefa fandaharana amin’ny televiziona iray any Alemaina Andrefana dia mikasa ny hampiseho ireo fiposahan’ny masoandro manerana ny tany ao anatin’ny 24 ora amin’io fotoana io.
Hataon’ireo fampahalalam-baovao izay hisian’ny resaka be momba ilay zaza ho teraka farany amin’ny 1999 sy ilay ho teraka voalohany amin’ny 2000. Ho may hitady ireo olom-bitsy farany teraka tamin’ny taonjato faha-19 ireo mpanao gazety mba hanontany azy ireo izay tsapany noho izy niaina tamin’ny taonjato telo sy arivo taona roa! Mihevitra mihitsy aza ny sasany fa hiteraka karazana fahadalana hahavoa ny rehetra io resa-be hatao manodidina ny arivo taona io. Araka ny filazana mahatahotra iray, raha vao hipaika ny misasakalin’io Taom-baovao io, dia ho maro no hamono tena.
Na dia eo aza ireo fiheverana miharihary fa lasa lavitra loatra ireo, dia mora takatra fa miteraka fahalianana be io zavatra hitranga io. Ho an’ny maro amin’izao fiainana feno fahasahiranana mandreraka izao, io arivo taona vaovao io dia toy ny fahazavam-panantenana, fidirana ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa. Miantehitra amin’ny siansa sy ny haitao ny sasany mba hitondra hoavy hahafahantsika hihinana tsara kokoa ary hiaina ela kokoa, hiasa kely kokoa ary hijanona ao an-trano kokoa; hisian’ireo “robots” hahafaka antsika tsy ho andevon’ny asa manorisory; hanovan’ny fiempo voafehy ny rano ho “carburant”. Hitany ao an-tsaina ny hoavy hisian’ny televiziona misy sary mivongana, ny telefaonina mampiseho ny sarin’ireo mpiteny, ny milina manao kopia miloko ary ny telefaonina mandika teny eo no ho eo. Manonofy ny handeha hizaha ny Volana sy ny planeta Marsa ary ireo zavatra hafa eny amin’ny lanitra izy ireo mba hakana sy hampiasana ny haren’izy ireny.
Tsy ny olona rehetra anefa no manantena ny zavatra rehetra ho tsara toy izany. Ny mpanao fikarohana sasany dia mihevitra fa io arivo taona vaovao io dia hanomboka ny vanim-potoanan’ny fitomboan’ny isan’ny mponina tsy voafehy sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ny rivotra maloto dia hanova ny habakabaka ho trano fanafanàna zavamaniry (serre) hangotrakotraka. Hiempo ireo tendrony rakotry ny ranomandry ary hiakatra ny ranomasina ka hanafotra ireo faritra mamokatra sy misy mponina, kanefa hanova ny tany volena an-tapitrisany hektara maro ho efitra. Mahatsinjo fitambotsorana ara-toekarena izy ireo, fihilangilanana ara-politika izay hampihozongozona ireo fitondram-panjakana sy fitambaran’olona, heloka bevava tsy azo sakanana, ary ny ratsy indrindra, dia fandripahana noklehera izay hanafoana ny taranak’olombelona manontolo.
Ireo mpilaza zavatra mialoha dia be volavolan-kevitra fa tsy ampy fahazoana antoka raha ny amin’io arivo taona mihamanatona io. Lafin-javatra tsy azo ampoizina maro be loatra tsotra izao no tafiditra ka tsy azo atao ny milaza izay tena hitranga marina amin’ny hoavy. Ny manam-pahaizana manokana iray momba ny filazana izay hitranga amin’ny hoavy dia nampitaha izany tamin’ny filalaovana “échecs”: “Alohan’ny hanetsehako ny vatoko manaraka, dia mijery faran’izay betsaka indrindra amin’ireo fihetsehana hanaraka aho aloha. Kanefa rehefa avy nanetsika ny vatony ilay miara-milalao amiko, dia voatery mamerina ny lalaoko rehetra indray aho.”
Raha ny amin’izay hoentin’ny taona 2000 marina, dia ny fotoana ihany no hilaza izany. Tsy milaza anefa izany fa tsy maintsy ho tsy azo antoka ny hoavintsika. Ny Baiboly dia manome porofo maro be fa manakaiky ny arivo taona lehibe lavitra noho ilay ho tonga rehefa afaka folo taona latsaka io isika. Io Arivo taona mihamanakaiky io dia hihoatra lavitra noho izay andrasan’ny olombelona. Inona marina no tena dikany? Inona no hoentiny? Manasa anao handinika ny lahatsoratray manaraka izahay ka hahafantatra amin’izany izay lazain’ny Baiboly.