Nomena Fanantenana Izay Manampy Ahy Aho
NOTANTARAIN’I TATJANA VILEYSKA
Sambatra ny fianakavianay, nefa rava izy io fony maty tao an-tranonay i Neny noho ny vono nahazo azy. Namono tena i Dada, efa-bolana taorian’izay. Tsy naniry ny ho velona intsony aho avy eo. Koa nahoana àry aho izao no mbola eto mba hitantara momba izany? Aoka hohazavaiko aminareo.
TANÀNA misy lafaoro maro fanempoana metaly sy toeram-pitrandrahana arintany i Donetsk, any amin’ny faritra atsinanan’i Ukraine. Miteny rosianina ny mponina maherin’ny iray tapitrisa ao, ary tia miasa mafy sy sariaka. Manao fanandroana ny sasany aminy, misy koa mifandray amin’ny maty, ary maro no mampiasa ny tonon’andro mba hahafantarana momba ny hoavy. Ny hafa mitodika any amin’ny mpanao ody, na kolduns, amin’ny teny rosianina. Ny sasany amin’ireny olona ireny mitady hifandray amin’ny maty, noho ny fanantenana ny ho sitrana amin’ny aretiny na noho ny fahafinaretana fotsiny.
Mpanao kiraro i Dada. Na dia nilaza tena ho tsy nino an’Andriamanitra aza izy, dia nihevitra fa nisy nametraka antsika teto an-tany, matoa isika eto. Hoy izy: “Vahiny fotsiny ange isika eto amin’ity planeta ity e!” Niangona isaky ny Paka i Neny, satria hoy izy: “Raha misy Andriamanitra, raha tena misy izy, dia tokony hiangona isika.” Teraka tamin’ny May 1963 aho. Nanana zoky vavy aho, dia i Lubov, ary zandry lahy, i Alexandr. Ireo voalaza ireo izahay mianakavy.
‘Tsara ny majika tsotra’
Tra-doza i Pjotra, havanay lavitra, teo am-pitrandrahana arintany, ka naratra ny lohany. Izany dia nitaky fitsaboana tany amin’ny toeram-pitsaboana manokana. Nanahy ny amin’ny fahasalamany izy ka nanatona koldun, izay nampifandray azy tamin’ny tontolo ara-panahy. Na dia nilaza taminy aza ny vadiny sy ny ray aman-dreniko fa hadalana ny fanaovana ody, dia nihevitra kosa izy fa nahalala izay nataony. “Majika tsotra anie no ataoko e!”, hoy ny fanizingizinany. “Ny majika famosaviana no ratsy, fa ny majika tsotra kosa tsara.”
Nanizingizina i Pjotr fa nanana hery izay nahafahany nanambara mialoha ny hoavy sy niaro ny olona tamin’ny ratsy izy. Na dia izany aza, dia nandao azy ny vadiny. Noho izany, dia nipetraka tao aminay i Pjotr, nandritra ny herinandro maromaro indraindray. Nisy vokany ratsy dia ratsy teo aminay mianakavy izany. Na ahoana na ahoana, dia nanomboka nifanditra mafy i Dada sy i Neny. Nisara-toerana izy ireo, ary nisara-panambadiana, tamin’ny farany. Nifindra trano niaraka tamin’i Neny izahay ankizy, ary niara-nipetraka taminay i Pjotr. Havanay avy amin’i Neny mantsy izy.
Nanambady i Lubov, ary nifindra nankany Ouganda, any Afrika, niaraka tamin’ny vadiny. Tamin’ny Oktobra 1984, dia lasa nanao vakansy i Alexandr, ary izaho nankany amin’ny vohitr’i Gorlovka nandritra ny herinandro. Nifanao veloma tsotsotra izahay sy i Neny rehefa niainga aho. Raha mba nilaza zavatra betsaka kokoa taminy mantsy aho, na nijanona tao an-trano mihitsy e! Tsy hitako velona intsony mantsy izy.
“Maty ny reny malalanao”
Trano nihidy no hitako rehefa niverina avy tany Gorlovka aho. Nisy soratra nataon’ny polisy nihantona teo am-baravarana, ary nandrara ny fidirana tao. Nangorintsina ny lamosiko. Nankao amin’ireo mpifanolo-bodirindrina taminay aho. Nivarahontsana loatra i Olga ka tsy nahateny. I Vladimir, vadiny, no nilaza tamin-katsaram-panahy hoe: “Tanja a, nisy zavatra nahatsiravina nitranga ange e! Maty ny reny malalanao. Novonoin’i Pjotr izy. Avy teo dia tonga tato aminay i Pjotr, niantso ny polisy ary nitolo-batana.”
Nanamafy ny fahamarinan’ireo vaovao nahatsiravina ny polisy, ary nanome ahy ny lakilen’ny tranonay. Nankahala mafy an’i Pjotr aho. Romotra aho ka nangoniko ny ankamaroan’ny fananany — anisan’izany ny bokiny momba ny majika — natsipiko tao anaty bodofotsy, nentiko tany an-tsaha teo akaiky teo, ary nodorako.
Ren’i Alexandr ilay vaovao, ary nankahala an’i Pjotr toa ahy koa izy. Voantso ho miaramila i Alexandr avy eo, ary lasa. Nifindra tao amin’ilay trano nisy ahy i Dada ka niara-nipetraka tamiko. Niverina avy tany Ouganda i Lubov, ka niara-nipetraka taminay nandritra ny fotoana fohy. Nihevitra mihitsy izahay indraindray hoe nisy fanahy ratsy nanorisory anay tsy an-kijanona. Ankoatra izany, dia nanonofy ratsy nampihoron-koditra i Dada. Nihevitra izy fa izy no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’i Neny. “Raha mba nijanona teo aminy mantsy aho”, hoy izy, “dia ho mbola velona izy toy izay.” Tsy ela dia tratran’ny fahaketrahana lalina i Dada. Efa-bolana taorian’ny nahafatesan’i Neny, dia namono tena izy.
Niverina tany amin’ny tafika i Alexandr taorian’ny fandevenana an’i Dada, ary i Lubov, niverina tany Ouganda. Niezaka nanao fiaingana vaovao teo amin’ny fiainana aho, ka nianatra tao amin’ny Ivon-toerana Makeyevka Momba ny Asa Fanorenana, izay antsasak’adiny monja avy tao an-trano. Noravahako sy nohavaoziko ilay trano, tamin’ny fanantenana fa hanaisotra ny fahatsiarovana sasany izany. Mbola nanana antony niheverana anefa aho fa nanorisory ihany ny demonia.
“Andriamanitra ô, raha tena misy ianao”
Nahavita ny raharaha miaramila i Alexandr ary niverina nody. Nanomboka nifanditra anefa izahay mianadahy. Nanambady izy, ary nandritra ny volana vitsivitsy aho dia nifindra tany Rostov, tanàna rosianina any amorontsiraky ny Ranomasin’i Azov, any amin’ny 170 kilaometatra eo ho eo avy any Donestk. Nanapa-kevitra ny hanaisotra izay sisa rehetra tamin’ny zavatra nananan’i Pjotr aho, tamin’ny farany.
Nanjary ketraka mafy aho, hany ka nikasa ny hamono tena koa. Nanako tao an-tsofiko foana anefa ny tenin’i Neny hoe: “Raha misy Andriamanitra, raha tena misy izy.” Indray alina, dia nivavaka aho, ary sambany tamin’izay. “Andriamanitra ô”, hoy aho nitalaho, “raha tena misy ianao, dia mba asehoy ahy ny hevitry ny fiainana.” Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy taratasy tonga avy tany amin’i Lubov, nanasa ahy hitsidika azy tany Ouganda. Koa nahemotro àry ny fikasako hamono tena.
Zavatra tsy nampoiziko, tany Ouganda
Vitsy ny toerana eto an-tany tena samy hafa be amin’i Ukraine toa an’i Ouganda. Nipetraka tao Entebbe ny fiaramanidina nitondra ahy tamin’ny Martsa 1989. Nony nivoaka ny fiaramanidina aho, dia toy ny niditra tao anaty lafaoro. Mbola tsy nahita hafanana toy izany mihitsy aho! Tsy nahagaga izany, satria izay aho vao nivoaka ny Firaisana Sovietika. Niteny anglisy ny olona. Tsy nahay io fiteny io anefa aho.
Nitaingina taxi aho nankany Kampala, ary naharitra 45 minitra ilay dia. Hafa be noho ny nahazatra ahy izay rehetra hitan’ny masoko, hany ka toy ny hoe tany amin’ny planeta hafa aho! Tena tsara fanahy anefa ilay mpitondra taxi, sady tia nitsikitsiky, ary farany dia hitany ny tranon’i Lubov sy i Joseph, vadiny. Azoko erỳ ny aiko!
Niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Lubov. Mbola tsy nandre firesahana momba azy ireo mihitsy aho, nefa dodona hanome fanazavana ho ahy i Lubov. Narahiny eran’ny trano aho, ary niresahany momba ny zavatra rehetra nianarany, nanomboka tamin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Tena nanorisory ahy mihitsy izany. Marina e!
Tonga tao an-trano ireo Vavolombelona nampianatra an’i Lubov, indray andro. I Marianne no anaran’ny iray. Tsy nanandrana nitory tamiko avy hatrany izy, satria tsy nahay teny anglisy firy koa aho tamin’izany fotoana izany. Ny fijeriny feno fitiavana sy fisakaizana anefa dia nilaza tamiko fa olona tso-po sy falifaly izy. Nampiseho ahy sarin’ny Paradisa tao amin’ilay bokikely kely velarana hoe “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, izy. “Jereo ange ity vehivavy ity e!”, hoy ny fampirisihany. “Ianao io, ary izaho ity iray ity. Ao amin’ny Paradisa isika, miaraka amin’ireto olona hafa rehetra ireto. Tsy mahafinaritra ve izany?”
Toa nifandimby tonga tao amin-dry Lubov sy i Joseph ny Vavolombelona hafa tany Kampala. Tena sariaka izy ireo, hany ka niahiahy aho sao dia nanandrana nampiaiky volana ahy fotsiny izy ireo. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia sambany aho vao nanatrika fivoriana: ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Lioka 22:19). Na dia tsy azoko aza izay nolazaina tao, dia talanjona indray koa aho nahita fa sariaka ireo olona.
‘Vakio manontolo ity’
Nomen’i Marianne Baiboly amin’ny teny rosianina — ny Baiboly voalohany nananako — aho. “Vakio manontolo ny Baiboly”, hoy ny fiangaviany. “Na dia tsy azonao avokoa aza izay vakinao, dia vakio ihany ilay izy!”
Nanohina lalina ny foko ilay fanomezana nataon’i Marianne, ka nanapa-kevitra ny hanaraka ny toroheviny aho. ‘Sady izay koa’, hoy ny eritreritro, ‘inona fotsiny no hananako Baiboly raha tsy misahirana mamaky azy io akory aho?’
Nentiko nanaraka ahy tatsy Ukraine ny Baiboliko, rehefa niverina aho. Nandritra ireo volana vitsy nanaraka izany, dia niasa tao Moscou, atsy Rosia, aho, ary nanomboka ny famakiana ny Baiboly manontolo, rehefa nalalaka ny fotoanako. Tamin’ny fotoana niverenako tany Ouganda, sivy volana tatỳ aoriana, dia voavakiko ny antsasany. Rehefa niverina tany Kampala aho, dia nasehon’i Marianne ahy avy tao amin’ny Baiboly ny fanantenana mahatalanjona iray momba ny hoavy. Paradisa! Fitsanganana amin’ny maty! Hahita an’i Dada sy i Neny indray! Takatro fa izay nianarako dia valin’ny vavaka nataoko tany Donetsk. — Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 21:3-5.
Rehefa nianatra momba ny fanahy ratsy izahay, dia nihaino tamim-pitandremana aho, sady nangitakitaka. Nanamafy ny fahamarinan’izay nahiahiko hatramin’ny ela ny Baiboly. Tsy misy izany majika tsara na tsy manimba izany. Mampidi-doza tsotra izao izy io! Tsy nila porofo lehibe kokoa noho izay nitranga tamin’ny mpianakaviko aho. Fony aho nandoro ny fananan’i Pjotr, dia tsy fantatro akory fa nanao ilay zavatra tokony hatao aho. Nandoro ny zavatra nananany ka nisy fifandraisana tamin’ny majika koa ny Kristianina tany am-boalohany, rehefa nanomboka nanompo an’i Jehovah. — Deoteronomia 18:9-12; Asan’ny Apostoly 19:19.
Arakaraka ny nahatakarako ny hevitry ny Baiboly no nahazoako antoka fa nahita ny fahamarinana aho. Niala tamin’ny sigara aho, ary tamin’ny Desambra 1990, dia natao batisa ho fanamarihana ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah. Naroboka telo volana monja talohako i Lubov; ary i Joseph, tamin’ny 1993.
Niverina tany Donetsk
Niverina tany Donetsk aho tamin’ny 1991. Tamin’io taona io ihany, dia nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tatsy Ukraine, ka nidika izany fa afaka nivory malalaka sy nitory an-karihary izahay. Nanomboka niresaka tamin’ny olona rehetra nanam-potoana nalalaka izahay, teny amin’ny arabe. Tsy ela dia hitanay fa na dia tao amin’ny tany iray nahitana olona maro nilaza ho tsy mino an’Andriamanitra aza, dia maro no ta hahalala momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Teo am-piandohan’ireo taona 1990, dia tsy ampy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly nanananay, koa nanangana tranomboky nindramana boky izahay, teny amin’ny araben’i Donetsk. Nanangana trano heva izahay teo amin’ny faritra malalaka tao amin’ilay tanàna, mba hampirantiana ny santionam-boky sy bokikely nanananay. Tsy ela dia nisy olona sariaka sy liana ta hahafantatra niato mba hametraka fanontaniana. Ireo izay naniry hamaky boky dia nanofa izany, ary notoloranay fampianarana Baiboly izy ireo.
Tamin’ny 1992, dia tonga mpisava lalana, na mpitory manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, aho. Ary tamin’ny Septambra 1993, dia voantso hiara-miasa tamin’ny ekipana mpandika teny tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Selters, atsy Alemaina. Nifindra teto Polonina izahay tamin’ny Septambra 1998, mandra-pahavitan’ny tranon’ny sampana vaovao ao Lviv, atsy Ukraine.
Nahatalanjona ny fitomboan’ny vahoakan’i Jehovah atsy Ukraine. Raha kongregasiona iray nisy Vavolombelona 110 ny tany Donetsk tamin’ny 1991, dia misy kongregasiona 24 kosa any izao, ary Vavolombelona maherin’ny 3 000! Tsy vitan’ny hoe nahafahako nifankahita tamin’ny olona nahafinaritra ny fitsidihako tany Donetsk, tamin’ny 1997, fa nampahory ahy koa.
“Mitady anao i Pjotr”
Nandritra ny fotoana nijanonako tany Donetsk, dia taitra mafy aho nilazan’i Juliya, Vavolombelona izay nahafantatra anay mianakavy, hoe: “Mitady anao i Pjotr. Te hiresaka aminao, hono, izy.”
Nitomany aho tamin’io hariva io tany an-trano, ary nivavaka tamin’i Jehovah. Inona no itadiavan’i Pjotr ahy? Fantatro fa tany am-ponja nandritra ny taona maromaro izy noho ny heloka nataony. Halako izy noho izay nataony, ary nihevitra aho fa tsy mendrika ny hahafantatra momba ny tontolo vaovaon’i Jehovah akory izy. Nivavaka momba ilay raharaha aho nandritra ny andro vitsivitsy, ary avy eo dia takatro fa tsy anjarako ny manapaka hoe iza no mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay. Tsaroako ilay fampanantenan’i Jesosy Kristy tamin’ilay mpanao heloka bevava nihantona teo anilany teo amin’ny tsato-kazo — ny hoe hiaraka aminy ao amin’ny Paradisa ilay mpanao heloka bevava. — Lioka 23:42, 43, NW.
Izany no tao an-tsaiko rehefa tapa-kevitra ny hihaona tamin’i Pjotr aho sy hanao fanambarana taminy momba ny Fanjakana Mesianika sy ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra. Niaraka tamiko ny anadahy kristianina anankiroa, ary nankany amin’ilay adiresy nomen’i Julyia ahy izahay. Tao, dia sambany no nifanatrehako tamin’i Pjotr, taorian’ny nahafatesan’i Neny.
Henjana ny rivo-piainana. Nohazavaiko tamin’i Pjotr fa lasa Vavolombelon’i Jehovah aho, ary ny Baiboly no nanampy ahy hahatakatra ny antony tsy maintsy iatrehantsika rehetra olana sy ahitan’ny tenantsika manokana loza mihitsy aza indraindray, eo amin’izao fandehan-javatra izao. Nolazaiko tamin’i Pjotr koa fa tena mafy be taminay ny namoy ny reninay, sy ny dadanay avy eo.
Nohazavain’i Pjotr fa nisy feo nilaza taminy mba hamono an’i Neny, ary nanohy nilaza tamin’ny an-tsipiriany izay nitranga tamin’io andro io izy. Teo am-pihainoana ny fitantarana nahatsiravina nataony aho, dia sady nitsetra azy no nahatsiaro rikoriko koa, satria toa taitaitra toy ny biby nohazaina izy. Raha vao tapitra ny tenin’i Pjotr, dia niezaka nampiseho taminy ny sasany amin’ireo fampanantenana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly aho. Nilaza ho nino an’i Jesosy izy, hany ka nanontaniako hoe:
“Manana Baiboly ve ianao?”
“Tsy mbola manana aho, fa efa nanafatra iray”, hoy ny navaliny.
“Mety ho efa fantatrao angamba fa araka ny Baiboly, dia i Jehovah no anarana manokan’ilay Andriamanitra marina.” — Salamo 83:18.
Raha vao nandre izany anarana izany izy, dia nanjary nihovotrovotra. “Aza tononina eto anatrehako izany anarana izany”, hoy izy. “Tsy zakako izany anarana izany.” Tsy nahomby mihitsy ny ezaka nataonay mba hilazana tamin’i Pjotr ireo fampanantenana mahatalanjon’Andriamanitra.
Nandao azy aho, ary izao zavatra iray loha izao no nazava tao an-tsaiko: Raha tsy nahalala an’i Jehovah aho, dia nety ho efa maty toa an’i Neny koa, nety ho efa namono tena toa an’i Dada, na nety ho efa nisy nanao ahy ho fitaovana mba hanao zavatra mahatsiravina toa an’i Pjotr. Velom-pankasitrahana lalina aho satria nahalala an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina!
Mijery ny hoavy, fa tsy ny lasa
Namela soritra teo amin’ny fihetseham-poko ireny zavatra nampahory niainako ireny. Na dia amin’izao fotoana izao aza, dia mbola mampijaly sy mampahory ahy indraindray ny fahatsiarovana azy ireny. Rehefa nanjary nahalala an’i Jehovah sy ny fikasany anefa aho, dia nanomboka ny fanasitranana. Ny fahamarinana ara-baiboly dia nampianatra ahy hifantoka, tsy tamin’ny lasa, fa amin’ny hoavy. Ary hoavy mahatalanjona toy inona moa no homen’i Jehovah an’ireo mpanompony!
Anisan’ny hoentin’ny hoavy ny fananganana ny maty ho eo amin’ny paradisa an-tany. Fifaliana toy inona moa no ho tsapako rehefa hitsena ny ray aman-dreniko izay ho velona indray! Marina tokoa ny an’i Dada fony izy nilaza hoe: “Vahiny fotsiny ange isika eto amin’ity planeta ity e!” Ary marina ny eritreritr’i Neny izay nino fa tena misy Andriamanitra. Ny faniriako lalina dia ny ho afaka hampianatra ireo fahamarinana ara-baiboly amin’i Dada sy i Neny rehefa hatsangana amin’ny maty izy ireo ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana.
[Teny notsongaina, pejy 24]
Sambany no nifanatrehako tamin’ilay namono an’i Neny, taorian’ny nahafatesany
[Sary, pejy 23]
Nisakambina ahy i Marianne sy i Heinz Wertholz, misionera nampianatra ahy tany Ouganda
Ny batisako tany Kampala
[Sary, pejy 24]
Anisan’ny ekipan’ny mpandika teny ho an’i Ukraine, eto Polonina