FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/1 p. 15
  • Mihinàna Legioma!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mihinàna Legioma!
  • Mifohaza!—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fomba Ahafahan’ny Sakafo Mahasalama Manatsara ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—1995
  • Fomba 1—Misakafoana Tsara
    Mifohaza!—2011
  • Zavatra Fito Azonao Atao mba ho Azo Antoka sy Hahasalama ny Sakafo Hohaninao
    Foto-kevitra Hafa
  • Aoka ny sakafonao ho azo antoka
    Mifohaza!—1990
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/1 p. 15

Mihinàna Legioma!

AVY AMIN’NY MPANORATRA AO AMIN’NY MIFOHAZA! ANY BREZILA

“Mangidy ireny.” “Ratsy be ny tsirony.” “Mbola tsy nihinana an’ireny mihitsy aho.”

VITSIVITSY monja amin’ireo antony mahatonga olona maro tsy hety hihinana legioma ireo. Ahoana ny aminao? Mihinana legioma isan’andro ve ianao? Nanao fanadinadinana ny Mifohaza! mba hahafantarana ny antony itiavan’ny sasany legioma ary ny antony tsy itiavan’ny hafa azy ireny kosa.

Nilaza ireo mihinana legioma fa nampianarin’ny ray aman-dreniny ny maha zava-dehibe ny hihinanana legioma, ary voankazo, izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa fa olona maro tsy tia legioma no tsy zatra nihinana azy ireny, fony izy ireo mbola kely. Aleon’izy ireo kosa haninkanina fotsiny. Na izy ireo aza anefa dia manaiky fa zava-dehibe ny legioma mba hahasalama hatrany.

Ry ray aman-dreny, zaro hihinana legioma ny zanakao! Amin’ny fomba ahoana? Manolo-kevitra ilay boky hoe Facts for Life, navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza, fa indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny, aorian’ny fampinonoana na ny famahanana amin’ny biberao, dia tokony homena legioma nampangotrahina, novoasana ary avy eo nopotsehina, ireo zazakely enim-bolana eo ho eo. Arakaraka ny hanomezana karazan-tsakafo betsaka kokoa an’ilay zaza no handraisany soa bebe kokoa. Milaza ny Dr. Vagner Lapate, manam-pahaizana brezilianina momba ny zaza, fa na ronono aza no foto-tsakafon’ny zazakely mandritra ireo roa taona voalohany, dia “mampirisika [azy] hanandrana tsiron-kanina vaovao” ny fanomezana azy sakafo hafa.

Ao amin’ilay boky hoe Medicina—Mitos y Verdades (Fanafody — Hevi-dravina sy Fahamarinana), dia manolo-kevitra i Carla Leonel fa na dia alohan’ny fotoana voalaza etsy ambony aza, dia azo omena kely amin’ireto sakafo ireto ny zazakely: ranom-boasary, voankazo (toy ny akondro, paoma, ary papay) nopotsehina, kobana voamadinika, ary lasopy legioma. Koa satria samy manana ny fiheviny ny olona momba izany, dia mazava ho azy fa fahendrena ny hanontanianao ny hevitry ny dokoteran-janakao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara