Tratran’ny Fihetseham-po Mifamahofaho
“REHEFA nilazana aho fa voan’ny aretina mety haningotra ny aiko”, hoy ny tsaroan’ny lehilahy zokiolona iray, “dia niezaka nanilika ny tahotro aho, nefa nandreraka ahy ihany tamin’ny farany ny tsy fahazoako antoka ny amin’izay ho vokatry ny aretiko.” Ny teniny dia manasongadina ny hoe rehefa avy namely ny vatana ny aretina iray, dia miantefa any amin’ny fihetseham-po koa. Na izany aza, dia misy olona miatrika amim-pahombiazana ireo famelezana ireo. Maro amin’izy ireo no ta hanome toky anao fa misy fomba iatrehana amim-pahombiazana ny aretina mitaiza. Alohan’ny hiresahantsika momba izay azonao atao anefa, dia andeha aloha isika handinika akaiky kokoa ny sasany amin’ireo fihetseham-po mety ho tsapanao eo am-piandohana.
Tsy mino, tsy manaiky, malahelo
Mety ho hafa be amin’ny fihetseham-po tsapan’ny hafa ny tsapanao. Na izany aza, dia voamariky ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana sy ny marary fa matetika no misy fihetseham-po maromaro iombonan’ny olona marary mafy. Taitra mafy sy tsy mino aloha ilay olona, ary avy eo dia mety tsy hanaiky ilay zava-misy: ‘Tsy marina izany.’ ‘Tsy maintsy ho nisy fahadisoana tao.’ ‘Angamba nampifamadihin’izy ireo ny fitsirihana nataon’ny laboratoara.’ Toy izao no nilazalazan’ny vehivavy iray ny fihetsiny rehefa fantany fa voan’ny kansera izy: “Toy ny hoe ta hanarona ny lohanao ao anaty bodofotsy ianao, ary manantena fa rehefa mivoaka avy ao, dia ho efa lasa tanteraka ilay izy.”
Kanefa, rehefa manomboka takatrao fa tena zava-misy ilay izy, dia mety hanjary hahatsapa alahelo, izay manaloka anao tahaka ny loza mitatao, ianao rehefa avy eo. Mety hamely anao ny fanontaniana toy ny hoe ‘Hafiriana sisa no hahavelomako?’ ‘Voahozona hanaintaina mandra-pahafatiko ve aho?’, sy ny mitovy amin’izany. Mety haniry ny hamerina ny fotoana ianao, ny hiverina any amin’ny fotoana mbola tsy nahafantarana ny aretinao, nefa tsy afaka manao toy izany ianao. Tsy ela dia mety ho difotry ny fihetseham-po hafa mampijaly sy misy vokany lalina eo aminao ianao. Inona avy ny sasany amin’izy ireo?
Tsy mahazo antoka, manahy, matahotra
Mahatonga tsy fahazoana antoka sy fanahiana mafy eo amin’ny fiainanao ny aretina mafy iray. “Mahakivy ahy be ny fiainana indraindray, noho ny tsy fahafantarako mialoha izay miandry ahy”, hoy ny lehilahy iray voan’ny aretin’i Parkinson. “Isan’andro, dia tsy maintsy miandry izay havoakan’iny andro iny aho.” Mety hampahatahotra anao koa ny aretinao. Raha namely tampoka ilay izy, dia mety hahatsapa tahotra mahaketraka ianao. Kanefa, raha taorian’ny taona maro nitebitebena momba ny soritr’aretina nitranga taminao — noheverina ho aretina hafa — vao fantatra ny tena aretinao, dia mety ho tahotra nikiky no mahazo anao. Mety ho maivamaivana mihitsy aza ianao amin’ny voalohany, hoe izao vao hinoan’ny olona amin’izay fa tena marary ianao fa tsy namorona aretina. Tsy ela anefa, dia mety hanjary tahotra noho ny fahatakarana izay voafaoka ao amin’ilay aretina ilay fahatsapana ho maivamaivana.
Mety hampanahy anao koa ny tahotra sao tsy ho afaka hifehy ny fiainanao intsony ianao. Indrindra fa raha olona mankamamy ny tsy fiankinana amin’ny hafa ianao, dia mety hanahy mafy eo am-pieritreretana hoe hanjary hiankina hatrany amin’ny hafa ianao. Mety hanahy ianao sao manomboka manapaka ny fiainanao ny aretinao ka mibaiko izay fihetsika rehetra tokony hataonao.
Tezitra, menatra, mahatsapa ho manirery
Mety hiteraka fahatezerana koa ny fahatsapana fa mihatsy afaka mifehy ny fiainanao ianao. ‘Nahoana no izaho? Fa inona loatra no nataoko no dia mendrika an’izao aho?’, hoy ny mety ho fanontanianao. Toa tsy rariny sy tsy misy antony io fahavoazan’ny fahasalamanao io. Mety hanenika anao koa ny henatra sy ny famoizam-po. Nahatsiaro toy izao ny lehilahy malemy iray: “Menatra mafy aho satria nitranga tamiko izao rehetra izao noho iny loza nahasosotra iny!”
Mety hangeja anao tsikelikely koa ny fahatsapana ho tafasaraka amin’ny hafa. Rehefa tafasaraka ara-bakiteny amin’ny hafa ianao, dia mora mahatonga ny hafa hihataka aminao izany. Raha voatana ao an-tranonao noho ny aretinao mantsy ianao, dia mety tsy ho afaka hifanerasera amin’ny namana efa hatramin’ny ela intsony ianao. Kanefa, dia maniry mafy mbola tsy nisy toy izany ny hifandray amin’olona ianao. Aorian’ny fitsidihana sy antso an-telefaonina misesisesy eo am-boalohany, dia mety hihavitsy kokoa hatrany ny mitsidika sy miantso anao an-telefaonina.
Koa satria mampalahelo anao ny mahatsapa fa mihamihataka aminao ny namanao, dia mety tsy hilaza ny ao am-ponao koa ianao ho setrin’izany. Mazava ho azy fa mora azo ny hoe mbola tsy ta hahita olon-kafa aloha ianao, fa mila fotoana hitokanana. Raha amin’izay anefa ianao no mamela ny tenanao hitokantokana kokoa hatrany, dia mety ho vao mainka hihatakataka amin’ny hafa, sy tsy hilaza ny ao am-ponao ianao, izay nihatakatahan’ny hafa teo aloha. Amin’ireo toe-javatra roa ireo, dia mety hiady mafy amin’ny fahatsapana ho manirery ianao.a Mety hanontany tena mihitsy aza ianao indraindray raha ho tafita ho amin’ny andro iray hafa ianao.
Fianarana avy amin’ny hafa
Misy fanantenana anefa. Raha vao haingana izay ianao no ao anatin’ny aretina mafy, dia misy dingana azonao ampiharina mba hanampiana anao ho afaka hifehy indray ny fiainanao.
Marina fa tsy hanafaka ny aretina mitaiza anao, na inona izany na inona, ity fitohitohizan-dahatsoratra ity. Na izany aza, ny fanazavana aseho ato dia mety hanampy anao hahita fomba haneken’ny sainao an’ilay izy sy hizàrana amin’izany. Ny vehivavy iray voan’ny kansera dia namintina ny fizotran’ny eritreriny sy ny fihetseham-pony toy izao: “Tsy nanaiky ilay zava-misy aloha aho, ary tezitra mafy, ary avy eo dia nikaroka izay zavatra mbola vitako.” Ianao koa dia afaka manao fikarohana toy izany, amin’ny fitodihana any amin’ireo olona izay efa nandia izao toe-javatra misy anao izao sy amin’ny fianarana avy amin’izy ireo ny fomba ahafahanao mandray soa avy amin’izay zavatra mbola vitanao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mazava ho azy fa samy hafa ny hamafin’ireo fihetseham-po ireo, sy ny filaharan’ny fisehoany, amin’ny olona maro.
[Teny notsongaina, pejy 5]
‘Nahoana no izaho? Fa inona loatra no nataoko no dia mendrika an’izao aho?’, hoy ny mety ho fanontanianao