Miaritra Aretina Nefa Mahita Fahombiazana — Amin’ny Fomba Ahoana?
AOKA ho azonao antoka fa ara-dalàna ny firongatry ny fihetseham-po mety ho tsapanao. Na dia mety hamely ny vatanao aza mantsy ny aretina, dia tsy mety manaiky ireo fiovana nentin’izy io teo aminao ny sainao. Toy ny hoe mifampitsapa hery ianao sy ny aretinao, ka misy ady eo amin’ny hoe iza ianao taloha sy ny hoe mety hanao ahoana ianao. Ary amin’izao fotoana izao dia toy ny hoe ny aretinao no matanjaka kokoa. Kanefa, afaka mampitsimbadika ny rasa ianao. Amin’ny fomba ahoana?
“Rehefa misy zavatra afoy noho ny aretina”, hoy ny fanamarihan’ny Dr. Kitty Stein, “dia tena mitovy be amin’ny hoe misy maty.” Araka izany, rehefa namoy zava-tsarobidy aminao toy ny fahasalamana ianao, dia ara-dalàna tsotra izao ny hakanao fotoana halahelovana sy hitomaniana, toy ny nataonao raha misy havan-tianao maty. Mety tsy ho ny fahasalamanao fotsiny no hafoinao, raha ny marina. Araka ny nohazavain’ny vehivavy iray hoe: “Voatery niala tamin’ny asako aho. (...) Voatery namoy ny tsy fiankinana izay nananako foana aho.” Na izany aza, dia tombano araka ny tena izy ireo zavatra nafoinao. “Halahelo an’ireo zavatra nafoinao ianao, nefa mila mahatakatra koa ianao fa mbola manan-javatra hafa ianao”, hoy ihany ny Dr. Stein, izay voan’ny aretina mikiky ny atidoha sy ny fitatitra. Mitomany mafy ianao amin’ny voalohany, ary avy eo dia ho hitanao fa mbola misy zavatra tsy voakasik’ilay aretina ao aminao. Voalohany aloha, dia manana fahaiza-manao fanitsiana ianao.
Tsy afaka mifehy tafio-drivotra ny tantsambo iray, nefa afaka mamakivaky soa aman-tsara izany izy amin’ny fanitsiana ny lain-tsambony. Toy izany koa fa mety tsy ho afaka hifehy ilay aretina mamely anao toy ny tafio-drivotra ianao, nefa afaka miatrika azy io amin’ny fanitsiana ny ‘lain-tsambonao’, izany hoe ny fahafahanao ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Inona no nanampy olona hafa voan’ny aretina mitaiza hanao izany?
Manovoza fahalalana mahakasika ny aretinao
Aorian’ny ahafantaran’ny olona izay tena aretina mahazo azy, dia maro no manjary mihevitra hoe aleo mahalala ny marina, na dia mampalahelo aza izany, toy izay miatrika tahotra tsy mazava. Mety hahatonga anao tsy ho afaka hanao zavatra mantsy ny tahotra, fa ny fahalalanao izay mahazo anao kosa dia mety hanampy anao handinika izay azonao atao — ary na izay fotsiny aza dia matetika no misy vokany tsara. “Ho voamarikao fa hahatsapa ho maivamaivana be ianao rehefa mahita fomba iatrehana zavatra mampanahy, na inona izany na inona”, hoy ny fanamarihan’ny Dr. David Spiegel ao amin’ny Oniversiten’i Standford. “Mbola tsy tena nanao zavatra akory ianao, nefa efa nampihena sahady ny tebitebinao, amin’ny fanaovana fandaharana ny amin’izay tokony hatao.”
Mety hihevitra ianao fa mila manovo fahalalana bebe kokoa momba ilay aretinao. Araka ny lazain’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly, dia “mitombo hery ny olona manam-pahalalana”. (Ohabolana 24:5). “Makà boky any amin’ny tranomboky. Manovoza fahalalana betsaka araka izay azonao atao momba ny aretinao”, hoy ny torohevitry ny lehilahy iray voatana eo am-pandriana. Rehefa mahafantatra ny amin’ny fitsaboana misy sy ny fomba iatrehana ilay aretina ianao, dia mety ho hitanao fa angamba tsy ratsy araka ny natahoranao azy ny toe-javatra misy anao. Mety hahita antony hananana fanantenana mihitsy aza ianao.
Tsy ny fahatakaran’ny sainao ny aretinao anefa no tanjonao farany. Hoy ny fanazavan’ny Dr. Spiegel: “Io fanangonana fanazavana io dia anisan’ny dingana lehibe iray hirosoana ho amin’ny hanekena sy hizàrana amin’ilay aretina, sy hahatakarana azy io, ary hijerena azy araka ny tena izy.” Sarotra sady matetika no mandeha miandalana ny fanekena fa niova fotsiny ny fiainanao fa tsy nifarana akory. Kanefa io dingana io — avy eo amin’ny fahatakaran’ny sainao ny aretinao mankamin’ny faneken’ny fihetseham-ponao azy io — dia zavatra iray azonao atao. Amin’ny fomba ahoana?
Milamin-tsaina na dia mora mitebiteby aza
Mety hilainao ny manitsy ny fomba fijerinao ny amin’ny dikan’ny hoe manaiky ny aretinao. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy famantarana ny tsy fahombiazan’ny fiainanao akory ny fanekena fa marary ianao, tsy misy hafa amin’ny hoe tsy famantarana ny tsy fahombiazan’ny tantsambo iray ny fanekeny fa ao anaty tafio-drivotra izy. Manosika azy hanao zavatra kosa aza ny fanekeny ny zava-misy, dia ny hoe miatrika tafio-drivotra izy. Toy izany koa fa tsy midika ho tsy fahombiazana akory ny fanekena ny aretinao, fa midika ho “fandrosoana ho amin’ny lalana vaovao” kosa izany, araka ny nomarihin’ny vehivavy iray voan’ny aretina mitaiza.
Na dia nihena aza ny tanjakao ara-batana, dia mety hilainao ny mitadidy fa tsy voatery ho voakasika ny sainao sy ny fihetseham-ponao, ary ny ara-panahinao. Ohatra, mbola manana fahiratan-tsaina sy fahaiza-mandamin-javatra sy misaina ihany ve ianao? Angamba mbola hita eo aminao ihany ny tsiky avy amin’ny fo sy ny faniriana hiahy ny hafa, ary ny fahaizana ho tonga mpihaino tsara sy ho tena namana. Ary ny tena lehibe indrindra, dia mbola mino an’Andriamanitra ihany ianao.
Fanampin’izany, dia tadidio fa na dia tsy afaka manova ny toe-javatra rehetra misy anao aza ianao, dia mbola afaka mamaritra izay ho fihetsikao manoloana azy ireo. Nilaza toy izao i Irene Pollin, ao amin’ny Ivon-toeram-pirenena Momba ny Kansera: “Ianao ihany no afaka mifehy ny fihetsikao manoloana ny aretinao. Manana io fahefana io ianao na inona na inona ampiharin’ny aretinao aminao.” Nanamafy izany i Helen, vehivavy 70 taona, izay voan’ny aretina mikiky ny atidoha sy ny fitatitra, efa lasa lavitra, rehefa nilaza hoe: “Tsy ny aretinao loatra, fa ny fihetsikao manoloana azy io, no mamaritra raha hahita filaminana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po indray ianao.” Hoy ny lehilahy iray izay nanan-takaitra efa hatramin’ny taona maromaro: “Ny fihetsika tsara dia tahaka ny andrin-tsambo izay mihazona azy io tsy hihilangilana.” Milaza toy izao tokoa ny Ohabolana 18:14: “Ny faharariany dia zakan’ny fanahin’ny olona ihany; fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?”
Fahazoana mifehy indray ny fiainanao
Rehefa mihamiverina ny filaminana ara-pihetseham-ponao, dia miova ny fanontaniana tonga ao an-tsainao: ny hoe ‘Nahoana no nitranga tamiko izany?’ dia mety ho lasa hoe: ‘Koa satria nitranga tamiko izany, dia inona no hataoko momba izany?’Amin’izay fotoana izay, dia mety hifidy ny hanao dingana fanampiny ianao mba ho tsara kokoa noho izao ny toe-javatra misy anao. Handeha isika handinika vitsivitsy amin’izany.
Tombano ny toe-javatra misy anao, ka eritrereto izay ilainao hovana, ary avy eo dia miezaha hanova izay azo ovana. “Ny aretinao dia fahafahana hanombana indray ny fiainana — lakolosy famohazana fa tsy lakolosy manambara fahafatesana”, hoy ny Dr. Spiegel. Manontania tena hoe: ‘Inona no zava-dehibe tamiko talohan’ny naharariako? Ahoana no niovan’izany?’ Apetraho ireo fanontaniana ireo, tsy hoe mba hijerena izay tsy azonao atao intsony, fa mba hamaritana izay mbola azonao atao, angamba amin’ny fanaovan-javatra amin’ny fomba hafa. Raiso, ohatra, i Helen, voalaza tetsy aloha.
Nandritra ireo 25 taona lasa, dia nampahalemy ny hozany ny aretina mikiky ny atidoha sy ny fitatitra. Tamin’ny voalohany, dia nampiasa fitaovana manampy azy handeha izy. Taorian’izay, rehefa tsy afaka nampiasa ny tanany havanana intsony izy, dia lasa nampiasa ny havia indray. Nanaraka izany, dia tapaka ilay tanany havia. Avy eo, tokony ho valo taona lasa izay, dia tsy afa-nandeha intsony izy. Izao dia mila ny hafa hanasa sy hamahana ary hampiakanjo azy izy. Nampalahelo azy izany, nefa hoy ihany izy: “Tsy miova ny teny filamatro hoe: ‘Eritrereto izay azonao atao, fa tsy izay vitanao taloha.’ ” Ary noho ny fanampian’ny vadiny sy ny mpitsabo mpanampy mpanara-maso azy, ary koa noho ny fahaizan’ny sainy mamoron-kevitra, dia afaka manohy ny sasany amin’ireo asa nahafinaritra azy foana izy. Ohatra, anisan’ny tapany sarobidy tamin’ny fiainany efa hatramin’ny faha-11 taonany, ny fizarana ny fampanantenan’ny Baiboly tontolo vaovao ho avy feno fiadanana, ary ankehitriny dia mbola manao izany isan-kerinandro izy. (Matio 28:19, 20). Manazava ny fomba anaovany izany i Helen:
“Angatahiko ny mpitsabo mpanampy iray mpanara-maso ahy, mba hihazona ny gazety ho ahy. Miara-mamaky ireo filazana manjo izahay, ary mifidy vitsivitsy. Avy eo, dia lazaiko amin’ilay mpitsabo mpanampy izay hevitra tiako hosoratana ho an’ny havan’ilay maty, ary manao izany amin’ny milina fanoratana ilay mpitsabo mpanampy. Ampiarahiko amin’ilay taratasy ny bokikely Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao,a izay manazava ny fanantenana mampionona momba ny fitsanganana amin’ny maty, ao amin’ny Baiboly. Manao izany isaky ny alahady tolakandro aho. Mahafaly ahy ny mbola ahafahako milaza ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny hafa.”
Mamera tanjona araka ny antonony sy azo tratrarina. Ny antony iray niezahan’i Helen hanova izay azo ovana, dia satria nahatonga azy ho afaka hametra sy hanatratra tanjona izany. Zava-dehibe ho anao koa izany. Nahoana? Satria mampitodika ny sainao ho amin’ny hoavy ny famerana tanjona, ary manome anao fahatsapana ho nahavita zavatra ny fahatratraranao tanjona. Mety hamerina indray ampahany amin’ny fatokian-tenanao izany. Ataovy azo antoka anefa fa voafaritra tsara ny tanjona izay feranao. Ohatra, mety hanapa-kevitra ianao hoe: ‘Hamaky toko iray ao amin’ny Baiboly aho anio.’ Afa-tsy izany koa, dia mamera tanjona izay mety ho vitanao. Koa satria tsy mitovy amin’ny maha izy anao ara-batana sy ara-pihetseham-po ny an’ny olon-kafa izay manana aretina maharitra, dia mety tsy ho afaka hanatratra tanjona mitovy amin’izay tratrany ianao. — Galatiana 6:4.
“Na dia toa kely aza ny tanjona feranao, dia manosika anao hanao bebe kokoa ny fahatratrarana azy io”, hoy i Lex, mipetraka any Holandy. Maherin’ny 20 taona lasa izay, fony izy 23 taona, dia tra-doza izy, ka nanjary nalemy. Nandritra ny fitsaboan-tena maro be nanaraka izany, dia nampirisihina izy hametra tanjona, toy ny fanadiovana ny tarehiny tamin’ny servieta kely. Nandreraka ny nanao izany, nefa dia vitany ihany. Rehefa takany fa tratrany ilay tanjona, dia nametra iray hafa indray — fanokafana sy fanidiana samirery ny tranona famotsia-nify. Teo indray, dia vitany ilay izy. “Na dia tsy mora aza izany”, hoy i Lex, “dia hitako fa afaka nanao mihoatra noho izay noeritreretiko ho vitako aho.”
Eny tokoa, noho ny fanohanan’i Tineke, vadiny, dia nahatratra tanjona lehibe kokoa i Lex. Ankehitriny, ohatra, dia mitsidika olona isan-trano miaraka amin’i Tineke, vadiny, izy, amin’ny fampiasana seza misy kodiarana, mba hilazana ny fahalalana ara-baiboly amin’ny hafa. Mitsidika lehilahy kilemaina be, izay miara-mianatra Baiboly aminy koa izy isan-kerinandro mba hampaherezana azy io. “Mitondra fahafaham-po be ho ahy”, hoy i Lex, “ny fanampiana ny hafa.” Araka ny hamafisin’ny Baiboly, dia “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. — Asan’ny Apostoly 20:35.
Afaka mametra tanjona mba hanampiana ny hafa koa ve ianao? Mety hanampy anao ho tonga mpampahery tena mahay ny fahararianao na ny fitondranao takaitra, satria mahatonga anao ho mora mahatsapa kokoa ny fanaintainan’ny hafa izany zava-manahirana anao izany.
Mifandraisa foana amin’ny hafa. Asehon’ny fandinihana ara-pitsaboana fa tsara ho an’ny fahasalamanao ny fifandraisana amin’ny hafa. Marina koa anefa ny mifanohitra amin’izany. “Misy fifandraisana akaiky dia akaiky eo amin’ny fihatahana amin’ny hafa sy ny fahafatesana (...) toy ny fifandraisana akaiky dia akaiky eo amin’ny fifohana sigara (...) sy ny fahafatesana”, hoy ny mpikaroka iray. Hoy koa izy hoe: “Mety ho zava-dehibe ho an’ny fahasalamanao, toy ny fialana amin’ny sigara, ny manatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa.” Tsy mahagaga raha nanatsoaka hevitra izy fa ny fahaizantsika mihazona fifandraisana amin’ny hafa dia “tena ilaina mba hahavelomana”! — Ohabolana 18:1.
Ny olana anefa, araka ny nomarihina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia mety hoe tsy nitsidika anao intsony ny sasany tamin’ny namanao. Mba ho tombontsoanao, dia ilainao ny manohitra ny faniriana mihamitombo hihatakataka amin’ny hafa. Amin’ny fomba ahoana anefa? Amin’ny fanasanao ny namanao mba hitsidika anao, ho fanombohana.
Ataovy zavatra mahafinaritra ny fitsidihana anao.b Afaka manao izany ianao amin’ny famerana ny firesahanao momba ny aretinao, mba tsy hanasatra ny mpitsidika anao ny fandrenesana izany. Namaha izany olana izany ny vehivavy iray voan’ny aretina mitaiza, tamin’ny famerana ny fotoana hiresahana momba ny aretiny tamin’ny vadiny. “Tsy maintsy mametra izany tsotra izao izahay”, hoy izy. Eny tokoa, ny aretinao dia tsy voatery hanakana anao tsy hilaza ny zavatra hafa rehetra azonao lazaina. Hoy ny mpitsidika iray, rehefa avy nifampiresaka tamin’ny namany, voatana teo am-pandriana, momba ny zavakanto sy ny tantara ary ny antony inoany an’i Jehovah Andriamanitra: “Tsy namela ny aretiny hifehy azy izy. Nahafinaritra ny niresaka taminy.”
Hanjary hahafinaritra ny namanao koa ny fitsidihana anao raha mahay manao sy mandray vazivazy hatrany koa ianao. Ankoatra izany, dia mahasoa anao manokana ny fihomehezana. “Ny fahaiza-manao sy mandray vazivazy dia manampy anao hiatrika toe-javatra maro mahakasika anao manokana sy mahakasika ny hafa”, hoy ny lehilahy iray voan’ny aretin’i Parkinson. Mety ho fanafody mandaitra tokoa ny fihomehezana. Hoy ny fanamarihan’ny Ohabolana 17:22 hoe: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara”. Hahatsara anao na dia minitra vitsivitsy monja hihomehezana aza. Ambonin’izany, “ny fihomehezana dia tsy manimba mihitsy sady tsy misy poizina ary mahafinaritra, fa tsy mba tahaka ny sasany amin’ireo fanafody hafa ampiasaintsika”, hoy ny fanamarihan’ilay mpanoratra atao hoe Susan Milstrey Wells, izay voan’ny aretina mitaiza koa. “Ny tsy maintsy afointsika dia ny fahasorisorenana.”
Mitadiava fomba hampihenana fihenjanana. Misy fandinihana manamafy fa mety hanaratsy ny soritr’aretina ny fihenjanana, fa manampy hahazakana azy ireo kosa ny fampihenana ny fihenjanana. Noho izany, dia ovao tsindraindray ny zavatra ataonao. (Mpitoriteny 3:1, 4). Aza afantoka amin’ny aretinao ny fiainanao iray manontolo. Raha tsy afa-mivoaka ny trano ianao, dia azonao atao ny manandrana mampihena ny fihenjanan’ny fihetseham-ponao amin’ny fihainoana mozika milamina, famakiana boky, fandroana maharitra, fanoratana taratasy na tononkalo, fanaovana hoso-doko, fitendrena zavamaneno, firesahana amin’ny namana iray azo itokisana, na fanaovan-javatra mitovy amin’izany. Tsy hanome vahaolana maharitra ho an’ny zava-manahirana anao ny fanaovana izany, fa mety hitondra fanamaivanana vetivety ho anao kosa.
Raha afaka mandeha ianao, dia mandehana mitsangantsangana, mankanesa any an-tsena, manaova zaridaina, mitondrà fiara na, raha azo atao, dia mandehana manao vakansy. Ekena aloha fa mety ho sarotra kokoa ny manao dia lavitra noho ianao tsy salama, nefa raha manao fiomanana mialoha sy mianina amin’izay misy ka manao zavatra an-tehaka, dia azo resena ny sakana. I Lex sy i Tineke, voalaza tetsy aloha, ohatra, dia nahavita nankany an-tany hafa. “Nisy fihenjanana kely tamin’ny voalohany”, hoy i Lex, “nefa nahafinaritra ny vakansinay!” Mety ho tandra vadin-koditra aminao tokoa ny aretinao, nefa tsy tokony hifehy ny fiainanao izy io.
Manovoza tanjaka avy amin’ny finoana. Milaza ny Kristianina marina izay niatrika tamim-pahombiazana takaitra lehibe fa loharanom-pampaherezana sy tanjaka ho azy mandrakariva ny finoany an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fiarahany amin’ny kongregasiona kristianina.c Indreto ny sasany amin’ny teny nataony momba ny hasarobidin’ny vavaka, ny fianarana ny Baiboly, ny fisaintsainana ny hoavy, ary ny fanatrehana ny fivoriana kristianina any amin’ny Efitrano Fanjakana.
● “Mbola kivy ihany aho tsindraindray. Rehefa mitranga izany, dia mivavaka amin’i Jehovah aho, ary manavao ny fahatapahan-kevitro hanohy hanao izay azoko atao izy.” — Salamo 55:22; Lioka 11:13.
● “Manampy ahy be hanana fiadanan-tsaina hatrany ny famakiako ny Baiboly sy ny fisaintsainako izay novakiko.” — Salamo 63:6; 77:11, 12.
● “Mampahatsiahy ahy ny fianarana Baiboly fa mbola ho avy ny tena fiainana ary tsy ho kilemaina mandrakizay aho.” — Isaia 35:5, 6; Apokalypsy 21:3, 4.
● “Manome ahy ny tanjaka ahafahako miatrika ny anio ihany ny finoana ny hoavy ampanantenaina ao amin’ny Baiboly.” — Matio 6:33, 34; Romana 12:12.
● “Mampifantoka hatrany ny saiko amin-javatra tsara, fa tsy amin’ny aretiko, ny fanatrehana fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana.” — Salamo 26:12; 27:4.
● “Manafana ny foko ny fiarahana mampahery amin’ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona.” — Asan’ny Apostoly 28:15.
Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy.” (Nahoma 1:7). Loharanom-pampaherezana sy tanjaka ny fananana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny fiarahana amin’ny kongregasiona kristianina. — Romana 1:11, 12; 2 Korintiana 1:3; 4:7.
Avelao aloha handeha ny fotoana
Ny fananana fiainana mahomby ao anatin’ny aretina mafy na ny kilema mahazo anao dia zavatra “mitaky fotoana fa tsy tampotampoka eo”, hoy ny fanamarihan’ny mpanao asa sosialy iray, izay manampy olona hiatrika ny vokatry ny aretina maharitra. Avelao handeha ny fotoana, hoy ny torohevitry ny manam-pahaizana hafa iray, satria manao izay “hahaizana zavatra vaovao tanteraka ianao: fiatrehana aretina mafy”. Fantaro fa na dia manana fihetsika tsara aza ianao, dia mety handalo andro na herinandro tsy mahafinaritra, rehefa mandreraka anao ny vokatry ny aretinao. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia mety hahita fandrosoana ianao. Izany no nitranga tamin’ny vehivavy iray izay nilaza hoe: “Nientam-po aoka izany aho rehefa nahatakatra fa vitako ny tsy nieritreritra momba ny kansera nandritra ny andro iray manontolo (...) Tsy ela izay, dia tsy nieritreritra mihitsy ny hahavita izany aho.”
Raha vantany vao nandresy ny tahotra nahazo anao tamin’ny voalohany tokoa ianao ary nametra tanjona vaovao, dia mety ho gaga fa ho afaka hiatrika izany tsara ianao — araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Ny fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hitondranao ny mpitsidika dia mazava ho azy fa, vao mainka mihatra amin’ny fomba hitondranao ny vadinao sy ny zanakao, na ny mpikarakara anao.
c Mahaliana fa fandinihana ara-pitsaboana maro be no nahitana fa mahasalama ny finoana. Araka ny Profesora Dale Matthews, ao amin’ny Oniversiten’i Georgetown Fianarana ho Dokotera dia “voaporofo fa tena sarobidy ny finoana”.
[Sary, pejy 7]
Afaka manampy anao hanaiky sy hizatra amin’ny aretinao ny fanovozana fahalalana mahakasika azy io
[Sary, pejy 8]
Manomana taratasy mampahery i Helen noho ny fanampian’ny hafa
[Sary, pejy 8]
“Mahasambatra ahy ny mizara ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra”
[Sary, pejy 9]
“Hitako fa na dia malemy aza aho dia afaka nanao mihoatra noho izay noeritreretiko ho vita.” — Lex