FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp19 No. 2 p. 10-11
  • Rehefa Marary Mafy Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa Marary Mafy Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Aretina Mitaiza—Miara-misalahy ny Mpianakavy
    Mifohaza!—2000
  • Miaritra Aretina Nefa Mahita Fahombiazana — Amin’ny Fomba Ahoana?
    Mifohaza!—2001
  • Fomba Iatrehan’ny Mpianakavy ny Aretina Mitaiza
    Mifohaza!—2000
  • Nahoana Aho no Voatery Harary Be toy Izao?
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
wp19 No. 2 p. 10-11

Rehefa Marary Mafy Ianao

“Niteny tamiko ny dokotera hoe voan’ny kanseran’ny tsinaibe sy kanseran’ny havokavoka aho. Dia izao no tao an-tsaiko: ‘Tena ho faty aho izany.’ Rehefa tonga tany an-trano anefa aho, dia hozy aho hoe: ‘Tsy nampoiziko hoe izaho no ho voan’izao, fa tsy maintsy miatrika an’ilay izy aho.’”​—Linda, 71 taona.

“Voan’ny aretina mamely ny rafi-pitatitra aho. Ny ilany havia amin’ny tarehiko no tratran’ilay izy, dia marary be. Nisy fotoana aho tena kivy rehefa manaintaina be ilay izy. Matetika aho no nieritreritra hoe tsisy niraharaha, dia te hamono tena mihitsy.”​—Elise, 49 taona.

Lehilahy iray mandeha amin’ny seza misy kodiarana ary miaraka aminy ny havany

VOAN’NY aretina mety hahafaty angamba ianao na ny havanao. Azo antoka hoe mafy be aminao izany. Sady efa miatrika an’ilay aretina mantsy ianao no miovaova koa ny fihetseham-ponao. Vao mainka aza ianao mitebiteby rehefa hoe handeha any amin’ny dokotera, mitady ny vola ilaina amin’ny fitsaboana, na rehefa misy vokany ratsy ny fanafody. Mila tsy ho zaka ny adin-tsaina vokatr’izany.

Inona àry no afaka manampy anao? Betsaka no nahita hoe tena manampy ny vavaka. Eo koa ireo andinin-teny mampahery ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manohana koa ny havana sy ny namana.

INONA NO AZONAO ATAO?

Hoy i Robert, 58 taona: “Hanampy anao hizaka an’ilay aretina Andriamanitra raha matoky azy ianao. Mivavaha aminy, dia resaho aminy ny zavatra tsapanao, ary mangataha fanahy masina. Iangavio izy mba hanampy anao ho falifaly fa tsy hitsetra tena. Hampahery ny fianakavianao mantsy ny mahita an’izany. Iangavio koa izy mba hanampy anao ho tony foana.

“Tena mampahery ahy ny fianakaviako. Eo foana ry zareo. Misy miantso foana aho isan’andro mba hanontany ny fahasalamako. Na ny namako any lavitra any aza tsy manadino ahy. Tena manohana ahy ry zareo, dia vonona hiatrika ny aretiko aho.”

Mba tadidio ity tenin’i Linda ity rehefa hitsidika marary ianao: “Aza ilay aretiny foana no resahina rehefa mihaona ianareo. Mba te ho hoatran’ny olon-drehetra ihany mantsy izy. Tsara raha ny zavatra nahazatra anareo hatramin’izay no resahina.”

Matokia àry fa tena misy dikany ny fiainanao na dia marary mafy aza ianao. Eo foana mantsy Andriamanitra mampahery anao. Eo koa ny Teniny. Afaka manohana anao koa ny namana sy ny fianakaviana.

Andinin-teny Afaka Manampy Anao

Miantehera amin’Andriamanitra.

“Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy. Nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra izy. Niantso ity olo-mahantra ity, dia nohenoin’i Jehovah.”​—Salamo 34:4, 6.

Hoy i Linda: “Rehefa mivavaka aho dia tsy mangataka hoe ‘ao izaho mba sitrano’, fa hoe ‘ampio aho mba hahavita hiaritra.’”

Saintsaino ny fampanantenan’Andriamanitra.

“Tsy hisy olona hilaza hoe: ‘Marary aho.’”​—Isaia 33:24.

Mampanantena zavatra tsara be dia be Andriamanitra. Hahavita hiaritra ianao raha misaintsaina azy ireny.

Mangataha fanampiana.

“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

Hoy i Elise: “Aza mitokantokana mihitsy. Avelao hanampy anao ny namanao. Mety hisy fotoana ianao hahatsiaro ho irery, ary na Andriamanitra aza eritreretinao hoe tsy mihaino anao. Aza mitokantokana mihitsy anefa.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara