Manontany ny Tanora Hoe . . .
Mbola Kely Loatra Aho, hoy i Dada sy i Neny, ka Tsy Tokony Hampiaraka — Dia Ahoana?
“Tsy maharaka ianao ry Neny a! Tsy toy tamin’ny andronareo ange izao e! Tsy misy tsy mampiaraka amin’izao fotoana izao! Efa lehibe ange aho e!” — Janie, 16 taona.a
METY ho sosotra ianao raha ilazana hoe mbola tsy vonona ho amin’izany ianao. “Tiako ny hanaraka izay lazain’ny Baiboly ka hanaja ny raiko sy ny reniko”, hoy ny tanora iray, “saingy araka ny hevitro, dia diso hevitra izy ireo. Tsy haiko akory aza ny fomba iresahana an’izany amin-dry zareo.” Toa an’io tovolahy io, dia mety hihevitra ianao fa tafahoatra ny ataon’ny ray aman-dreninao sady tsy takany ny toeranao. Angamba ianao nahita ny tena tianao, ka ta hahafantatra azy bebe kokoa. Na heverinao fa hitovy kokoa amin’ny namanao ianao raha mampiaraka. “Ohatran’ny voatery ianao”, hoy i Michelle. “Heverin’ny ankizy any am-pianarana ho hafahafa ianao raha tsy mampiaraka.”
Izao no nomarihin’ny vehivavy iray, mpanolo-tsaina momba ny fianakaviana, mahakasika ny hoe mampiaraka: “Eo amin’io lafin-javatra io ny ray aman-dreny no heverina indrindra ho manao zavatra tafahoatra.” Mety ho toa manao zavatra tafahoatra ny ray aman-dreninao, nefa tena toy izany tokoa ve izy ireo? Tadidio fa tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra ny ray aman-dreninao raha ny amin’ny fampianarana, ny fampiofanana sy ny fiarovana ary ny fitarihana anao. (Deoteronomia 6:6, 7). Mety hanana antony marim-pototra hiahiana ny amin’izay hahasoa anao ve ny ray aman-dreninao? “Hitako mananontanona ny loza”, hoy ny reny iray, “ary tena mampahatahotra izany.” Nahoana no mampanahy ray aman-dreny maro ny ankizy mampiaraka aloha loatra?
Fihetseham-po mampidi-doza
“Toy ny milaza ireo ray aman-dreniko fa ratsy ny fitiavana olona iray”, hoy ny fitarainan’i Beth, 14 taona. Raha Kristianina anefa ny ray aman-dreninao, dia fantatr’izy ireo tsara fa nataon’Andriamanitra hifanintona ny lahy sy ny vavy. (Genesisy 2:18-23). Fantatr’izy ireo fa voajanahary io fifanintonana io, ary mifanaraka amin’ny fikasan’ny Mpamorona antsika ho an’ny taranak’olombelona, dia ny ‘hameno ny tany’. — Genesisy 1:28.
Ankoatra izany, dia takatry ny ray aman-dreninao fa mafy be ny faniriana eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, rehefa ao anatin’ny “fahatanorana vao mivelatra” ianao. (1 Korintiana 7:36, NW ). Fantatr’izy ireo koa fa mbola tsy nianatra firy nifehy ireny faniriana ireny ianao. Azo inoana fa hitombo ilay fifanintonana, raha manomboka mandany fotoana be iarahana amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy toa anao ianao, na iresahana aminy an-telefaonina, na ifanoratana aminy, na ifandefasana E-mail aminy. ‘Inona no dia maha ratsy an’izany?’, hoy angamba ianao. Izao àry: Manana antony ara-dalàna hanomezana fahafaham-po ireny faniriana ireny ve ianao? Tena vonona ho amin’ny dingana farany itarihan’ireny fihetseham-po ireny anao ve ianao, dia ny ho amin’ny fanambadiana? Toa tsy azo inoana izany.
Misy loza lehibe, araka izany, mananontanona ny tanora izay mampiaraka aloha loatra. Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony?” (Ohabolana 6:27). Matetika loatra ny tanora mampiaraka aloha loatra no voatarika hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, ka mety ho bevohoka tsy manambady na ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana. (1 Tesaloniana 4:4-6). Nihevitra, ohatra, i Tammy fa tsy rariny ny nataon’ny ray aman-dreniny rehefa tsy namela azy hampiaraka. Nanomboka nampiaraka mangingina tamin’ny ankizy iray tany am-pianarana àry izy. Tsy ela anefa dia bevohoka i Tammy, ka niova ny fiainany. Izao izy dia miaiky hoe: “Hay tsy mahafinaritra araka ny voalaza akory ny mampiaraka.”
Ahoana anefa raha mitandrina ireo tanora roa miaraka, ka mifady ny fifampikasihana tsy tokony hatao? Na amin’izay aza, dia mbola eo foana ilay loza hoe manaitra na mamoha ny fitiavana nefa mbola tsy sitrapony. (Tonon-kiran’i Solomona 2:7). Miteraka tsy fahafaham-po sy fahoriam-po ny fanairana faniriana miredareda, izay tsy azo tanterahina ara-dalàna raha tsy taona maro any aoriana.
Indreto misy hevitra hafa tokony hosaintsainina: Manana fahendrena ampy ve ianao mba hamantarana hoe inona no tokony hotadiavina ao amin’ny olona hovadina? (Ohabolana 1:4). Etsy an-danin’izany, efa manana ny toetra sy ny fahaizana ilaina mba hahatongavana ho vady tena tiana sy hajaina ve ianao? Tena manana ny faharetana sy ny fahatapahan-kevitra ilaina mba hihazonana fifandraisana maharitra ve ianao? Tsy mahagaga raha tsy maharitra sy miteraka fahoriam-po ny fifankatiavan’ny ankamaroan’ny zatovo. Vitsy no tonga tamin’ny fanambadiana maharitra.
Mamintina tsara izany i Monica, 18 taona, rehefa nanamarika hoe: “Nitantara tamiko momba ny ankizilahy miaraka aminy ny namako rehetra tany am-pianarana. Na, kely dia nanambady anefa izy ireo, na nisaraka tamin’alahelo satria mbola tsy vonona hanao ny dingana manaraka.” Nanamarika toy izao koa i Brandon, tanora hafa iray: “Kivy be ianao rehefa takatrao fa mbola tsy vonona ny hanao fifanekena amin’ny olona iray ianao, nefa mahatsapa fa efa voafatotra, satria miaraka aminy. Ahoana no ihemoranao nefa tsy handratra ny fon’ny andaniny?”
Tsy isalasalana fa miezaka miaro anao tsy ho tratran’izany fahoriam-po sy fahadisoam-panantenana izany ny ray aman-dreninao, ka manizingizina fa mbola tsy tokony hampiaraka ianao, raha tsy rehefa lehibe afaka hanao fanekem-panambadiana. Manao zavatra mifanaraka amin’ny torohevitra ara-tsindrimandry, ao amin’ny Mpitoriteny 11:10, fotsiny izy ireo, raha ny marina. Hoy izy io hoe: “Esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy”.
‘Mihamalalaka’
Tsy midika anefa izany fa tsy afaka mifandray amin’olona tsy lahy na tsy vavy toa anao ianao. Nahoana anefa no ferana ho olona iray ihany no ifaneraseranao? Amin’ny sehatra hafa, dia mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hihamalalaka’ eo amin’ny fifaneraserantsika. (2 Korintiana 6:12, 13). Torohevitra tsara ho an’ny tanora izany. Fomba iray hanaovana izany ny fiarahana amin’ny antokon’olona misy lehilahy sy vehivavy. “Mahafinaritra kokoa izany amiko”, hoy ny nomarihin’i Tammy. “Tsara kokoa ny mana-namana be dia be.” Hoy i Monica hoe: “Tena hevitra tsara ilay hoe miaraka maromaro, satria lasa mahafantatra olona manana toetra samy hafa ianao, ka manjary takatrao fa, hay misy olon-kafa koa mbola tsy fantatrao.”
Mety ho vonona mihitsy aza ny ray aman-dreninao hanampy anao handamina fiarahana mahasoa amin’ny tanora hafa. Manazava toy izao i Anne, manan-janaka roa: “Ataonay azo antoka foana fa toerana mahafinaritra ny ankizy ny tranonay. Asainay ny naman’izy ireo, omenay sakafo maivana, ary avelanay hilalao. Amin’izay izy ireo dia tsy mihevitra fa tsy maintsy mivoaka ny trano izy mba hahitana fahafinaretana.”
Mazava ho azy fa mbola tsy maintsy mitandrina foana ianao mba tsy haneho fiheverana be loatra amin’ny olona iray ao anatin’ny antokon’olona. Misy tanora mihevitra fa tsy tena mampiaraka izy ireo, raha mbola misy olon-kafa eo. Aza mamita-tena toy izany. (Salamo 36:2). Raha olona iray foana no iarahanao isaky ny misy fiarahana amin’ny namanao maromaro, dia efa anisan’ny mampiaraka izany.b Miezaha mafy mba hahay hitsara zavatra momba ny namana tsy lahy na tsy vavy toa anao. — 1 Timoty 5:2.
Mahasoa ny miandry
Tsy mahafinaritra ny ilazana hoe mbola kely loatra ianao ka tsy tokony hanomboka hampiaraka. Tsy ny hampalahelo anao anefa no tian’ny ray aman-dreninao hatao. Mifanohitra amin’izany fa manao izay rehetra azony atao aza izy ireo mba hanampiana sy hiarovana anao. Aza matoky ny fonao àry, na mandà ny toroheviny. Nahoana kosa raha mampiasa ny traikefa ananan’izy ireo? Nahoana, ohatra, raha mangataka torohevitra amin’izy ireo rehefa manan-java-manahirana momba ny olona tsy lahy na tsy vavy toa anao ianao, amin’ny manaraka? Mampahatsiahy antsika ny Ohabolana 28:26 hoe: “Izay matoky ny fony dia adala”. Hoy i Connie: “Rehefa misy tovolahy tia ahy, dia manjary voatohitro ny fanerena hampiaraka, rehefa miresaka momba izany amin’ny reniko aho. Tantarainy amiko ny zava-nitranga tamin’ny namany sy ny fianakaviany. Tena manampy ahy izany.”
Tsy hanakana ny fitomboanao ara-pihetseham-po, sady tsy hanembantsembana ny fahafahanao ny fiandrasana kely aloha vao mampiaraka. Afaka ‘mifaly dieny mbola tanora’ ianao, satria mbola tsy nandray ny andraikitr’olon-dehibe ateraky ny fiarahana alohan’ny fanambadiana sy ny fanambadiana. (Mpitoriteny 11:9). Raha miandry ianao, dia ho afaka hanatsara ny toetranao koa, hampitombo ny fahamatoranao sy ny fahasalamanao ara-panahy, izay zava-dehibe indrindra. (Fitomaniana 3:26, 27). Araka ny nilazan’ny tanora iray azy, dia “tokony hanao fanekena amin’i Jehovah aloha ianao, izay vao manao fanekena amin’olona”.
Arakaraka ny hitomboanao sy ny hihariharian’ny fandrosoanao no hanombohan’ny ray aman-dreninao hanova ny fitondrany anao. (1 Timoty 4:15). Ary rehefa tena vonona ho amin’izany ianao, dia tsy isalasalana fa ho afaka hanao izany sy hahazo ny tso-dranon’izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana.
b Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny pejy faha-232-233 amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 20]
Ny fanehoana fiheverana manokana amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy toy ny tena...
...dia matetika no manaitra ny fitiavana
[Sary, pejy 21]
Aza variana amin’olona iray, fa halalaho kosa ny fisakaizanao