Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ratsy ve ny Mampiaraka Raha Mbola Kely?
“Nisy ankizilahy tany am-pianarana nangataka ahy hiaraka taminy, vao tsy ela izay.”—Becky, 11 taona.a
“Mampiaraka daholo ny ankamaroan’ny ankizy any am-pianaranay. Efa tsy mahagaga intsony ny mahita ankizilahy sy ankizivavy mifanoroka eny an-dalantsara.”—Liana, mpianatra any amin’ny lise.
TANORA maro no “mampiaraka” raha mbola kely. Asehon’ny fampitam-baovao ho toy ny fanao ara-dalàna sy fialam-boly tsy mampidi-doza izy io. Hoy i Oneyda, 12 taona: “Saika ny rehetra any an-tsekoly no mampiaraka.” Nilaza toy izao ny tovovavy iray atao hoe Jenifer: “Tadidiko fa nisy ankizy sivy taona nampiaraka.” Hoy koa izy: “Nanjary te hampiaraka koa aho tamin’izaho 11 taona.”
Tsy mahagaga àry, raha mahatsapa ho irery ianao raha tsy manao izany. Mety hisy hananihany sy haneso anao mihitsy aza. Nanda izay ankizilahy nangataka hiaraka taminy i Jenifer satria fantany fa mbola kely loatra izy ka tsy tokony hanao izany. Ahoana hoy ireo tovolahy? Mitantara i Jenifer hoe: “Nesoin-dry zareo aho ary nihomehezany.” Tsy misy maniry ny hesoina, kanefa tokony “hampiaraka” ve ianao satria manao izany ny hafa? Fa rahoviana ny olona no atao hoe miaraka ary inona no antony anaovana azy io?
Inona no atao hoe “mampiaraka”?
‘Tsy miaraka izahay fa mpinamana fotsiny’, hoy ny tanora maro, na dia miaraka foana amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka azy aza izy. Mazàna anefa no tsy mpinamana fotsiny ny ankizilahy sy ny ankizivavy mifampiahy manokana sady miaraka foana, na mampiaraka no iantsoanao azy na miaraka na mihaona fotsiny. Tsy voatery hifanatrika koa ny olon-droa vao azo lazaina hoe “mampiaraka.” Tafiditra amin’izany koa mantsy ny fifandefasana hafatra amin’ny ordinatera sy ny fifampiresahana an-telefaonina ary ny fifanoratana.
Izao no tokony hoeritreretina: Fa inona no maha ratsy ny miaraka mitokana matetika amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy toy ny tena?
Ny loza mety haterak’izany
Miresaka ny amin’ny “nalehan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy” ny Ohabolana 30:19, ao amin’ny Baiboly. Toa midika ireo teny ireo fa mazàna no efa misy fanao mahazatra arahin’ny lehilahy sy ny vehivavy mifandray. Mety hiteraka fifankatiavana sy fanambadiana mendrika ny fiarahana, raha samy matotra sy manaraka ny fitsipi-pitondran-tena avy amin’Andriamanitra ireo olon-droa miaraka. Noforonin’Andriamanitra hifanintona tokoa ny lehilahy sy ny vehivavy. Ahoana anefa raha mbola tsy ampy taona hanambady ianao? Mitady loza ianao raha “mampiaraka” amin’izay fotoana izay.
Nahoana? Satria ara-dalàna raha ho taitra ny fihetseham-ponao, rehefa miaraka maharitra amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy toa anao ianao. Tsy tsapanao akory fa tsy andrinao izay hahitana azy. Mieritreritra azy ianao, rehefa tsy eo akaikinao izy. Fitia tsy mifamaly anefa ilay izy matetika, ka mandratra ny fon’ny iray. Mbola alahelo sy ratram-po koa anefa ny vokany, raha mbola tsy matotra na mbola tsy ampy taona mba hanambady ny iray, na dia fitia mifamaly aza ilay izy. Aiza no hiafaran’izany fifandraisana izany? Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony?”—Ohabolana 6:27.
Diniho, ohatra, ny tanora iray atao hoe Nina. Mitantara izy hoe: “Nisy ankizilahy niresaka tamiko tamin’ny alalan’ny Internet, nandritra ny ora maro isan’andro. Nanjary niraiki-po taminy aho, ary nifantoka tanteraka tany aminy. Tsy naharitra ela anefa ny fifandraisanay. Ketraka be aho rehefa rava ilay izy. Niantso ahy koa izy avy eo ary nilaza fa hamono tena, noho ilay fisarahana. Vao mainka aho ketraka.” Mieritreritra ny lasa i Nina ka miteny hoe: “Tsy nampoiziko ilay izy! Efa roa taona izahay no nisaraka, nefa mbola ketraka ihany aho hatramin’izao.” Mbola kely loatra i Nina ka tsy afaka ny ho raiki-pitia tamin’ny olona iray.
Mahaliana fa, mety ho fanaovana firaisana no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “ny nalehan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy.” Matetika no miafara amin’ny firaisana ny fiarahan’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Mifampitantana fotsiny aloha izy roa, ary samy madio ny eritreriny. Mifamihina kely sy mifanoroka eo amin’ny takolaka avy eo. Hafa indray raha tanora roa efa lehibe, nifanaiky hivady, no manao izany fanehoam-pitiavana izany. Hanaitra ny faniriana hanao firaisana fotsiny anefa izany raha mbola kely loatra ka tsy afaka hivady izy roa. Hanjary hitombo haingana ka ho lasa tsy mendrika na tsy madio ny fihetsika maneho “fitiavana” toy ireny. Mety hitarika ho amina karazana fijangajangana mihitsy aza izy ireny.b
Mangidy ny vokatry ny fijangajangana. Nisy voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ireo nanao izany. Ny hafa mahatsapa tena ho tsy mendrika intsony sady simba ny feon’ny fieritreretany. Nisy ankizivavy bevohoka. Tsy mahagaga raha mandidy ny Baiboly hoe: “Mandosira ny fijangajangana”! (1 Korintiana 6:13, 18; 1 Tesaloniana 4:3) Ho mora aminao ny hanaraka io didy io raha tsy “mampiaraka” dieny mbola kely ianao.
Rahoviana no mety?
Tsy midika akory izany hoe tsy mahazo “mampiaraka” mihitsy ianao. Vao manomboka mitombo mba hanana ny toetra hoentinao amin’ny fiainana ianao, raha zatovo. Mihamatotra ara-batana sy ara-pihetseham-po ianao mandritra io fotoana io. Mety hahery be ny fihetseham-ponao, anisan’izany ny faniriana hanao firaisana. Mety hiovaova haingana koa anefa ireny fihetseham-po ireny. Izany no mahatonga ny fiarahan’ny zatovo tsy haharitra ela. Hoy ny tsaroan’ny zatovovavy iray: “Tiako be ilay olona ny herinandro voalohany, ary tsy tiako intsony izy ny herinandro manaraka.”
Tsy fahendrena, araka izany, ny “mampiaraka” raha mbola zatovo. Mety indrindra ny miandry mandra-pahafantatrao tsara ny tenanao, ny zavatra tianao sy tsy tianao, ny tanjona tianao hotratrarina. Mila ny ho ampy taona koa ianao vao afaka miantsoroka ny andraikitra ao amin’ny fanambadiana. Antenain’i Jehovah, ohatra, ny lehilahy mba hanome ny zavatra ara-batana sy ara-panahy ilain’ny fianakaviany. Raha zatovolahy ianao, vonona ve ianao hiasa sy hikarakara ny vadinao ary angamba ny zanakao? Ho vitanao ve ny hanampy azy ireo ho salama ara-panahy hatrany? Ahoana kosa raha zatovovavy ianao? Takina mba ho tia sy hanaja ny vadiny ny vehivavy, ary tsy maintsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny vadiny. Vonona hanao an’izany foana ve ianao? Vonona hikarakara tokantrano koa ve ianao isan’andro, izany hoe hahandro sakafo sy hikarakara ankizy?—Efesiana 5:22-25, 28-31; 1 Timoty 5:8.
Ity misy ohatra: Nofinofin’ny tanora ankehitriny ny hitondra aotomobilina. Inona anefa no tokony hataony alohan’ny hahazoany manao izany? Tsy maintsy mianatra sy manala fanadinana aloha izy, vao mahazo fahazoan-dalana hamily fiara. Nahoana? Satria andraikitra lehibe izany. Miankina aminao ny ainao sy ny ain’ny olon-kafa, rehefa mitondra aotomobilina ianao. Andraikitra tena lehibe toy izany koa ny fanambadiana! Mbola tsy vonona ho amin’izy io mihitsy ianao raha mbola zatovo. Fahendrena, araka izany, ny handresena ny fakam-panahy “hampiaraka”, satria natao mba hitadiavana vady izy io. Raha tsorina dia hoe: Tsy tokony “hampiaraka” ianao raha mbola tsy vonona hanambady.
Mila ilay antsoin’ny Baiboly hoe “fahalalana sy fisainana mazava” ianao mba hanaovana fanapahan-kevitra amim-pahendrena eo amin’io lafiny io. (Ohabolana 1:4) Tena mety àry ny mianatra avy amin’ny fahalalana sy ny zavatra hitan’ny olon-dehibe. Tsara toerana indrindra ny ray aman-dreny kristianina mba hanampy anao hamantatra raha vonona hanambady ianao na tsia. Ho tianao koa angamba ny hangataka torohevitra amin’ny mpikambana matotra eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsara aminao ny mankatò ny ray aman-dreninao, raha mandrara anao izy ireo. Fanirian’izy ireo ny hanampy anao mba tsy hisy “ratsy” hahazo anao.—Mpitoriteny 11:10.
Mety hampirisika anao hanana namana isan-karazany izy ireo fa tsy ho variana amin’ny olona iray monja, rehefa hitany fa mbola tsy vonona hanambady ianao. Hanatsara ny toetranao sy hahatonga anao hahita tsara kokoa ny tena zava-misy eo amin’ny fiainana sy ny fanambadiana ny fiarahanao amin’ny olona mpitovo sy manambady, be taona sy tanora, ary izay mitovy taona aminao.
Sarotra ny miandry mandra-pahavonona anao hanambady. Hahasoa anao anefa izany. Hisoroka zava-manahirana maro ianao raha mampiasa ny taona maha zatovo anao hitomboana ho olon-dehibe matotra sy mahay mandray andraikitra. Hanana fotoana hitomboana mba hahatongavana ho olona mahay miatrika ny zava-manahirana sy ny andraikitra ao anatin’ny fanambadiana ianao. Hanana fotoana hitomboana ara-panahy koa ianao. Amin’izay, dia ho hitan’ny hafa fa mendrika ny hotiavina ianao rehefa vonona ny hanambady any aoriana any.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
b Avy amin’ny teny grika tany am-boalohany hoe por·neiʹa ny hoe fijangajangana. Manondro ny fampiasana ny filahiana sy ny fivaviana ivelan’ny fanambadiana izy io. Anisan’izany ny fanafosafoana ny filahiana na fivaviana sy ny firaisana amin’ny vava.
[Sary, pejy 14]
Miteraka zava-manahirana matetika ny fanehoam-pitiavana