Fijerena An’izao Tontolo Izao
Sompitra ho An’ny Masomboly
“Tombanan’ny mpahay siansa fa mahatratra 25% amin’ny zavamaniry eran’izao tontolo izao no mety ho voaozona ho fongana ato anatin’ny 50 taona”, hoy ny gazety National Post, any Kanada. Mba hiarovana ireo zavamaniry mitady ho lany tamingana, dia nanangana ny Tahiri-masombolin’ny Taonarivo (MSB) ny Royal Botanical Gardens, any Kew, Angletera. “Ny tetik’asan’ny MSB dia ny hanangona sy hitahiry karazan-javamaniry maherin’ny 25 000 — maherin’ny 10% amin’ny zavamaniry misy voany eran’izao tontolo izao”, hoy ny nohazavain’ilay gazety. Manantena ny mpikarakara ny MSB fa hampiasa ireo voa, rehefa ilaina izany, mba hamerenana ny tsiron’ny tany nakana vokatra be loatra, sy hampihenana ny mety hisian’ny mosary ary hamokarana zavamaniry anaovana fanafody nentim-paharazana sy maoderina. Izao no marihin’i Roger Smith, lehiben’ilay tetik’asa momba ny tahiri-masomboly: “Matetika ny zavamaniry tena ilain’ny olona sy ny biby indrindra no fongana voalohany.”
Rantsantongotra Miraikitra
Mora amin’ny antsiantsy ny mihazakazaka mamakivaky valin-drihana iray malama be toy ny fitaratra. Ahoana no anaovany izany? Milaza ankehitriny ny mpahay siansa fa mety ho afaka hanazava izany, rehefa nanandrana namaly io fanontaniana io hatramin’ny am-polony taona maro. Hitan’ny ekipa iray misy mpahay siansa sy injeniera fa “misy hery lehibe mahagaga mampiraikitra rehefa mifampikasoka amin’ny velaran-javatra ny volovolo madinika kely eo amin’ny tongotry ny antsiantsy”, hoy ny gazetiboky Science News. “Misy sampany mbola madinika kokoa mitsimoka avy amin’ny volovolo madinika kely tsirairay. Rehefa mametraka ny tongony eo amin’ny velaran-javatra iray ny antsiantsy, dia manjary manatona akaiky kely an’ilay velaran-javatra ny sampan’ny volovolo madinika kely sahabo ho arivo tapitrisa, izay mandrakotra ny faladiany, hany ka mety hisy herin’ny môlekiola (...) miditra an-tsehatra.” Nomarihin’ny mpikaroka koa ny fomba ametrahan’ny antsiantsy ny rantsantongony: “sady manery ny volovolo madinika kely amin’ilay velaran-javatra izy no misintona azy ireo ho mira zotra amin’ilay izy”. Izany dia mampitombo “avo folo heny ny hery mamikitra ampiharin’ny volovolo madinika tsirairay, raha oharina amin’ny fanindriana azy fotsiny”, hoy ilay gazetiboky.
Fihetsehan’aretim-po Tsy Misy Fanaintainana
Mailaka ny olona maro mahamarika ny famantarana fihetsehan’aretim-po mateti-piseho indrindra — dia ny tratra toa misy manery mafy. Tena vitsy noho izany anefa no mahafantatra fa “ny ampahatelon’ny marary rehetra dia tsy hahare fanaintainan’ny tratra mihitsy, mandritra ny fihetsehan’ny aretim-pony”, hoy ny gazetiboky Time. Noho izany, dia takatra hoe nahoana “ny olona mihetsika aretim-po, izay tsy mandre manaintaina ao amin’ny tratra amin’ny ankapobeny, no mampihemotra ny fotoana handehanana any amin’ny hopitaly ho adiny roa, amin’ny antsalany”, hoy ny fandinihana iray navoaka tao amin’ny The Journal of the American Medical Association. Mety hampidi-doza anefa ny fahataran’ny fahazoana fitsaboana mety hamonjy aina. Inona no tokony hojerenao tsara raha mitranga? “Ny fanairana lehibe indrindra manaraka tokony hojerena angamba dia ny fahasemporana be”, hoy ny Time. Mety ho anisan’ny famantarana koa ny fisaleboleboana, ny fahatsembohana be sy “ny ‘ambavafo mamaivay’, izay mihamafy arakaraka ny andehandehananao, na ampiasanao ny vatanao”, hoy ilay lahatsoratra.
Didy Iray Nahatezitra ny Eglizy Ortodoksa Grika
Ny fanesorana ny filazana ny fivavahan’ny olom-pirenena grika tsy ho ao amin’ny “kara-panondrom-pirenena, dia nahatezitra mafy ny Eglizy Ortodoksa Grika”. Izany no nolazain’ny tatitra iray avy amin’ny Newsroom.org. Ilay didy dia vokatry ny tatitra iray nataon’ny Federasiona Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona any Helsinki tamin’ny 1998, izay “nilaza fa manavakavaka an’ireo fivavahana tsy Ortodoksa i Gresy, ary koa fa nampisy fiangarana teo amin’ny asa sy ny fomba itondran’ny polisy ny tsy maintsy nanononana ny fivavahana teo amin’ny kara-panondro”. Milaza ny fanjakana grika fa ilay fiovana dia “hahatonga ireo karatra hifanaraka amin’ny fari-pitsipiky ny Firaisambe Eoropeanina sy ny lalàn’ilay tany, navoaka tamin’ny 1997, momba ny fiarovana ny tsiambaratelon’ny tena”, hoy ilay lahatsoratra. Nolazain’ny mpitarika ny Eglizy Ortodoksa Grika, fa an’ny “herin’ny ratsy” anefa ireo olona tia ny fanesorana ny fivavahana tao anatin’ny kara-panondro.
Miady Amin’ny Tadio i Chine
Namely ny faritra andrefan’i Chine ny tadio avy any amin’ny tany efitr’i Mongolia Anatiny, nandritra ireo taona faramparany, ka nanimba voly sy namono biby fiompy mitentina an-tapitrisany dolara maro, hoy ny China Today. Tamin’ny taona 2000, dia nisy tadio maromaro nahatratra an’i Beijing renivohitra mihitsy. Nisy tadiom-pasika tamin’ny 1998 nanimba voly voa madinika 33 000 hektara, ary namono biby fiompy 110 000. Ny tsy fahaizan-draolombelona mitantana ny tany no voalaza fa antony lehibe indrindra nahatonga izany. Velaran-tany lehibe no tsy nisy zavamaniry intsony ka lasa tany efitra. Tamin’ny 1984, ohatra, ny mponina tao amin’ny Faritra Mizaka Tenan’i Ningsia Hui, any amin’ny faritra avaratr’i Chine, dia nanomboka nandavaka mba hahazoana reglisy hanaovana raokandro sinoa. “Tsy ampy 10 taona akory”, hoy ny China Today, dia “tany lava volo 600 000 hektara no simba ary faritra fambolena sy fiompiana 13 333 hektara no lasa tany efitra.” Nisy tany efitra hafa niforona noho ny fampiraofana be loatra sy noho ny fampiasana tafahoatra ny tahirin-drano teo an-toerana. Nisy ezaka be natao mba hambolena hazo sy bozaka vaovao, mba hiadiana amin’ilay zava-manahirana sy mba hanakanana ny fitaran’ny tany efitra.
Fampianarana Aloha Be Momba ny Maha Lahy sy ny Maha Vavy
Tsy ho ela ny ankizy madinika any Bangkok, Tailandy, dia hampianarina momba ny maha lahy sy ny maha vavy any amin’ny akanin-jaza, hoy ny Bangkok Post. Araka ny Dr. Suwanna Vorakamin, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanaraha-maso ny Fandrindram-piterahana sy ny Mponina, “ny mpampianatra sy ny mpiasan’ny fahasalamana dia hofanina manokana mba hampianatra sy hiresaka momba ny maha lahy sy ny maha vavy amin’ny fomba siantifika”, hoy ilay tatitra. Nanampy izy hoe: “Ny fampidirana ny fampianarana momba ny maha lahy sy ny maha vavy dieny mbola vao any amin’ny akanin-jaza akory tsy natao hampirisihana ny ankizikely hanao fitondran-tena maloto dieny mbola kely. (...) Ny fahalalana omena ny ankizy dieny mbola kely dia hanampy azy tsy hanao fihetsika tsy mety sy hiaro azy amin’ny fananana anaka tsy nirina, rehefa zatovo izy ireo”, hoy ilay gazety.
Ady Tsy Misy Fotony Amin’ny Bakteria
“Miady amin’ny mikraoba ao an-trano ny mpanjifa amerikanina, nefa ady tsy mitombina izany”, hoy ny USA Today. Araka ilay gazety, dia milaza i Stuart Levy, dokotera sy manam-pahaizana momba ny zava-miaina bitika, ao amin’ny Oniversiten’i Tufts, fa “ny fitomboan’isan’ny zavatra famonoana bakteria (...) dia mety hahatonga ny bakteria hahatohitra, tsy ny savony mamono bakteria ihany, fa ny antibiotika koa”. Ny fampiasana famonoana bakteria mba hanadiovana ny ao an-trano dia toy ny fampiasana “marotoa mba hamonoana lalitra”, hoy i Levy. Etsy an-danin’izany, dia manala ny loto ny eau de Javel, ny eau oxygénée sy ny rano mafana ary ny savony, rehefa anadiovana ny ao an-trano, nefa tsy mahatonga ny bakteria hiofo ho lasa mahatohitra ireo zavatra fanadiovana. “Namantsika ny bakteria”, hoy i Levy. “Mila mihavana aminy isika.”
Mpangalatra Anarana
Mitandrema amin’ny mpanao heloka bevava mampiasa ny anaranao mba hamitahana ny tompon-trosa, hoy ny fampitandreman’ny tatitr’ilay gazety hoe El Economista, any Mexico. Rehefa nahazo fanazavana manokana momba anao ny mpanao heloka bevava, noho izy nangalatra ny taratasinao na ny poketranao, dia mangataka karatra fitrosana (carte de crédit) amin’ny anaranao sy manao izay handefasana izany any amin’ny adiresiny. Avy eo izy ireo dia mampiasa ny anaranao mba hividianana na hanofan-javatra amin’ny alalan’ny telefaonina na ny Internet. Ireo voan’io heloka bevava io dia mety handany taona maro, na angamba am-polony taona maro, mba hanarenana ny fiainany, hoy ilay gazety. Ahoana no hiarovanao tena amin’ny fangalarana anarana? Manoro hevitra ny El Economista hoe: Aza mitondra antontan-taratasy lehibe miaraka aminao raha tsy hoe hampiasainao angaha azy ireny, raiso an-tsoratra ny vola rehetra laninao nampiasanao karatra fitrosana ary ampitahao amin’ny taratasy filazana ny vola laninao izany, rovito ny rosian’ny karatra fitrosana alohan’ny hanariana azy, aza mandefa filazalazana momba ny tenanao amin’ny alalan’ny ordinatera, ary manaova lisitry ny nomeraon’ny karatra fitrosanao rehetra sy ny daty farany mampanan-kery azy ary ny nomeraon-telefaonin’ny mpanome ilay karatra mba hahafahanao hilaza amin’izy ireo raha very na nisy nangalatra ny karatrao.
Ny Anglisy no Tia Mijery Tele Indrindra
“Efa ho ny ampahefatry ny Anglisy no mandany fotoana mitovy amin’ny laniny iasana mandritra ny herinandro, mba hijerena televiziona”, hoy ny tatitry ny gazety The Independent, any Londres. Araka ny mpikaroka, ny ankamaroan’ny Anglisy dia mandany adiny 25 isan-kerinandro hijerena televiziona, fa ny 21 isan-jatony kosa dia mijery tele mandritra ny adiny 36 mahery. “Tsy ny tanora ihany no mijery tele tafahoatra, satria hitan’ny fikarohana fa manao toy izany koa ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny olona be taona”, hoy ilay gazety. Nilaza ny fianakaviana iray mijery televiziona mandritra ny adiny 30 eo ho eo isan-kerinandro fa ny televiziona dia nahafahany “niala voly, ary tena nilainy izany”. Misy voka-dratsiny anefa ny fahazarana mijery tele tafahoatra toy izany. Tamin’ny fandinihana iray natao tany amin’ny firenena 20, dia ny Royaume-Uni “avy hatrany no loha laharana ao amin’ny lisitry ny fijerena tele”, hoy ny The Guardian Weekly, any Londres. “I Grande-Bretagne anefa dia tena anisan’ny gisitra ao amin’ny lisitr’ireo tsy mahay indrindra, raha ireo lafiny telo lehibe indrindra amin’ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra no jerena”.