Fandaharana Hanampiana Antsika Hifady ny Ra
Tsy voatery manolo ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra, na ny Karatra Famantarana, amin’ity taona ity, ny mpitory vita batisa, raha tsy voalaza eo amin’ilay karatra ny daty nanaovana pirinty azy, na 3/99 no daty misoratra eo. Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandron’ny 29 Desambra, dia tokony hanana karatra ampy hozaraina amin’ny mpitory vao vita batisa sy ny zanany ary ny olona mila manolo ny karany, ny mpitan-tsoratra. Handefasana vitsivitsy amin’izany ny fiangonana. Raha tsy ampy ny karatra ananan’ny fiangonana, dia afaka mangataka amin’ny fiangonana manodidina ny mpitan-tsoratra, na manafatra karatra fanampiny. Hampiarahiny amin’ny fanafarana boky manaraka izany.
Tokony hofenoina tsara any an-trano ilay karatra, fa TSY hosoniavina. Tokony hasiana sonia sy hohamarinin’ny vavolombelona ary hasiana daty ireo karatra, amin’ny Fianarana Boky manaraka. Hanampy amin’izany ny mpiandraikitra fianarana boky, raha ilaina. Tokony hahita ny hanaovan’ilay olona sonia ilay karatra, ny vavolombelona.
Afaka manoratra ny azy manokana sy ny an-janany ny mpitory tsy vita batisa, ka amboariny ny fehezanteny avy ao amin’ireo karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy ny Karatra Famantarana.