FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/4 p. 22-24
  • Fankalazana ny Fiadanana fa Tsy ny Ady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fankalazana ny Fiadanana fa Tsy ny Ady
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanaovana ny zavakanto ho anton’asa
  • Nitombo ny fanontaniana momba ny fiainana
  • Fanaovana safidy lehibe
  • Mamera Tanjona eo Am-piatrehana ny Fiharatsian’ny Fahasalamana
    Mifohaza!—2001
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ny Faniriako Miredareda Hanompo An’Andriamanitra
    Mifohaza!—1993
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/4 p. 22-24

Fankalazana ny Fiadanana fa Tsy ny Ady

NOTANTARAIN’I DOROTHY HORLE

Teraka tao amin’ny fianakaviana katolika italianina, tao Wilmington, any Delaware, any Etazonia, aho, tamin’ny 1919. Tsy nanatrika fotoam-pivavahana mihitsy ny ray aman-dreniko, nefa nandefa anay telo mirahavavy niangona kosa izy ireo. Niaiky volana aho nahita ireo fiangonana lehibe ahitana maritrano sy sarivongana ary renty kanto dia kanto.

REHEFA nandeha ny taona, dia nanjary tsy liana tamin’ny fivavahana katolika intsony aho. Tsy nanao ny Baiboly ho zava-dehibe ny fiangonana. Boky nohajain’ny raiko fatratra sy novakiny tsy tapaka anefa izy io. Sosotra aho nahita ny taratasin’ny fiangonana izay nahitana ny anaran’ny mpanome sy ny habetsahan’ny vola nomeny. Nisy siosion-dresaka maro koa momba ny pretra naniasia. Tsy Katolika nafana fo intsony aho, teo amin’ny faha-15 taonako. Nanome fotoana be kokoa ho ahy izany mba hanarahana fiofanana ho amin’ny zavakanto.

Fanaovana ny zavakanto ho anton’asa

Tamin’ny 1940, fony aho 21 taona, dia nanambady an’i William Horle, tovolahy iray tia nanao izay sary rehetra nifandray tamin’ny tafika — fiaramanidina, miaramila, basy, sambo — aho. Faly i Bill fa mpanakanto aho, ka nividianany loko fanaovana hoso-doko maromaro aho. Nanomboka nianatra ny teknikan’ireo mpanakanto malaza aho.

Tokony ho roa taona teo ho eo, taorian’ny fampakaram-badinay, dia ny fanaovana miaramila kely vita tamin’ny firamainty no fanalana andron’i Bill. Ho kilalao fotsiny ve no nanaovany an’ireo miaramila kely ireo? Tsy izany velively! Naniry hamokatra tena zavakanto izy. Nampiasa plastika, hazo na platira ny mpanao asa tanana hafa, fa ny firamainty kosa dia nety tsara ho an’i Bill satria efa nahazo fiofanana tamin’ny fampiasana milina izy.

Nanao sary sy nanamboatra lasitra izy ary avy eo dia nametraka ny firamainty tao anaty lasitra. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tena nahay izy teo amin’ny fanakambanana ireo zavatra vita lasitra, faninginana, fikikisana, ary fandambolamboana. Novany ho lasitra vita tamin’ny fangaron-javatra fanaovana nify ilay lasitra platira, tatỳ aoriana. Namela azy hanao asa tamin’ny an-tsipiriany madinika kokoa izany. Rehefa vitany ny tapaka metaly mafy tsirairay, dia anjarako ny namita azy io. Tamin’ny alalan’ny fikarohana feno nataonay, dia nahita ny mombamomba ny fanamia-miaramila nampiasaina taloha izahay, anisan’izany ny bokotra, ny tadikely, ny girady ary ny loko.

Noho ny fanampian’ny fanalehibeazana, dia nanisy menaka sy loko niraikitra tamin’ny metaly aho. Izany dia nahatonga ny sarivongana nataonay ho toy ny misy aina. Avy tao amin’ny lakaly kelinay tany Philadelphie, any Pennsylvanie no nanaovanay ny Indianina any Amerika, ny miaramila tamin’ny ady an-trano tany Amerika, ny Tafika An-dranomasina Amerikanina, ny soavalin’i Napoléon sy ny mpitaingina azy, ny miaramila ejipsianina, ny miaramila alzerianina ary ny hafa.

Avy eo dia nahazo fanasana avy tamin’ny Tafika An-dranomasina amerikanina i Bill mba hampiseho tamin’ny alalan’ny sarivongana ilay andia-miaramila mitaingin-tsoavaly voalohany avy tamin’ny tafika an-dranomasina tany Pékin (Beijing ankehitriny), any Chine, talohan’ny 1939. Nanao fiezahana tsy an-kijanona tamin’io izahay, ary tamin’ny 1954, dia nasehonay tao amin’ny Ivon-toerana Smithsonian, any Washington, D.C., izy io. Taona vitsivitsy taorian’izay, dia nangataka ny hamindrana azy io tao amin’ny Maison-Blanche ny prezidà Lyndon Johnson. Mazava ho azy, fa nanaiky izany izahay.

Tsy nivarotra na oviana na oviana ny sarivongana nataonay izahay, nefa an-jatony maro no nataon’i Bill fanomezana. Nasiana firesahana tsara tao amin’ny boky maro momba ny sarivongana miaramila izahay. Tamin’ny 1965, dia naseho tany amin’ny Foara Iraisam-pirenena, tany Flushing Meadow, any Queens, any New York, ny asanay. Nangataka ireo sarivongana nataonay ireo tranombakoka. I Bruce Catton, mpahay tantara momba ny Ady An-trano tany Amerika, dia nampiasa maromaro tamin’ny sarivongana nataonay tao amin’ny bokiny.

Nitombo ny fanontaniana momba ny fiainana

Tokony ho tamin’ny faha-40 taonako anefa, dia nanomboka niova ny toe-javatra nisy ahy. Nanomboka nanontany tena ny amin’Andriamanitra aho. Indray Krismasy, dia nisy ankizy katolika dimy maty tamin’ny hain-trano iray, raha mbola tany am-piangonana ny ray aman-dreniny. Nieritreritra aho hoe: ‘Nahoana no avelan’Andriamanitra hitranga amin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany izany?’ Nahita boky iray nitantara tamin’ny an-tsipiriany ny habibiana tamin’ny Fandripahana Tambabe ny Jiosy aho. Izany sy ny fisehoan-javatra nahatsiravina hafa dia nanosika ahy hanontany hoe: ‘Aiza Andriamanitra? Tsy manao izay tokony hataony izy!’

Noho ny ohatra tany am-boalohany navelan’ny raiko, dia tsapako fa tsy maintsy ao amin’ny Baiboly ny valiny. Koa nandeha tany amin’ny trano fonenan’ny pretra katolika teo akaikinay, tany Philadelphie, aho, ka nifanao fotoana tamin’ny pretra iray mba hiresaka momba ny Baiboly. Niandry aho ka niandry, fa tsy nipoitra izy. Isan-kerinandro tao anatin’ny iray volana aho, dia nandeha tany amin’ilay fonenan’ny pretra foana, nefa tsy nifampiresaka akory tamin’ilay pretra na dia indray mandeha monja aza.

Indray takariva, tao anatin’ny famoizam-po, dia niandrandra ny lanitra aho sady nivavaka hoe: “Tsy fantatro hoe iza ianao. Tsy fantatro izay fivavahana misy anao, nefa fantatro fa any ianao. Mba ampahafantaro ny aminao aho!” Fotoana fohy taorian’izany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga teo am-baravarako.

Tsindraindray aho, dia nahita Vavolombelona nanajanona ny fiarany sy nivoaka avy tao, ary nandeha teny amin’ny varavarana samy hafa. Na dia tsy nahafantatra na inona na inona momba azy ireo sy ny antony nitsidihany aza aho, dia nanitikitika ny saiko ny asany.

Tamin’io andro io, tamin’ny 1961, rehefa nitsidika ireo Vavolombelona, dia ketraka aho satria mbola tsy nahita mangirana tamin’ny fitadiavako an’Andriamanitra. Rehefa nikosoka ny varavarambe anoloana aho, dia nisy vehivavy efa zokinjokiny natao hoe Marge Brion niakatra teo amin’ny fidirana mitafo ary niarahaba ahy. Tsy noraharahaiko akory ny fahatongavany teo. Rehefa niresaka momba ny tany hovana ho paradisa tsara tarehy anefa izy, dia nohenoiko tamim-pitandremana ny teny rehetra nolazainy. Tamin’ny farany dia nanontany izy hoe: “Mihaino ahy ve ianao?”

Naveriko ny zavatra rehetra nolazainy, anisan’izany ny andinin-tenin’ny Baiboly notononiny tao amin’ny Isaia 55:11. Avy eo dia nitodika aho, ka namihina ny sandriny, ary nilaza hoe: “Mandrosoa!” Izy no nanome ahy ny Baiboliko voalohany sy ilay boky fianarana ny Baiboly hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray. Vonona ny hanao resadresaka ara-baiboly tsy tapaka tamiko koa izy, dia ilay fianarana izay nantenaiko fa homen’ny Fiangonana Katolika ahy.

Nanao fandrosoana haingana aho teo amin’ny fianarako ny Baiboly satria nianatra indroa isan-kerinandro izahay. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nazava fa nahita ny fahamarinana aho. Tena nampihetsi-po ahy ny nahafantatra hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18). Mba alao sary an-tsaina ange izao e: Io ilay Andriamanitra niriko ho fantatra hatramin’ny fahazazako! Fantatro koa fa i Jesosy Kristy, Zanany, dia tsy anisan’ny Andriamanitra tokana olona telo izay mifono zava-miafina. (Jaona 14:28). Tsy ela aho dia nanatrika ny fivoriana kristianina nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary naniry ho tonga mpitory manontolo andro ny hafatra ao amin’ny Baiboly.

Fanaovana safidy lehibe

Fitsapana goavana no natrehiko tamin’izay. Horavako ve ilay ekipana mpanakanton’i William sy i Dorothy Horle? Ahoana no ahafahako manompo an’ilay Andriamanitry ny fiadanana sy ny Zanany, ilay Andrian’ny Fiadanana, no sady hankalaza ny ady ao amin’ny zavakanto? (Isaia 9:5). Tsy nampanantena ve i Jehovah fa ‘hampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany’ izy? (Salamo 46:9). Koa nahoana no mampaharitra ny zavatra izay hofaranan’Andriamanitra? Ary tsy naminany ve i Isaia fa “hanefy ny sabany ho fangady” sy tsy hianatra ady intsony ny vahoakan’Andriamanitra? (Isaia 2:4). Nieritreritra aho ary nivavaka naharitra sy mafy. “Tsy afaka ny handoko an’ireo intsony aho!” Izany no fanapahan-kevitro. Tamin’ny 25 Aprily 1964, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny batisa anaty rano aho.

Matetika i Bill no nilaza fa nalahelo izy nieritreritra fa tsy maintsy ho faty isika indray andro any. Fony aho nanomboka nianatra ny Baiboly, dia nilaza taminy hoe: “Bill a!, afaka ny hiaina mandrakizay ange isika ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra e!” (Isaia 25:8; Apokalypsy 21:4, 5). Noheveriny ho adala aho. Nanjary tezitra sy nandrahona ny handao ahy izy, rehefa nohazavaiko ny antony tsy nananako fieritreretana tsara intsony tamin’ny fandokoana sarivongana miaramila. Tatỳ aoriana dia lasa izy.

Nanao samirery sarivongana miaramila i Bill, nandritra ny taona maro. Tsy nifindra toerana lavitra anefa izy, ary nanohana anay sy i Craig, zanakay lahy, izay teraka tamin’ny 1942. Tamin’ny 1988, dia niverina i Bill, ary niara-nipetraka nandritra ny folo taona izahay mandra-pahafatiny.

Tetsy an-danin’izany, tamin’ny 1966, dia notanterahiko ny tanjoko ho tonga mpisava lalana. Nanomboka tamin’izay, dia tsy nitodika ny lasa na oviana na oviana aho. Nanana tombontsoa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny zokiko vavy aho. Nanaiky ny fampianaran’ny Baiboly izy, ary mbola Vavolombelona marisika hatramin’izao. Nihaino ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny raiko, ary tao anatin’ny tapa-bolana dia nanomboka nanatrika ny fivoriana kristianina tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Natao batisa izy teo amin’ny faha-75 taonany, ary nahatoky hatrany teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny fahafatesany teo amin’ny faha-81 taonany. Nanaiky an’i Jehovah ho Andriamaniny koa ny reniko, na dia maty talohan’ny nanolorany tena aza izy. Efa ho 94 taona izy tamin’izay.

Nahazo fitahiana be dia be avy tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fiadanana, aho, nandritra ireo taona maro. Iraika amby valopolo taona aho izao, ary mbola mpisava lalana, na dia tsy afa-mamindra firy intsony aza. Mitovy amin’izay tsapan’ny apostoly Paoly, izay nanoratra toy izao, no tsapako: “Misaotra an’i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana”. (1 Timoty 1:12). Tena fanompoana be voninahitra mihitsy izany! Maro tamin’ireo niara-nianatra ny Baiboly tamiko no nanao sorona ny tenany mba hanompoana an’ilay Andriamanitsika be famindram-po.

Tena malahelo aho fa tsy ny mpianakaviko rehetra no nandray ny fahamarinana ara-baiboly. Angamba ho maro kokoa izy ireo no handray, rehefa mandeha ny fotoana. Fa raha ny amiko, dia marina ny tenin’i Jesosy hoe “handray zato heny amin’izao ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka” ny mpianany. (Marka 10:30). Nampanankarena ahy tokoa i Jehovah. Tena voninahitra sy fifaliana mihitsy ny manakalo ny laza sy ny ady, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiadanana!

[Sary, pejy 22]

Niaraka tamin’ny Jeneraly L. C. Shepherd, Jr., tamin’ny 1954

[Sary nahazoan-dalana]

Defense Dept. photo (Marine Corps)

[Sary, pejy 23]

(Tena habeny)

[Sary, pejy 24]

Mpisava lalana efa hatramin’ny 30 taona mahery aho, eo amin’ny faha-81 taonako

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara