Mamera Tanjona eo Am-piatrehana ny Fiharatsian’ny Fahasalamana
AO AMIN’NY trano iray eo akaikin’ny seranam-piaramanidina LaGuardia, any New York, no mipetraka i William (Bill) Meiners sy i Rose, vadiny. Tao no nandraisan’i Rose, vehivavy tsara fanahy sy mahalala fomba izay 75 taona eo ho eo, ny vahininy tamim-pifaliana. Rehefa ao anatin’ilay trano ny mpitsidika iray, dia tsy afaka ny tsy hahatsikaritra hoe mahafinaritra ny efitra fandraisam-bahiny sady ahitana taratry ny toe-tsaina falifaly ananan’i Rose. Mahatonga ny tena hahatsapa fifaliana sy fankafizana ny fiainana ny fahitana ny voninkazo voamboatra amin’ny fomba manintona eo am-pidirana, sy ireo sary hoso-doko marevaka eo amin’ny rindrina.
Eo akaikin’ny efitra fandraisam-bahiny, dia misy efitra azon’andro izay ahitana an’i Bill, 77 taona, eo am-pandriana, ary tohanan’ny kidoro azo ahitsy ny lamosiny. Rehefa nahita ny vahininy izy, dia namirapiratra ny masony ary nitsiky be izy. Te hitsangana sy handray tanana ary hamihina izy, nefa tsy afaka. Ankoatra ny tanany havia, dia malemy manomboka eo amin’ny tendany no ho midina i Bill.
Koa satria tsy salama efa hatramin’ny faha-26 taonany i Bill, dia nanontaniana ny amin’izay nanampy azy hiatrika ny aretiny, efa hatramin’ny antsasa-taonjato mahery izay. Mifampijery i Bill sy i Rose toy ny hoe nisy zavatra nampihomehy. “Tsy misy marary ato aminay!”, hoy i Rose, rehefa nameno ilay efitra ny hehiny avy amin’ny fo. Hita teo amin’ny mason’i Bill fa finaritra izy; nihomehy kely sy nanetsika ny lohany izy ho mariky ny fanekena. “Tsy misy marary eto”, hoy izy niteny niakanakana tamin’ny fanaovana feo an-tenda. Mifanao vazivazy i Rose sy i Bill, ary tsy ela dia feno fihomehezana ilay trano. Mazava fa tena mbola tao ihany ilay fifankatiavan’i Bill sy i Rose, fony izy ireo nihaona tamin’ny Septambra 1945. Nanontaniana toy izao ihany i Bill: “Ta hahalala marina izahay kah! Nanao ahoana ny fizotran’ny fiharatsian’ny fahasalamanao? Ary inona no nanampy anao hiatrika izany sy hahita fifaliana hatrany eo amin’ny fiainana?” Taorian’ny fampirisihana tamin-katsaram-panahy vitsivitsy azony, dia nanaiky hilaza ny tantarany i Bill. Toy izao manaraka izao ny tapany avy tamin’ny resadresaka maromaro nifanaovan’ny Mifohaza! tamin’i Bill sy ny vadiny.
Nanomboka ny aretina
Tamin’ny Oktobra 1949 — telo taona taorian’ny nanambadiany an’i Rose sy telo volana taorian’ny nahaterahan’i Vicki, zanany vavy — dia nilazana izy fa nisy fivontosana miteraka kansera tao amin’ny iray tamin’ny hoza-peony, ary nesorina ilay fivontosana. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nilaza taminy ny dokoterany fa niharatsy indray ny fahasalamany — nahatratra ny lohatraoka manontolo ilay kansera. “Nilazana aho fa raha tsy hesorina amin’ny alalan’ny fandidiana ny lohatraokako manontolo, dia ho roa taona monja sisa no hahavelomako.”
Nolazaina tamin’i Bill sy i Rose izay ho vokatr’io fandidiana io. Ny lohatraoka dia manomboka avy eo amin’ny foto-tenda ka hatreo amin’ny vavatraokabe. Ahitana hoza-peo roa ao anatin’ny lohatraoka. Rehefa mandalo eo amin’ireo hozatra ireo ny rivotra avy ao amin’ny havokavoka, dia mihovotrovotra izy ireo ary mamoaka feo hahafahana hiteny. Rehefa esorina ny lohatraoka, dia ampifampitohizina amin’ny lavaka iray maharitra, natao teo amin’ny tenda ny tendron’ny traokabe. Aorian’ilay fandidiana, dia mifoka rivotra amin’ny alalan’io lavaka io ilay marary — nefa tsy manam-peo intsony izy.
“Tezitra aho rehefa nandre io fanazavana io”, hoy i Bill. “Nanan-janaka vavy kely izahay, nanana asa tsara aho, nanantena zavatra tsara betsaka izahay teo amin’ny fiainana, ary izao dia nafoy avokoa ny zavatra rehetra nantenaiko.” Koa satria anefa ho afaka hamonjy ny ainy ny fanesorana ny lohatraokany, dia nanaiky hodidiana ihany i Bill. “Taorian’ilay fandidiana”, hoy i Bill, “dia tsy afaka nitelina aho. Tsy afaka nanonona teny iray akory aho. Moana aho.” Rehefa nitsidika an’i Bill i Rose, dia tamin’ny alalan’ny fanoratana fotsiny no hany nahafahany nifampiresaka. Fotoana nampahory izany. Mba hiatrehana io fiharatsian’ny fahasalamana io, dia voatery nametra tanjona vaovao izy ireo.
Sady tsy afa-niteny no tsy an’asa
Tsy vitan’ny hoe lasa moana fotsiny i Bill, vokatr’ilay fandidiana, fa lasa tsy an’asa koa. Niasa tao amin’ny toerana fanamboarana milina izy. Izao anefa dia amin’ny alalan’ilay lavaka eo amin’ny tendany ihany no ahafahany mifoka rivotra, koa mety hanimba ny havokavony àry ny vovoka sy ny setroka. Nila nitady asa hafa izy. Na dia tsy afaka niteny aza izy, dia niditra tao amin’ny sekoly iray mba hianatra hanamboatra famantaranandro. “Nitovy tamin’ilay asako taloha ilay izy”, hoy i Bill. “Haiko ny manambatra ny kojakoja amin’ny milina, ary rehefa manao famantaranandro, dia manambatambatra koa no ataonao. Ny hany tsy nitoviany dia tsy nilanja 25 kilao ireo kojakoja atambatra!” Vao vita mihitsy ilay fianarana, dia nahita asan’ny mpanao famantaranandro izy. Tratra ny tanjona iray.
Nandritra izany fotoana izany, dia nanomboka nanatrika sekoly fianarana miteny amin’ny alalan’ny lalankanina i Bill. Ny fitenenana amin’ny alalan’ny lalankanina, dia ny famoahana feo, tsy amin’ny alalan’ny hoza-peo, fa amin’ny alalan’ny fihovotrovotry ny lalankanina, izay mitondra sakafo avy eo amin’ny tenda mankamin’ny vavony. Voalohany, dia mianatra mitelin-drivotra sy manery azy io hidina ao amin’ny lalankanina ianao. Avy eo, dia avoaka amin’ny fomba voafehy ilay rivotra. Rehefa mivoaka ny rivotra, dia mahatonga ny lalankanina hihovotrovotra izany. Izany dia mahatonga feo an-tenda, izay azon’ny vava sy ny molotra tononina mba ho lasa teny.
“Teo aloha, dia rehefa nihinana be loatra ihany aho vao mandrezatra”, hoy i Bill sady nitsiky, “nefa izao dia tsy maintsy nianatra ny mandrezatra mitohy hatrany aho.” Tamin’ny voalohany, dia teny iray monja toy izao isaky ny mandeha no voateniko: ‘[Mifoka rivotra, mitelina, mandrezatra] Manao [mifoka rivotra, mitelina, mandrezatra] ahoana [mifoka rivotra, mitelina, mandrezatra] ianao?’ Tsy mora izany. Avy eo, ny mpampianatra ahy dia nilaza tamiko mba hisotro karazana labiera nolaroana sakamalao, satria nanampy ahy handrezatra ny gaza. Koa isaky ny mandeha mitsangantsangana miaraka amin’i Vicki i Rose, dia nisotro sy nandrezatra, nisotro sy nandrezatra aho. Nanao fiezahana mafy tamin’io aho!”
Na dia tsy nahafolaka tsara ny fitenenana amin’ny lalankanina aza ny 60 isan-jaton’ny marary rehetra nodidiana lohatraoka, dia nahavita izany kosa i Bill. Nanosika azy tsy nahy hahavita izany i Vicki, izay efa ho roa taona tamin’izay. Nanazava toy izao i Bill: “Niresaka tamiko i Vicki ary avy eo nijery tany amiko, niandry valin-teny. Tsy afaka nanonona teny iray hamaliana azy anefa aho. Niteny ihany izy, nefa tsy nahazo valiny indray. Sorena i Vicki, ka nitodika tany amin’ny vadiko, ary nilaza hoe: ‘Asaivo miresaka amiko i Dada!’ Nanindrona ahy ny teniny, ka nahatonga ahy ho tapa-kevitra ny hiteny indray.” Faly erỳ i Vicki sy i Rose ary ny hafa, satria nahavita nanao izany i Bill. Nisy tanjona iray fanampiny indray tratra.
Voan’ny famelezana hafa iray
Tamin’ny faran’ny 1951, dia niatrika olana saro-bahana vaovao iray i Bill sy i Rose. Natahotra ny hiverenan’ilay kansera ny dokotera, ka nanoro hevitra an’i Bill mba hanao fitsaboana amin’ny alalan’ny taratra. Nanaiky i Bill. Rehefa tapitra ilay fitsaboana dia tsy andriny erỳ ny hanohy indray ny fiainany. Tsy azony an-tsaina mihitsy fa misy famelezana hafa iray ny fahasalamany efa manangasanga sahady!
Indray andro, tokony ho herintaona tatỳ aoriana, dia donto ny rantsantanan’i Bill. Avy eo, dia tsy afa-niakatra ny tohatra izy. Tsy ela taorian’izay, dia nianjera teo am-pandehanana izy ka tsy tafatsangana. Nahariharin’ny fitiliana natao fa nanimba ny tsokan-damosin’i Bill ilay fitsaboana tamin’ny alalan’ny taratra (fitsaboana izay tsy dia azo antoka loatra toy ny amin’ny andro ankehitriny). Nilazana izy fa hiharatsy ny toe-pahasalamany. Nisy dokotera nilaza mihitsy aza fa “tsy misy” fanantenana mihitsy ny hahavelomany. Ketraka izaitsizy i Bill sy i Rose.
Na izany aza, mba hiatrehana io fiharatsian’ny fahasalamana io, dia nampidirina hopitaly nandritra ny enim-bolana i Bill mba hanaraka fitsaboana manokana. Na dia tsy nanova ny toe-pahasalamany ara-batana aza ilay fitsaboana, dia tena nanova ny fiainany kosa ny fijanonany tao amin’ilay hopitaly — fiovana izay nitarika azy hahafantatra an’i Jehovah, tamin’ny farany. Ahoana no nitrangan’izany?
Nohatanjahin’ny fahatakarana ny anton’ny fiharatsian’ny fahasalamana
Nandritra ireo enim-bolana ireo, dia niray efitra tamin’ny lehilahy nalemy 19, izay ortodoksa jiosy, i Bill, tao amin’ny hopitaly jiosy iray. Niresaka momba ny Baiboly ireo lehilahy ireo isaky ny tolakandro. Nihaino fotsiny i Bill, mpiangona batista. Tamin’ny fotoana nivoahany ny hopitaly anefa, dia ampy izay reny mba hanatsoahany hevitra fa iray ihany ny Andriamanitra Tsitoha ary mifanohitra amin’ny Baiboly ny foto-pampianarana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray. Vokatr’izany, dia tsy niverina tany am-piangonany intsony i Bill. Na izany aza, dia nahatsapa ny ilana tari-dalana ara-panahy izy mba hiatrehany ny fiharatsian’ny fahasalamany. “Tsy nitsahatra nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra aho”, hoy i Bill, “ary novaliana ny vavaka nataoko.”
Indray asabotsy, tamin’ny 1953, dia nitsidika an’i Bill i Roy Douglas, lehilahy zokiolona iray niara-nonina taminy taloha, ary nandre ny fahavoazany. Nangataka an’i Bill mba hiara-mianatra Baiboly taminy i Roy izay Vavolombelon’i Jehovah, ary nanaiky i Bill. Nahagaga azy izay novakiny tao amin’ny Baiboly sy tao amin’ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”.a Nolazainy tamin’i Rose izay nianarany, ary nianatra koa izy. Hoy no tsaroan’i Rose: “Tany am-piangonanay dia nilazana izahay fa sazy avy amin’Andriamanitra ny aretina, nefa nasehon’ny fianaranay ny Baiboly fa tsy marina izany. Maivamaivana aoka izany izahay.” Hoy koa i Bill: “Nanampy anay hanaiky ny toe-javatra misy ahy ny fahafantarana avy tao amin’ny Baiboly ny antony mahatonga ny aretina rehetra, anisan’izany ny mahazo ahy, sy ny fahafantarana fa hisy hoavy tsara kokoa.” Tamin’ny 1954, dia nahatratra tanjona iray hafa koa i Bill sy i Rose. Samy natao batisa mba ho Vavolombelon’i Jehovah izy ireo.
Fanaovana fanitsiana bebe kokoa
Teo anelanelan’izany, dia nihanalemy i Bill, hany ka tsy afaka nihazona ny asany intsony izy. Mba hahitana vola ampy hivelomana, dia nampifamadika ny anjara asany i Bill sy i Rose: Nijanona tao an-trano niaraka tamin’i Vicki i Bill, ary nanomboka niasa tao amin’ilay orinasa mpanao famantaranandro i Rose — asa nataony nandritra ny 35 taona!
“Nitondra fifaliana be ho ahy ny fikarakarana ny zanakay vavy”, hoy i Bill. “Tia izany koa i Vicki kely. Nirehareha erỳ izy niteny tamin’ny olona rehetra hitany hoe: ‘Izaho no mikarakara an’i Dada!’ Tatỳ aoriana, rehefa nianatra tany an-tsekoly izy, dia nanampy azy hanao ny entimodiny aho, ary matetika izahay no niara-nilalao. Fanampin’izany, dia nanana fahafahana tsara dia tsara hampianarana azy ny Baiboly aho.”
Loharanom-pifaliana iray hafa ho an-dry Bill mianakavy ny fanatrehana fivoriana kristianina any amin’ny Efitrano Fanjakana. Nila adiny iray izy avy tany an-tranony ho any amin’ny Efitrano Fanjakana, noho izy nikotringa, nefa mbola tsy nanapaka fivoriana mihitsy izy. Tatỳ aoriana, rehefa nifindra tao amin’ny faritra hafa tao amin’ilay tanàna, dia nividy fiara kely iray izy mivady, ary i Rose no nitondra ny fianakaviana ho any amin’ny efitrano. Na dia fotoana fohy ihany aza no ahafahan’i Bill miteny, dia nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika izy. Hoy ny fanazavan’i Bill: “Nosoratako ny lahateniko, ary rahalahy iray hafa no nanao azy io. Aorian’ilay lahateny, dia nanoro hevitra ahy ny mpiandraikitra ny sekoly.”
Nisy olona samy hafa tao amin’ny kongregasiona koa nanampy an’i Bill mba handray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana. Ary tsy nahagaga an’ireo nandinika ny fandavan-tenany, fa voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana tao amin’ilay kongregasiona i Bill, tatỳ aoriana. Avy eo, rehefa tsy afa-namindra intsony ny tongony, ary vao mainka nihanalemy kokoa izy, dia nanjary tsy afa-nivoaka ny trano izy ka voatana teo am-pandriana tamin’ny farany. Afaka niatrika io fiharatsian’ny fahasalamana io ve izy?
Fialam-boly nahafa-po iray
“Koa satria ato an-trano foana aho tontolo andro, dia nitady fialam-boly aho”, hoy i Bill. “Tia naka sary aho talohan’ny nampahalemy ahy. Koa nieritreritra ny hanandrana hanao hoso-doko aho, na dia mbola tsy nanao izany mihitsy aza hatrizay niainako. Afa-tsy izany koa, dia olona kavanana aho, nefa nalemy ny tanako ankavanana manontolo sy ny roa amin’ireo rantsantanako ankavia. Na izany aza, dia nividy boky betsaka momba ny teknika fanaovana hoso-doko i Rose. Nianatra azy ireo aho ary nanomboka nanao hoso-doko tamin’ny tanako ankavia. Nodorako ny ankamaroan’ny hoso-doko nataoko, nefa tamin’ny farany, dia nanomboka niana-javatra aho.”
Ireo sary hoso-doko tsara dia tsara, nampiasana loko rano, izay mandravaka ny tranon’i Bill sy i Rose dia mampiseho fa nahomby tsy araka ny nanampoizany azy i Bill. “Tokony ho dimy taona lasa izay”, hoy ny nanampin’i Bill, “dia nanomboka nangovitra be ny tanako havia, ka voatery nijanona tsy nanao hoso-doko intsony aho, nefa nanome ahy fahafaham-po be nandritra ny taona maro io asa io.”
Mbola misy tanjona
Mitantara toy izao i Bill: “Dimampolo taona mahery izay no lasa hatramin’ny nanombohan’ny aretiko. Mbola mampahery ahy foana ny famakiana Baiboly, indrindra fa rehefa mamaky ny Salamo sy ny bokin’i Joba aho. Ankafiziko ny famakiana ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahazo fampaherezana be dia be koa aho rehefa misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona sy mpiandraikitra mpitety faritany tonga mitsidika sy milaza fitantarana nampahery. Fanampin’izany, dia afaka mihaino ireo fivoriana aho satria afaka mifandray an-telefaonina amin’ny Efitrano Fanjakana, ary mahazo kasety video misy ny fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika mihitsy aza aho.
“Velom-pankasitrahana aho manana vady be fitiavana. Namako akaiky nandritra ireo taona rehetra izy. Afa-tsy izany koa, dia mbola loharanom-pifaliana be ho ahy foana ny zanakay vavy, izay manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fianakaviany izao. Misaotra an’i Jehovah indrindra aho noho ny nanampiany ahy hitoetra ho eo akaikiny foana. Ankehitriny, rehefa mihamihena ny herim-batako sy ny feoko, dia matetika aho no mieritreritra ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny.’ (2 Korintiana 4:16). Eny, ny hitoetra ho mifoha ara-panahy foana, raha mbola velona koa aho — izany no mbola tanjoko hatrany.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah; tsy atao pirinty intsony.
[Teny notsongaina, pejy 12]
“Taorian’ilay fandidiana, dia tsy afaka nitelina aho. Tsy afaka nanonona teny iray akory aho. Moana aho”
[Sary, pejy 13]
Bill sy Rose, amin’izao fotoana izao