FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/6 p. 21-23
  • Fifandraisana An-tariby—Ahoana No Fiasany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fifandraisana An-tariby—Ahoana No Fiasany?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Amin’ny alalan’ny tamba-jotran-telefaonina
  • Kabla mamakivaky ny ranomasimbe
  • Mampifandray toerana mifanalavitra be ny kabla tsy hita maso
  • Ahoana no ahafantaranao?
  • Mety Hahitam-bokatra ny Fitoriana An-telefaonina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Ahoana no Hanombohana Fampianarana Baiboly eo Am-baravarana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Nahoana no Tena Ratsy ny Miresaka Firaisana An-telefaonina?
    Mifohaza!—2004
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/6 p. 21-23

Fifandraisana An-tariby—Ahoana No Fiasany?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY JAPON

EFA hitovy amin’ny isan’ny mponina ny isan’ny telefaonina eto Japon, ary antso an-tariby 300 tapitrisa mahery no atao isan’andro. Mandray antso an-tariby iray tapitrisa eo ho eo koa avy any ivelany ny Japoney isan’andro, ary mitovitovy amin’izany ihany ny isan’ny antso an-tariby ataon’izy ireo mankany an-tany hafa.

Azo inoana fa mampiasa telefaonina koa ianao tsindraindray, na telefaonina tsotra izany na ilay fitondra mandeha. Mihamaoderina hatrany izao tontolo izao, hany ka olona maro no nanjary zatra miantso an-telefaonina olona mipetraka any amin’ny kontinanta hafa. Kanefa, efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana no anaovana ny fampifandraisana ny telefaoninao amin’ny an’ilay olona antsoinao?

Amin’ny alalan’ny tamba-jotran-telefaonina

Voalohany indrindra, dia tsy maintsy mifandray amin’ny tamba-jotran-telefaonina iray ny telefaoninao. Raha manaraka ilay tariby atsofoka ao anatin’ny telefaonina tsotra ianao, dia hoentin’izy io any amin’ny pirizy iray na ho any amin’ny boaty iray, mifandray amin’ireo taribin-telefaonina hafa ao an-tranonao.a Raha mbola manaraka ilay tariby ihany ianao, dia ho hitanao fa mifandray amin’ny kabla eo amin’ny andrin-telefaonina na any ambanin’ny tany io tariby io. Mankany amin’ny milina fampifandraisana ao amin’ny biraon’ny fifandraisan-davitra eo an-toerana ilay kabla. Io milina fampifandraisana io indray kosa dia mifandray amin’ny milina lehibe kokoa, ka mahaforona tamba-jotran-telefaonina iray. Koa rehefa miantso an-tariby ny namana iray tanàna aminao àry ianao, dia misy zotram-peo miforona eo anelanelan’ny telefaoninao sy ny an’ilay namanao amin’ny alalan’ny tamba-jotra iray.

Inona kosa no mitranga raha telefaonina fitondra mandeha no ampiasaina? Ahoana no anaovana ny fampifandraisana azy ireo? Eto koa, dia mitovitovy amin’ny telefaonina tsotra ny fomba fiasany. Ny “tariby” tsy hita maso, izany hoe ny onjam-peon’ny radio, no mampifandray ny telefaoninao fitondra mandeha amin’ny birao eo akaikinao izay misy milina fampifandraisana ireo telefaonina azo entina mandeha. Mifandray amin’ny tamba-jotran-telefaonina iray koa io birao io. Ahoana anefa no ahafahanao miresaka amin’ny olona any amin’ny kontinanta hafa?

Kabla mamakivaky ny ranomasimbe

Tetik’asa goavana ny fampifandraisana amin’ny alalan’ny kabla ny kontinanta roa sarahin’ny ranomasimbe. Izany dia mitaky ny fametrahana ao anaty rano, kabla mahatratra an’arivony kilaometatra maro ary mamakivaky hantsana sy tendrombohitra ambany ranomasina. Toy izay anefa no niandohan’ny fampifandraisana kontinanta tamin’ny alalan’ny telefaonina. Vita tamin’ny 1956 ny kablan’ny telefaonina voalohany indrindra namakivaky ny Oseana Atlantika.b Nampifandray an’i Ekosy tamin’i Terre-Neuve ary nitondra zotran-telefaonina 36 izy io. Tamin’ny 1964, no napetraka teto anelanelan’i Japon sy i Hawaii ny kabla voalohany namakivaky ny Oseana Pasifika. Nitondra zotran-telefaonina 128 io kabla io. Taorian’izany, dia kabla maromaro hafa nampifandray kontinanta sy nosy no napetraka tany ambany ranomasina.

Karazana kabla telefaonina inona avy no apetraka any amin’ny fanambanin’ny ranomasina? Kabla misy tariby varahina ao amin’ny afovoany ary hodidinina alminiôma na varahina manify no nampiasaina matetika tany am-boalohany. Tamin’ny 1976 no napetraka ny faramparany tamin’ireo karazana kabla ireo. Afaka mitondra zotram-peo hatramin’ny 4 200 izy io. Nandritra ireo taona 1980 anefa, dia nanjary nisy ny kabla vita amin’ny fitaratra na plastika mampita hazavana. Napetraka tamin’ny 1988 ny voalohany tamin’io karazana kabla mampifandray kontinanta roa io. Afaka nampita indray niaraka fifampiresahana an-telefaonina 40 000 tamin’ny alalan’ny teknolojia mampiasa tsela-pahazavana mitsitapitapy izy io. Hatramin’izay, dia nampitomboina ny habetsahan’ny fifampiresahana azon’ireo kabla ampitaina. Afaka mitondra zotran-telefaonina 200 tapitrisa ny kabla sasany mamakivaky ny Oseana Atlantika!

Ahoana no fametraka ireo kablan’ny fifandraisan-davitra ao ambany ranomasina? Raha ny marina, izy ireo dia tena apetraka eo amin’ny fanambanin’ny ranomasina sy mizotra manaraka azy io. Any akaikin’ny morontsiraka, dia atao ao anatin’ny fono mafy ilay kabla, ary apetraka ao anatin’ny tatatra lavahan’ny fiara baikoina avy lavitra. Miaro ilay kabla tsy ho simban’ny vatofantsika na harato, ilay fono. Rehefa miantso an-tariby ny namanao any amin’ny kontinanta hafa àry ianao, dia mety ho ny iray amin’ireo kabla ireo no hitondra ny feonao hamakivaky ny ranomasina lalina.

Mampifandray toerana mifanalavitra be ny kabla tsy hita maso

Tsy ny kabla ao anaty rano akory no hany fomba fampifandraisana kontinanta sy nosy. Fampiasa koa ilay “tariby” tsy hita maso, dia ny onjam-peon’ny radio. Mampifandray firenena mifanalavi-toerana io karazana onjam-peo somary fohy io. Noho ilay onjam-peo manaraka zotra mahitsy tsy misy hafa amin’ny fizotran’ny tara-pahazavana manify, dia tsy afaka mampifandray toerana roa izy io, raha misy zavatra manakana eo anelanelany. Koa tsy azo atao àry ny mifandray mivantana amin’ny toerana iray any ambadiky ny gilaoby, satria kiboribory ny tany. Zanabolana no tsy maintsy ampiasaina mba hampifandraisana ny toerana mifanalavitra be toy ireny.

Raha alefa any amin’ny 35 800 kilaometatra any ambonin’ny ekoatera ny zanabolana iray, dia maharitra 24 ora eo ho eo ny fihodinany manodidina ny tany, izany hoe mitovy amin’ny faharetan’ny fihodin’ny tany amin’ny tenany ihany. Toa tsy mihetsika ilay zanabolana, satria saika mitoetra foana eo ambony faritra iray amin’ny gilaoby izy io. Mahatazana faritra mitovy velarana amin’ny ampahatelon’ny tany izy io, hany ka afaka mifandray amin’ilay zanabolana ireo foibe mpandefa sy mpandray onjam-peo, ao anatin’io faritra amin’ny tany io. Ahoana àry no azo anaovana ny fampifandraisana toerana roa mifanalavitra be amin’ny alalan’ny zanabolana?

Mandefa onjam-peo iray ho amin’ilay zanabolana ny foibe mpandefa ao anatin’ny faritra iasan’ilay zanabolana. Antsoina hoe lalan’onja miakatra izany. Mandray ilay onjam-peo ny karazana radio iray napetaka eo amin’ilay zanabolana, ary ovana kely sy alefa indray ny onjam-peo mba hahafahan’ny foibe hafa eto an-tany handray ilay izy. Antsoina hoe lalan’onja midina izany. Amin’izany fomba izany, ny foibe roa eto an-tany izay tsy afaka mifandray mivantana, dia azo ampifandraisina amin’ny alalan’ny tariby tsy hita maso, ampandalovina eo amin’ny zanabolana iray.

Nalefa tamin’ny 1965 ny zanabolana voalohany nampiasaina tamin’ny fifandraisan-davitra ahazoam-bola, INTELSAT 1, izay fantatra koa tamin’ny hoe Voron’ny Maraina. Zanabolana tokony ho 200 no miasa izao mba hampifandraisana toerana samy hafa maneran-tany. Zanabolana toa tsy mihetsika ny ankamaroan’izy ireo. Tsy ampiasaina amin’ny fifandraisan-davitra eo amin’ny firenen-tsamihafa fotsiny ireny zanabolana ireny, fa ampiasaina koa amin’ny fampitana fandaharana ao amin’ny televiziona, sy ny fandinihana ny toetrandro, ary ny zava-kendrena hafa koa. Mitondra radio maro mampita onjam-peo ireo zanabolana ireo, hany ka lalan’onja maromaro no azo ampiasaina. Ohatra, afaka nampita zotran’ny televiziona iray na zotran-telefaonina 240 ilay Voron’ny Maraina. Ny INTELSAT VIII, izay nanomboka niasa tamin’ny 1997, dia afaka mampita indray miaraka fandaharana ao amin’ny televiziona telo sy zotran-telefaonina hatramin’ny 112 500.

Ahoana no ahafantaranao?

Nampihena be ny saran’ny antso an-tariby mankany ivelany ireny fiovana rehetra ireny. Mety ho azonao atao izao ny miresaka matetika kokoa amin’ireo namanao na mpianakavinao any amin’ny kontinanta hafa. Ahoana no ahafantaranao hoe ampifandraisina amin’ny alalan’ny kabla ao ambany ranomasina ve ianao sa amin’ny alalan’ny zanabolana?

Raha ny amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny zanabolana, ny halavan’ny tariby tsy hita maso, ny lalan’onja miakatra sy ny midina, dia mahatratra 70 000 kilaometatra eo ho eo. Efa hitovy amin’ny fihodidinana indroa ny tany izany. Na dia mandeha haingana toy ny tsela-pahazavana aza ireo onjam-peo, dia mila ampahefa-tsegondra eo ho eo mba handehanany avy amin’ny foibe iray eto an-tany mankany amin’ny foibe iray hafa, ampandalovina amin’ny zanabolana iray. Midika izany fa rehefa miteny ianao, ampahefa-tsegondra aorian’izay dia tonga any amin’ilay olona ny feonao, ary marina koa izany, rehefa miresaka aminao ilay olona. Elanelam-potoana antsasa-tsegondra no vokatr’izany. Tsy mahazatra anao ny miandry toy izany eo amin’ny fifampiresahana andavanandro, hany ka mety hanjary hiara-miteny ianao sy ilay olon-kafa. Raha efa nitranga taminao izany, dia mety ho famantarana fa niresaka tamin’ny alalan’ny zanabolana ianao. Rehefa miantso ilay nomerao indray anefa ianao, dia mety tsy ho voamarikao fa misy elanelam-potoana. Izany dia angamba noho ianao mifandray an-tariby amin’ny alalan’ny kabla vita amin’ny fitaratra na plastika mampita hazavana, izay napetraka any ambany ranomasina. Ny tamba-jotran-telefaonina be kojakojany tsy tazan’ny masonao no manao ilay safidy hoe amin’ny fomba ahoana no anaovana ny fampifandraisana anao amin’ny faritra hafa eto an-tany.

Ilaina ny fahaizana sy ny fiezahan’ny olona maro mba hikojakojana ny fitambaran-jotran-telefaonina mahafaoka kabla ambany ranomasina, foibe mpandefa sy mpandray onjam-peo, ary zanabolana. Ireo rehetra ireo no manolotra ho antsika ilay zava-mampiadana, dia ny fifandraisana an-telefaonina. Amin’ny manaraka àry, rehefa miantso an-tariby ny namanao ianao, nahoana raha mba mieritreritra ny zavatra rehetra natao mba hampifandraisana anareo?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Koa satria misy foana ny tosik’aratra ao amin’ireo taribin-telefaonina, ary mihamahery io tosik’aratra io rehefa maneno ny telefaonina, dia mampidi-doza ny mikasika ny ao anatin’ilay boaty ifampitohizan’ny taribin-telefaonina na ireo piesy vita amin’ny metaly mifandray aminy.

b Nahomby ny fametrahana kablan’ny telegrafy namakivaky ny Oseana Atlantika teny anelanelan’i Irlandy sy i Terre-Neuve, tamin’ny 1866.

[Kisary/Sary, pejy 22, 23]

(Jereo ny gazety)

ONJAM-PEON’NY RADIO

Lalan’onja miakatra

Lalan’onja midina

[Kisary/Sary, pejy 22, 23]

(Jereo ny gazety)

KABLA AMBANY RANOMASINA

Telefaonina fitondra mandeha

[Sary, pejy 22]

Afaka mitondra zotran-telefaonina 200 tapitrisa ny kabla maoderina vita amin’ny fitaratra na plastika mampita hazavana

[Sary, pejy 23]

Mikojakoja ny INTELSAT VI ny ekipan’ny sambon-danitra Space Shuttle

[Sary nahazoan-dalana]

NASA photo

[Efajoro, pejy 23]

Sambo no mametraka sy mikojakoja ireo kabla

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy TyCom Ltd.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara