FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/6 p. 28-29
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Kely Lalana ny Mpivarotra Rongony
  • Ampiasao ny Atidohanao
  • “Tsy Manadino ny Namany” ny Elefanta
  • Miova Fivavahana ny Anglisy
  • Ny Fomba Fiainanao sy ny Kansera
  • Fanandevozan’ny Sigara any Meksika
  • Fiatoana Tsy Ahazoana Aina
  • Velona Tsara ny Biby ao Amin’ny Sisin-tany
  • Mahafa-po Ara-panahy Ve?
  • Ivoara — Manao Ahoana ny Vidiny?
    Mifohaza!—1998
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1998
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
    Mifohaza!—1995
  • Sigara — Lavinao ve Izy Io?
    Mifohaza!—1996
Mifohaza!—2001
g01 8/6 p. 28-29

Topy Maso Eran-tany

Tsy Kely Lalana ny Mpivarotra Rongony

Taloha, dia nanafina ny rongoniny tany anaty fiaramanidina sy sambo mpitatitra olona ny Kolombianina mpivarotra rongony an-tsokosoko. Vao haingana anefa, dia gaga ny manam-pahefana nahita fa nanamboatra sambo mpisitrika iray ary fomba ry zareo: Misy rindrina roa mielanelana telo metatra mahery io sambo io, ary omby rongony 200 taonina eo ho eo io elanelana io. Nilaza ny The New York Times fa nisy mponina manodidina efa nahafantapantatra, ka nitarika ny polisy hankany amin’ny “trano iray fanatobiana entana ivelan’i Bogotá. Any amin’ny 2 300 metatra miakatra ny Tendrombohitra Andes no misy azy io, ary 300 kilaometatra avy eo vao misy seranana”. “Nita ranomasimbe angamba io sambo 30 metatra io, ary avy eo nipoitra tao Miami na tanàna amorontsiraka hafa iray, ary nalana an-tsokosoko ny rongony nentiny.” Na dia tsy nisy olona voasambotra aza tao, dia heverina fa misy Rosianina sy Amerikanina mpanao heloka bevava voarohirohy amin’ilay raharaha, anisan’izany ny injeniera iray mpanao sambo mpisitrika. Nilaza ny manam-pahefana fa mety ho nozaraina telo ilay sambo rehefa nentin’ny kamiao be teny amorontsiraka. Talanjona izy ireo nahita fa nampiasa saina mafy mihitsy ireo mpivarotra rongony mba hanondranana ny entany.

Ampiasao ny Atidohanao

“Mety hatsilo tsara mandritra ny fiainantsika manontolo ny atidohantsika, raha ampiasaintsika foana”, hoy ny gazety Masoandron’i Vancouver (anglisy). “Mamakia, mamakia, mamakia teny,” hoy ny Dr. Amir Soas, avy ao amin’ny oniversite iray, any Ohio, any Etazonia. Raha tianao hiasa tsara foana ny atidohanao rehefa mihantitra ianao, dia manaova kilalaon-tsaina na mianara fiteny vahiny na mianara mitendry zavamaneno, na manaova resaka mampisaintsaina. “Rehefa zavatra mahatonga ny atidoha hieritreritra dia mety”, hoy ny Dr. Soas. Lazainy koa fa tokony hahena ny fijerena tele. “Tsy miasa ny atidohanao, rehefa mijery tele ianao”, hoy izy. Mbola milaza koa ny gazety Masoandro fa mila gaza madio avy amin’ny lalan-dra salama koa ny atidoha mba ho salama. Noho izany, dia mahasoa ny atidoha koa ny fanatanjahan-tena sy ny sakafo mahasalama, izay misakana ny aretim-po sy ny diabeta.

“Tsy Manadino ny Namany” ny Elefanta

“Tsy manadino mihitsy ny elefanta. Na fara faharatsiny tsy manadino ny namany izy”, hoy ny gazetiboky Mpahay Siansa Vaovao (anglisy). Nandeha tao amin’ny Valam-pirenen’i Amboseli, atsy Kenya, i Karen McComb, mpiaro biby, miasa ao amin’ny oniversiten’i Sussex, any Grande-Bretagne. Noraisiny feo ny “antso” malefaka nataon’ny elefanta vavy afrikanina tao. Nomarihiny hoe iza avy ny elefanta niaraka matetika ary iza no tsy nifankahalala. Avy eo, dia nampihainoiny ny fianakaviana elefanta 27 ireo antso ireo mba handinihana ny fihetsik’izy ireo. Raha nahafantatra tsara an’ilay mpiantso ilay elefanta, dia namaly ilay antso avy hatrany. Raha fantapantany ilay mpiantso, dia nihaino fotsiny izy fa tsy namaly. Raha tsy fantany mihitsy ilay mpiantso, dia sady taitra izy no tezitra. “Afaka mamantatra fianakaviana elefanta 14 amin’ny feony, izy ireo, fara faharatsiny. Midika izany fa afaka mitadidy elefanta 100 eo ho eo ny elefanta tsirairay”, hoy ilay lahatsoratra. Mahatadidy olombelona koa izy ireo. Nilaza i John Partridge, mpikarakara biby ao amin’ny Toeram-pijerem-bibin’i Bristol, any Grande-Bretagne, fa nahatadidy azy ny elefanta iray nokarakarainy nandritra ny 18 taona, rehefa avy niasa telo taona tany an-toeran-kafa izy ka niverina.

Miova Fivavahana ny Anglisy

Mbola tsy niova fivavahana haingana be toy izao ny Anglisy hatramin’izay, satria 1 000 eo ho eo isan-kerinandro izy ireo no manao izany, hoy Ny Telegrafy Alahady (anglisy). “Ny Anglikanina niova ho Katolika, ny Katolika niova ho Anglikanina, ny Jiosy niova ho Bodista, ny Silamo niova ho Anglikanina, ary ny Katolika niova ho Jiosy.” Ny Silamo sy ny Bodisma ary ny fivavahana “Vanim-potoana Vaovao” no be mpanaraka indrindra. Maro be koa ny tsy manaraka ny fivavahana mahazatra. Izao no nolazain’i Ahmed Andrews, profesora niova fivavahana, ao amin’ny oniversiten’i Derby, any Angletera: “Misy 5 000 ka hatramin’ny 10 000 ny Silamo fotsy hoditra eto amintsika, ary Katolika taloha ny ankamaroan’ny fantatro”. Jiosy ny 10 ka hatramin’ny 30 isan-jaton’ny olona niova ho Bodista. Nitombo tsy nisy ohatra izany ny Anglikanina niova ho Katolika, rehefa nanapa-kevitra ny Eglizy Anglikanina fa azo atao pretra koa ny vehivavy. Milaza i Jonathan Romain, mpitondra fivavahana jiosy, fa “tsy ampy zavatra ara-panahy ny olona, ka mikaroka any ivelan’ny fivavahany”.

Ny Fomba Fiainanao sy ny Kansera

“Ny toerana misy anao sy izay ataonao ary ny manjo anao no tena mahavoan’ny kansera anao, fa tsy lovana fotsiny akory izy io. Nanaporofo izany ny fandinihana ny fomba fiainan’ny olona kambana efa ho 90 000”, hoy ny gazety Ilay Mpiambina (anglisy). I Paul Lichtenstein, dokotera ao amin’ny Fikambanana Karolinska any Soeda, no nitarika ilay ekipa nanao io fikarohana io. Hoy izy: “Ny fomba fiainanao no tena mety hiteraka kansera, fa tsy hoe manaranaka fotsiny izy io.” Mihevitra ny mpahay siansa fa ny fifohana sigara dia miteraka ny 35 isan-jaton’ny kansera, ary toa avy amin’ny sakafo ny 30 isan-jatony. Mety ho manaranaka ny kanseran’ny prostaty (mpahazo ny lehilahy) sy ny tsinay ary ny nono, nefa izao no torohevitra omen’i Tim Key, mpahay siansa ao amin’ny fikambanana iray manao fikarohana momba ny kansera, any Oxford, any Angletera: “Na dia manan-kavana ... efa voan’ny kansera aza ianao, dia ny fomba fiainanao no tena mety hiteraka kansera. Tsy tokony hifoka sigara ianao, ary tokony hitandrina ny sakafonao. Mety hiaro anao amin’ny kansera izany.”

Fanandevozan’ny Sigara any Meksika

Nisy fandaharana natao vao haingana tany Meksika mba hanampiana ny olona tsy hifoka sigara na hiala amin’ny sigara. Tamin’izany, dia nilaza i José Antonio González Fernández, minisitry ny fahasalamana tamin’izany fotoana izany, fa mifoka sigara ny 27,7 isan-jaton’ny Meksikanina. Ny tena mampanahy dia hoe 12 ka hatramin’ny 17 taona ny iray tapitrisa amin’izy ireo. Mety ho Meksikanina 122 no matin’ny sigara isan’andro, hoy Atoa González. Nitaraina izy fa “misakana ny fandrosoan’ny toe-karem-pirenena io fahazarana io. Maro koa ny taona lanilany foana satria betsaka no tsy afaka miasa, ... ary na dia tsy mifoka sigara aza isika, dia manimba ny fahasalamantsika ny setro-tsigaran’ny hafa”.

Fiatoana Tsy Ahazoana Aina

“Eto Grande-Bretagne, dia aleon’ireo olona andevozin’ny asa mihina-mofo any amin’ny biraony amin’ny antoandro, toy izay miato mba hisakafo ara-dalàna”, hoy ny Financial Times. Hita tamin’ny fikarohana natao vao haingana fa 36 minitra sisa ilay “adiny iray” nihinanan’ny Anglisy sakafo antoandro. Ahazoana aina ny miato kely amin’ny antoandro, hoy ny dokotera mahay. Asian’ny mpampiasa sasany fivoriana anefa amin’io fotoana io, ka tsy afaka maka aina mihitsy ny mpiasa. Manamarika toy izao ny Datamonitor, orinasa nanao ilay fikarohana: “Mihabetsaka hatrany ny takina amin’ny mpiasa, ary tsy afa-miala amin’izany izy ireo. Heverina ho sarobidy ny fotoana, ka maro no mihevitra fa manelingelina fotsiny ny fiatoana amin’ny antoandro.” Hoy koa i Sarah Nunny, mpikaroka ao amin’ny Datamonitor: “Mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena isika. Tsy afaka milaza intsony isika hoe ‘Hataoko io asa io rehefa avy eo.’ Tsy maintsy atao dieny izao ilay izy.”

Velona Tsara ny Biby ao Amin’ny Sisin-tany

“Rehefa nifarana ny Adin’i Korea tamin’ny 1953, dia nasian’ny tafika faritra tsy azon’ny miaramila sy ny olona aleha, teo amin’ny sisin-tany mampifandray an’i Korea Atsimo sy i Korea Avaratra. Noho izany, dia nanjary nilamina tsara ny tontolo iainana ao amin’io faritra io sy ny manodidina”, hoy ny Gazetin’i Wall Street (anglisy). “Na dia nanimba faritra maro nanerana an’i Korea roa tonta aza ny fandrosoana ara-toe-karena, dia nanjary ny faritra feno biby indrindra kosa ny sisin-tany.” Misy vorona sy biby tsy fahita, mitady ho lany tamingana mipetraka ao, ary toa misy tigra sy leoparda koa ao. Manahy ankehitriny ny mpiaro ny tontolo iainana sao ho rava io fialofam-biby io, satria miezaka hihavana i Korea roa tonta. Noho izany, dia angatahin’izy ireo ny hanisiana “ ‘valam-pihavanana’ ao amin’ny faritra mampisaraka an’i Korea roa tonta”, mba hiarovana ny biby ao, ka ho afaka hivady ny biby avy amin’ireo tany roa ireo. Hoy ilay gazety: “Be fanantenana ny mpiaro ny tontolo iainana, satria mino izy ireo fa mety hampifandray indray ireo biby ireo ny fihavanan’ny Korea roa tonta, izay efa nampifandray ny mpianakavy tafasaraka hatry ny ela.”

Mahafa-po Ara-panahy Ve?

Malaza mihitsy izao ireo mpampianatra ara-pivavahana mampianatra ny olona hahay hanampy tena. Mampirisika ny hafa mba hatoky tena sy hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra ary hitady fahombiazana izy ireny. “Mifanaraka amin’ny fironan’ny olona hihataka amin’ny fivavahana lehibe” izany, hoy ny Gilaoby sy Taratasy, gazety kanadianina. “Tena liana amin’ny zavatra ara-panahy ny olona, saingy tsy manaraka ny fivavahana mahazatra intsony.” Asehon’ny fikarohana fa na dia milaza ho mino an’Andriamanitra aza ny 80 isan-jaton’ny Kanadianina, dia ny 22 isan-jaton’ny olona milaza ho Kristianina no mihevitra fa zava-dehibe kokoa noho ny fampianaran’ny fiangonana ny zavatra inoany manokana. Milaza ilay gazety fa ny zavatra ara-panahy omen’ireny mpampianatra ara-pivavahana ireny dia “hery vaovao entina hikatsaka fahombiazana hatrany”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara