Topy Maso Eran-tany
Vanja Milevina Amboamboarina
Tany 135 mahery no efa nanao sonia ny Fifaneken’i Ottawa, izay mandrara ny fampiasana vanja milevina hamelezana olona, ary hanao sonia io fifanekena io koa i Etazonia amin’ny 2006. “Mampanahy anefa fa mihamaro ireo firenena manamboatra fitaovana maoderina, natao hanovana ny famaritana ny hoe vanja voarara”, hoy ny Mpahay Siansa Vaovao (anglisy). “Any Japon, ... dia tsy heverina ho vanja milevina hamelezana olona ny vanja aparitaka eny amoron-dranomasina, raha toa ka baikoina avy lavitra. ... Tsy antsoina hoe vanja milevina izy io fa ‘fitaovana manaparitaka poti-by’ kosa.” Mbola mampiasa vanja hamelezana olona anefa i Etazonia ankehitriny, mba hiarovana ny vanja mpamotika tanky. Noho izany, dia manamboatra karazana vanja mpamotika tanky izy ireo izao. Natao hitsambikina hisakana ny olona tsy hanala ny vanja amin’ny faritra iray ireo vanja ireo. Lazain’ilay gazety teo fa raha misy te hitsofoka ao amin’ilay faritra, ka manala na manapotika ny vanja sasany ao, dia “ho fantatr’ireo vanja mpamotika tanky izany, ka hitsambikina izy ireo hameno ny banga”. “Hasiana tongotra matanjaka be [ireo vanja vaovao ireo], ka afaka hitsambikina hatrany amin’ny folo metatra.”
Vitaminina Mahasoa
Rehefa miasa amin’ny ordinatera isika, dia samihafa ny fandraisan’ny masontsika ny loko mazava sy ny loko matroka kokoa. Izany no nolazain’ny gazety iray ara-pahasalamana, any Polonina. Arakaraka ny herin’ireny hazavana ireny no ilan’ny masontsika ilay antsoina hoe mena-kolatrolamaso, izay manampy antsika hahita tsara kokoa. Mba hamokarana azy io, dia tena ilaina ny vitaminina A. Lazain’ilay gazety teo fa feno vitaminina A ny menaka azo avy amin’ny atin-kena sy ny menaka telozoro, avy amin’ny atina lamôria. Raha misy olona tsy maintsy mampihena ny zavatra matavy na ny menaka haniny anefa, dia misy sakafo hafa azony hanina. Rehefa azon’ny hain’andro mantsy ny vatana, dia avadiny ho vitaminina A ny zavatra iray ao amin’ny sakafo sasany. Izany zavatra izany dia hita ao amin’ny legioma miloko mavo, mena, maitso sy mivolon-daoranjy, ary koa ao amin’ny voankazo toy ny voatango sy ny manga ary ny karazana paiso rehetra.
Telefaonina Mitera-doza
Tsy eny amin’ny arabe ihany no mety hitera-doza ny fampiasana telefaonina fitondra mandeha. Milaza ny tompon’andraikitra ao amin’ny lalamby japoney fa miandry eo an-tsisin-dalamby ny mpandeha, ary varian-dresaka amin’ny telefaoniny, ka manadino ny toerana misy azy. Nilaza ny Vaovao Takariva Asahi (anglisy) fa vao haingana, dia niharan-doza ny tovolahy iray nijoro teo an-tsisin-dalamby sady niresaka tamin’ny telefaoniny. Rehefa sendra nihatokatoka iny izy, niresaka tamin’ilay olona tamin’ny telefaonina, dia nosafoin’ny lamasinina ny lohany. Soa ihany fa tsy maty izy, fa “nisy tataka fotsiny teo ambonin’ny masony havanana”. Indray mandeha anefa, dia “maty voadonan’ny lamasinina ny mpianatra iray niresaka tamin’ny telefaonina fitondra mandeha, ary nijoro teo an-tsisin-dalamby”. Lazain’ny mpiasan’ny lalamby fa latsaka eny amin’ny lalamby ny telefaonin’ny olona sasany indraindray. “Maty voahitsaky ny lamasinina” ny lehilahy iray 26 taona, izay nitsambikina haka ny telefaoniny nianjera. Tokony “hotadidin’ny olona fa faritra tena mampidi-doza ny sisin-dalamby”, hoy ny tompon’andraikitra ao.
Androm-piainana Lava Kokoa
Niampy 12,8 taona ny androm-piainan’ny olona any Peroa, tao anatin’ny 25 taona farany, araka ny tatitra nataon’ny Firenena Mikambana vao haingana. Teo anelanelan’ny taona 1970 sy 1975, dia naharitra 55,5 taona ny androm-piainan’ny olona. Nihalava kosa izy io teo anelanelan’ny taona 1995 sy 2000, ka lasa 68,3 taona. Milaza ny gazety Ilay Perovianina (espaniola), fa mihalava ny androm-piainan’ny olona, satria voakarakara tsara kokoa ny fahasalamana. Io antony io koa no nampihena ny isan’ny zaza menavava maty (115 amin’ny 1 000 taloha, ary nihena ho 43 amin’ny 1 000), sy ny isan’ny ankizy latsaka ny dimy taona maty (178 amin’ny 1 000 taloha, ary nihena ho 54 amin’ny 1 000), tao anatin’ireo 25 taona farany ireo ihany. Nilaza koa ilay gazety teo fa mety “ho velona hatramin’ny 60 taona ny 23 isan-jaton’ny mponina”, mandritra ny dimy taona manaraka.
Toe-tsaina sy Lozam-piaramanidina
Nomarihin’ny gazety iray any Singapour fa mety hiteraka lozam-piaramanidina ny fifandraisan’ny mpanamory sy ny mpanampy azy. Milaza ilay lahatsoratra fa “any Azia, dia voafaritra tsara mihitsy ny ambaratongam-pahefana eo amin’izy roa ireo. To teny ny kapiteny, hany ka tsy sahy hilaza aminy ilay mpanampy azy, raha mahatsikaritra zava-manahirana, satria matahotra sao hoheverina fa mikomy”. Mety tsy hiteny ny sasany, na dia mahatsikaritra zava-manahirana lehibe aza, “satria mety tsy ho tian’ny hafa intsony izy ireo”. Mety hatahotra koa izy ireo sao tsy hino azy ny hafa, satria “mpanampy fotsiny izy”. Tena mety hitranga ny loza, raha tsy mety milaza ny heviny ny mpanampy ny mpanamory.
Frantsay Malala-tanana
Malala-tanana noho ny lehilahy ny vehivavy, ary malala-tanana noho ny tanora ny be taona. Izany no hita tamin’ny fitsapan-kevitra naharitra herintaona, natao ho an’ny fikambanana iray mpanao asa soa, any Frantsa. Voamarika fa manao asa soa ny antsasaky ny mponina any Frantsa, ary imbetsaka isan-taona, dia mahafoy vola, na fotoana, na zavatra hafa ny 28 isan-jaton’izy ireo. Nasehon’ilay tatitra fa tia manome ny olona “rehefa manaraka fivavahana iray sy miara-miasa amin’ny fikambanana iray”. Mifanaraka amin’io fandinihana io àry, dia izao no amaritan’ny gazety Izao Tontolo Izao (frantsay) ny atao hoe Frantsay kahidy: Tovolahy, tsy mpiangona, mipetraka eny amorontsirak’i Mediterane na any ambanivohitra.
Misara-panambadiana koa ny Be Taona
“Tao anatin’ny efa-taona farany, dia nitombo 52 isan-jato ny isan’ny mpivady 55 taona mahery, nisaraka”, any Frantsa, hoy ny gazety Le Figaro. Tao anatin’io fe-potoana io ihany, dia nitombo avo roa heny mahery ny isan’ny mpivady efa 70 taona no ho miakatra, nisaraka. Nihabetsaka koa ny vehivavy nangataka hisaraka. Tsy mora mantsy izany tsy miasa intsony izany. Voalamina ihany ny olana sasany, fony niasa ny iray tamin’ny mpivady, nefa nanjary tsy tanty intsony izy ireny, rehefa samy ao an-trano izy roa. Mitombo koa ny isan’ny vehivavy 50 taona mahery, mahavita tena ara-bola, ary mihabetsaka izy ireo, tsy toy ny taloha, no mangataka hisaraka amin’ny vady nanitsakitsaka. Matetika no maka vehivavy tanora kokoa ny lehilahy efa misotro ronono, nefa mihamaro kosa ny vehivavy eo amin’ny 60 na 70 taona eo, mipetraka irery, na dia tsy maty vady aza.
Tena Iharan-doza ny Vato Harana
Hatreo Afrika Atsimo ka hatrany Inde, dia tena iharan-doza ny haran-dranomasina ao amin’ny Oseana Indianina, hoy ny gazety Toe-karena (anglisy). Mampanahy mantsy fa vao haingana, dia hitan’ny manam-pahaizana momba ny zavamananaina an-dranomasina fa “maty ny 50 ka hatramin’ny 95 isan-jaton’ireo haran-dranomasina, tao anatin’ny roa taona farany”. Tsy tantin’ny vato harana mantsy raha mitombo 1 na 2 degre ny hafanan’ny ranomasina, mandritra ny herinandro maromaro. “Tamin’ny 1998, dia 3 degre mahery noho ny tokony ho izy ny hafanana tany Seychelles, nandritra ny herinandro maromaro”, hoy ilay tatitra. Mino ny mpikaroka fa izany dia “manaporofo tsara fa miakatra ny maripanan’ny tany”. Niteraka fatiantoka 63 tapitrisa dolara (4158 tapitrisa tapitrisa FMG eo ho eo) ho an’ny Nosy Maldives ny fahafatesan’ny haran-dranomasina, tamin’ny 1998/1999. Nanantena hahita haran-dranomasina kanto mantsy ny mpizaha tany, hoy ny gazety Toe-karena, “kanjo diso fanantenana, ary nanalavitra ny fatin’ny haran-dranomasina volondavenona tsy mahate hijery”. Nilaza i Olof Linden, anisan’ny mpampanonta ilay tatitra, fa “nikorontana ny tapany lehibe amin’ny tontolo iainana be zavaboary isan-karazany indrindra”. Koa satria toerana feno trondro ny haran-dranomasina, dia hiteraka zava-manahirana ho an’ny mponina amorontsiraka mivelona amin’ny jono koa ny fahafatesan’izy ireo.
Mirongatra ny SIDA
Dimy tapitrisa mahery ny olona voan’ny SIDA tamin’ny herintaona. Io no tatitra nataon’ny Fandaharan’ny Firenena Mikambana Misahana ny VIH/SIDA (ONUSIDA) sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Koa 36 tapitrisa mahery izao ny isan’ny olona voan’ny SIDA maneran-tany. Avo roa heny mahery noho ny vinavina natao tamin’ny 1991 izany. Nirongatra io valanaretina io any amin’ny faritra atsinanan’i Eoropa, satria nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ny olona voan’ny SIDA tao anatin’ny herintaona, ary olona mitsindrona zava-mahadomelina ny ankamaroany. Asehon’ilay tatitra koa fa tsy mitady fomba hisorohana ny SIDA intsony ireo firenena manankarena, satria ny olona mitsindrona zava-mahadomelina sy ny lehilahy miray amin’ny lehilahy no tena voan’izy io. Toa sambany kosa vao tsy nitombo ny isan’ny olona voan’ny SIDA any Afrika atsimon’i Sahara, izay ahitana olona 25,3 tapitrisa voan’izy io. Efa 21 tapitrisa mahery ny isan’ny olona matin’ny SIDA, hatramin’ny fotoana nampirongatra an’io valanaretina io.