FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/9 p. 23-26
  • Miova ny Fiheverana ny Antitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miova ny Fiheverana ny Antitra
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiheveran’ny maro
  • Fiheverana ny olona antitra
  • Mitombo ny isan’ny zokiolona
  • Fanitsiana ny soratra ho an’ny fampisehoana tantara
  • Soa ho an’ny fiaraha-monina
  • Aoka ianao havitrika foana eo amin’ny fiainana
  • Tia sy Miahy ny Zokiolona Manompo Azy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Manaja ny olona be taona ny kristiana marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny Voninahitry ny Volo Fotsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Sarobidy Ireo Be Taona Tsy Mivadika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/9 p. 23-26

Miova ny Fiheverana ny Antitra

REHEFA firy taona ny olona no atao hoe antitra? Mety hiankina amin’ny olona anontanianao ny valin’izany. Lazain’ny zatovo fa antitra avokoa izay mihoatra ny 25 taona.

Tsy mahatratra ny fara tampony amin’ny zava-bitany anefa ny mpihira amin’ny tantara an-tsehatra raha tsy efa ela nihetezana tamin’izany. Hoy koa ny gazety Ilay Masoandro Manambara (anglisy) momba ireo ta hahazo fisondrotana any am-piasana: “Rehefa tsy mahazo toerana ambony eo amin’ny faha-40 taonanao ianao amin’izao, dia tsy hahazo intsony.”

Fiheveran’ny maro

Misy mihevitra fa mora iharan-doza sy ela fandray zavatra, ary mora osa ny zokiolona. Mety ve ny mihevitra toy izany? Araka ny antontan’isan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana aloha, dia “latsaka ny 25 taona ny olona iray isaky ny telo matin’ny lozam-piarakodia” manerana an’i Eoropa. Ankoatra izany, dia ny olona eo anelanelan’ny 30 sy 40 taona no tena mora osa, ary tsy voaporofo ny hoe mihena ny fahaizan’ny olona salama rehefa mihantitra izy.

Marina ve ilay hoe tsy maintsy marary foana ny zokiolona? “Inoan’ny olona fa tsy maintsy hoe marary ny antitra”, hoy ny Gazety Aostralianina Momba ny Fitsaboana (anglisy). Antonony tsara anefa ny fahasalaman’ny zokiolona maro ary tsy mihevitra ny tenany ho antitra izy ireo. Misy milaza toa an’i Bernard Baruch, mpitondra fanjakana amerikanina, manao hoe: “Ny olona zokiko 15 taona ihany no antitra amiko.”

Nahoana àry no matetika, avakavahana, ary indraindray, iharan’ny fitsarana an-tendrony tsotra izao ny zokiolona? Misy ifandraisana be dia be amin’ny fiheverana ny olona antitra ny valin’izany.

Fiheverana ny olona antitra

“Matimatin’ny fahatanorana loatra ny Amerikanina ka nanimba ny fomba fijerin’ny fampitam-baovao mahakasika ny zokiolona”, hoy i Max Frankel tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy). Nitaraina izy fa “tsy resahina firy ao amin’ny filazam-baovao ny zokiolona.” Manampy izany mba hanazavana izao fifanoheran-javatra voamariky ny Iraky ny UNESCO (anglisy) izao: “Mbola tsy ... nanao zavatra maro ho an’ny zokiolona toy izany mihitsy ny fiaraha-monina. Omena fanampiana ara-bola sy ara-tsosialy izy ireo. Tena ratsy anefa ny fiheveran’ny fiaraha-monina azy ireo.”

Hita amin’ny raharaha ara-pitsaboana koa io fitsarana an-tendrony io. Hoy ny Gazety Aostralianina Momba ny Fitsaboana: “Mino ny dokotera maro sy ny ankabeazan’ny olona fa tsy mila fikarakarana ara-pahasalamana intsony ny olona mihoatra ny 65 taona. ... Midika izany fa tsy isan’ny olona anaovana fikarohana ara-pitsaboana intsony ny zokiolona.”

Hoy ihany io gazety io: “Ataon’ny mpitsabo fialan-tsiny ny fiheverana ratsy toy ny hoe efa reraka ny zokiolona ka tsy mila karakaraina firy ny toe-pahasalamany. Tsy raharahaina, na lazaina fa aretin’antitra ny maro amin’ireo aretina mahazatra toy ny hoe pahina sy lalodalovana. ... Zava-dehibe ny fanovana ny fiheverana ny zokiolona raha tiana hahomby ny fikarakarana ny fahasalamana.”

“Tonga angamba ny fotoana tokony handinihana tsara kokoa indray ny famaritana ny hoe fahanterana, fara faharatsiny any amin’ny tany mandroso”, araka ny soso-kevitry ny The Lancet, gazety anglisy momba ny fitsaboana. Nahoana no zava-dehibe izany? Hoy ilay gazety: “Lazaina fa manjombona sy mampahatahotra ny hoavin’ny zokiolona ka ampiasaina izany mba hanamafisana ilay hevi-diso hoe mandany ny vola kely natokana ho an’ny fahasalamana ny fitomboan’ny isan’izy ireo. Mety hiova anefa izany filazana izany raha misy famaritana hafa.”

Mitombo ny isan’ny zokiolona

Efa betsaka ny zokiolona, raha ny marina, ary tsy vitan’ny hoe efa betsaka fa vao mainka mihabetsaka. “Hitombo avo efatra heny ny isan’ny olona 65 taona no ho miakatra eo anelanelan’ny 1955 sy 2025, ary hitombo avo roa heny isaky ny mponina zato ny isan’izy ireo”, hoy ny tatitry ny Iraky ny UNESCO.

Mbola maro noho ny isan’ny mponina any Frantsa ny isan’ny zokiolona any Inde. Voalaza fa hisotro ronono ao anatin’ireo dimampolo taona ho avy, ireo olona 76 tapitrisa teraka tany Etazonia nandritra ireo 18 taona nanaraka ny Ady Lehibe II. Mihantitra ny mponina maneran-tany ka mampanahy ny mpandraharaha sy ny mpitsabo. Manosika antsika handinika indray ny sasany amin’ireo fiheverantsika momba ny fahanterana koa izany.

Fanitsiana ny soratra ho an’ny fampisehoana tantara

Mety hisy hampitaha ny fiainana amin’ny tantara an-tsehatra misy fizarana telo. Ny fientanam-pon’ny fahatanorana sy ny fianarana no mameno ny fizarana voalohany. Ny famelomana ankohonana sy ny fanerena tsy an-kijanona ateraky ny asa no mibahan-toerana ao amin’ny fizarana faharoa. Ao amin’ny fizarana fahatelo, dia asaina mipetraka eo ambonin’ny seza, eo amin’ny toerana maizimaizina ilay mpilalao ary miandry fotsiny ny hikatonan’ny ridao.

Miampy 25 taona anefa izao ny fotoana lanin’ny “mpilalao” amin’io “fizarana fahatelo” io, noho ny antony maro, toy ny fandrosoan’ny fitsaboana sy ny fahadiovana, nandritra ny taonjato faha-20. Tsy te hipetra-potsiny ny maro aminy, rehefa misotro ronono. Mitaky ny hanitsiana indray ilay soratra ho an’ny fampisehoana tantara io fitomboan’ny isan’ny zokiolona mavitrika io.

Soa ho an’ny fiaraha-monina

Tsy marina tsotra izao ilay fiheveran’ny maro hoe enta-mavesatra ho an’ny hafa ny ankabeazan’ny zokiolona. Milaza ny Gazetin’i New York fa “mahavita tena no sady manana fari-piainana antonony ny ankabeazan’izy ireo ary manana fidiram-bola mihoatra noho ny mpivady tanora. ... Manamarika ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina fa mitombo isa ny antokona ... zokiolona manankarena.” Hoy i Philip Kotler, mpampianatra haivarotra any amin’ny Oniversite Northwestern any Etazonia: “Heverin’ny mpahaivarotra fa ho mpanjifa manankarena azo hararaotina hanaovana dokam-barotra ny olona 55 taona no ho miakatra.”

Tsy eo amin’ny raharaha ara-bola ihany no manampy ny zokiolona mavitrika. Milaza ny Telegrafy Alahady (anglisy) any Sydney, Aostralia fa “manao ny antsasaky ny asa fikarakarana zafikely ny renibe, satria maherin’ny ampahatelon’ny renim-pianakaviana miasa no mametraka ny zanany hokarakarain’ny reniben’ilay zaza.”

Loharanom-pahalalana lehibe ny zokiolona any amin’ny toerana tahaka an’i Troyes, any Frantsa, noho ny traikefa ananany. Tovozina izany fahalalana izany rehefa ampianarin’ny zokiolona mandrafitra, manamboatra solomaso, manao vato, manao fanorenana ary mikojakoja fantson-drano ny ankizy, ankoatra ny fianarana any an-tsekoly. Maro koa ny zokiolona mianatra any an-tsekoly mba hianarana zavatra isan-karazany, ankoatra ny fampianarana ataony.

Hoy ny Iraky ny UNESCO tamin’ny Janoary 1999: Milaza ny “Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Oniversite ho An’ny Zokiolona, izay manana ny foibeny any Paris fa maherin’ny 1 700 ny oniversite ho an’ny zokiolona maneran-tany.” Izao no nambaran’ilay gazety mahakasika ireo oniversite ireo: “Samy maniry hanampy ny zokiolona handray anjara feno amin’ny fiainana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina ny oniversite ho an’ny zokiolona na dia samy hafa be arakaraka ny tany aza ny rafitra sy ny fitantanana azy.” Misy mpianatra 2 500 ny oniversite ho an’ny zokiolona any Japon!

“Lehibe ny fanampian’ny zokiolona ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina na dia sarotra aza ny manisa izany, satria tsy andraisam-bola ny ankabeazany”, hoy i Alexandre Kalache, filohan’ny Fandaharan’asan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana ho An’ny Zokiolona sy ny Fahasalamana. “Tsy tokony ... hoheverin’ny firenena ho zava-manahirana ny zokiolona ao aminy fa tokony hoheveriny ho olona mety hitondra vahaolana kosa, ... ary indrindra indrindra, azo atao ny manovo fahalalana avy amin’izy ireo.”

Marina fa misy fiantraikany eo amin’ny fankafizantsika ny fahanterantsika ny fiheverana sy ny fitsarana an-tendron’ny hafa, nefa koa miankina be dia be amin’ny fijerintsika manokana ny fiainana izany. Ahoana no hahafahanao hitoetra ho mavitrika ara-batana sy ara-tsaina hatrany na dia mihaosa aza ny vatanao? Vakio, aza fady, ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-24 sy 25, ary mariho ny fomba tsara indrindra nampiasain’ny zokiolona sasany mba hitoerana ho mavitrika sy hahita fifaliana eo amin’ny fiainana.

Aoka ianao havitrika foana eo amin’ny fiainana

Ho voamarikao fa samy manana fandaharam-potoana tsara eo amin’ny asa ataony, na asa fivelomana izany, na asa an-tsitrapo, ireo zokiolona mavitrika voaresaka eo. Manao fanatanjahan-tena tsy tapaka koa izy ireo, liana amin’ny karazan-taona rehetra ary mikarakara ny zavatra ilainy ara-panahy. Mety ho voamarikao fa sady mahasoa ny antitra no mahasoa ny tanora ireo fomba hananana fiainana sambatra sy feno fahavitrihana ireo.

Mampalahelo fa mandroso ho amin’ny fahanterana koa ianao, na dia eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity aza. (Mpitoriteny 12:1) Fahendrena ho anao anefa ny misaintsaina izao famintinana nataon’ny Gazetin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana izao: “Afaka miasa ianao rehefa salama, toy izany koa fa mety ho salama foana ianao raha mavitrika.”

[Efajoro/Sary, pejy 12, 13]

Mavitrika sy Mankafy ny Fiainana Izy Ireo

◼ AFRIKA ATSIMO: Mpiasa an-tsitrapo manontolo andro i Piet Wentzel, 77 taona.

“Tsapako fa tena ilaina ny manao fanatanjahan-tena tsy tapaka mba hitoerana ho matanjaka. Nikarakara zaridaina kely aho nandritra ireo taona maro lasa. Velom-bolo erỳ aho aorian’izany fanazaran-tena izany. Izao no iezahako hotadidina, mba hahavitako betsaka araka izay azoko atao: ‘Mpangalatra fotoana ny fisalasalana, ary mpiray tsikombakomba aminy ny fangatahana andro.’ ”

[Sary]

“Tsapako fa tena ilaina ny manao fanatanjahan-tena tsy tapaka.”—Piet

◼ JAPON: Mpanolo-tsaina momba ny trano sy ny tany i Yoshiharu Shiozaki, 73 taona.

“Marary lamosina aho, ambony ny tosidrako ary voan’ny aretin-tsofina aho. Mandeha bisikileta inefatra isan-kerinandro, 12 kilaometatra mandroso sy miverina, aho, avy any an-trano mankany am-piasana. Fanatanjahan-tena tsara ho ahy izany satria tsy miteraka fihenjanana amin’ny lamosiko nefa manatanjaka ny hozatry ny ranjoko. Miezaka mifandray tsara amin’ny hafa aho, anisan’izany ny mpifanila trano amiko. Miezaka ny tsy hijery ny kileman-toetran’ny hafa aho. Tsapako fa manao zavatra tsara kokoa ny olona rehefa ampaherezina fa tsy tsikeraina.”

[Sary]

“Miezaka ny tsy hijery ny kileman-toetran’ny hafa aho.”—Yoshiharu

◼ FRANTSA: Mpitory ny filazantsara manontolo andro i Léone Chalony, 84 taona.

“Tiako be ny asa fanaovam-bolo ka saika tsy foiko, rehefa nisotro ronono aho tamin’ny 1982. Tsy nanana adidy iantsorohana aho, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana, araka ny iantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah mitory ny filazantsara manontolo andro. Nanampy ahy hanana saina mavitrika hatrany ny fampianarana Baiboly ireo olona liana maro. Mandeha an-tongotra foana aho, satria tsy manana fiara. Salama tsara aho noho izany.”

[Sary]

“Nanampy ahy hanana saina mavitrika hatrany ny fampianarana Baiboly maro.”—Léone

◼ BREZILA: Mpiasa an-tsitrapo manontolo andro i Francisco Lapastina, 78 taona.

“Tsy tezitra aho raha manafintohina na minia tsy mijery ahy ny hafa. Raisiko fotsiny hoe angamba misy zavatra manery na manahirana an’ilay olona. Misy fotoana mety hampahasosotra antsika. Miezaka ny tsy hanao an-dolompo aho na hihevitra hoe tokony handefitra amiko foana ny olona. Nahazo namana maro aho noho izany.”

[Sary]

“Miezaka ny tsy hanao an-dolompo aho.”—Francisco

◼ AOSTRALIA: Mbola miasa mandritra ny 40 ora isan-kerinandro i Don MacLean, 77 taona.

“Salama tsara foana aho, efa-taona taorian’ny nandidiana ny foko. Tsy navelako hampaosa ahy mihitsy iny fandidiana iny. Mbola mandeha an-tongotra isan’andro toy ny nataoko nandritra ny taona maro ihany aho. Nahita olona antitra aloha be aho tamin’izaho mbola tanora, ka tsy tiako ny ho toa azy ireo. Mahafinaritra ahy ny mifankahalala sy manombo-dresaka amin’olona. Raha ataontsika anisan’ny fiainantsika ny zavatra ara-panahy, dia ho toy izay voalaza ao amin’ny Salamo 103:5 isika: ‘Mahavoky soa ny vavanao [i Jehovah]; ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery.’ ”

[Sary]

“Aza mba manaiky ho antitra aloha be izany.”—Don

◼ JAPON: Mpitory ny filazantsara manontolo andro i Chiyoko Chonan, 68 taona.

“Ny fanalavirana ny fihenjanana sy ny faharerahana no fanalahidin’ny fahasalamana tsara. Miezaka ny tsy ho be fanahiana aho ary tsapako fa nanampy ahy ny fanovana foana ny zavatra ataoko. Vao nianatra nampiasa solaitra misy bokotra fanaovana kajy aho mba hanampy ahy amin’ny fampiasana ny rantsantanako sy ny saiko. Heveriko fa mahasoa ny fanombohana zavatra vaovao.”

[Sary]

“Heveriko fa mahasoa ny fanombohana zavatra vaovao.”—Chiyoko

◼ FRANTSA: Mpiasa an-tsitrapo manontolo andro i Joseph Kerdudo, 73 taona.

“Zava-dehibe ny hitoerana ho mavitrika foana mba hahafinaritra ny fahanterana. Mitondra fahafaham-po ny asa, ary ilaina ny mitandrina ny sakafonao sy manova izany, raha ilaina. Heveriko fa tsy mankaleo ny fiainana raha manana tanjona ianao. Heveriko fa tena manampy antsika ho salama hatrany ny fitiavana zavatra ara-panahy. Tena tsy nahay nanapa-kevitra sady mpijery lafy ratsin-javatra aho talohan’ny naha Vavolombelon’i Jehovah ahy. Manatanjaka ny sain’ny olona hiatrehana olana isan-karazany ny fahafantarana ny fahamarinana ara-baiboly.”

[Sary]

“Tena manampy ny fitiavana zavatra ara-panahy.”—Joseph

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara