Fizaran-taona Mahavariana
FIZARAN-TAONA miavaka ny fararano any amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra. Manga ny lanitra amin’izay fotoana izay, mibaliaka ny masoandro ary mangatsiatsiaka ny alina. Manjary miloko mena sy mavo ary volom-boasary ny havoana rakotra hazo. Somary matroka ny lokon’ny hazo kesika sy ny sedera amin’io fotoana io, ka mivoaka tsara ilay mena sy mavo midorehitra amin’ny hazo mihintsan-dravina.
Tena mahafinaritra ny olona ny fararano any amin’ny firenena tatsinanana, toa an’i Japon sy i Korea. Matetika ny Japoney no mandeha “mikatsaka ireo lokon’ny fararano.” Io no teny ampiasainy hilazana fa handeha hitsangantsangana izy hankafy ny hakanton’ny voary, amin’io fotoana io.
Faran’izay kanto ny zaridainam-panjakana any Korea mandritra ny fararano. Lazaina ao amin’ny gazety àry ny fotoana tsara indrindra hijerena ireo loko mahafinaritra. Ny zaridainam-panjakana Soraksan, any Korea, no falehan’ny olona indrindra. Misy hantsana granita ao, ary anirian’ny hazo kesika ny vato ambonin’ireo hantsana ireo. Mampiseho tsara ny endriky ny faritra tatsinanana io zaridaina io. Toy ny rojo mena midorehitra no fijery ireo karazana amontana manodidina ireo vatolampy granitan’i Soraksan, mandritra io vanin-taona io. Rehefa mipoitra avy ao anaty zavona matevina ny tendron’ireo vatolampy ireo amin’ny maraina, dia tsy hohadinoin’ireo mpifoha maraina mihitsy ny hatsaran’ny zavatra hitany.
“Tiako foana ny mandehandeha eny an-tendrombohitra, indrindra fa amin’ny fararano”, hoy i Park Ii-kyun, Koreanina mavitrika, 70 taona. “Toy ny hoe norakofan’Andriamanitra loko isan-karazany ny havoana amin’io fotoana io. Sady miovaova isan’andro ireo loko ireo no lasa mena midorehitra, rehefa manga ny lanitra.” Faly erỳ i Kông-young vadiny mijery ireo ravinkazo mitsingevaheva toy ny lolo volamena avy eny amin’ny habakabaka.
Nahoana no miova loko ny ravinkazo?
Tian’ny olona ho fantatra ny antony mahatonga io fiovan-doko mahafinaritra io. Nahoana no lasa mavo ny ravinkazo sasany, fa lasa mena kosa ny hafa?
Dingana iray iomanan’ny hazo amin’ny ririnina ny fiovan-dokon’ny raviny. Rehefa mihafohy kokoa ny andro amin’ny fararano, dia manomboka tsy mandefa rano sy tsiron-tany any amin’ny raviny intsony ny hazo. Tampenan’ny raviny tsirairay amina zavatra mitovy amin’ny bosoa kosa ny tahon’ilay hazo, ka tsy mifandray intsony ilay hazo sy ny raviny. Tsy mahazo tsiron-tany intsony àry ireo ravinkazo, ka mihintsana amin’ny farany.
Manjary mavo na volom-boasary ny lokon’ny ravinkazo eo amin’io dingana io. Efa ao anatin’ny ravinkazo ireo loko ireo mandritra ny vanin-taona mafana, saingy tsy hita, satria mibahan-toerana ny loko maitso. Tsy mamoaka loko mena kosa ny ravina raha tsy amin’ny fararano. Miova ny loko maitso amin’io fotoana io, ka ny mavo sy mena indray no misongadina. Manjary mavo be ny ravin’ny hazo kesika, rehefa tsy misy loko maitso intsony, fa lasa mena midorehitra kosa ny ravin’ny karazana amontana.
Fitadiavana fararano mahavariana
Voamariky ny ankamaroan’ny olona tia zavaboary fa miova isan-taona, ary isaky ny toerana, ny fisehoan’io fizaran-taona io. Tena mifandray betsaka amin’ny karazan-kazo mihintsan-dravina hita eo amin’ilay toerana izany. Miloko mena mahafinaritra be, ohatra, ny karazana amontana maro. Maniry any amin’ny tany tatsinanana ny karazany maro amin’ireo hazo ireo, ary matetika no ambolena any amin’ny zaridainam-panjakana izy ireny.
Miankina amin’ny toetany koa ny fisehoan’ny fararano. Arakaraka ny hatsaran’ny andro mantsy no mahamena ny ravina. Manjary mena be ny ravinkazo, rehefa tsara ny andro, ka mibaliaka ny masoandro ary mangatsiatsiaka ny alina. Toy izany mihitsy ny toetr’andro any amin’iny faritra Extrême-Orient iny, rehefa fararano. Be tendrombohitra any Japon sy Korea. Rakotra hazo mihintsan-dravina isan-karazany ny ankamaroan’ny havoana any. Noho izany, dia afaka mahita ny hatsaran’ny loko amin’io vanin-taona io ny mpitsidika.
Fiovana tena mahavariana
Sady mahafinaritra no miteraka vokatra tsara ny fihintsanan’ny ravinkazo. Afaka mitahiry rano sy hafanana ny hazo amin’ny ririnina, rehefa manintsana ny raviny. Afaka koa amin’izay ireo poizina tafiditra ao anatin’ny ravina alohan’ny ririnina.
Lasa inona ireo ravina an’arivo tapitrisany maro milatsaka amin’ny tany? Ny bibikely, ny holatra sy ny kankana ary ny biby hafa ambanin’ny tany no manova azy ireo ho zezika, izay tena ilaina mba hahavokatra ny tany. Sady mampiseho zavatra mahazendana àry ireo ravinkazo nihintsana, no manome zezika mba hahazoam-bokatra indray amin’ny lohataona! Misy fiovana mahafinaritra kokoa noho izany ve, hoy ianao? Rehefa miato kely mba handinika izany asa tanana izany isika, dia mahatsapa fa “ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tànana”, midera mangina ny Mpamorona azy.—Isaia 55:12; Salamo 148:7-9.