Ny Fiheveran’ny Baiboly
Misy Fetrany ve ny Fileferan’Andriamanitra?
“ANDRIAMANITRA, NA DIA TA-HANEHO NY FAHATEZERANY SY HAMPAHAFANTATRA NY HERINY AZA, DIA BE FAHARI-PO KA NANDEFITRA TAMIN’IZAY FANAKY NY FAHATEZERANA VOAVOATRA HOSIMBANA.”—ROMANA 9:22.
NILEFITRA tamin’ny faharatsiana be dia be niharihary Andriamanitra hatramin’izay. Nitaraina toy izao i Joba, 3 000 taona mahery lasa izay: “Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery? Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany. Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsora-kazon’Andriamanitra tsy mamely azy.” (Joba 21:7-9) Nanahy koa ny olon-kafa tia ny rariny, toa an’i Jeremia mpaminany, fa toa nilefitra tamin’ny olon-dratsy Andriamanitra.—Jeremia 12:1, 2.
Ary ianao? Sahiran-tsaina ve ianao noho ny famelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy? Mieritreritra ve ianao indraindray fa tokony hanao zavatra haingana Andriamanitra mba hanafoanana ny olona ratsy? Diniho izay lazain’ny Baiboly momba ny fetran’ny fileferan’Andriamanitra sy ny anton’izany.
Nahoana Andriamanitra no milefitra?
Voalohany, dia tsy maintsy manontany toy izao isika: Nahoana ilay Andriamanitra tena tia ny rariny no milefitra amin’ny faharatsiana? (Deoteronomia 32:4; Habakoka 1:13) Midika ve izany fa manala tsiny ny ratsy izy? Tsy izany velively! Diniho izao ohatra izao: Tsy manaraka ny fitsipika lehibe momba ny fahadiovana ny dokotera iray, sady mampijaly ny marariny. Tsy ho voaroaka avy hatrany ve izy, raha miasa ao amin’ny hopitaly? Misy tarehin-javatra ilana fileferana manokana anefa. Mety hampiasaina amin’ny fotoan-tsarotra, toy ny any an’ady, ny dokotera. Miasa ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza izy, ary angamba tsy ampy na tsizarizary na ratsy ny fitaovany. Tsy tena ilaina ve amin’izay ny hileferana aminy?
Milefitra amim-paharetana amin-javatra maro izay tsy azony ekena koa Andriamanitra. Avelany hitohy kelikely ny faharatsiana na dia halany aza izy io. Misy antony marim-pototra matoa manao izany izy. Anisan’izany ny fisian’ny fotoana mba handaminana tanteraka ireo raharaha lehibe napoitran’i Satana fony izy nikomy tany amin’ny zaridainan’i Edena. Mifandray akaiky amin’ny maha rariny sy ny maha ara-dalàna ny fomba fitondran’Andriamanitra ireo raharaha ireo. Manjary manam-potoana sy fahafahana hiova koa ireo nanao ratsy satria niaritra ela Andriamanitra.
Andriamanitra be famindram-po sy maharitra
Niara-nikomy tamin’i Satana i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika. Azon’Andriamanitra naringana avy hatrany izy ireo, saingy naleony namindra fo sy niaritra ary naneho fitiavana, ka namela azy ireo hanan-janaka. Teraka tao anatin’ny ota anefa ireo zanak’i Adama sy i Eva tamin’izay sy ny tatỳ aoriana rehetra.—Romana 5:12; 8:20-22.
Nikasa ny hamonjy ny olona avy tamin’izany toe-piainana ratsy izany Andriamanitra. (Genesisy 3:15) Maneho faharetana sy famindram-po be dia be anefa izy mandra-pahatongan’izany, satria takany ny vokatry ny fahotan’i Adama eo amintsika. (Salamo 51:5; 103:13) “Be famindram-po” izy, sady vonona ny “hamela heloka dia hamela heloka tokoa.”—Salamo 86:5, 15; Isaia 55:6, 7.
Misy fetrany ny fileferan’Andriamanitra
Sady tsy maneho fitiavana Andriamanitra no manao ny tsy rariny raha mamela ny faharatsiana hisy mandrakizay. Tsy hisy ray tena tia ny zanany ka hilefitra tsy misy farany, raha ratsy fanahy ny iray amin’izy ireo ka mampijaly tsotra izao ny mpianakavy hafa. Hifandanja hatrany amin’ny toetra hafa toy ny fitiavana sy ny fahendrena ary ny rariny, araka izany, ny faharetan’Andriamanitra amin’ny fahotana. (Eksodosy 34:6, 7) Tsy hilefitra amin’ny fahotana intsony izy rehefa avy naneho fahari-po.—Romana 9:22.
Nilaza izany mazava tsara ny apostoly Paoly. Hoy izy indray mandeha: “Namela ny firenena rehetra handeha tamin’ny lalana tiany haleha [Andriamanitra] tamin’ny andro lasa.” (Asan’ny Apostoly 14:16) Nilaza koa izy tamin’ny fotoana hafa fa “Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana”, dia ny tsy fahalalan’ireo tsy nankatò ny lalàny sy ny toro lalany. “Ankehitriny”, hoy ihany i Paoly, “[Andriamanitra] mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka.” Nahoana? “Satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana.”—Asan’ny Apostoly 17:30, 31.
Mandraisa soa dieny izao amin’ny fileferan’Andriamanitra
Azo antoka àry, fa tsy misy tokony hieritreritra hoe azony dikaina ny lalàn’Andriamanitra, ary avy eo izy dia hangataka famelan-keloka fotsiny raha te hiala amin’ny vokatry ny zavatra nataony. (Josoa 24:19) Maro tamin’ireo Isiraelita fahiny no nihevitra fa afaka nanao izany. Tsy niova izy ireo. Tsy takany ny dikan’ny fileferan’Andriamanitra sy ny faharetany. Nisy fetrany ny fileferan’Andriamanitra tamin’ny faharatsian’izy ireo.—Isaia 1:16-20.
Asehon’ny Baiboly fa tsy maintsy “mibebaka” ny olona iray raha tsy te hiharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Ny hoe mibebaka dia midika hoe miaiky eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy lavorary sy mpanota ny tena ary avy eo dia miala tanteraka amin’ny ratsy. (Asan’ny Apostoly 3:19-21) Mamela heloka miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy i Jehovah Andriamanitra avy eo. (Asan’ny Apostoly 2:38; Efesiana 1:6, 7) Hanala ny vokatra mampanaintaina rehetra nentin’ny fahotan’i Adama Andriamanitra, amin’ny fotoana mety aminy. Tsy hilefitra amin’ny “fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana” intsony izy ao amin’ilay “lanitra vaovao sy tany vaovao” ho avy. (Apokalypsy 21:1-5; Romana 9:22) Misy vokany tsara tokoa ny fileferan’i Jehovah, satria miavaka nefa misy fetrany!
[Sary, pejy 31]
Navelan’Andriamanitra hanan-taranaka i Adama sy i Eva