Fileferana — Ireo Fihetsika Roa Tafahoatra
NANOSIKA filozofa iray tamin’ny taonjato faha-16 hihiaka toy izao ny hakanto voajanaharin’ny Lohasahan’i Cachemire: “Raha misy paradisa any ho any, dia eto no izy!” Mazava fa tsy azony an-tsaina izay hitranga tao amin’io faritra amin’ny tany io, tatỳ aoriana. Tato anatin’ny dimy taona farany, dia olona 20 000, fara fahakeliny, no maty tao, noho ny ady nifanaovan’ireo mpitaky fizakan-tena sy ny Tafika indiana. Milazalaza an’ilay faritra ho “lohasahan-dranomaso” ankehitriny ilay gazety alemà hoe Süddeutsche Zeitung. Manome izao fianarana tsotra nefa sarobidy izao, ny Lohasahan’i Cachemire: Afaka mandrava toerana iray nety ho tonga paradisa ny tsy fileferana.
Inona no atao hoe milefitra? Araka ny Collins Cobuild English Language Dictionary, “raha milefitra ianao dia mamela ny olon-kafa hanana ny fihetsiny na zavatra inoany manokana, na hitondra tena amin’ny fomba iray manokana, na dia tsy miray hevitra aminy sy tsy mankasitraka izany aza ianao”. Toetra tsara dia tsara tokony haseho re izany! Azo antoka fa tsy sanganehana isika miaraka amin’ny olona izay manaja ny zavatra inoantsika sy ny fihetsitsika, na dia rehefa hafa noho ny azy aza izany.
Avy eo amin’ny fileferana mankeo amin’ny kiry
Ny mifanohitra amin’ny fileferana dia ny tsy fileferana, izay manana ambaratongan-kery maromaro. Ny tsy fileferana dia mety hanomboka amin’ny tsy fankasitrahana amim-pahateren-tsaina ny fitondran-tenan’olon-kafa na ny fomba fanaovany zavatra. Manakantsakana ny fahafinaretana azo avy amin’ny fiainana ny fahateren-tsaina, ary manidy ny saina tsy handray hevi-baovao.
Ohatra, mety ho tafintohina noho ny hafanam-po feno havitrihana asehon’ny zaza iray, ny olona hentitra loatra iray. Mety ho sorisorena amin’ireo fomba fampisaintsainan’ny olona be taona noho izy, ny tanora iray. Asaivo miara-miasa amin’ny olona tia misetra zava-tsarotra ange ny olona malina iray raha tsy samy mety ho sosotra izy ireo e. Nahoana no tafintohina sy sorisorena ary sosotra? Satria, ao amin’ny toe-javatra tsirairay, dia sarotra amin’ny andaniny ny milefitra amin’ny fihetsika, na ny fitondran-tenan’ny ankilany.
Ao amin’izay isian’ny tsy fileferana no mety hitomboan’ny fahateren-tsaina ka hanjary fitsarana an-tendrony, izay tsy inona fa fankahalana antokon’olona, na firazanana, na fivavahana iray. Mbola mahery kokoa noho ny fitsarana an-tendrony ny kiry, izay mety hiharihary amin’ny fankahalana feno herisetra. Fahoriana be sy fandatsahan-dra no vokany. Eritrereto izay nateraky ny tsy fileferana nandritra ny Kroazada! Na dia amin’izao andro izao aza, dia anton-javatra iray miteraka ny fifandonana any Bosnia sy Rwanda ary Moyen-Orient, ny tsy fileferana.
Ny fileferana dia mitaky fahaiza-mandanjalanja, ary tsy mora ny mihazona fahaiza-mandanjalanja araka ny tokony ho izy. Toy ny kapilin’ny famantaranandro, mikipilipily miankavia sy miankavanana, isika. Indraindray isika mampiseho fileferana kely loatra; indraindray, fileferana be loatra.
Avy eo amin’ny fileferana mankeo amin’ny fahalotoam-pitondran-tena
Mety hisy ve ny hoe milefitra tafahoatra? I Dan Coats, senatera amerikana, izay niteny tamin’ny 1993, dia nilazalaza ny amin’ny “fifandirana momba ny hevitry ny hoe fileferana sy ny fampiharana izany”. Inona no tiany hambara? Nalahelo ilay senatera nahita fa noho ny fileferana, ny sasany dia “manary ny finoana ny fahamarinana ny amin’izay tsara ara-pitondran-tena — dia ny amin’izay tsara sy ratsy, ary ny marina sy diso”. Mihevitra ny olona toy izany fa tsy manana zo hitsara izay atao hoe fitondran-tena tsara sy ratsy, ny fiaraha-monina.
Tamin’ny 1990, ilay mpanao politika britanika atao hoe Lord Hailsham dia nanoratra fa “ny fahavalo faran’izay tsy mifaditra ovan’ny fahatsaram-pitondran-tena, dia tsy ny tsy finoana an’Andriamanitra, na ny fisalasalana ny amin’ny fisiany, na ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, na ny fierenana, na izay mety ho antony hafa nekena. Ny tena fahavalon’ny fahatsaram-pitondran-tena dia ny nihilisme, izany hoe ny tsy finoana, saika ara-bakiteny, na inona na inona”. Mazava ho azy, fa raha tsy mino na inona na inona isika, dia tsy manana fari-pitsipika ny amin’izay fitondran-tena mety, ary ny zavatra rehetra dia azo leferina. Mety ve anefa ny milefitra amin’ny endri-pitondran-tena rehetra?
Nihevitra hoe tsia ny talen’ny lise danoà iray. Nanoratra lahatsoratra an-gazety iray izy tany am-piandohan’ireo taona 1970, ka nitaraina momba ireo dokam-barotra ny amin’ireo fampisehoana sary vetaveta ahitana firaisan’olona amin’ny biby. Noho ny fisian’ny “fileferana” any Danemark no nanomezan-dalana an’ireny dokam-barotra ireny.
Mazava fa mipoitra avy amin’ny fampisehoana fileferana kely loatra, kanefa koa avy amin’ny fampisehoana fileferana be loatra, ny zava-manahirana. Nahoana no sarotra ny manalavitra ireo fihetsika roa tafahoatra ireo, ka mijanona eo amin’ny fahaiza-mandanjalanja araka ny tokony ho izy? Vakio, aza fady, ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 3]
Mety hanimba ny ankizy ny fihetsika tafahoatra manoloana ny fahadisoana ataony
[Sary, pejy 4]
Tsy manomana ny ankizy ho amin’ireo andraikitra eo amin’ny fiainana ny fileferana amin’ny zavatra rehetra ataony