FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/1 p. 20-21
  • Tokony Hankalaza Taom-baovao ve ny Kristianina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony Hankalaza Taom-baovao ve ny Kristianina?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-nisy fahiny
  • Ny fomba fijerin’ny Baiboly
  • Tokony Hankalaza ny Taom-baovao Sinoa ve ny Kristianina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Fety
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • 2000 — Taona Hiavaka Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fety Tsy Ankasitrahan’Andriamanitra
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/1 p. 20-21

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tokony Hankalaza Taom-baovao ve ny Kristianina?

“MILAMINA tsy toy ny mahazatra ny tolakandro mialoha ny Alin’ny Taom-baovao”, hoy i Fernando, dokotera any Brezila. “Manomboka tonga anefa ny marary amin’ny 11 alina eo ho eo: mifandimby tsy an-kiato ireo voatsindrona antsy na voatifitra, ireo zatovo naratra noho ny lozam-piarakodia ary ireo vehivavy voavono. Ny toaka foana matetika no anton’izany.”

Tsy mahagaga àry raha antsoin’ny gazety brezilianina iray hoe andro iraisam-pirenen’ireo miala vazomboana, ny andro voalohany amin’ny taona. Misy masoivohom-baovao eoropeanina milaza fa “natao ho an’ireo olona tsindraindray vao tia miliba ny Taom-baovao.” Milaza koa izy io fa “fitohizan’ny ady tsy an-kiato ataon’ny olona amin’ny toaka” io andro io.

Tsy ny rehetra akory no misotro tafahoatra na mahery setra rehefa mankalaza ny Taom-baovao. Fahatsiarovana mahafinaritra izy io ho an’ny maro. “Tsy andrinay erỳ ny Alin’ny Taom-baovao tamin’izahay mbola kely”, hoy ihany i Fernando. “Be dia be foana ny kilalao sy ny sakafo ary ny zava-pisotro. Nifamihina sy nifanoroka ary nifampirary ‘Tratran’ny Taona!’ izahay rehefa tonga ny misasak’alina.”

Maro koa ankehitriny no mihevitra fa tsy tafahoatra ny zavatra ataony amin’ny Taom-baovao. Tokony hodinihin’ny Kristianina anefa ny niandohan’io fety be mpitia io sy ny heviny. Mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly ve ny fetin’ny Taom-baovao?

Zava-nisy fahiny

Tsy zava-baovao akory ny fetin’ny Taom-baovao. Asehon’ny soratra fahiny sasany fa vao tamin’ny taonarivo fahatelo al.f.i., dia efa nankalazaina tany Babylona izy io, tany antenatenan’ny Martsa. Tena fotoan-dehibe io fety io. “Tamin’io fotoana io no nandahatra ny hoavin’ilay firenena nandritra ny taona ilay andriamanitra atao hoe Mardoka”, hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy). Naharitra 11 andro ny fankalazan’ny Babylonianina ny taom-baovao ary nisy sorona sy filaharana ary fombafomban’ny fahavokarana natao tamin’izany.

Nisy fotoana koa nanombohan’ny taona romanina tamin’ny volana Martsa. Namoaka didy anefa i Jules César, mpanjakan’i Roma, tamin’ny 46 al.f.i. fa tokony hanomboka ny voalohan’ny volana Janoary izy io. Efa natokana ho an’i Janus, andriamanitry ny fiandohana io andro io, kanefa nanjary ny andro voalohany tamin’ny taona romanina koa. Ny daty no niova fa ny fety nitohy ihany. Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong: “Niliba” ny olona tamin’ny voalohan’ny Janoary ary “ninonino foana.”

Mbola misy foana hatramin’izao ny fombafomba misy finoanoam-poana mandritra ny fetin’ny Taom-baovao. Maro, ohatra, no mijoro amin’ny tongony ankavanana eo am-piandrasana ny Taom-baovao, any Amerika Atsimo. Ny hafa mitsoka anjombona na manapoaka tsipoapoaka. Fomban’ny Tseky ny mihinana lasopy lantily ny Alin’ny Taom-baovao. Fomban’ny Slôvaky kosa indray ny mametraka vola na kiran-trondro ambany lamban-databatra. Natao hialana amin’ny vintan-dratsy sy hahazoana harena ireny fombafomba ireny. Asehon’izy ireny fotsiny anefa fa mbola mino ny olona hoe fotoana famaritana ny hoavy ny fiandohan’ny taona.

Ny fomba fijerin’ny Baiboly

Mampitandrina ny Kristianina ny Baiboly mba ‘hitondra tena tsara; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana.’a (Romana 13:12-14; Galatiana 5:19-21; 1 Petera 4:3) Tsy mandray anjara amin’ny fetin’ny Taom-baovao ny Kristianina, satria ireo fanao melohin’ny Soratra Masina no tena atao mandritra izany matetika. Tsy midika akory izany fa manakana ny hafa tsy hifaly izy. Fantany kosa fa antitranterin’ny Baiboly hoe tokony hifaly noho ny antony maro ny mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina. (Deoteronomia 26:10, 11; Salamo 32:11; Ohabolana 5:15-19; Mpitoriteny 3:22; 11:9) Eken’ny Baiboly koa fa matetika no misy sakafo sy zava-pisotro rehefa fotoam-pifaliana.—Salamo 104:15; Mpitoriteny 9:7a.

Araka ny efa hitantsika anefa, dia avy amin’ny fombafomban’ny mpanompo sampy ny fankalazana ny Taom-baovao. Maloto sy vetaveta amin’i Jehovah Andriamanitra ny fivavahan-diso, ka manalavitra izay fanao niandoha avy tamin’izany ny Kristianina. (Deoteronomia 18:9-12; Ezekiela 22:3, 4) Hoy ny apostoly Paoly: “Inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala?” Mety tsara ny nanampian’i Paoly hoe: “Aza manendry izay zavatra tsy madio.”—2 Korintiana 6:14-17a.

Takatry ny Kristianina fa tsy mahasambatra na mampanan-karena ny fombafomba vokatry ny finoanoam-poana, indrindra satria mety tsy hahazoana sitraka amin’Andriamanitra izany. (Mpitoriteny 9:11; Isaia 65:11, 12) Mampitandrina ny Kristianina mba hahalala ny antonony sy hifehy tena koa ny Baiboly. (1 Timoty 3:2, 11) Mazava àry fa tsy hety ho an’ny olona milaza azy ho manaraka ny fampianaran’i Jesosy ny handray anjara amin’ny fankalazana ahitana filibana.

Na dia mety hanintona sy hahafinaritra aza ny fetin’ny Taom-baovao, dia milaza amintsika ny Baiboly mba ‘tsy hanendry izay zavatra tsy madio’ sy “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy.” Ampaherezin’i Jehovah toy izao izay mankatò izany: “Izaho dia handray anareo. ... Ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy.” (2 Korintiana 6:17b–7:1) Mampanantena fitahiana sy fanambinana mandrakizay ho an’ireo tsy mivadika aminy tokoa izy.—Salamo 37:18, 28; Apokalypsy 21:3, 4, 7.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Anisan’ny ‘filalaovan-dratsy sy ny fahamamoana’ noresahin’i Paoly angamba ireo fanao tamin’ny fetin’ny Taom-baovao, satria fety be mpitia izy io tany Roma nandritra ny taonjato voalohany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara