FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/2 p. 14-17
  • Ny Zebra—Soavalidian’i Afrika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Zebra—Soavalidian’i Afrika
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Biby maramara mahay miara-monina
  • Miady mafy mba ho velona
  • Zebra mitaiza ny zanany
  • Bibidia mahafinaritra
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Zebra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Andian’ombidia Fotsy Hafakely
    Mifohaza!—2002
  • Mpifindra Monina Manao Rodobe
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/2 p. 14-17

Ny Zebra—Soavalidian’i Afrika

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA

INDRENY zebra arivo eo ho eo mihazakazaka manavatsava ny kijanan’i Afrika. Mihontsankontsana erỳ ny vatany maramara, ary mihetsiketsika manaraka ny fingadony matanjaka ny hatony misy sanga matevina. Manakoako eran’ny tampon-tanety ny feon’ny kitrony manitsaka ny tany maina. Mitora-jofo ny vovoka mena, ka tazana hatrany amin’ny kilaometatra maro. Mihazakazaka sy mifalihavanja izy ireo, mahatsiaro ho malalaka tanteraka.

Toy ny nisy nibaiko azy anefa avy eo, ka nihaniadana ny diany, ary nijanona mihitsy. Niraoka bozaka maina tamin’ny nify beny izy ireo. Mailo ilay andiam-biby, ka nijerijery matetika ny manodidina, sady nihaino sy nanimbolo ny rivotra. Ren’izy ireo nentin’ny rivotra avy lavitra ny fieron’ny liona iray, ka natahotra kely izy ireo. Fantatry ny zebra tsara izany feo izany. Nitsangana ny sofiny, ka nitodika tany amin’ny fiavian’ilay feo mierona izy ireo, na dia mbola teny am-bavany aza ny ahitra nohaniny. Tsapany anefa fa mbola lavitra ilay loza, ka niondrika niraoka indray izy ireo.

Nanainga indray izy ireo rehefa nihanafana ny andro. Ny fofon’ny rano indray no nahatonga ireo soavalidia ireo hanatona ny renirano. Nijanona teny ambony aloha izy ireo, ka nijery ilay rano menamena misosa miadana erỳ ambany, ary niefonefona sady nandaka vovoka. Nisalasala izy ireo satria fantany fa mety hisy loza hahazo azy eny, na dia tony aza ilay rano. Mafy loatra anefa ny hetahetany, ka nanomboka nifanosika izy ireo. Niara-nirona izy rehetra avy eo, ka nihazakazaka nankeny amoron’ilay rano. Nisotro tsirairay izay laniny avy izy ireo, ary avy teo dia nitodi-doha nankany amin’ilay tany lemaka midadasika.

Namindra niadana nanaraka ny bozaka lava izy ireo, nony hariva ny andro. Mahafatifaty erỳ izy ireo tarafin’ny masoandro mody mena midorehitra, eo amin’ny tanety tsara tarehin’i Afrika.

Biby maramara mahay miara-monina

Tsy miova mihitsy ny fiainan’ny zebra isan’andro. Mivezivezy foana mitady hanina sy rano izy ireo. Mihenjana manaraka ny vatany nofosana ny hoditry ny zebra maramara, ka toa madio sy matavy erỳ ny fijery azy miraoka eny amin’ny tany lemaka midadasika. Tsy manan-tsahala ny endriky ny tsipika amin’ny zebra, ary misy aza milaza fa tsy misy roa tena mitovy amin’izy ireny. Hafakely amin’ny biby rehetra eny an-tsaha ny lokony fotsy sy mainty. Manintona anefa ny bikany ary tena mampiavaka an’i Afrika mihitsy.

Tena mahay miara-monina ny zebra. Tsy miova mandra-maty ny fifankatiavan’izy ireo. Misy zebra an’arivo ao amin’ny andiany lehibe iray, nefa voazarazara ho fianakaviana kely izy ireo, ary misy lahy iray mpitarika sy vavy maromaro miaraka aminy. Efa misy filaharana koa anefa andaminana io fianakaviana kely io. Ny vavy matanjaka indrindra no manapaka izay hataon’ny fianakaviana. Izy no mitarika, ary milahatra tsirairay eo aoriany ny vavy hafa sy ny zanak’ireo, arakaraka ny filaharana nomena azy. Ilay lahy mpitarika anefa no tena mibaiko. Rehefa tiany hivily lalana ny fianakaviany, dia manatona ilay vavy mpitarika izy, ka atosiny moramora izy io mba handeha any amin’ilay lalana vaovao.

Tian’ny zebra erỳ ny mifampihaotra, ary matetika izy ireo no mifanaikikaikitra sy mifampikisikisina amin’ny soroka sy ny vatana. Toa mampifankatia kokoa azy ireo ny mifampihaotra, ary manomboka hatramin’ny fahazazana izany, raha vao teraka andro vitsivitsy monja ny zebra kely. Rehefa tsy mahita namana hihaotra azy ny zebra, dia mitankosina amin’ny vovoka, na mihaotra ny tenany amin’ny hazo na tranom-bitsika na zavatra hafa tsy mihetsika, mba hanalana ilay mangidihidy.

Miady mafy mba ho velona

Feno loza ny fiainan’ny zebra. Samy mihevitra ilay biby milanja 250 kilaograma ho haza manintona avokoa ny liona, amboadia mpihazan’i Afrika, alikadia, leoparda, ary voay. Afaka mihazakazaka maherin’ny 55 kilaometatra isan’ora ny zebra, kanefa matetika no misoko mangina sy mamely tampoka ny fahavalony, ka tratran’ny tsy ampoizina izy. Mamitsaka ny liona rehefa miandry azy, fa miafina ao anaty ranom-potaka kosa ny voay, ary ny leoparda mijoko azy ao amin’ny maizina.

Miankina amin’ny fahamalinany sy ny firaisan-kinan’ny andiany ny fiarovan-tenan’ny zebra. Na dia matory aza ny ankamaroan’izy ireo amin’ny alina, dia misy foana ny mihaino sy miambina. Raha misy zebra iray mahalala fa misy fahavalo manatona, dia miefonefona izy ho fanairana ilay andiany manontolo. Matetika rehefa tsy afaka mandeha mafy ny zebra iray satria marary na antitra, dia mandeha moramora na miandry aloha ny sisa, mba haharaka ny andiany rehetra indray ilay miadam-pandeha. Tsy matahotra mihitsy ilay lahy mpitarika rehefa misy fahavalo mandrahona. Mankeo anelanelan’ilay mpanafika sy ireo zebra vavy izy, ary manaikitra sy mandaka ilay fahavalo, mba hahafahan’ilay andiany hitsoaka.

Ohatra amin’izany firaisan-kinan’ny zebra izany, ny zava-nitranga teo amin’ny Lemak’i Serengeti, atsy Afrika, natrehin’i Hugo van Lawick, mpandinika ny zavaboary. Notantarainy fa nanafika andiana zebra iray ny alikadia maromaro, ka tafasaraka tamin’ny andiany ny zebra vavy iray niaraka tamin’ny zanany iray herintaona sy iray mbola kely. Lasa nandositra ireo zebra hafa, fa ilay zebra vavy sy ilay zebra herintaona kosa niezaka niady mafy tamin’ireo alikadia. Nihareraka anefa izy ireo nony afaka kelikely, satria vao mainka niharomotra ireo alikadia. Toa efa azo antoka fa ho resy izy ireo. Tsaroan’i van Lawick fa toa tsy nisy fanantenana intsony. Hoy anefa izy: “Henoko tampoka fa nihovitrovitra ny tany, ka nitodika aho, ary tena gaga nahita zebra folo nihazakazaka nanatona haingana. Avy hatrany dia nanodidina an’ilay zebra vavy sy ny zanany roa izy ireo, ka niara-nihodina tampoka izy rehetra, ary niara-nitsoaka nankany amin’ny lalana niavian’ireo folo. Nanenjika azy ireo hatreny amin’ny 50 metatra ireo alikadia, saingy tsy nahavaky an’ilay andiany mihitsy, ka nalaky nijanona.”

Zebra mitaiza ny zanany

Miaro ny zanany vao teraka ny zebra vavy, ka tsy avelany hiaraka amin’ny zebra hafa izy io amin’ny voalohany. Manjary mifandray akaiky amin’ny reniny ilay zebra kely, noho izy mitokana miaraka aminy mandritra io fotoana io. Mitadidy ireo tsipika mainty sy fotsy mampiavaka ny reniny izy, ary manjary fantany ny feo sy fofona ary ny endriky ny tsipika amin’ny reniny, ka tsy mety manatona zebra vavy hafa izy.

Tsy tonga dia manana ireo tsipika mainty sy fotsy mampiavaka ny ray aman-dreniny akory ny zebra vao teraka. Somary manopy mena matroka aloha ny lokony, ary tsy mihamainty raha tsy rehefa mihalehibe izy. Miara-milalao ny zebra kely avy amin’ny fianakaviana samihafa. Mifaninana mihazakazaka sy mifanenjika izy ireo, ka mandaka sy mihazakazaka eo anivon’ny zebra lehibe, izay miara-milalao aminy koa indraindray. Lava mahia ny fen’ireo zebra kely ka mikarenjy manenjika vorona na biby madinika hafa no kilalaony. Mahafatifaty sy mahate hijery erỳ ny zanaka zebra amin’ny tongony lava marotsaka kely, sy ny masony mainty baribary, ary ny hodiny malamalama sy malemilemy.

Bibidia mahafinaritra

Mbola ahitana andiana zebra maro be ihany mihazakazaka manavatsava ny tany lemaka mivolombolamena atsy Afrika. Tena hafakely ilay izy.

Zavaboary mahagaga sy mahafinaritra ny zebra, noho ny lokony mainty sy fotsy tsy manan-tsahala, sy ny firaisan-kinany tsy azo ravana, ary noho izy bibidia tia miaina malalaka. Ny fianarana momba io biby io dia mamaly ilay fanontaniana napetraka efa an’arivo taona lasa izay, manao hoe: “Iza moa no nandefa ny boriki-dia [na zebra] ho karenjy?” (Joba 39:5) Mazava ny valiny fa i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamolavola ny zavaboary rehetra.

[Efajoro, pejy 14]

Nahoana no Maramara ny Zebra?

Sarotra amin’ireo mino ny evolisiona ny manazava ny antony maha maramara ny zebra. Misy mihevitra fa fampitahorana ny fahavalo izy io. Miharihary anefa fa tsy matahotra ny lokon’ny zebra mihitsy ny liona, na ny fahavalo lehibe hafa.

Misy koa miteny hoe mahatonga ny zebra lahy sy vavy hifanintona ilay izy. Toa tsy azo inoana anefa izany satria mitovy ny lokon’ny zebra rehetra, ary tsy misy fomba anavahana azy manokana.

Voalaza koa fa miaro ny zebra amin’ny hafanan’ny masoandro atỳ Afrika, ilay fotsy sy mainty mifanelanelana. Koa nahoana àry no tsy maramara ny biby hafa?

Maro koa izao no mihevitra fa manafina ny zebra ilay lokony maramara. Hitan’ny mpahay siansa fa tsy mora tazana tokoa ny zebra iray rehefa jerena lavitra, satria manjavozavo ny lokony rehefa miakatra ny hafanana eny amin’ny lemak’i Afrika. Toa tsy misy dikany loatra anefa na dia tsy hita avy lavitra aza izy ireo, satria ny liona, fahavalon’ny zebra lehibe indrindra, dia tsy manafika raha tsy rehefa akaiky.

Nolazaina koa fa mifangaro ny lokony rehefa miara-mandositra izy ireo, ka tsy afaka mikendry zebra iray manokana ny liona mpihaza. Raha ny marina anefa, dia hain’ny liona tsara ny mihaza zebra, ka mahomby foana izy, toy ny rehefa mihaza biby hafa ihany.

Indraindray aza dia vao mainka mitera-doza ho an’ny zebra ny lokony maramara. Miharihary kokoa noho ny biby miloko ranoray ny zebra rehefa tarafin’ny diavolana eny amin’ny tany lemaka. Tandindomin-doza kokoa ny ain’izy ireo noho izany, satria amin’ny alina no mihaza ny liona amin’ny ankapobeny.

Nahoana àry no maramara ny zebra? Hita ato amin’ity filazana tsotra ity ny valin’izany: “Ny nanao izany dia ny tànan’i Jehovah.” (Joba 12:9) Andriamanitra no namorona ny zavaboary hanana lafin-toetra miavaka tena ilain’izy ireo amin’ny fiainana, ary tsy voatery ho takatry ny olombelona amin’ny fomba feno izany. Misy antony hafa koa anefa nanaovana ny zavamananaina ho kanto aoka izany. Mahasambatra sy mahafinaritra ary mahafaly ny olona izany. Olona maro tokoa ankehitriny no mitovy hevitra amin’i Davida fahiny, izay nanoratra hoe: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.”—Salamo 104:24.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara