Andian’ombidia Fotsy Hafakely
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE
MISY andian’ombidia fotsy eto amin’ny Valan-javaboarin’i Chillingham, eto amin’ny Faritanin’i Northumberland, akaikin’ny sisin-tany manelanelana an’i Angletera sy Ekosy. Misy mpitsidika avy any lavitra, tonga isan-taona hijery ireo biby ireo. Nahoana? Satria hafakely izy ireo. Nitsidika azy ireo koa izahay mivady androany.
Voalaza fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-13 no nisian’ny ombidia fotsy voalohany teto. Nofefena mantsy tamin’izay ity valan-javaboary 600 hektara ity mba hametrahana ombidia hatao sakafo. Faritra 140 hektara ihany sisa izao no natao honenan’izy ireo. Mena ny sofin’ireo biby ireo, mainty ny tongony, ary feno tasy ny tarehiny. Mipoitra ireo tasy ireo raha vao feno roa taona eo ho eo izy ary miparitaka tsikelikely mankany amin’ny tendany sy ny sorony izany.
Mbola tsy re mihitsy hoe nisy hafa loko ny zanak’izy ireo, na dia faritra kely amin’ny vatany fotsiny aza. Voalaza fa mbola tsy nivady tamin’ny omby fiompy mihitsy izy ireo, tsy mba toy ireo omby hafa an’arivo tato amin’ity valan-javaboary ity. Lasa misy andiany kely maromaro amin’ireny omby hafa ireny mantsy izao manerana an’i Grande-Bretagne sy any Amerika avaratra. Nasehon’ny fitsirihana natao fa tsy misy mitovy sokajin-dra amin’ny ombidia fotsy mihitsy ny omby hafa atỳ Eoropa Andrefana.
Mankany aloha ny tandroky ny ombidia lahy rehefa maniry, ary mivelatra avy eo, fa mankany aoriana kosa ny an’ny vavy. Mitovitovy amin’ny an’ny ombidia efa lany tamingana, hita amin’ny sary sokitra amin’ny lava-bato atỳ Eoropa, ny endriky ny karandohany sy ny fomba fanirin’ny tandrony. Misy manam-pahaizana milaza fa taranak’omby nirenireny taloha nanerana ny Nosy Britanika izy ireo. Mbola tsy fantatra anefa ny tena niaviany.
Manana mpanjaka izy ireo
Te hijery akaiky an’ireo biby ireo izahay, ka nandeha fiara 4x4 nankeny, niaraka tamin’ny mpiambina an’ilay valan-javaboary. Nidina namakivaky kijana mikitoantoana izahay. Tampoka teo, dia indro, tazanay ilay andian’ombidia, nialokaloka tao ambany hazo maromaro. Nijerijery be anay, toy ny fanaon’ny omby, ny sasany taminy. Nisy roa na telo nanatona moramora ary nanakasokasoka ny tandrony ngeza be tamin’ny fiaranay.
Natoron’ilay mpiambina anay ny mpitarika an’ilay andian’omby, antsoina hoe ombidia mpanjaka. Izy no mirijarija sy matanjaka indrindra. Telo taona eo ho eo izy no “manjaka”, ary izy no rain’ny zanak’omby rehetra teraka mandritra izay fotoana izay, angamba mba hahazoana antoka fa ny ra tsara indrindra foana no ao amin’ireo taranaka. Tsy misy omby lahy mahazo miray amin’ny zanany, ary tsy mahazo maka ny vadin’ny rainy ny zanakalahy.
Fomba fiainany
Ny amboadia no tena fahavalon’ireo biby ireo taloha, ka izay tsy dia matanjaka no tena hazainy. Tsy nisy amboadia intsony teto Grande-Bretagne nanomboka tamin’ny taonjato faha-16, nefa mirifatra mandositra ireo ombidia ireo indraindray, rehefa misy mampitahotra. Rehefa tafajanona izy ireo, dia manao boribory manodidina ny ombivavy sy ny zanany ireo omby lahy, mba hiarovana azy ireo amin’izay mety ho biby mpiremby.
Tena ombidia tokoa ireo, ka tsy mety hampiharina aminy loatra ny fomba fiompiana maoderina. Tsy mety mihinana voa madinika sy sakafom-biby izy ireo, mandritra ny ririnina tsy ahitana ahitra firy, fa aleony bozaka maina sy mololo. Tena maivana ny ombidia rehefa any an-kibo, ka tsy dia sahirana firy ny reniny rehefa miteraka azy. Tsy misy na inona na inona azo atao anefa, raha sendra saro-piterahana ilay reny, satria tsy azo iantsoana dokoteram-biby akory. Voalaza mantsy fa mety hovonoin’ny namany rehetra ny ombidia iray raha misy olona nikasika azy.
Tsy eny akaikin’ilay andiany ny ombivavy no miteraka. Miara-miafina mandritra ny herinandro eo ho eo aloha izy sy ny zanany, vao mankeny amin’ilay andiany. Mitsena azy ireo ilay ombidia mpanjaka ary mitondra azy ireo mankeo amin’ireo namany. Fofonin’ireo ombivavy sy jereny tsara ilay zanak’omby alohan’ny hanekena azy ho anisan’izy ireo. Tsy dia misy mijerijery intsony izy rehefa nekena.
Nisy aretin’ny biby fiompy atỳ Eoropa, nihanaka teo amin’ny efatra kilaometatra nanodidina ny Valan-javaboarin’i Chillingham, tamin’ny 1967. Nakatona haingana ilay valan-javaboary mba tsy hisy olona hiditra, ka voaro ireo ombidia. Notapahina ny hevitra taorian’izay fa hasiana vitsivitsy amin’izy ireo any Ekosy mba tsy hahalany tamingana azy. Tsy nisy nifamono izay rehetra nalefa tany satria niara-nafindra.
Nahafinaritra anay iny fitsangantsanganana fohy nijerena ny ombidia fotsy iny, sy nahafantarana ny sasany tamin’ny tantarany. Mety ho afaka hitsidika an’ireo biby hafakely ireo, ao amin’ilay valan-javaboary milamina, ianao indray andro any.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]
Courtesy Chillingham Wild Cattle Association
Loaned by courtesy of Lawrence Alderson