FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/2 p. 28-29
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Akanjo Ba ho An’ny Pingouins
  • Hitroka sa Tsy Hitroka?
  • Loza Ateraky ny Toaka
  • Namakivaky ny Pasifika Tamin’ny Lakana
  • Mahasitrana Haingana ny Dokotera Mahafinaritra
  • Mahasoa ny Fanatanjahan-tena Tsy Tapaka
  • Fiarandalamby Haingam-pandeha any Frantsa
  • Iharam-panerena ny Ankizy
  • Misy Fiantraikany eo Amin’ny Zavamiaina ny Ranomasina Mihamafana
  • Ireny ny “Pingouins” Kely Manao Matso!
    Mifohaza!—2002
  • Ny Fisotroana Tafahoatra sy ny Fahasalamana
    Mifohaza!—2005
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2003
  • Loza Ateraky ny Fisotroana Tafahoatra
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/2 p. 28-29

Topy Maso Eran-tany

Akanjo Ba ho An’ny Pingouins

Akanjo ba 1 000 mahery nataon’ny mpirotsaka an-tsitrapo avy any amin’ny tany samihafa no nalefa tany Tasmania any Aostralia. Ho an’iza izy ireo? Ho an’ny pingouins kely, voron-dranomasina tsy manidina, milanja iray kilao eo ho eo, ary miaina any amin’ny faritra be solika miparitaka matetika. Manazava toy izao ny gazety National Post any Kanada: “Voatelin’izy ireo ny solika misy poizina miraikitra amin’ny volony rehefa manadio ny tenany amin’ny vavany izy. Ampanaovin’ny mpirotsaka an-tsitrapo an’ilay akanjo ba ireo vorona ireo [alohan’ny] hanadiovana azy, mba tsy hitelina ny solika eny amin’ny volony.” Mampahafana azy koa ilay akanjo ba, hoy ihany ny Post. Nilaza i Jo Castle, mpitondra tenin’ny Fikambanana Tasmanianina Miaro ny Zavaboary fa efa nanaovana akanjo ba koa ny voron-dranomasina tany amin’ny Ila Bolantany Avaratra, nefa “novana modely hafa ilay izy mba ho an’ny pingouins kely tatỳ amin’ny Ila Bolantany Atsimo.”

Hitroka sa Tsy Hitroka?

Io no adihevitra raha ny mpihinana lasopy paty any amin’ny hotely be mpitia any Japon fotsiny no resahina. Lazain’ny Japoney zokinjokiny fa tena matsiro kokoa ny paty lavalava raha trohina miaraka amin’ny ranony dieny mbola mafana. Heverin’izy ireo ho ara-dalàna ny mitroka mafy, sady fomba ampisehoana fa tiana ilay sakafo. Hafa anefa ny fiheveran’ny tanora japoney ny fahalalam-pomba rehefa mihinana paty. Hoy ny gazety The Japan Times: “Mitandrina kokoa ny tanora japoney mba tsy hipitihan’ny lasopy ny karavatony landy sy ny akanjo lamaodiny. Nozarina hanana fomba tandrefana sy tamin’ny sakafo somary tandrefana izy ireo, ka toa sosotra rehefa mitroka lasopy ny manodidina azy.” Nanjary niteraka olana teo amin’ny tanora sy ny antitra any Japon ny fitrohana lasopy, ka mahatonga ny zokinjokiny ho menatra rehefa manao an’izany eny imason’olona. Nitaraina toy izao ny gazety japoney lehibe iray miandany amin’ny zokinjokiny: “Tena hangingina loatra raha tsy misy olona re mitroka lasopy intsony.”

Loza Ateraky ny Toaka

Milaza ny gazety ara-pitsaboana The Lancet any Grande-Bretagne fa “mampahatahotra ny fitomboan’ny ratra sy ny kilema ary ny fahafatesana vokatry ny toaka eo amin’ny tanora any Eoropa tato anatin’ireo taona faramparany.” Any Eoropa no betsaka mpisotro indrindra eran-tany. Tanora 55 000 isan-taona mantsy no matin’ny toaka any. Ny ampahatelon’ny mpianatra tany Danemark, Failandy, Grande-Bretagne, Groenlandy, Irlandy, nanontaniana momba ny fahazarany misotro no niaiky fa mamo intelo, fara fahakeliny, tamin’ny volana lasa. Araka ny fanadinadinana mpianatra 15 ka hatramin’ny 16 taona, miisa 100 000, any amin’ny tany eoropeanina 30, dia i Litoania, Polonina, ny Repoblikan’i Slovakia ary Slovenia no manana tanora mihamisotro toaka be indrindra. “Mahavoa ny vehivavy mahery kelin’ny 20 taona koa izao, ny aretin’aty efa lasa lavitra mpahazo ny lehilahy 40 ka hatramin’ny 50 taona mahery mpiboboka toaka”, hoy ny nampitandreman’ny Oniversiten’i Londres ho An’ny Mpitsabo any Grande-Bretagne, araka ny voalazan’ny gazety Independent any. “Tondroin’io oniversite io fa ny loza ateraky ny toaka no andaniam-bola be indrindra any Grande-Bretagne.”

Namakivaky ny Pasifika Tamin’ny Lakana

Namakivaky ny Oseana Pasifika ny anglisy iray antsoina hoe Jim Shekhdar. Tsy nandeha sambo lay na sambo misy maotera izy, fa lakana kely mitafo sasaka. Milaza ny gazety El Comercio any Lima fa niala tany amin’ny morontsirak’i Peroa tamin’ny Jona 2000 izy. Nitondra fitaovana fanalan-tsira amin’ny rano sy radio ary fitaovam-pifandraisana efatra mandeha amin’ny satelita, io mpitondra lakana sahisahy io. Fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro no nampiasainy mba hampandeha azy rehetra ireo. Tonga tany Aostralia io lehilahy nantsoin’ny sasany hoe “mpitondra lakana adala” io, sivy volana tatỳ aoriana, tamin’ny Martsa 2001, rehefa nahavita 15 000 kilaometatra. Tafavoaka velona izy, na dia notafihin’ny antsantsa impolo sy saika nifandona tamina sambo mpitondra solika aza. Niatrika zava-tsarotra farany izy tamin’ny andro nahatongavany, rehefa navadiky ny onja ny lakany ka voatery nilomano 100 metatra izy, mandra-pahatongany teny amin’ny fianakaviany efa sasa-niandry azy.

Mahasitrana Haingana ny Dokotera Mahafinaritra

Hoy ny gazety The Times any Londres: “Tena mahazo vokatra tsara kokoa ny dokotera manome toky sy miresaka tsara amin’ny marary.” Nilaza toy izao ny mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i York sy Exeter ary Leeds any Angletera, rehefa avy nandinika tatitra 25 momba an’io raharaha io: “Hita ho nahomby kokoa ny dokotera niezaka nanana fifandraisana tsara sy nahafinaritra tamin’ny marariny sady nanome toky azy fa hihatsara haingana izy. Tsy mba toy izany ny dokotera manao adidy fotsiny, na hentitra, ary tsy miresaka firy momba ny aretin’ny marariny rehefa mizaha azy.” Nasehon’ny fandinihana natao tany Soeda fa “sitrana haingana kokoa sady afa-po kokoa ny marary raha manome toky azy ny dokotera fa hihatsara izy, ary raha mampirisika azy hametraka fanontaniana sy manokana minitra vitsy hiresahana aminy.”

Mahasoa ny Fanatanjahan-tena Tsy Tapaka

Manao fanatanjahan-tena mafy be tsindraindray ny olona matahotra ny hatavy loatra na ho voan’ny aretin’ny mpanelira na ny aretina hafa vokatry ny fipetrahana foana rehefa miasa. Nisy fandinihana natao vao haingana nolazain’ny gazety Süddeutsche Zeitung any Alemaina, anefa nampiseho fa tsara kokoa ny fanatanjahan-tena matetika sady voalanjalanja, noho ny fanatanjahan-tena faran’izay mafy nefa mahalana, mba hanairana ny fahaizan’ny vatana manova ny sakafo ho hery. Nandinika ny hery lanin’ny olona 30 tao anatin’ny iray minitra ilay dokotera mpikaroka holandey antsoina hoe Klaas Westerterp. Hitany tamin’izany fa mahomby kokoa ny fanaovana fanatanjahan-tena isan’andro ampitomboina tsikelikely, noho ny “fanatanjahan-tena faran’izay mafy, mba hanonerana ny fotoana tsy nihetsehan’ny vatana.” Manoro hevitra ilay gazety hoe: “Ampifandimbiaso amin’ny fipetrahana sy ny fitsanganana, ny fanatanjahan-tena voalanjalanja toy ny fandehanana an-tongotra na fitaingenana bisikileta matetika araka izay azo atao.”

Fiarandalamby Haingam-pandeha any Frantsa

Naharitra adiny 16 mahery ny fandehanana fiarandalamby niala tany Paris nankany atsimo any Marseille tamin’ny 1867. Mbola naharitra adiny fito sy sasany izany tamin’ireo taona 1960. Namoaka fiarandalamby vaovao haingam-pandeha mampitohy an’ireo tanàna roa ireo anefa ny Lalambim-pirenena Frantsay tamin’ny Jona 2001. Afaka manao dia maherin’ny 300 kilaometatra isan’ora izao ny mpandeha amin’izy io, ary mahavita ilay halaviran-dalana 740 kilaometatra ao anatin’ny adiny telo monja. Any amin’ny lalamby mirefy 250 kilaometatra any atsimon’i Lyon, dia mamakivaky tetezana maherin’ny 500 ny fiarandalamby. Mandalo eo ambonina tetezana lava be tsara tarehy mirefy 17 kilaometatra koa izy io, ary miriotra ao ambanina tionelina efa ho valo kilaometatra. Milaza ny Le Monde, gazety frantsay mpiseho isan’andro, fa raha ilaina dia “fiarandalamby hatramin’ny 20 isan’ora”, izany hoe anankiray isaky ny telo minitra, “no afaka mivezivezy tsy misy atahorana mihitsy.”

Iharam-panerena ny Ankizy

“Tsy toy ilay fotoana faran’izay tsara nilalaovana teny an-tokotany, fotoana nialana voly sy nampilamina intsony ny fahazazana, fa efa taloha be izany”, hoy ny gazety El Universal any Mexico. Heverin’ny mpikaroka fa miatrika fanerena mitovy amin’ny olona 25 taona tamin’ny 1950 ny ankizy 10 taona ankehitriny. Vokatry ny fianarana sy ny zavatra hafa heverin’ny ray aman-dreny fa hanampy ny zanany hanana hoavy tsara kokoa izany fanerena izany. “Misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamany sy ny fialany sasatra ary indrindra ny fitomboany” anefa izany asa fanampiny izany, hoy ilay gazety. Manoro hevitra ny ray aman-dreny izy mba handinika indray ny andraikitry ny zanany, mba hahafahan’ireo ankizy hijanona ela kokoa ao an-trano. Tsy hoe tsy hanao na inona na inona anefa izy ireo na hijanona eo anoloan’ny tele na ny ordinatera foana rehefa avy mianatra. “Ny tanjona dia ny hivoahany ny tranony sy hilalaovany miaraka amin’ny ankizy hafa, ny hihazakazahany, handehanany bisikileta, hanaovany ankamantatra na sarisary.”

Misy Fiantraikany eo Amin’ny Zavamiaina ny Ranomasina Mihamafana

Nitsidika ny Nosy Heard, any amin’ny 4 600 kilaometatra atsimoandrefan’i Aostralia ny mpahay siansa, vao tsy ela izay. Nahita fiovana tampoka teo amin’ny zavamaniry sy ny biby any amin’io nosy lavitra io izy ireo. Mitatitra ny gazety West Australian fa “nitombo ny pingouins mpanjaka sy ny lambondriaka voloina ary ny cormoran, ary lasa rakotry ny zavamaniry ny faritra feno vongan-dranomandry teo aloha.” Nilaza ilay biolojista antsoina hoe Eric Woehler fa pingouins mpanjaka mpivady telo samy manan-janaka no hita tany amin’io nosy io tamin’ny 1957. “Efa maherin’ny 25 000 izy ireo izao”, hoy izy. Nilaza i Woehler fa nitombo 0,75 degre eo ho eo ny hafanan’ny fanambonin’ny ranomasina tato anatin’ny 50 taona. Nilaza koa izy hoe: “Ampy hahatonga ny karazam-piovana hitantsika izany fitomboan’ny hafanana izany, na dia toa tsy be loatra aza.” Nanombantombana anefa izy fa mety hafana loatra ny toetany ao amin’ilay nosy amin’ny farany, ka mety hisy zavamaniry na biby tsy ho afaka hivelona ao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara