FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/11 p. 23-25
  • Ireny ny “Pingouins” Kely Manao Matso!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireny ny “Pingouins” Kely Manao Matso!
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Mahafatifaty nefa matanjaka koa’
  • Volony hafakely
  • Ny fiainany etỳ an-tanety
  • Hanomboka àry ilay matso!
  • Pingouins kely, fa olana lehibe
  • Ny Volon’ny Vorondrano
    Mifohaza!—2013
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2002
  • Emperora Iray Mahazendana
    Mifohaza!—2000
  • Pejy Faharoa
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/11 p. 23-25

Ireny ny “Pingouins” Kely Manao Matso!

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

MANGINA ny mpijery, efa tsindrian-daona erỳ. Mibanjina ny lavitra izy ireo, manara-maso ny fisehoana voalohany ataon’ireo mpilalao malaza, amin’ity alina ity. Velona amin’izay ilay sehatra nasiana jiro be rehefa nisy endrika kely nipoitra tampoka teny amoron-drano. Talanjona ny mpijery sady nifampibitsibitsika vetivety, rehefa nahita endrika kely hafa nipoitra ary hafa koa nanaraka azy avy eo. Ireny fa manao matso ny pingouins kelin’ny Nosy Phillip!

Nanomboka fantatra eran-tany ny pingouins rehefa namakivaky ireo oseana lehibe any atsimo atsinanana i Vasco de Gama sy Ferdinand Magellan, lehilahy malaza mpamantatra tany vaovao, tamin’ny taonjato faha-16. Nanontany tena ny olona tamin’ny voalohany hoe kilasina ho inona ny pingouin. Manana volo toy ny vorona mantsy izy sady milomano toy ny trondro, nefa mandeha an-tanety koa. Ny volony àry no nanakilasiana azy. Ny vorona ihany no manana volo ka notapahina ny hevitra fa vorona ny pingouin. Misy karazany 18 io vorona tsy manidina antsoina hoe pingouin io. Anisan’izany ny pingouins lehibe indrindra antsoina hoe emperora sy ny pingouins Adélie any amin’ny Tendrontany Atsimo, ary ny pingouin Galápagos, any akaikin’ny ekoatera.

Te hitsidika andiana pingouins any amin’ny fonenany voajanahary ve ianao? Tongava àry atỳ amin’ny Nosy Phillip, 140 kilaometatra monja any atsimoatsinanan’ny tanàna maoderin’i Melbourne, atỳ Aostralia. Misy mpitsidika 500 000 eo ho eo voasarik’io zava-mahatalanjona kely io ka tonga atỳ isan-taona. Inona no mahatonga ny pingouins kelin’ny Nosy Phillip ho mahatehotia aoka izany?

‘Mahafatifaty nefa matanjaka koa’

Avy hatrany dia mambabo izay mahita azy ny pingouins kely noho ilay volony fotsy sy mainty toy ny kompile fitondra mianjaika. Mirefy 33 santimetatra eo ho eo ny halavany, ary iray kilao monja ny lanjany, ka izy no kely indrindra amin’ny pingouin. Tandremo anefa sao voafitaka! Kely tokoa mantsy izy, saingy tena be fikirizana sy faharetana.

“Mahafatifaty ny pingouins kely nefa matanjaka koa”, hoy ny Profesora Mike Cullen, izay nandinika andiana pingouins nandritra ny 20 taona mahery, tatỳ amin’ny Nosy Phillip. Ireny pingouins kely indrindra ireny koa no be tabataba indrindra. Mikotaba mihitsy ry zareo amin’ny alina, ka mierona, mikiririoka, mikiakiaka, mikonaina, rehefa miaro ny akaniny amin’ireo mpiditra an-keriny. Manao toy izany koa izy ireo rehefa mitady vady na “mianatra hira” miaraka amin’ny namany.

Mety tsara amin’ny pingouins ny anarana hoe Eudyptula minor, niantsoana azy voalohany tamin’ny 1780. Avy amin’ny teny grika izy io ary midika hoe “ilay kely mpahay antsitrika.” Toy ny manidina any anaty rano mihitsy izy amin’izato vatany mahitsy be, ny volony malamalama sady tsy tantera-drano, ary ny elany lehibe sy fisaka.

Volony hafakely

Afaka milomano 100 kilaometatra isan’andro ireo pingouins ireo rehefa mitady sakafo, ary mijanona any an-dranomasina mandritra ny andro na herinandro maromaro izy raha ilaina izany. Ahoana no hatoriany any an-dranomasina? Ilay volony tena ary fomba no manampy azy. Matevim-be izy io sady mifampidipiditra. Avo telo na efatra heny ny habetsahany raha oharina amin’ny volon’ny voro-manidina. Miaro ilay pingouin ny rivotra tafiditra ao amin’io volony io sady mampitsinkafona azy. Noho izany, dia mora aminy ny matory any an-dranomasina, ka mivadibadika toy ny bosoa eny izy sady mamelatra ny elany mba hahafahany hitsingevana. Mivoaka amin’ny rano koa ny vavany ka afaka miaina tsara izy.

Mazava ho azy fa tsy hiaro ny pingouin io volony matevim-be io raha tanteraky ny rano mangatsiaka, rehefa misitrika any izy mba hitady sakafo. Tsy olana aminy anefa izany, satria misy fihary menaka manokana eo amin’ny rambony, mamoaka ranon-javatra toy ny savoka. Rehefa manadio ny tenany amin’ny vavany ny pingouin dia manaparitaka an’io savoka io amin’ny volony. Mahatonga ny volony tsy ho tantera-drano, hadio ary ho salama tsara izany. Tsy misy fitaovana tsara kokoa noho izany mba hiainana any an-dranomasina.

Miteraka olana ho an’ireo zavaboary an-dranomasina ireo ve ny tsy fisian’ny rano mamy? Misy fihary manokana roa ao ambonin’ny masony ao, manaisotra ny sira voateliny. Akifiny fotsiny ny vavany dia mivoaka eo amin’ny vavorony ilay sira.

Miavaka koa ny mason’ny pingouins, satria mahita tsara izy any anaty ranomasina, tsy misy hafa amin’ny etỳ ivelany. Ampy fitaovana tsara mba hiaina anaty rano tokoa io zavaboary io. Soa ihany anefa fa tsy mijanona any anaty rano foana ny pingouin kely, raha tsy izany dia tsy afaka mahita azy isika.

Ny fiainany etỳ an-tanety

Mikitoantoana sy be fasika ary rakotra bozaka matevina sy zavamaniry ny moron-dranomasina atỳ amin’ny Nosy Phillip sy ilay kontinanta. Mety tsara izany mba honenan’ny andiana pingouins kely 26 000. Akany iray eny amoron-dranomasina no iandohan’ny fiainany. Miasa mafy ny ray aman-dreniny mandavaka azy io anaty dongom-pasika. Velona soa aman-tsara ny atody vaovao iray, na dia mety hijanona amin’ny hatsiaka mandritra ny andro maromaro aza, izay vao hifandimby hikotrika azy ny ray aman-dreniny. Misy faritra tsy misy volo ary natao hikotrehana atody, eo amin’ny kibon’izy ireo. Rehefa mikotrika ilay pingouin, dia mihafeno ra mafana izy io, ka mibontsina ary manome ny hafanana ilain’ilay atody mba hitomboany. Mihena indray izy io rehefa tsy mikotrika ilay pingouin fa soloan’ny vadiny. Tsy tantera-drano ny volony amin’izay, ka afaka miverina any an-dranomasina izy mba hitady sakafo.

Mitombo haingana be ny zana-borona raha vao foy. Mitovy habe amin’ny pingouin lehibe sahady izy aorian’ny valo na folo herinandro monja, ary vonona ho any an-dranomasina. Hoy ilay boky hoe “Pingouin” Kelin’i Aostralia (anglisy): “Tena mahazendana ireo pingouins kely, satria manao dia lavitra an-dranomasina izy, nefa tsy manana fitaovana afa-tsy ny vatany mahavariana . . . sy ny fahaizany voajanahary fotsiny.”

Mety handehandeha an’arivo kilaometatra ny pingouins kely mandritra ny iray na telo taona manaraka, ary any an-dranomasina izy mazàna. Matetika ireo sisa velona no miverina any amin’ny andiany nisy azy taloha mba hanatody. Eo amin’ny 500 metatra avy amin’ny toerana nahafoy azy no misy azy io. Ahoana no ahafantarany ny lalana mody? Misy milaza fa ny masoandro sy ny fiovaovan’izy io no mitarika ny diany. Misy indray mihevitra fa misy toerana miavaka sasany tadidiny ka mitari-dalana azy. Na ahoana na ahoana, dia mahavariana ny mijery azy ireo mody etỳ an-tanety, rehefa avy nanao dia lavitra na aorian’ny andro fanjonoana iray nandreraka. Izany no mahasarika olona maro hankatỳ amin’ny Nosy Phillip.

Hanomboka àry ilay matso!

Raha vao nihamaizina ny andro, dia naka toerana ny mpitsidika an-jato, efa may erỳ hijery ireo pingouins hanao matso. Efa ela ireo pingouins no nitangorona tany anaty rano, tao ambadiky ny onja, nitsitokotoko ho zato teo ho eo. Nohazavaina tamin’ny jiro be maromaro ilay torapasika. Misy rivotra malefaka mitsoka sy onja kely mitopatopa eny amoron-dranomasina eny. Manahy ireo mpijery. Nankaiza àry ireo pingouins? Ho avy eto amoron-drano eto ihany ve ry zareo? Tamin’izay indrindra no nipoitra teo amoron-drano ireo pingouins kely voalohany, mirezareza sady taitaitra. Natahotra tampoka ry zareo ka nanjavona tany anaty onja. Tena mailo ireo pingouins kely, satria tsaroany fa mety hisy ny mpiremby, toy ny voromahery. Tsy ela dia nipoitra indray ry zareo, ary afaka tsikelikely ilay tahotra. Farany, dia nisy pingouin sahisahy iray nivoaka avy tao anaty rano, navitribitrika erỳ, nidoladola niampita ny torapasika ary namonjy ny dongom-pasika. Mailaka erỳ ny namany nanaraka azy. Tsy niraharaha ny jiro sy ny mpijery izy ireo, fa niara-namindra niakatra ny torapasika, toy ireny mpanao matso mavitribitrika ireny.

Hita mihitsy hoe azoazon’izy ireo ny ainy, rehefa tonga soa aman-tsara teny amin’ilay dongom-pasika izy. Mivory ho andiany lehibe noho ilay teo ry zareo mba hanadio ny volony. Manao toy izany avokoa ny andiany tsirairay rehefa miampita ny torapasika, ka miato kely aloha mba “hitafa sy hiresaka” amin’ny hafa, izay vao miriorio mody. Mafy ny dia an-tongotra tsy maintsy ataon’ny sasany hamonjena ny akaniny, ao koa ny tsy maintsy mitsambikimbikina, mananika hantsam-bato mideza mahatratra 50 metatra.

Pingouins kely, fa olana lehibe

Toy ny zavaboary hafa maneran-tany, dia miatrika olana maro ny pingouins kely, ary avy amin’ny olona ny ankamaroany. Mety hampidi-doza azy ireo, ohatra, ny solika hararaky ny sambo mandalo, ny fihenan’ny toeram-ponenany noho ny asan’ny olombelona, ary ny biby mpiremby nampidirina tany, toy ny fosa sy ny biby ompiana ao an-trano.

Mendri-piderana ny ezaka efa natao mba handaminana ireo olana ireo. Tao anatin’ny taona faramparany, dia tsy nihena intsony ny isan’ny pingouins kely, any amin’ny Vala Fiarovana Pingouin’ny Nosy Phillip. “Mandresy amin’ilay ady isika . . . fa tsikelikely”, hoy ny profesora Cullen. Hoy koa izy: “Ny tena manahirana antsika izao dia ny fiarovana ny tahirin-tsakafon’ny pingouins kely . . . ary izany dia mifamatotra amin’izay manjo ny ranomasina sy ny olombelona amin’ny fitambarany.” Misy vokany eo amin’ny tahirin-tsakafo an-dranomasina ny fiakaran’ny maripanan’ny tany sy ny zava-miseho eo amin’ny toetr’andro, toy ny El Niño. Miteraka olana lehibe koa izany, ary mifofotra mandinika izany ny mpikaroka amin’izao fotoana izao.

Azo antoka fa ny valin’io fikarohana io dia hahatonga antsika hahafantatra sy ho tia kokoa ity planetantsika marefo nefa feno zavaboary isan-karazany ity. Voakarakara tsara ny biby atỳ amin’ny Nosy Phillip, ka mety hahita pingouins koa ianao indray andro any, ary hibitsibitsika hoe: “Ireny ny pingouins kely manao matso!”

[Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

NOSY PHILLIP

[Sary, pejy 24, 25]

Efa vonona ny sehatra sy ny mpijery, miandry ny “pingouins” hanao matso

[Sary, pejy 25]

Folo herinandro monja dia lehibe ny zana-borona

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Sary: Photography Scancolor Australia

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Sary eo amin’ny pejy 24 sy 25: Photography Scancolor Australia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara