FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/3 p. 24-27
  • Masai—Vahoaka Miavaka sy Tia Loko Marevaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Masai—Vahoaka Miavaka sy Tia Loko Marevaka
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tonga soa eto amin’ny tanàna masai
  • Vahoaka tia omby
  • Miavaka sy tia loko marevaka
  • Fiainam-pianakaviana masai
  • Ny fahazazan’ny Masai
  • Fahatongavana ho olon-dehibe
  • Hanao ahoana ny hoavin’ny Masai?
  • Pejy Faharoa
    Mifohaza!—2002
  • Andian’ombidia Fotsy Hafakely
    Mifohaza!—2002
  • Fitsidihana Tsy Hay Hadinoina ny Vava Volkano Ngorongoro
    Mifohaza!—2005
  • ‘Tsy Velona ho An’ny Tenanay Intsony Izahay’
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/3 p. 24-27

Masai—Vahoaka Miavaka sy Tia Loko Marevaka

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

NANAKOAKO nanerana ny lohasaha vao maraina ny hiran’ny ankizilahy kely masai (maasai) iray. Nentin’ny rivotra mavesatra sady mandomando ilay feo. Niara-niakatra tamin’ny masoandro ny feo mangan’ilay zazalahy, tsy nisy hafa tamin’ny railovy nanandra-peo, raha vao niposaka ny masoandro.

Nihaino izany aho no indro, nahariharin’ny masoandro niposaka ilay mpiandry omby masai nitsangana teo akaikin’ireo ombin-drainy. Misalotra lamba lavalava mena izy. Nijoro tamin’ny tongotra ilany toy ny vanobe izy, nitehina tamin’ny tahon’ny lefony, ary nihira ho an’ireo andian’ombiny afa-po. Avelao hotantaraiko aminareo ny momba an’io vahoaka miavaka io, dia ny Masai.

Tonga soa eto amin’ny tanàna masai

Mpiandry omby sady tia loko marevaka ny vahoaka masai, ary monina any amin’ny Rift Valley, toerana midadasika atsy Afrika Atsinanana. Monina eto Kenya sy atsy Tanzania ny Masai, ary mitana ny kolontsainy fahiny, ka misy itovizana betsaka amin’ny fomba fiainan’ny razambeny niaina taonjato maro lasa izay, ny fomba fiainany. Ny fiposahan’ny masoandro sy ny fodiany ary ny fizaran-taona mifandimby no mibaiko ny fiainany.

Anisan’ny talentan’ny Masai ny fahaizany mivelona ao amin’ny Rift Valley, na dia mazana aza ny toe-pianana sady mikitoantoana be ny tany. Manao dingan-dava izy ireo ary mahavita dia lavitra, mba hitadiavana kijana sy loharano ho an’ny ombiny. Misy karazana antilopa, zebra, zirafy ary biby hafa monina an-tany lemaka, eo amin’ny toerana fiandrasany omby.

Vahoaka tia omby

Mino ny Masai fa azy avokoa ny omby rehetra eto an-tany. Mino izany izy ireo satria nolazain’ny angano iray fa nanan-janaka telo lahy Andriamanitra taloha, ary nanao fanomezana ho an’ny tsirairay tamin’izy ireo. Ny lahimatoa nahazo zana-tsipìka hihazana, ny lahiaivo nahazo angady hambolena, ary ny faralahy nahazo tehina hiandrasana omby. Io faralahy io, hono, no raiben’ny Masai. Na dia manana omby aza ny foko hafa, dia inoan’ny Masai fa azy ireo ireny raha ny tena marina.

Ny habetsahan’ny ombin’ny lehilahy iray sy ny isan’ny zanany no mamaritra ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina masai. Heverina ho mahantra tokoa mantsy ny lehilahy manana omby latsaka ny 50. Manantena hampitombo ny isan’ny ombiny hatramin’ny arivo ny lehilahy masai, noho ny fanampian’ny vady aman-janany maro be.

Miraiki-po amin’ny ombiny ny fianakaviana masai. Fantatr’izy ireo tsara ny feo sy ny toetra mampiavaka ny omby tsirairay. Asiana tomboka vy mahamay ny omby matetika ary asiana soritsoritra lava be sy kisarisary be pitsiny mba hampisy endrika kokoa an’ilay omby. Misy hira milazalaza ny hatsaran’ny bikan’ny omby sasany sy ny fitiavan’ny olona azy ireo. Tena tiana manokana ny omby lava tandroka ary kenakenaina fatratra sy karakaraina toy ny zaza vao teraka ny zanak’omby.

Araka ny fomban-drazan’ny Masai, dia ny vehivavy no manao trano. Vita amin’ny rantsankazo ampiarahina amin’ny bozaka izy io, ary lalorina sy tsentsenana tain’omby avy eo. Aorina manodidina ny valan’omby ireo trano bongo lavalava, mba hiarovana ilay vala fandrian’ny omby amin’ny alina. Fefena amin’ny rantsankazo maranitra sady misy tsilo ny manodidina, mba hiarovana ny Masai sy ny ombiny amin’ny alikadia sy ny leoparda ary ny liona mihaodihaody.

Ny ain’ny Masai mihitsy no miankina amin’ny fahasalamana sy ny tanjaky ny ombiny. Sotroina ny rononon’omby ary andalorana sy anampenana trano ny tain’omby. Mahalana ny Masai vao mamono ny ombiny hatao sakafo, fa ondry sy osy vitsivitsy kosa mazàna no atokany ho amin’izany. Tsy misy very kosa anefa ny tapany rehetra amin’ilay omby rehefa vonoina. Atao fitoeran-javatra ny tandrony, anamboarana haingo ny kitrony sy ny taolany; ny hodiny kosa karakaraina mba hanamboarana kiraro, akanjo, rako-pandriana, ary tady.

Miavaka sy tia loko marevaka

Lava marotsaka sady tsara bika ny Masai ka mahafinaritra. Marevaka ny akanjony ka mahavariana. Lamba miloko mena midorehitra sy manga be no agoragorany mihodidina ny vatany. Rojo mitapelaka vita amin’ny vakana sy fehiloha miloko isan-karazany no haingo mahazatra ny vehivavy. Mety hasiany haba varahina koa ny tanany sy ny kitrokeliny. Samy manalava ny sofiny amin’ny kavina mavesatra sy ny firavaka feno vakana ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mihaingo. Tanimanga mena no totoina ho vovoka. Afangaro amin’ny jaboran’omby izy io matetika, ary anaovana sary amin’ny vatana.

Indray takariva, dia tafavory ny antokona Masai mba handihy, sady nisy afo nanazava ka mba nijery aho. Nanao faribolana izy ireo ary nihetsika nanaraka ny gadon-kira. Rehefa nihanandeha haingana izy ireo, dia nikapokapoka teo amin’ny sorok’ireo vehivavy ireo rojo mavesatra vita amin’ny vakana. Nifandimby nankeo ampovoany ireo mpiady masai avy eo, ka nanao vikina maro mahavariana sady ambony. Mety ho alina be vao tapitra ny dihy, izany hoe rehefa samy trotraka avokoa ny rehetra.

Fiainam-pianakaviana masai

Nandritra ilay andro nafana, dia niara-nipetraka tamina vehivavy masai maromaro aho, teo amin’ny aloky ny hazo akasia. Nozairin’izy ireo teo amin’ilay hoditra efa voakarakara ireo firavaka voakaly vita tamin’ny vakana. Sady niresaka izy ireo no nihomehy, ary tsy noraharahainy firy ireto fody nikiakiaka teo ambony lohany, sy nanamboatra ny akaniny tamin’ny bozaka maina. Tamin’ny fotoana hafa nandritra ny andro, dia somokotra indray ireo vehivavy nantsaka rano, naka kitay, namboamboatra ny tranony ary nikarakara ny ankizy.

Nandeha nody ny mpiandry omby sy ny ombiny rehefa nihanilentika ny masoandro. Niresaresa ny omby nihazo ny lalana mody, ary noho ny kitron’izy ireo dia nitora-jofo ny vovoka mena izay tarafin’ny hazavan’ilay masoandro mody nivolombolamena. Nandao ny asany avy hatrany ireo vehivavy raha vao nahatazana ny vovoka nitora-jofo teny lavitra teny, ka niomana tamin’ny fiavian’ireo omby.

Raha vao tonga tao am-bala ireo omby dia nandehandeha teny akaikin’izy ireo teny ireo lehilahy, nanafosafo ny tandrok’ireo omby lahy ary finaritra erỳ nijery ny hatsaran’izy ireo. Nobedesin-dreniny avy hatrany ny ankizilahy kely iray raha teo am-pisotroana ronono mafana avy notereny tamin’ny ombivavy iray. Nivezivezy avy teo anelanelan’ireo tandroka sy kitro maro be ireo tovovavy, kinga erỳ nitery ronono. Fenoin’izy ireo hatreny amin’ny molony ireo voatavomonta lavalava.

Nifaneritery izahay nipetraka nanodidina ny afo, izay nanafana ny rivotra nangatsiatsiaka. Nifangaro ny fofon-tsetroka sy fofon-kena natono ary ny fofona nahery avy tamin’ireo omby teo akaiky teo. Nipetraka ny zokiolona iray ary nilaza ny tantaran’ny Masai sy ny zavatra nataon’ireo mpiady masai tamin-kerim-po fahiny. Niato izy rehefa nisy liona nierona tany lavitra tany. Tsy raharahainy iny avy eo, fa tohiziny amin’ny an-tsipiriany indray ilay tantara, ka faly erỳ izay nihaino. Niala tsirairay ny olona rehetra tamin’ny farany, ka lasa natory tany anatin’ireo trano bongo tany maizimaizina. Nangina ny alina ary ny feo iva dia iva avoakan’ireo omby natory ihany no mba re. Natelin’ilay haizina sy ilay tampon-tanety midadasika koa anefa izany.

Ny fahazazan’ny Masai

Efa revo amin’ny asa ny ao an-tanàna raha vao miposaka ny masoandro. Milalao amin’iny maraina mangatsiatsiaka iny ny ankizy madinika ary samy feno vakana na ny tady kely eo am-balahany na ny rojo eo amin’ny vozony, ary izay ihany no eny an-kodiny. Mahafinaritra ny Masai ny mandre ny zanany malala mihomehy. Ireo no antoky ny hoaviny sy ny fahavelomany.

Asa ifanakonana ny fitaizan-janaka, izany hoe mety hifehy sy hanafay ny ankizy maditra izay olon-dehibe eo amin’ny fiaraha-monina. Ampianarina hanaja olon-dehibe ny ankizy, ary tsy ela dia mianatra ny fomba fiainan’ny fianakaviana masai. Tsy manana andraikitra izy ireo raha mbola kely, fa rehefa mihalehibe kosa, dia ampianarina ny raharaha ao an-trano ny tovovavy. Ny tovolahy indray ampianarina hikarakara sy hiaro ny biby fiompy. Atoron’ny ray aman-dreny ny zanany ny karazana fanafody nentim-paharazana, ary ampianariny azy ny fomba amam-panao sy lovantsofin’ny Masai izay mifandray amin’ny fiainany iray manontolo.

Fahatongavana ho olon-dehibe

Rehefa mihalehibe ny tanora dia ianarany ny fombafomba sy ny fety isan-karazany izay hanamarika fa lasa olon-dehibe izy. Ianarany, ohatra, ny fomba amam-panao rehefa misy marary, loza, fampakaram-bady ary fahafatesana. Mino ny Masai fa ho voaozona izy raha tsy manaraka ireny fombafomba ireny.

Mety hanamboatra ny fanambadian’ny zanany vavy ny ray aman-dreny masai raha mbola zazakely izy. Izay lehilahy manana ireo omby tadiavin’ilay raim-pianakaviana ho vodiondry no omena toky fa hahazo an’ilay zazavavy. Lehilahy efa zokiny be sady efa manana vady maromaro matetika no lasa vadin’ilay zazavavy.

Mifandray akaiky amin’ireo zatovolahy mitovy taona aminy ny zatovolahy masai rehefa mihalehibe. Mety haharitra mandra-pahafatiny ny fifandraisana manokana eo amin’izy ireo. Miaraka izy ireo raha mbola tovolahy tsy za-draharaha ka mandra-pahatongan’izy ireo ho mpiady. Amin’ny maha mpiady azy ireo dia andraikiny ny miaro ny toeram-ponenany sy ny loharano ho an’ilay fiaraha-monina ary ny biby fiompy, mba tsy ho azon’ny bibidia na ny mpangalatra. Malaza ho be herim-po ny Masai, ka tsy misaraka amin’ny lefony maranitra mihitsy.

Manao ny dingana farany amin’ny fahamatorana ny mpiady rehefa 30 taona eo ho eo. Mientam-po izy ireo ary manao fombafomba be rehefa ampianarina ny andraikitry ny zokiolona, ary mahazo manambady amin’izay. Rehefa tonga eo amin’io toerana manan-kaja io izy ireo, dia haka vady amin’izay sy hampitombo ny ombiny. Antenaina hanome torohevitra sy hitsara ady koa izy ireo.

Hanao ahoana ny hoavin’ny Masai?

Mihamanjavona haingana ankehitriny ireo fombafomba sy kolontsaina mampiavaka ny Masai. Any amin’ny faritra sasany, dia tsy afaka mandehandeha mitady kijana miaraka amin’ny ombiny intsony ny Masai. Novana ho valan-javaboary izao ny ampahany lehibe tamin’ny tanin’izy ireo fahiny, na nanorenana trano, na natao toeram-pambolena ho an’ireo mponina mihamaro. Sarotra ny fiainana ary eo koa ny main-tany, ka maro ny Masai voatery mivarotra ny ombiny, na dia tsy mahafoy azy ireo aza. Tratran’ny olana mpahazo ireo olona any amin’ny tany mandroso manodidina azy koa izy ireo rehefa mankany an-tanàn-dehibe.

Mitory amin’ny Masai any Afrika Atsinanana ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Maherin’ny 6 000 ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! vita pirinty amin’ny fiteny masai. Amin’izany fomba izany no anampiana ny Masai hahafantatra ny maha samy hafa ny finoanoam-poana sy ny fahamarinana ara-baiboly. Mahafaly ny mahafantatra fa hiaraka ho tafita velona amin’ireo ‘firenena sy fokom-pirenena sy olona ary samy hafa fiteny’ maro be io vahoaka miavaka sy tia loko marevaka io, fa tsy hiara-ringana amin’ity tontolo ratsy ity.—Apokalypsy 7:9.

[Sary, pejy 25]

Trano bongon’ny Masai

[Sary, pejy 26]

Masai tafavory mba handihy

[Sary, pejy 26]

Vavolombelona masai roa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara