FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/3 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2001
  • Pejy Faharoa
    Mifohaza!—2001
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/3 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Vavaka Tena nampahery ahy ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Ho Ren’Andriamanitra ve ny Vavaka Ataoko?” (8 Jolay 2001) Nahazo an’iny gazety iny aho fony narary tany amin’ny hopitaly. Tsy afaka nankany amin’ny Efitrano Fanjakana na nankany amin’ny fivoriambentsika aho. Tena nalahelo aho ary tsy nahay nifehy ny fihetseham-poko. Nampitony ahy ny fivavahana tamin’i Jehovah, ary tena nahagaga fa velombelona tsy nisy toy izany ny foko. Nahery aho rehefa nahalala fa tsy hanadino ahy mihitsy i Jehovah.

A. O., Japon

Valo ambin’ny folo taona aho ary mpisava lalana maharitra, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Nandritra ny volana vitsivitsy izay, dia ketraka aho. Nahatsapa toa an’i Steve, ilay tanora resahina ao amin’ilay lahatsoratra, aho. Nieritreritra izy indraindray fa tsy tokony hanelingelina an’Andriamanitra rehefa manana zava-manahirana. Nandinika tsara ilay torohevitra ao amin’ny Lioka 12:6, 7 anefa aho. Nanomboka nihatony aho ary voatosika hamboraka ny tao am-poko tamin’i Jehovah.

M. D., Nikaragoay

Fahasalamana Namaky an’ilay lahatsoratra hoe “Fitsaboana Maoderina—Ho Tafakatra Hatraiza?” aho tao amin’ny gazetinareo 8 Jona 2001. Tsy dia mahay firy momba ny fitsaboana sy ny siansa aho, nefa hitako fa tena mahaliana sady mahasoa manokana ny fanazavanareo sy ny firesahanareo ny tantaran’ny fitsaboana. Hotahiriziko iny gazety iny.

E. F., Alemaina

Fidorohana Zava-mahadomelina Mahazo tsy tapaka ny gazetinareo avy amin’ny mpiara-miasa amiko aho, ary mamaky azy ireny. Toa milaza an-kolaka anefa ilay andian-dahatsoratra hoe “Fidorohana Zava-mahadomelina—Misy Vahaolana!” fa mpidoroka zava-mahadomelina daholo ny mpahay mozika rock. (8 Jolay 2001) Tsy manaiky izany aho. Maro be amin’izy ireny no tsy midoroka mihitsy ary tena manao tsara ny asany.

M. M., Japon

Mamaly toy izao ny “Mifohaza!”: Tsy te hilaza an-kolaka akory izahay hoe mpidoroka zava-mahadomelina daholo ny mpahay mozika “rock” rehetra. Na izany aza, dia tena voaporofo fa malaza ho midoroka zava-mahadomelina ny ankamaroan’ny mpahay mozika “rock” sy ny mpitia azy ireny mandritra ny rindran-kira “rock.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara