Avy Amin’ny Mpamaky
Salama Tsara Tena nampionona sy nampahery ahy tokoa ireo lahatsoratra hoe “Ho Salama Tsara ve ny Rehetra Indray Andro Any?” (8 Jona 2001) Manana aretin-tsaina aho ary efa nieritreritra ny hamono tena. Manontany tena aho isan’andro hoe: ‘Ahoana no hiatrehako ny anio?’ Nampahatsiahivin’ilay gazety ahy ny fampanantenan’i Jehovah ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika’ ao amin’ny Apokalypsy 21:4.
C. T., Japon
Misaotra anareo aho fa tsara dia tsara ny lahatsoratrareo. Dokotera tsy mampiasa afa-tsy zavatra voajanahary aho ary tsy andriko ny fotoana tsy hisian’ny aretina intsony. Afaka hipetrapetraka aho amin’izay ary hanao ny asa faharoa tiako indrindra, dia ny fambolena!
B. C., Etazonia
Samoina Efatra ambin’ny folo taona aho ary nahavariana ahy ilay lahatsoratra hoe “Samoina Tsara Tarehy.” (8 Jona 2001) Nihevitra foana aho fa bibikely nampahatahotra ny samoina. Nahatonga ahy hieritreritra tsara alohan’ny hikapohana azy ireny anefa ilay lahatsoratra!
D. S., Etazonia
Nisy samoina nipetraka teo akaikin’ny tongotro raha mbola namaky ilay lahatsoratra aho. Mbola tsy nahita samoina tsara tarehy toy izany mihitsy aho! Tena mahatalanjona ny zavaboary ary hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra ny fandinihana azy io.
G. P., Italia
Tsy fantatro hoe tsara tarehy sy maro karazana ny samoina nataon’i Jehovah, hany ka nihevitra azy ireny ho bibikely tsy mahaliana aho. Nanondraka ny zaridainako aho taorian’ny namakiako ilay lahatsoratra, ka tamin’izay indrindra no nanatona ny samoina tsara tarehy. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny zavaboariny sy ilay lahatsoratra nanampy ahy hahay handinika kokoa.
C. S., Etazonia