FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/3 p. 3-4
  • Nahoana Isika no Mila Mpampianatra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Mila Mpampianatra?
  • Mifohaza!—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Azoko Atao mba Hifandraisana Tsara Amin’ny Mpampianatra Anay?
    Manontany ny Tanora
  • Ahoana no Ahafahako Mifandray Tsara Amin’ny Mpampianatra Ahy?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Inona no Hataoko fa Tsy Tiako ny Mpampianatra Anay?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Nahoana ny Olona no Te ho Mpampianatra?
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/3 p. 3-4

Nahoana Isika no Mila Mpampianatra?

“Aleo mianatra iray andro amin’ny mpampianatra tena mahay toy izay mifofotra mianatra irery mandritra ny arivo andro.”—Oha-pitenenana japoney.

TSAROANAO ve hoe iza no mpampianatra nampahay anao indrindra tany am-pianarana? Raha mbola mpianatra ianao, misy mpampianatra tena tianao ve? Raha eny, inona no tena itiavanao azy?

Mahatonga anao hatoky tena ny mpampianatra mahay, sady mahatonga ny fianarana hahafinaritra na dia sarotra aza. Nisy olona iray efa 70 taona, avy any Angletera. Tsaroany tsara ny mpampianatra anglisy azy, tany an-tsekoly, tany Birmingham. Hoy izy: “Tsy fantatro akory hoe manana talenta aho, raha tsy noho Ramose Clewley. Saro-kenatra aho sady be tsy miteny. Izy anefa no nanazatra ahy hiseho sehatra tamin’ny fifaninanana fampisehoana tantara tao an-tsekoly. Azoko ny loka tamin’ilay fifaninanana, tamin’ny taona famaranana. Tsy ho nahavita an’izany mihitsy aho, raha tsy nampirisika ahy izy. Nampalahelo fa tsy hitako intsony izy tatỳ aoriana, ka tsy afaka nisaotra azy akory aho noho fandavan-tenany ho an’ny mpianany.”

Nilaza toy izao ny vehivavy mahafinaritra iray, 50 taona eo ho eo, atao hoe Margit, avy any Munich, Alemaina: “Nisy mpampianatra iray tena tiako. Hainy mihitsy ny nanazava tamin’ny fomba tsotra izay zavatra sarotra. Nampirisihiny hametraka fanontaniana izahay, raha nisy tsy azonay. Sariaka izy fa tsy mba niavonavona, ka vao mainka nahafinaritra ny fianarana.”

Tsaroan’i Peter, Aostralianina, ny mpampianatra matematika iray, ka hoy izy: “Nanampy anay hahita ny fomba hampiharana izay nianaranay izy. Nianatra matematika momba ny telolafy, ohatra, izahay. Natorony anay tamin’izany ny fomba fandrefy ny haavon’ny trano iray, tsy mila mikasika an’ilay trano akory fa mampiasa an’io matematika io fotsiny. Tsaroako aho niteny irery hoe: ‘Tena mahavariana ity!’”

Niaiky toy izao tamin’ny mpampianatra azy i Pauline, avy any amin’ny faritra avaratr’i Angletera: “Tsy mahay matematika mihitsy aho.” Nanontany azy ilay mpampianatra hoe: “Te hahay ve ianao? Afaka manampy anao aho.” Nanohy ny fitantarany i Pauline hoe: “Nanara-maso akaiky kokoa ny fianarako izy, nandritra ireo volana nanaraka. Nanampy ahy mihitsy aza izy rehefa nirava ny sekoly. Fantatro fa tiany hahay aho, ary tena nisahirana izy. Vao mainka nahatonga ahy hiezaka mafy kokoa ny fahafantarako an’izany, ka nihanahay aho.”

Telopolo taona eo hoe eo izao i Angie, avy any Ekosy. Tsaroany Ramose Graham, mpampianatra tantara, ka hoy izy hoe: “Nahafinaritra erỳ ny nianatra taminy! Ataony toy ny tantara ireo zava-niseho, ary tena nafana fo izy isaky ny nitantara zavatra. Velombelona erỳ ny fitantarany azy.” Tsaroan’i Angie tsara koa i Madama Hewitt, mpampianatra efa antitrantitra nampianatra azy tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra: “Tsara fanahy izy ary tena nisahirana tamin’ny olona. Nanatona azy mba hanontany zavatra aho, indray andro, tao an-dakilasy. Namihina ahy izy. Nataony izay hahatsapako fa tena nisahirana tamiko izy.”

Nilaza i Timothy, avy any amin’ny faritra atsimon’i Gresy, fa nisy mpampianatra tena nankasitrahany. “Mbola tadidiko foana ny mpampianatra fahalalana tsotsotra anay. Noho izy, dia niova tanteraka ny fomba fijeriko an’izao tontolo izao manodidina ahy sy ny fiainan’ny olona. Variana daholo ny iray kilasy noho ny fampianarany. Nanjary tianay ny nianatra sy nahafantatra zava-baovao.”

Ohatra iray hafa koa i Ramona, avy any Kalifornia, Etazonia. Nanoratra izy hoe: “Tia anglisy be ny mpampianatra anay tany amin’ny lise. Nifindra mihitsy ny hafanam-pony! Nataony toy ny hoe mora, na dia ireo zavatra sarotra aza.”

Nafana fo erỳ i Jane, avy any Kanada, niresaka momba ny mpampianatra fanatanjahan-tena azy. Nolazainy fa “mahita kilalao sy fianarana hatao foana” ilay mpampianatra. “Nentiny tany ambanivohitra izahay, ary nampianariny nikorisa tamin’ny ranomandry ary nasainy nandavaka ny ranomandry, dia nanjono tamin’ireny lavaka ireny. Nisy fotoana aza nanaovanay karazana mofo indianina tamin’ny afon-dasy nasaina narehitray. Tena nahafinaritra ahy izany an! Tsy nivoaka ny trano mihitsy mantsy aho, fa nianatra foana, ka azo lazaina hoe niondam-boky mihitsy! ”

Vehivavy saro-kenatra i Helen, teraka tany Shanghai ary nianatra tany Hong Kong. Izao no tsaroany: “Ramose Chan no nampianatra fanatanjahan-tena sy hoso-doko anay tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Kely aho sady fohy, ka tsy nahay voley sy baskety mihitsy. Tsy mba nanao izay nahasaikatra ahy anefa ilay ramose. Navelany aho hilalao badminton sy lalao hafa nety kokoa tamiko. Tsara fanahy izy!

Toy izany koa tamin’ny hoso-doko. Tsy nahay nanao sarin’olona na zavatra aho. Koa navelany aho hanao soratsoratra na sarisary fotsiny, satria izany no nanavanana ahy kokoa. Izaho no zandriny indrindra tamin’ny ankizy, ka nandresy lahatra ahy ilay ramose mba hijanona tao amin’io kilasy io ihany aloha, ny taona nanaraka. Nanova zavatra betsaka teo amin’ny fianarako izany. Nanjary natoky tena aho ka nihanahay. Tsy hohadinoiko mihitsy ny zavatra nataony.”

Iza no mpampianatra tena mampahay? Izao no navalin’i William Ayers ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fampianarana—Izay Diavin’ny Mpampianatra (anglisy): “Ambonin’ny zava-drehetra, dia tena mandaitra ny fampianarana, raha toa ny mpampianatra ka tena mihevitra ny mpianany sy vonona hisahirana ary manokan-tena ho an’ny mpianany. ... Tsy ny teknika na fomba fampianatra voafaritra tsara na ny fihetsiky ny mpampianatra fotsiny akory no mampandaitra ny fampianarana. ... Ny fitiavana no tena ilaina amin’ny fampianarana.” Iza àry no tena mpampianatra mahay? Hoy i William Ayers: “Izay mpampianatra nanohina ny fonao, nahazo tsara ny toe-javatra nisy anao na nisahirana taminao, namindra taminao ny fitiavany mozika, matematika, fiteny latinina, ny fahaizany nilalao papango, ka nampahazoto anao hianatra an’izany.”

Azo antoka fa betsaka ny mpampianatra nahazo fankasitrahana avy tamin’ny mpianany na tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra mihitsy aza, ka voatosika hampianatra hatrany na dia tsy mahomby aza izy indraindray. Ny fikarakarana tamim-pahatsorana sy ny hatsaram-panahin’ny mpampianatra tamin’ny mpianany, no zavatra iombonan’ny ankamaroan’ireny fankasitrahana ireny.

Marina fa tsy ny mpampianatra rehetra akory no mampiseho toetra tsara toy izany. Tokony hotadidintsika koa anefa fa miaritra zavatra betsaka ny mpampianatra, ka manjary voafetra ny zavatra azony atao ho an’ny mpianany. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Nahoana ny olona no mifidy asa sarotra toy izany?

[Sary, pejy 4]

“Ny fitiavana no tena ilaina amin’ny fampianarana”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara