Nahoana ny Olona no Te ho Mpampianatra?
“Nifidy ny fampianarana ho anton’asa ny ankamaroan’ny mpampianatra, satria asa fanasoavana io. Fandavan-tena hanova tanteraka ny fiainan’ny ankizy [ny fampianarana].”—Ny Mpampianatra sy ny Sekoly ary ny Fiaraha-monina (anglisy).
TSY asehon’ny mpampianatra sasany hoe sarotra ny fampianarana. Betsaka anefa ny vato misakana tsy maintsy atrehina amin’io asa io: be loatra ny mpianatra ao an-dakilasy, ny taratasy be dia be tsy maintsy fenoina, ny filam-baniny ataon’ny mpiasa birao sy ny mpianatra tsy miraika, ny karama varimasaka. Nilaza izany toy izao i Pedro, mpampianatra any Madrid, Espaina: “Tsy mora mihitsy izany hoe mpampianatra izany. Ilana fahafoizan-tena be izany. Na dia tsy mora aza anefa ny asan’ny mpampianatra, dia mbola heveriko fa mahafa-po kokoa noho ny asana mpandraharaha izy io.”
Mety ho tena betsaka ny olana hita any amin’ireo sekoly any an-tanàn-dehibe. Tena misy fiantraikany eo amin’ny fifehezana sy ny fiainana any an-tsekoly ny zava-mahadomelina, ny asan-jiolahy, ny fitondran-tena baranahiny, ary indraindray koa ny tsy firaikan’ny ray aman-dreny. Tsy manaitra intsony izao ny fikomiana. Koa nahoana no misy olona manam-pahaizana maro be te ho mpampianatra?
Mpampianatra any New York i Leemarys sy Diana. Mampianatra ankizy dimy ka hatramin’ny folo taona izy ireo, ary samy mahay fiteny roa (anglisy, espaniola). Ankizy miteny espaniola no tena ampianariny. Nanontanianay izy ireo hoe:
Nahoana ny olona no te ho mpampianatra?
Nilaza i Leemarys hoe: “Ny itiavako azy? Tia ankizy aho. Fantatro fa ho an’ny ankizy sasany, dia izaho no mba hany manampy azy ireo amin’ny ezaka ataony.”
Nilaza i Diana hoe: “Nampianatra ny zanak’anadahiko valo taona aho, tany an-trano. Tsy dia nahay loatra mantsy izy tany am-pianarana, indrindra fa tamin’ny vakiteny. Nahafinaritra erỳ ny nijery azy sy ny ankizy hafa nianatra! Tapa-kevitra àry aho fa hampianatra, ka nialako ny asako tany amin’ny banky.”
Nametraka an’io fanontaniana io tamin’ny mpampianatra tany amin’ny tany maromaro koa ny Mifohaza!, ka ireto ny santionany tamin’ny valiny voaray.
Nanazava i Giuliano, Italianina 40 taona eo ho eo, hoe: “Mbola mpianatra aho (eo ankavanana), dia efa nahasarika ahy io asa io, ka izany no nahatonga ahy hifidy azy. Mihevitra aho fa asa mahatonga olona ho tia karokaroka sy ahafahana mandrisika ny olon-kafa ny asa fampianarana. Nafana fo be aho tamin’ny voalohany ka izany no nanampy ahy handresy ireo zava-manahirana hitako, raha vao nanomboka an’io asa io.”
Nilaza i Nick, avy any Nouvelle-Galles du Sud, Aostralia, hoe: “Mora nahitana asa ny sehatry ny fampianarana, tsy sahala amin’ny sehatry ny fikarohana simika, izay taranja nataoko. Mahafinaritra ahy hatramin’izao ny mampianatra, ary toa tian’ny ankizy koa ny fampianarako.”
Ny ohatry ny ray aman-dreny koa matetika no antony tena mahatonga ny sasany hifidy ny ho mpampianatra. Izao no navalin’i William, avy any Kenya, rehefa nanontanianay: “Mpampianatra efa hatramin’ny 1952 ny raiko. Noho izy no tena nahatonga ahy haniry ho lasa mpampianatra. Nifikitra tamin’io asa io aho satria fantatro fa mamolavola ny sain’ny tanora izy io.”
Nilaza taminay i Rosemary, avy any Kenya koa, hoe: “Efa hatramin’izay aho no naniry hanampy ny mahantra. Afaka nifidy aho, na ho mpitsabo mpanampy na ho mpampianatra. Asana mpampianatra no hitako voalohany. Efa niteraka koa aho, ka vao mainka tiako ilay asa.”
Izao kosa no nanosika an’i Berthold, avy any Düren, Alemaina, hampianatra: “Nandresy lahatra ahy ramatoa vadiko hoe mety tsara amiko ny asan’ny mpampianatra.” Marina ny tenin’ilay vadiny. Nanohy nitantara i Berthold hoe: “Tena mahafinaritra ahy ny asako. Tsy maintsy miaiky ny mpampianatra fa sarobidy ny fanabeazana ary tokony ho tia ankizy koa izy. Raha tsy izany dia tsy hahay hampianatra izy, tsy handaitra ny fampianarany, tsy hazoto izy ary tsy ho afa-po mihitsy.”
Nilaza toy izao i Masahiro, mpampianatra japoney avy any Nakatsu: “Tena nahay ny mpampianatra anay tamin’ny taona voalohany tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, ka izany no nanosika ahy hanao ny asan’ny mpampianatra. Tena nanana fandavan-tena mihitsy izy rehefa nampianatra anay. Tia ankizy koa aho, ka izany no tena antony nanohizako an’io asa io.”
Efa 54 taona izao i Yoshiya, lehilahy japoney niasa tamin’ny orinasa tsara karama. Tsapany anefa fa nanandevo azy io asa io sy ny fivezivezena isan’andro. Izao no notantarainy: “Nieritreritra aho indray andro hoe: ‘Dia ho toy izao foana ve ny fiainako?’ Tapa-kevitra àry aho fa hitady asa hahafahana hifandray kokoa amin’ny olona. Tsy manan-tsahala ny fampianarana. Hanampianao ny tanora io, ary asa manaja ny maha olona.”
Izany koa no antony itiavan’i Valentina, avy any Saint-Pétersbourg, Rosia, ny asan’ny mpampianatra. Nilaza izy hoe: “Izaho mihitsy no efa te ho mpampianatra. Efa 37 taona izao no nampianarako tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Mahafinaritra ahy ny manampy ny ankizy, indrindra fa ireo mbola kely. Tiako ny asako, ka mbola tsy nialako hatramin’izao.”
Nanoratra toy izao i William Ayers, mpampianatra: “Te ho mpampianatra ny olona satria tia ankizy sy tanora izy, na tiany ny miaraka amin’izy ireny, mahita azy ireny mivoatra, mitombo, mihamahay sy to teny eo amin’ny fiainana. ... Toy ny hoe manome ny tenany ho an’ny hafa ... ny olona mampianatra. Mampianatra aho, noho ny fanantenana hanova izao tontolo izao ho tsara kokoa.”
Eny, be dia be ny lehilahy sy vehivavy be fandavan-tena voasarika amin’ny asa fampianarana, na dia eo aza ny zava-tsarotra sy tsy fahombiazana indraindray. Inona no sasany amin’ireo olana tena mpitranga atrehin’izy ireo? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.
[Efajoro, pejy 6]
Soso-kevitra Rehefa Miresaka Amin’ny Ray Aman-dreny
✔ Fantaro ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Tsy fandanilaniam-potoana izany. Hahasoa anareo roa tonta izany. Izany no hahafahanao hanomboka hifandray amin’ireo mety ho mpiara-miasa aminao tsara indrindra, dia ny ray aman-dreny.
✔ Mahaiza mipetraka eo amin’ny toeran’ny ray aman-dreny fa aza manambony tena. Aza mampiasa ny voambolana fampiasan’ny mpampianatra.
✔ Asongadino izay zavatra tsara, rehefa miresaka momba an-janany. Ny teny fiderana no mandaitra kokoa noho ny fanomezan-tsiny. Hazavao izay azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hahay.
✔ Avelao ny ray aman-dreny mba hiteny, ary mihainoa tsara.
✔ Fantaro ny fiainan’ilay ankizy, any an-trano. Mankanesa mihitsy any an-tranony, raha azo atao.
✔ Mamera fotoana hihaonana amin’ny manaraka. Mila tohizina ny fifampiresahana toy izany. Asehonao amin’izany fa tena tia ankizy tokoa ianao.—Mifototra amin’ilay boky hoe Fampianarana eto Amerika (anglisy).
[Sary, pejy 6]
‘Mpampianatra koa ny raiko.’—WILLIAM, KENYA
[Sary, pejy 7]
“Mahafinaritra ahy ny manampy ankizy.”—VALENTINA, ROSIA
[Sary, pejy 7]
“Tsy manan-tsahala ny fampianarana. Hanampianao ny tanora io.”—YOSHIYA, JAPON