FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/3 p. 7-11
  • Sorona sy Olana Atrehin’ny Mpampianatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sorona sy Olana Atrehin’ny Mpampianatra
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy fanajana
  • Ny zava-mahadomelina sy herisetra
  • Mitondra basy any am-pianarana hoe?
  • Ankizy bevohoka
  • “Mpitaiza mihaja”
  • Nahoana no mihavitsy ny mpampianatra?
  • Ny mpampianatra tsy ampy, ny mpianatra be loatra
  • Nahoana ny Olona no Te ho Mpampianatra?
    Mifohaza!—2002
  • Ahoana no Ahafahako Mifandray Tsara Amin’ny Mpampianatra Ahy?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Inona no Hataoko fa Tsy Tiako ny Mpampianatra Anay?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Fahafaham-po sy Fifalian’ny Mpampianatra
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/3 p. 7-11

Sorona sy Olana Atrehin’ny Mpampianatra

‘Zavatra be dia be no antenaina amin’ny mpampianatra, kanefa matetika no zara raha midera ny ezak’ireny mpampianatra be fandavan-tena ireny ny sarambaben’olona.’—Ken Eltis, Oniversiten’i Sydney, Aostralia.

LAZAINA fa ny fampianarana no “asa ilaina indrindra.” Tsy azo lavina anefa fa betsaka ny olana atrehina amin’io asa io. Ny karama varimasaka ary ny trano fianarana koa tsizarizary; ny taratasy tsy maintsy fenoina be dia be ary ny mpianatra koa be loatra; ny mpianatra tsy manaja sady mahery setra ary ny ray aman-dreny koa tsy miraika. Ahoana àry no hiatrehan’ny mpampianatra ireny olana rehetra ireny?

Tsy fanajana

Nisy mpampianatra efatra avy any New York, nanontanianay hoe inona no heverin’izy ireo fa tena olana lehibe indrindra? Samy niaiky izy ireo hoe: “Ny tsy fanajana.”

Nilaza i William avy any Kenya, fa tsy toy ny taloha intsony koa ny fanajana atỳ Afrika. Nilaza izy hoe: “Mihatsy mandaitra amin’ny ankizy intsony ny fifehezana. Anisan’ny olona nohajaina indrindra tatỳ amin’ny tany afrikanina ny mpampianatra, tamin’izahay mbola kely [40 taona eo ho eo izy izao]. Na ny antitra na ny tanora dia samy nihevitra ny mpampianatra ho modely. Mihena izany fanajana izany ankehitriny. Mihamahazo vahana ny kolontsaina tandrefana, na dia amin’ny tanora any ambanivohitr’i Afrika aza. Aseho amin’ny sinema sy vidéo ary boky ho toy ny olona be herim-po ireo tsy manaja fahefana.”

Nitaraina i Giuliano, mpampianatra any Italia, hoe: “Mifindra amin’ny ankizy ny toe-tsaina tia mikomy, tsy laitra tenenina, tsy mankatò, izay manjaka eo amin’ny fiaraha-monina ankehitriny.”

Ny zava-mahadomelina sy herisetra

Mampalahelo fa lasa olana goavana any an-tsekoly ny zava-mahadomelina. Izany no nahatonga an’ilay mpampianatra sady mpanoratra amerikanina, atao hoe LouAnne Johnson, hanoratra hoe: “Tafiditra ao amin’ny ankamaroan’ny fandaharam-pianarana, manomboka any amin’ny akanin-jaza, ny fomba hisorohana ny fidorohana zava-mahadomelina. [Izahay no manao sora-mandry.] Ny ankizy indray no mahafantatra kokoa momba ny zava-mahadomelina ... raha oharina amin’ny ankamaroan’ny olon-dehibe.” Hoy koa izy: “Ny mpianatra mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro, tsy tiana, manirery, tsy manan-katao, na tsy matoky tena, ireny matetika no tena manandrana mampiasa zava-mahadomelina.”—Roa Ampahatelony Boky Fianarana, Iray Ampahatelony Fitiavana (anglisy).

Nanontany i Ken, mpampianatra any Aostralia, hoe: “Inona moa no azon’ny mpampianatra atao manoloana ny mpianatra iray sivy taona, izay nampianarin’ny ray aman-dreniny nifoka zava-mahadomelina, ka efa lasa mpidoroka izao?” Mpampianatra ao amin’ny sekoly iray any Alemaina i Michael, 30 taona eo ho eo. Nanoratra izy hoe: “Fantatray tsara fa mampiasa zava-mahadomelina ny ankizy, saingy mahalana vao tratra.” Nolazainy koa fa baranahiny ny ankizy ary “hita izany satria mihatia manimba zavatra ny mpianatra.” Nilaza koa izy hoe: “Misy mandoto sy manimba ny latabatra sy ny rindrina ary ny fitaovana any am-pianarana. Voarohirohy tamin’ny fangalarana entam-barotra na hala-botry karazan’izany ny mpianatro sasany. Tsy mahagaga raha betsaka ny halatra any am-pianarana! ”

Niaiky i Amira, mpampianatra any Guanajuato, Meksika, hoe: “Olana atrehintsika any an-trano ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina, ary tena misy fiantraikany eo amin’ny ankizy izany. Izany no iainan’izy ireo ka ianarany teny ratsy sy zava-dratsy hafa koa. Olana lehibe koa ny fahantrana. Marina fa maimaim-poana ny fianarana atỳ, kanefa, tsy maintsy mividy kahie sy stylo ary fitaovam-pianarana hafa koa ny ray aman-dreny. Ny sakafo anefa aloha no zava-dehibe kokoa.”

Mitondra basy any am-pianarana hoe?

Ny fifampitifirana nisy tato ho ato, tany amin’ireo sekoly any Etazonia, dia porofo fa olana goavana any amin’io tany io ny herisetra ampiasana basy. Milaza ny tatitra iray hoe: “Araka ny vinavina dia basy 135 000 isan’andro no tafiditra any amin’ireo sekolim-panjakana 87 125, ao amin’io firenena io. Anisan’ny ampiasain’ny tompon’andraikitra mba hampihenana ny isan’ny basy tafiditra any an-tsekoly: ny alika voaofana sy fitaovana fitiliana fiadiana, fiambenana amin’ny kamerà, olona mpisava ny fitoeran’entan’ny mpianatra; nasiana karatra famantarana koa ary norarana ny fitondrana kitapo any am-pianarana.” (Ny Fampianarana eto Amerika) Nisy olona gaga tamin’izany fepetra fiarovana rehetra izany ka vaky vava hoe: ‘Sekoly sa fonja no resahintsika e?’ Mbola milaza koa ilay tatitra fa mpianatra 6 000 mahery no noroahina noho ny fitondrana basy tany am-pianarana!

Nilaza tamin’ny Mifohaza! i Iris, mpampianatra any New York, hoe: “Mitondra fiadiana an-tsokosoko any am-pianarana ny mpianatra. Tsy misakana ny fiadiana tsy ho tafiditra ao am-pianarana ireo fitaovana fitiliana. Olana goavana any am-pianarana koa ny fanimbana zavatr’olona.”

Miady amin’izany fiainana baranahiny izany ireo mpampianatra tsy manao tsirambina, ka miezaka mafy hanabe sy hampianatra toetra tsara. Tsy mahagaga raha ketraka sy trotraka ny mpampianatra maro. Nilaza i Rolf Busch, prezidàn’ny Fikambanan’ny Mpampianatra any Thuringia, Alemaina, hoe: “Mandraiki-marary noho ny fahasorenana ny ampahatelon’ny mpampianatra miisa iray tapitrisa eto Alemaina. Mahatsiaro ho trotraky ny asa izy ireo.”

Ankizy bevohoka

Olana goavana koa ny fanaovana firaisana, eo amin’ny tanora. Milaza toy izao momba an’i Etazonia i George Morrison, nanoratra an’ilay boky hoe Ny Fampianarana eto Amerika: “Tanora iray tapitrisa eo ho eo (11 isan-jaton’ny zatovovavy 15-19 taona) no bevohoka isan-taona.” Raha ny tany mandroso no resahina, dia any Etazonia no betsaka indrindra ny ankizy bevohoka.

Manamafy ny fisian’izany toe-javatra izany i Iris, izay nilaza hoe: “Firaisana sy lanonana foana no votoatin-dresaky ny tanora rehetra. Izany mihitsy no efa mibahana ao an-tsain-dry zareo. Efa afaka mifandray amin’ny Internet koa izao ny ordinateran’ny sekoly! Ahafahan’ny ankizy miresadresaka sy mijery sary vetaveta izany.” Nilaza i Angel, avy any Madrid, Espaina, hoe: “Efa fiainan’ny mpianatra mihitsy ny faharatsiam-pitondran-tena. Nisy mpianatra tao aminay, tena mbola kely mihitsy nefa bevohoka.”

“Mpitaiza mihaja”

Mitaraina koa ny mpampianatra sasany fa betsaka ny ray aman-dreny no tsy manao ny andraikiny hanabe ny zanany any an-trano. Mihevitra ny mpampianatra fa ny ray aman-dreny no tokony ho mpanabe voalohany indrindra ny zanany. Any an-trano no tokony hanomboka ny fahalalam-pomba. Izany no nahatonga an’i Sandra Feldman, prezidàn’ny Federasionan’ny Mpampianatra Amerikanina, hilaza fa ‘tokony hoentina toy ny matihanina rehetra ny mpampianatra fa tsy hoheverina ho toy ny mpitaiza mihaja fotsiny.’

Tsy manampy amin’ny fampiharana ny fifehezana any an-tsekoly ny ray aman-dreny matetika. Nilaza tamin’ny Mifohaza! i Leemarys, voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, hoe: “Raha mandaza ankizy maditra any amin’ny tompon’andraikitra ianao, dia miomàna fa hanenjika anao ny ray aman-dreniny!” Izao no nolazain’i Busch, voaresaka tetsy aloha, raha ny ankizy maditra no resahina: “Mihamanjavona izao ny fanabeazana any an-tokantrano. Tsy antenaina intsony hoe avy amin’ny fianakaviana mendrika sy tsaratsara taiza ny ankamaroan’ny ankizy.” Nilaza i Estela, avy any Mendoza, Arzantina hoe: “Matahotra ny mpianatra izahay mpampianatra. Tora-bato sy vono no mahazo anay raha vao manome naoty ambany. Simban’izy ireo ny fiaranay, raha manana izahay.”

Mahagaga àry ve raha mihavitsy ny mpampianatra any amin’ny tany maro? Nilaza i Vartan Gregorian, prezidàn’ny Fikambanan’i Carnegie any New York, hoe: “Hila mpampianatra vaovao 2,5 tapitrisa eo ho eo ny sekoly [amerikanina], ao anatin’ny folo taona manaraka.” Ny tanàn-dehibe izao dia “mitady mpampianatra avy any Inde, Antilles, Afrika Atsimo, Eoropa, sy any amin’izay tany hafa mety hahitana mpampianatra mahay.” Midika izany fa tsy maintsy hihavitsy ny mpampianatra any amin’ireny tany ireny.

Nahoana no mihavitsy ny mpampianatra?

Nilaza i Yoshinori, mpampianatra japoney, nandritra ny 32 taona, fa “asa ambony sady mampahazoto ny asa fampianarana, ary tena hajaina izy io any Japon.” Mampalahelo fa tsy toy izany no izy any amin’ny firenena rehetra. Nilaza koa i Gregorian, voaresaka tetsy aloha, fa ireo mpampianatra dia “tsy mahazo haja amin’ny maha matihanina azy ary tsy mahazo fankasitrahana na valisoa. ... Kely karama kokoa noho izay asa rehetra ilana licence na maîtrise ny asan’ny mpampianatra, any amin’ny ankamaroan’ny fanjakana [amerikanina].”

Nanoratra i Ken Eltis, voatonona tetsy am-piandohana, hoe: “Inona no mitranga rehefa fantatry ny mpampianatra fa betsaka ny asa ilana diplaoma ambany kokoa, nefa andraisan-karama betsaka kokoa noho ny fampianarana? Na rehefa misy ankizy nampianariny vao herintaona lasa izay ... nefa be karama kokoa noho izy? Na, angamba ho be karama noho izy rehefa afaka dimy taona? Tsy maintsy hanjary hihevi-tena ho tsy misy hajany ny mpampianatra, raha mahafantatra an’izany.”

Nanoratra i William Ayers, hoe: “Ratsy karama ny mpampianatra ... Tokotokony ho ampahefatry ny karaman’ny mpisolovava ny karamanay, antsasaky ny an’ny mpitana kaonty, kely noho ny an’ny mpitondra kamiao sy ny mpiasan’ny toby fanamboarana sambo. ... Tsy misy mihitsy asa toa an’io, izay mitaky zavatra be dia be kanefa tena kely karama.” (Ny Fampianarana—Izay Diavin’ny Mpampianatra) Momba izany ihany, dia izao koa no nambaran’i Janet Reno, minisitry ny Fitsarana Amerikanina taloha, tamin’ny Novambra 2000: “Vitantsika ny mandefa olona mankeny amin’ny volana. ... Karamaintsika vola be ireo atletantsika. Koa nahoana isika no tsy hahavita hampitombo ny karaman’ny mpampianatra eto amintsika?”

Nilaza i Leemarys hoe: “Ratsy karama ny mpampianatra amin’ny ankapobeny. Nianatra nandritra ny taona maro aho, kanefa mbola kely ihany ny karama raisiko isan-taona eto New York. Jereo anefa fa tena henjana ary mihamafy ny fiainana eto amin’ity tanàn-dehibe ity.” Nilaza i Valentina, mpampianatra any Saint-Pétersbourg, Rosia, hoe: “Raha ny karama no jerena, dia hita fa tsy misy mankasitraka ny asan’ny mpampianatra. Latsaka noho ny karama farany ambany foana ny karaman’izy ireo.” Nahatsapa an’izany koa i Marlene, avy any Chubut, Arzantina, ka nilaza hoe: “Kely ny karama, ka voatery miasa any amin’ny toerana roa na telo izahay, manenjikenjika etsy sy eroa. Mampihena ny zava-bitanay izany.” Nilaza toy izao tamin’ny Mifohaza! i Arthur, mpampianatra avy any Nairobi, Kenya: “Miharatsy ny toe-karena, ka tsy mora ny fiainako amin’ny maha mpampianatra. Hiaiky koa angamba ny ankamaroan’ireo mpampianatra tahaka ahy fa kely loatra ny karama, ka izany foana no mahakivy ny olona tsy hiditra amin’ny asanay.”

Nitaraina i Diana, mpampianatra avy any New York, fa mandany fotoana be ny taratasy be dia be fenoina. Nanoratra ny mpampianatra iray hafa hoe: “Lany hamerimberenana sy hanaovana asa efa mahazatra ny andro.” Fandre koa ny fitarainana hoe: “Isan’andro izao, mameno taratasy be dia be tsy misy ilana azy akory.”

Ny mpampianatra tsy ampy, ny mpianatra be loatra

Izao koa no fitarainana fandre, noresahin’i Berthold, avy any Düren, Alemaina: “Be loatra ny ankizy ampianarina! Ny sasany atỳ manana mpianatra 34. Midika izany fa tsy vitanay ny manara-maso izay ankizy manana olana. Tsy hitanay akory aza izy ireny. Tsy vita intsony ny misahana ny ankizy tsirairay.”

Nanazava i Leemarys, voalaza tetsy aloha, hoe: “Ankoatra ny tsy firaharahan’ny ray aman-dreny, dia izao no olana lehibe indrindra ho ahy, tamin’ny taon-dasa: 35 ny mpianatra tao amin’ny kilasy nampianariko. Eritrereto hoe ankizy enin-taona, miisa 35 no ampianarina!”

Nilaza i Iris hoe: “Mihavitsy ny mpampianatra eto New York, indrindra fa ny mpampianatra matematika sy fahalalana tsotsotra. Mahita asa tsara kokoa mantsy izy ireo any an-toeran-kafa. Lasa betsaka àry ny mpampianatra vahiny nokaramaina.”

Mazava be àry fa mafy ny asan’ny mpampianatra. Inona àry no mahatonga ny mpampianatra harisika foana? Nahoana izy ireo no mbola mikiry amin’io asa io ihany? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra farany ireo fanontaniana ireo.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Araka ny vinavina, dia basy 135 000 isan’andro no tafiditra any amin’ireo sekoly amerikanina

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Mpampianatra Mahay

Aminao, inona no atao hoe mpampianatra mahay? Olona afaka mampitombo tsikelikely ny zavatra ao an-tsain’ny ankizy iray ve, mba hahafahan’ilay ankizy hitadidy an’izany ary ho afa-panadinana avy eo? Sa olona mampianatra hahay handinika sy hieritreritra ary hisaina? Sa olona manampy ny ankizy ho lasa olom-pirenena tsara kokoa?

“Efa eo an-dalana ho tonga mpampianatra mendrika isika, raha: manaiky hamakivaky an’ity fiainana lava sy sarotra ity miaraka amin’ny mpianatra, ary rehefa manomboka mitondra azy ireny amin’ny fahamendrehana sy ny fanajana mendrika azy amin’ny maha olona. Tsotra toy izany ilay izy, kanefa sarotra koa amin’ny lafiny iray.”—Ny Fampianarana—Izay Diavin’ny Mpampianatra.

Fantatry ny mpampianatra mahay ny fari-pahaizan’ny mpianatra tsirairay, ary hainy ny mampitombo an’izany fahaizana izany. Nilaza i William Ayers, hoe: “Mila mitady fomba tsara kokoa isika, hampiasana tsara ny tanjaka, traikefa, talenta ary ny fahaizan’ny mpianatra ... Tsaroako ny reny indianina atỳ Amerika, nanan-janakalahy dimy taona, izay nopetahan’ny olona anarana hoe ‘ilay donto.’ Nitaraina izy hoe: ‘Ny anarana sy ny fifindra-monin’ny vorona 40 mahery aza ange hain’i Wind-Wolf e! Fantany koa fa 13 ny isan’ny volon-drambon’ny voromahery iray manidina tsy mihilangilana. Mpampianatra mahafantatra tsara ny fari-pahaizany fotsiny no ilainy.’ ”

Tsy maintsy fantarin’ilay mpampianatra ny zavatra tian’ny mpianatra tsirairay sy mampahazoto azy ary izay mahatonga azy hisaina sy hanao zavatra, mba hahafahany hamoaka izay tsara indrindra avy amin’ilay mpianatra. Tokony ho tia ankizy koa ny mpampianatra be fandavan-tena.

[Sary nahazoan-dalana]

Firenena Mikambana/Photo by Saw Lwin

[Efajoro, pejy 11]

Tsy Maintsy Hahafinaritra Foana ve ny Fianarana?

Nanao lisitra hevi-diso folo momba ny fampianarana i William Ayers, mpampianatra. Anisan’izany ny hoe: “Manao ny fianarana ho mahafinaritra ny mpampianatra mahay.” Nanohy ny teniny izy, hoe: “Mampiala voly sy mampihomehy ny sangisangy. Mahafinaritra koa ny olona mpanao hatsikana ary mety hahafinaritra ny vazivazy. Ny fianarana dia mety hanintona, haharevo, hahavariana, hahavery hevitra, hahasomokotra, ary tena mahafinaritra be matetika. Tsara rehefa mahafinaritra ny mianatra. Kanefa, tsy voatery hahafinaritra foana izany.” Hoy ihany izy hoe: “Ilana fahalalana be dia be, fahaizana, talenta, fahaiza-manavaka, ary hakingan-tsaina, ny fampianarana. Mpampianatra be fiheverana sy be fitiavana anefa no tena ilaina.”—Ny Fampianarana—Izay Diavin’ny Mpampianatra.

Nahita fahasahiranana momba izany teo amin’ny mpianany koa i Sumio, avy any Nagoya, Japon: “Izay zavatra mahafinaritra sy tsy sarotra ihany no mba mahaliana ny ankamaroan’ny mpianatra any amin’ny lise.”

Nilaza i Rosa, mpanolo-tsaina ny mpianatra, any Brooklyn, New York, hoe: “Kamo mianatra ny mpianatra, amin’ny ankapobeny. Mahakamo azy ny mpampianatra. Mihevitra izy ireo fa tokony hahafinaritra foana ny zava-drehetra. Tsy fantany fa miankina amin’ny fiezahanao amin’ny fianarana ihany ny soa azonao.”

Tia zava-mahafinaritra loatra ny tanora, ka sarotra aminy ny miezaka sy manao sorona zavatra sasany. Nilaza i Sumio, voalaza tetsy aloha, hoe: “Ny tena fotony dia hoe tsy mieritreritra ny hoavy mihitsy izy ireo. Vitsy fotsiny amin’ireo mpianatry ny lise no mieritreritra hoe raha miezaka mafy izy ireo izao, dia hisy vokany tsara izany amin’ny hoavy.”

[Sary, pejy 7]

DIANA, ETAZONIA

[Sary, pejy 8]

‘Miely be ny zava-mahadomelina, fa mahalana vao tratra.’​—MICHAEL, ALEMAINA

[Sary, pejy 8]

“Olana atrehintsika any an-trano ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina.”​—AMIRA, MEKSIKA

[Sary, pejy 9]

‘Tokony hoentina toy ny matihanina rehetra ny mpampianatra fa tsy hoheverina ho toy ny mpitaiza mihaja fotsiny.’​—SANDRA FELDMAN, PREZIDÀN’NY FEDERASIONAN’NY MPAMPIANATRA AMERIKANINA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara