Afa-jaza Aho
NAFANA sady tsara ny andro ny alatsinainy 10 Aprily 2000, ka mba nandeha niantsena kely aho. Vao feno telo volana ny kiboko tamin’izay. Tsy dia natanjaka loatra aho, nefa faly mba nivoaka kely. Teo am-pilaharana handoa vola tao amin’ny fivarotana iray aho no nahatsiaro ho tsy metimety.
Hitako tokoa fa nisy zavatra tsy nety nony tonga tany an-trano aho. Nandeha ny rako. Natahotra be aho, satria mbola tsy nahazo ahy mihitsy izany tamin’izaho bevohoka ny zanako roa voalohany! Niantso ny dokoterako aho, nefa nasainy niandry ny ampitson’iny vao nankany aminy, satria tamin’izay koa ny fotoananay. Nivavaka tamin’i Jehovah izahay mianakavy, talohan’ny nampatorianay ny zanakay roa, mba hanomezany anay hery amin’izay mety hilanay izany. Nahita tory ihany aho.
Taitra anefa aho tamin’ny roa maraina tany ho any, satria nanaintaina be. Nihena tsikelikely ilay nanaintaina avy eo. Nanomboka indray anefa ilay izy raha vao nahita tory aho, ka mijanona kely dia miverina indray. Vao mainka nandeha be koa ny ra, ary tsapako fa toy ny nihetsi-jaza aho. Lasa ny saiko nieritreritra hoe inona no nataoko ka nahatonga izao, nefa tsy hitako mihitsy izay zavatra tsy nety nataoko.
Fantatro tamin’ny dimy ora maraina fa tsy maintsy mankany amin’ny hopitaly aho. Faly izahay mivady nony tonga tany satria tena tsara fanahy sy vonon-kanampy ary mahay miombom-pihetseham-po ireo mpiasa tao amin’ny fitsaboana vonjy aina. Nilaza taminay ilay vaovao efa natahoranay ny dokotera, adiny roa taorian’izay: Afa-jaza aho.
Tsy dia naninona loatra aho teo am-pandrenesana ilay vaovao, satria efa nampoiziko ihany izany, rehefa hitako ireo famantarana niseho. Niaraka tamiko foana koa ny vadiko ary tena nanampy ahy. Nanontany tena anefa izahay hoe inona no holazainay amin’ireo zanakay mianadahy, dia i Kaitlyn, enin-taona sy i David efa-taona, rehefa hody izahay ka tsy hitondra zazakely.
Inona no holazainay amin’ny zanakay?
Fantatr’ireo zanakay rehefa nandeha natory izy ireo fa nisy zavatra tsy nety. Ahoana anefa no hilazanay amin’izy ireo fa maty ilay zandrilahy na zandrivavy keliny? Vonona ny hitsotra tamin’izy ireo izahay. Nanampy anay koa ny reniko, ka nilaza mialoha tamin’ireo zanakay fa tsy hiaraka hody aminay ilay zazakely. Nihazakazaka nitsena anay izy ireo ka namihina sy nanoroka anay raha vao tonga izahay. Nanontany avy hatrany izy ireo hoe: “Salama tsara ve ilay zazakely?” Tsy nahateny aho, fa namihina mafy anay kosa ny vadiko sady niteny hoe: “Maty ilay zazakely.” Nifamihina sy nitomany izahay, ka nanomboka tamin’izay ny fanamaivamaivanana ny alahelonay.
Tsy nampoizinay loatra anefa ny fihetsik’ireo zanakay taorian’izay. Nampandrenesina tao amin’ny fiangonanay, ohatra, tapa-bolana teo ho eo taorian’ny naha afa-jaza ahy, fa maty ny Vavolombelona be taona iray izay tena namanay mianakavy. Nigogogogo nitomany i David, ilay zanakay efa-taona, ka nentin’ny vadiko nivoaka. Nanontany i David, rehefa nangina, hoe nahoana no maty ilay namany. Nanontaniany koa hoe nahoana no maty ilay zazakely. Hoy izy tamin-drainy avy eo: “Ho faty koa ve i Dada?” Te hahafantatra koa izy hoe nahoana no mbola tsy nandringana an’i Satana sy mbola tsy nanala ny zavatra ratsy ihany i Jehovah Andriamanitra. Tena tsy nampoizinay hoe nieritreritra an’izany rehetra izany ilay zanakay.
Nametraka fanontaniana be dia be koa i Kaitlyn. Rehefa milalao ny saribakoliny izy, dia mody ataony hoe marary ny iray matetika, ary ny iray kosa mpitsabo mpanampy na havana. Nanamboatra hopitaly kely tamin’ny baoritra izy ary indraindray mody nataony hoe maty ny iray tamin’ny saribakoliny. Nahita fomba betsaka hampianarana ny zanakay lesona lehibe momba ny fiainana sy ny fomba hanampian’ny Baiboly antsika hiaritra fisedrana izahay, noho ny fanontaniana sy ny kilalao nataon’izy ireo. Nampahatsiahy azy ireo koa izahay fa hanao ny tany ho paradisa tsara tarehy Andriamanitra, ka tsy hisy ao intsony ny fijaliana sy fanaintainana, ary indrindra ny fahafatesana.—Apokalypsy 21:3, 4.
Ny fomba nandreseko ny alaheloko
Nanjary tsy nahatsapa fihetseham-po na inona na inona aho sady tsy nahita izay hatao raha vao tonga avy any amin’ny hopitaly. Betsaka ny raharaha niandry ahy, nefa tsy hitako izay hatao. Niantso namana vitsivitsy efa afa-jaza aho, ary tena nampahery izy ireo. Nanatitra voninkazo ho anay ny namana akaiky iray ary nangataka ny hitondra ny ankizy hiaraka aminy ny tolakandro. Tena mankasitraka ny fahaizany miahy sy ny fanampiany azo tsapain-tanana aho!
Nandamina ny sarin’ny fianakaviana tao anaty fitoeran-tsary aho. Nojereko ny akanjo tokony ho an’ilay zazakely, sady nofihiniko, satria ireny sisa no hany nampahatsiaro ahy ny aminy. Niovaova be ny fihetseham-poko nandritra ny herinandro maro. Nitomany foana aho indraindray, na dia nampionona ahy toy inona aza ny havana aman-tsakaiza. Nieritreritra aho indraindray hoe lasa adala. Ny mahita namana bevohoka no tena sarotra. Noheveriko fa zavatra tsy dia manao ahoana loatra eo amin’ny fiainan’ny vehivavy ny hoe afa-jaza, ka ho mora ny handresy ny alahelo. Tena diso hevitra anefa aho!a
Fanafody tsara indrindra ny fitiavana
Fanafody tena nandaitra ny fitiavana nasehon’ny vadiko sy ny namana kristianina, ary ny fandehan’ny fotoana. Nikarakara sakafo ny Vavolombelona iray ary nanatitra izany tany aminay. Nitondra voninkazo sy taratasy kely misy fampaherezana ny anti-panahy iray sy ny vadiny, ary nijanona tany aminay izy ireo ny hariva. Fantatray fa be atao izy ireo, ka tena nanohina ny fonay ny fiahian’izy ireo. Maro koa ny namana nandefa taratasy sy voninkazo. Tena nanohina ny fonay ny teny tsotra hoe “Mahatsiaro anareo izahay”! Nanoratra toy izao ny rahavavy iray: “Tena sarobidy indrindra aminay, toy ny fiheveran’i Jehovah azy ny aina. Fantany rehefa milatsaka amin’ny tany ny tsintsina iray, ary azo antoka fa fantany koa rehefa misy zaza ao an-kibo maty.” Hoy ny zaobaviko: “Tena mahagaga anay ny fiterahana sy ny aina, ary gaga koa izahay rehefa maty ny zaza ao an-kibo.”
Te hitomany aho ka tsy maintsy nivoaka ny Efitrano Fanjakana, taloha kelin’ny nanombohan’ny fivoriana, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nahita izany ny namana akaiky roa ka niaraka tamiko tao anaty fiara, nihazona ny tanako, ary nanao izay hihomehezako. Tsy ela dia niverina niditra tao amin’ny efitrano izahay telo. Tena fifaliana ny manana namana izay mifikitra “noho ny rahalahy”!—Ohabolana 18:24.
Niparitaka tsikelikely ilay vaovao, ka gaga aho fa be dia be ny namana kristianina afa-jaza toa ahy. Tena nampionona sy nampahery ahy, na dia ireo tsy nifankazatra loatra tamiko teo aloha aza. Nampahatsiaro ahy izao tenin’ny Baiboly izao ny fanampian’izy ireo tamim-pitiavana tamin’ny fotoana nilako izany: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.”—Ohabolana 17:17.
Fampiononana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
Herinandro taorian’ny naha afa-jaza ahy ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Namaky ny fitantaran’ny Baiboly momba ny andro farany niainan’i Jesosy izahay indray hariva, ka tonga tampoka tao an-tsaiko ny hoe: ‘Fantatr’i Jehovah ny alahelo ateraky ny fahafatesana, satria ny zanany mihitsy no maty!’ Noho izy any an-danitra, dia hadinoko indraindray hoe tena takany izay manjo antsika ary tena mahay miara-miory amin’ny lehilahy sy vehivavy mpanompony izy. Maivamaivana tsy nisy toy izany teo no ho eo ihany aho. Nahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jehovah noho ny hatramin’izay aho.
Tena nampahery ahy koa ny boky sy gazety ara-baiboly, indrindra fa ireo lahatsoratra momba ny fahafatesan’ny havan-tiana, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tena nanampy ahy, ohatra, ny Mifohaza! 8 Aogositra 1987 [tsy misy amin’ny teny malagasy], mitondra ny lohateny hoe “Fiatrehana ny Fahafatesan’ny Zanaka”, sy ilay bokikely hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao.b
Nifarana ny alahelo
Fantatro fa resiko ny alaheloko, rehefa nandeha ny fotoana, satria tsy nahamenatra ahy ny nihomehy, ary haiko ny tsy niresaka momba ilay zazakely maty, rehefa niresaka aho. Nikorontana ara-pihetseham-po ihany anefa aho indraindray, toy ny rehefa nifankahita tamin’ny namana mbola tsy nandre ilay vaovao, na rehefa nisy fianakaviana vao tera-bao nitsidika ny fiangonanay.
Nifoha aho, avy eo, indray maraina ary nahatsapa fa nisava ny alaheloko. Efa fantatro, na dia talohan’ny nifohazako aza, fa afaka ny fahoriako, satria tsapako indray ilay fiadanana sy fahatoniana tsy nisy tato amiko intsony nandritra ny volana maro. Bevohoka aho herintaona, tatỳ aoriana, nefa mbola natahotra ny ho afa-jaza ihany. Teraka soa aman-tsara lahikely anefa aho tamin’ny Oktobra 2001.
Mbola malahelo ilay zanako maty aho. Nanjary nankasitrahako kokoa anefa ny fiainana, ny fianakaviako, ny namana kristianina, ary Andriamanitra izay mampionona antsika, noho iny zava-nitranga iny. Nisongadina tamin’iny koa ilay fahamarinana manohina ny fo hoe tsy maka ny zanatsika Andriamanitra fa ny “fotoana sy ny sampona dia samy mahazo [antsika] rehetra.”—Mpitoriteny 9:11.
Tena tsy andriko ny fotoana hanesoran’Andriamanitra ny alahelo sy ny fitarainana ary ny fanaintainana, anisan’izany ny fanaintainana ara-batana sy ara-pihetseham-po rehefa afa-jaza! (Isaia 65:17-23) Afaka hiteny ny olombelona mpankatò rehetra amin’izay fotoana izay hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?”—1 Korintiana 15:55; Isaia 25:8.— Nisy nanome.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Samy hafa ny fihetsiky ny olona afa-jaza, araka ny fikarohana natao. Tsy mahita izay tokony hatao ny sasany, ny hafa diso fanantenana, ary misy kosa kivy tanteraka. Milaza ny mpikaroka fa ara-dalàna raha malahelo ny olona rehefa misy maty, toy ny zaza tsy azo, ary anisan’ny manampy hizakana ny alahelo izany.
b Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro, pejy 13]
Ny Isan’ny Vehivavy Afa-jaza sy ny Anton’izany
Hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Ny 15 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ny olona fantatra fa bevohoka no afa-jaza, araka ny fandinihana natao. Mandritra ny tapa-bolana aorian’ny nipetrahan’ilay zaza ao an-kibo anefa no tena mety hahafa-jaza ny vehivavy, dia amin’ny fotoana tsy ahafantaran’ny ankamaroany akory fa bevohoka izy.” Milaza koa ny loharanon-kevitra iray fa maherin’ny “80 isan-jaton’ny fahafahan-jaza no mitranga ao anatin’ny telo volana voalohany maha bevohoka ny vehivavy.” Ny antsasany amin’izy ireo, fara fahakeliny, no heverina fa afa-jaza noho ny zavatra tsy nety tao amin’ny kromozoman’ilay zaza vao miforona. Tsy vokatry ny zavatra tsy nety tao amin’ny kromozoman’ilay reny na ilay ray akory izany.
Mety ho noho ny tsy fahasalaman’ilay vehivavy koa no mahafaka ny zanany. Resahin’ny tompon’andraikitra amin’ny fitsaboana ny momba ny fikorontanan’ny hormonina sy ny rafi-kery fanefitra, ary ny aretina sy ny zavatra tsy mety ao amin’ny vozon-tranonjaza na ny tranonjazan’ilay reny. Mety ho antony hafa koa ny aretina mitaiza toy ny diabeta (raha tsy voara-maso tsara) sy ny tosidra ambony.
Tsy voatery ho vokatry ny fanazaran-tena na ny fibatana zavatra mavesatra na ny fanaovana firaisana ny fahafahan-jaza, araka ny manam-pahaizana. Tsy voatery ho afa-jaza ny olona iray nianjera, voadona kely, na taitra tampoka. Hoy ny boky iray: “Tsy voatery hisy fiantraikany eo amin’ilay zaza vao miforona ny ratra raha tsy hoe ratra mety hahafaty anao koa angaha.” Tena manaporofo ny fahendrena sy ny fitiavan’ny Mpamorona tokoa ny fomba nanamboarana ny tranonjaza!—Salamo 139:13, 14.
[Efajoro/Sary, pejy 15]
Afaka Manampy ny Havana Aman-tsakaiza
Sarotra indraindray ny mahafantatra ny tena tokony holazaina na hatao rehefa misy havana na namana afa-jaza. Samy hafa ny fihetsiky ny olona eo anoloan’io zava-mitranga io, ka tsy misy fitsipika manokana mikasika ny fomba hampiononana sy hanampiana. Diniho anefa ireto fanoloran-kevitra ireto.c
Fomba tsotra azonao anampiana:
◆ Mangataha mba hikarakara ny ankizy.
◆ Mikarakarà sakafo ary atero any amin’ilay fianakaviana.
◆ Ampaherezo koa ilay raim-pianakaviana. Hoy mantsy ny raim-pianakaviana iray: “Tsy mba misy taratasy kely fampaherezana ho an’ny ray amin’io toe-javatra io.”
Zavatra azo lazaina:
◆ “Tena nalahelo aho nandre hoe afa-jaza ianao.”
Tena manohina ny fo ireo teny tsotra ireo, ary mety hahatonga ilay olona ho vonona hihaino teny fampiononana fanampiny.
◆ “Mitomania fa tsy maninona.”
Mora mitomany ilay olona afa-jaza mandritra ireo herinandro voalohany, na ireo volana maro aorian’ny nahafa-jaza azy. Omeo toky izy fa tsy mihevitra azy ho ambany ianao, na mitomany eo anatrehanao aza izy.
◆ “Afaka mitelefaonina anao indray ve aho amin’ny herinandro hahafantarako hoe manao ahoana ianao?”
Mety hahazo fampiononana betsaka ireo nidonam-pahoriana amin’ny voalohany, nefa mety hahatsapa izy ireo fa hadinon’ny olona rehefa mandeha ny fotoana, na dia mbola malahelo aza. Mahafaly azy ireo ny mahafantatra fa mitohy ny fampiononanao. Mety mbola hiseho ao anatin’ny herinandro na volana maro ny alahelo. Angamba mbola hisy izany na dia efa niteraka hafa aza ilay olona.
◆ “Tsy hitako izay holazaina.”
Tsara kokoa ny miteny an’izany toy izay tsy miteny na inona na inona. Ny fahatsoranao sy ny fahatongavanao eo dia efa mampiseho fa miahy azy ianao.
Inona no tsy tokony holazaina?
◆ “Mbola afaka miteraka ange ianao e!”
Mety ho marina izany, nefa mety hoheverina ho tsy fahaizana miara-miory. Tsy nila zaza hafa izy mivady fa iny zaza iny no nilainy. Tsy maintsy malahelo an’ilay zazakely maty izy ireo vao ho afaka hieritreritra ny mbola hiteraka.
◆ “Tsy salama izy angamba.”
Mety ho marina izany, nefa tsy dia tena mampionona loatra. Ny ao an-tsain’ilay reny dia hoe zaza salama no tao an-kibony.
◆ “Soa ihany fa mbola tsy fantatrao tsara ilay zazakely. Vao mainka ratsy be raha taoriana kokoa izao no nitranga.”
Aloha be dia efa miraiki-po amin’ny zaza ao an-kibony ny ankamaroan’ny vehivavy. Tsy maintsy malahelo izy, noho izany, raha maty io zaza io. Vao mainka mampitombo an’izany alahelo izany ny hoe tsy nisy “nahafantatra” kokoa an’ilay zaza afa-tsy ilay reny.
◆ “Soa ihany fa mbola manana zanaka hafa ianao.”
Toy ny miteny amin’ny olona iray bory tongotra hoe: “Soa ihany fa mbola manana tongotra iray ianao”, ny olona milaza izany amin’ny ray aman-dreny malahelo.
Ekena aloha fa manao teny tsy voahevitra indraindray, na dia ireo olona tena miahy sy tsotra aza. (Jakoba 3:2) Hampiseho fitiavana kristianina àry ny vehivavy afa-jaza mahataka-javatra, fa tsy hitana lolompo amin’ireo miteny amim-pahatsorana nefa tsy voahevitra tsara.—Kolosiana 3:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
c Nampifanarahina tamin’ny Tari-dalana Hiatrehana ny Fahafahan-jaza (anglisy), navoakan’ny Fikambanana Manampy ny Afa-jaza, any Wellington, Nouvelle-Zélande.