Ara-dalàna ve ny Fihetseham-po toy Izao?
IZAO no nosoratan’ny olona iray nidonam-pahoriana: “Lehibe tany Angletera aho, ka nampianarina mba tsy hampiseho ny fihetseham-poko teo imason’olona. Tsaroako fa nihidy vazana i Dada niteny tamiko hoe ‘Aza mitomany!’, rehefa nisy zavatra nampalahelo ahy. Miaramila mantsy izy taloha. Tsy mba tsaroako ho nanoroka na namihina anay ankizy mihitsy i Neny (efatra mianadahy izahay). Efa 56 taona aho tamin’ny fotoana nahafatesan’i Dada. Tena mafy tamiko ilay fisarahana, nefa tsy nahatomany aho tamin’ny voalohany.”
Mampiseho ny fihetseham-pony ny olona, any amin’ny kolontsaina sasany, ka fantatra raha faly izy na malahelo. Zarina hanafina ny fihetseham-pony sy hiseho ho tsy mihontsina mihitsy kosa ny olona, indrindra fa ny lehilahy, any amin’ny faritra sasany, toy ny any Eoropa avaratra sy any Grande-Bretagne. Tsy mety ve anefa ny mampiseho ny alahelonao rehefa maty ny havanao? Inona no lazain’ny Baiboly?
Ireo olona nolazain’ny Baiboly fa nitomany
Hebreo be fihetseham-po nonina tany amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane no nanoratra ny Baiboly. Misy olona maro lazain’ny Baiboly fa naneho ny alahelony. Nitomany i Davida, rehefa maty novonoin’olona i Amnona zanany. “Nitomany mafy dia mafy” mihitsy izy. (2 Samoela 13:28-39) Nitomany koa izy tamin’ny nahafatesan’i Absaloma zanany, izay nivadika taminy ka nitady haka an-keriny ny fanjakana. Hoy ny Baiboly: “Ary dia niontana terỳ ny fon’ny mpanjaka [Davida], ka niakatra nankeo amin’ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!” (2 Samoela 19:1) Nitomany toy ny raim-pianakaviana rehetra i Davida. Impiry impiry moa ny ray aman-dreny no naniry ho faty hisolo an-janany! Toa tsy ara-dalàna mihitsy raha ny ray aman-dreny indray no mandevina ny zanaka.
Nanao ahoana i Jesosy rehefa maty i Lazarosy namany? Nitomany izy rehefa nankeo amin’ny fasany. (Jaona 11:30-38) Nitomany koa i Maria Magdalena tatỳ aoriana, rehefa nankeo amin’ny fasan’i Jesosy. (Jaona 20:11-16) Marina fa fantatry ny tena Kristianina ny fampanantenan’ny Baiboly fitsanganan’ny maty. Tsy mitovy amin’ireo tsy mahalala izay lazain’ny Baiboly momba ny maty àry izy, ka hoe tsy azo ampiononina mihitsy. Na dia manantena ny fitsanganan’ny maty aza anefa ny Kristianina, dia mbola olombelona ihany izy, ka tena malahelo sy ory tokoa rehefa misy maty ny havan-tiany.—1 Tesalonianina 4:13, 14.
Hitomany sa tsy hitomany?
Ary isika? Sarotra aminao ve na mahamenatra anao ny mampiseho ny fihetseham-ponao? Inona no lazain’ireo mpanome torohevitra? Averin’izy ireo fotsiny ilay fahendrena fahiny nomen’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Lazainy fa tokony havoakantsika ny alahelontsika fa tsy hokobonina. Mampahatsiaro antsika an’i Joba sy Davida ary Jeremia izany. Lazain’ny Baiboly fa nampiseho ny alahelony ireo lehilahy nahatoky ireo. Tsy nokoboniny mihitsy ny fihetseham-pony. Tsy mety àry ny mihatakataka amin’ny olona. (Ohabolana 18:1) Mazava ho azy fa samy manana ny famoahany ny alahelony ny olona, arakaraka ny kolontsaina sy ny zavatra inoan’ny ankamaroan’ny olona any aminy.a
Ahoana raha te hitomany ianao? Efa anisan’ny maha olona ny olona ny mitomany. Tsarovy fa ‘vonton’alahelo i Jesosy, ary nirotsaka ny ranomasony’ tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy. (Jaona 11:33, 35) Nasehony tamin’izany fa ara-dalàna ny mitomany rehefa maty ny olona tiantsika.
Ara-dalàna raha malahelo sy mitomany ianao, rehefa misy havana maty
Manaporofo izany ny nanjo an’i Anne. Maty tampoka i Rachel zanany vao menavava. Hoy ny vadiny: “Nahagaga fa samy tsy nitomany izahay sy Anne tany am-pandevenana, nefa ny olona rehetra nitomany.” Hoy i Anne namaly izany: “Eny e! Fa efa nitomany be mihitsy aho ho antsika roa. Heveriko fa herinandro vitsivitsy taorian’ilay loza aho vao tena voa mafy, rehefa izaho irery sisa no tao an-trano indray andro. Nitomany nanala ny foko aho iny andro iny. Inoako anefa fa tena nanampy ahy ilay izy. Azoazoko kokoa ny aiko avy eo. Tsy maintsy nitomany noho ny nahafatesan-janako aho. Heveriko fa tokony havela hitomany ny olona nidonam-pahoriana. Tsy manampy mihitsy ny filazana hoe ‘Aoka izay re!’, na dia fitenin’ny olona aza izany.”
Ny fihetsiky ny olona sasany
Nanao ahoana ny fihetsiky ny sasany rehefa nalahelo mafy noho ny fahafatesan’ny olona tiany izy? Jereo, ohatra, izay nanjo an’i Juanita. Fantany tsara hoe manao ahoana izany maty anaka izany. Indimy afa-jaza izy ary vao nitoe-jaza indray. Mazava ho azy fa nitebiteby izy rehefa voatery naiditra hopitaly noho ny lozam-piarakodia. Tapa-bolana taorian’izay, dia nihetsi-jaza aloha be izy. Teraka tsy tonga volana i Vanessa kely avy eo, ary tsy nilanja afa-tsy 900 grama mahery kely fotsiny. “Faly be aho fa lasa reny ihany rehefa ela ny ela!”, hoy i Juanita.
Tsy naharitra ela anefa ny fahasambarany, satria maty i Vanessa efatra andro taorian’izay. Hoy i Juanita: “Trotraka tanteraka aho. Tsy reny intsony aho. Toa nisy zavatra tsy ampy tao amiko. Mafy tamiko ny nody, ka nankao amin’ilay efitra nomaninay ho an’i Vanessa, ary nijery ireo akanjo kely novidiko ho azy. Nandritra ny roa volana teo ho eo, dia naverimberiko tao an-tsaiko ilay andro nahaterahany. Tsy te hahita na iza na iza aho.”
Tafahoatra ve izany? Mety ho sarotra ny mahatakatra izay manjo ny maty anaka. Ireo tena nandia izany toa an’i Juanita kosa, dia milaza fa mitovy ny alahelony amin-janany vao teraka sy amin’olona efa niaina ela kokoa. Ela be alohan’ny hahaterahan’ilay zaza, hono, dia efa tian’ny ray aman-dreniny izy. Misy fifandraisany manokana amin’ilay reny. Rehefa maty ilay zazakely, dia tsapan’ilay reny fa olona iray tena nisy no maty. Izany no tokony ho takatry ny olon-kafa.
Mety ho tezitra sy hahatsiaro tena ho meloka ianao
Nisy reny nilaza ny fihetseham-pony, rehefa nilazana fa maty tampoka ny zanany enin-taona, noho ny aretim-po efa nahazo azy hatrany am-bohoka. “Nifamahofaho be ihany ny fihetseham-poko: tsy nihontsina aho, tsy nino, nahatsiaro tena ho meloka, tezitra tamin’ny vadiko sy ny dokotera noho ny tsy nahitany fa efa narary mafy ny zanako.”
Mety ho famantarana alahelo koa ny hatezerana. Angamba hatezerana amin’ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy, satria heverina fa tokony ho nikarakara bebe kokoa an’ilay maty izy ireo. Na hatezerana amin’ireo havana sy namana izay toa nanao teny na fihetsika tsy voahevitra. Misy aza tezitra amin’ilay maty mihitsy noho izy nanao tsirambina ny fahasalamany. Hoy i Stella: “Tsaroako fa tezitra tamin’ny vadiko aho, satria fantatro fa tsy tokony ho faty izy. Efa narary mafy izy, nefa mbola tsy niraharaha ny fampitandreman’ny dokotera ihany.” Tezitra amin’ilay maty ny velona indraindray, satria namela adidy mavesatra ho azy ireo izy.
Misy mahatsapa ho meloka, noho izy tezitra. Misy koa manome tsiny ny tenany noho ilay fahafatesana. Mampino ny tenany izy hoe: “Tsy tokony ho faty izy, raha mba nasaiko nankany amin’ny dokotera taloha kokoa”, na “raha mba nasaiko nankany amin’ny dokotera hafa”, na “raha mba nasaiko nitandrina kokoa ny fahasalamany.”
Miteraka ratram-po mafy ny fahafatesan’ny zanaka, ka mila olona tena miara-miory aminy sy mahazo izay manjo azy ny ray aman-dreny
Lasa lavitra kokoa ny an’ny sasany, rehefa maty tampoka ilay havany. Manomboka mahatsiaro ny fotoana nahatezitra azy sy niadiany tamin’ilay maty izy. Na, mety hihevitra izy fa tsy tena vitany ny adidiny tamin’ilay maty.
Matoa maharitra ela ny alahelon’ny reny maro, dia marina izao voalazan’ny manam-pahaizana izao: Mamela banga maharitra ao amin’ny fiainan’ny ray aman-dreny, indrindra fa ny an’ny reny, ny fahafatesan’ny zanaka.
Rehefa maty ny vady
Ratram-po hafa koa ny fahafatesan’ny vady, indrindra raha niaraka nanao asa be teo amin’ny fiainany izy mivady. Mety hidika izany fa mifarana hatreo ny fomba fiaina iray manontolo niarahany nanana, ny fanaovana dia lavitra, ny asa, ny fialam-boly, sy ny fifampiankinany.
Hazavain’i Eunice izay nitranga, rehefa matin’ny aretim-po tampoka ny vadiny. “Tamin’ilay herinandro voalohany, dia toa tsy nihontsina aho, toa nijanona tsy niasa ny tao anatiko. Tsy nandre tsiron-kanina na fofon-javatra mihitsy aza aho. Niasa tsara foana anefa ny saiko. Niaraka tamin’ny vadiko aho tamin’izy tsy nahatsiaro tena ka niezahan’ny dokotera novelomina. Noho izany, dia tsy sarotra tamiko ny nanaiky fa maty izy. Tena kivy ihany anefa aho satria tsy afa-nanoatra, toy ny hoe nitazana fiara iray hivarina tany amin’ny hantsana aho, nefa tsy nisy zavatra azoko natao.”
Nitomany ve i Eunice? “Nitomany tokoa aho, indrindra rehefa namaky ireo taratasy fiaraha-miory an-jato voaraiko. Nitomany aho teo am-pamakiana ny taratasy tsirairay. Nanampy ahy hiatrika ny tapany sisa tamin’ilay andro izany. Fa tena mafy tamiko ny anontanian’ny olona foana hoe ‘Manao ahoana ianao izao?’ Efa hita ange fa malahelo be aho e!”
Inona no nanampy an’i Eunice hizaka ny alahelony? “Tsy tsapako akory fa nanapa-kevitra ny hanohy ny fiainako aho”, hoy izy. “Mbola mandratra ny foko ihany anefa ny mahatsiaro fa tsy eo intsony mba hankafy ny fiainana ilay vadiko izay tena tia fiainana tokoa.”
“Aza mamela ny olona hibaiko ...”
Izao no torohevitr’ireo mpanoratra ny boky hoe Fotoana sy Fomba Fanaovam-beloma An’ilay Lasa (anglisy): “Aza mamela ny olona hibaiko ny tokony ho fihetsikao sy ny fihetseham-ponao. Tsy mitovy ny fizotran’ny alahelo eo amin’ny olona tsirairay. Mety hisy hihevitra fa be loatra, na kely loatra ny alahelonao, ary mety holazainy aminao izany. Mamelà azy, ary aza eritreretina intsony ny amin’izany. Raha terenao hanaraka izay tian’ny olona, na ny tany ama-monina, ny tenanao, dia sakananao tsy ho sitrana ny fihetseham-ponao.”
Mazava ho azy fa samy manana ny fomba izakany ny alahelony ny olona. Tsy milaza izahay hoe ity fomba ity no tsy maintsy tsara kokoa ho an’ny rehetra, noho itsy fomba itsy. Ratsy anefa raha tsy misy fivoarana ny mahazo an’ilay nidonam-pahoriana, ka tsy vitany mihitsy ny manaiky ny zava-misy. Mety hilaina amin’izay ny fanampian’ny namana be fangoraham-po. Hoy ny Baiboly: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” Koa aza matahotra mitady fanampiana sy miresaka ary mitomany.—Ohabolana 17:17.
Ara-dalàna ny alahelo rehefa misy fahafatesana, ary tsy mampaninona raha hitan’ny olona ny alahelonao. Misy fanontaniana hafa mila valiny anefa: ‘Ahoana no ahazakako ny alaheloko? Ara-dalàna ve raha mahatsapa ho meloka sy tezitra aho? Ahoana no tokony hataoko amin’ireny fihetseham-po ireny? Inona no afaka manampy ahy mba hahazakako ilay fahafatesana sy ny alaheloko?’ Hamaly ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa ny fizarana manaraka.
a Finoan-drazan’ny Yorobà any Nizeria, ohatra, ny hoe teraka ao anatin’ny vatana vaovao indray ny olona efa maty. Misy alahelo be rehefa maty anaka ny reny iray. Tsy maharitra anefa izany, satria hoy ny hirahiran’ny Yorobà: “Ny rano no raraka, fa ny siny tsy vaky.” Ilay reny no siny misy rano, hoy ny Yorobà, ary mbola afaka mitoe-jaza izy, ka ilay maty angamba no ho teraka indray ao anatin’ny vatana vaovao. Izany lovantsofina misy finoanoam-poana izany dia avy amin’ny hevi-diso hoe tsy mety maty ny fanahy, sy ny hoe teraka indray ao amin’ny vatana vaovao ny maty. Tsy inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, satria tsy ao amin’ny Baiboly.—Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4, 20.