FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/4 p. 8-11
  • Miatrika ny Zava-tsarotra Hitany ny Reny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miatrika ny Zava-tsarotra Hitany ny Reny
  • Mifohaza!—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Manao Hazakazaka Misy Sakana ny Reny
    Mifohaza!—2002
  • Zava-tsarotra Atrehin’ny Reny
    Mifohaza!—2005
  • Pejy Faharoa
    Mifohaza!—2002
  • Reny Mahomby
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/4 p. 8-11

Miatrika ny Zava-tsarotra Hitany ny Reny

Raha ny ankizy tokoa no antoky ny hoavy, dia mendrika hohajaina sy homem-boninahitra ary hotohanana ireo reny mamolavola azy ireny. Miovaova ny filazalazan’izao tontolo izao ny fiainan’ny reny, nefa asehon’ny Baiboly fa fitahiana avy amin’Andriamanitra ny zanaka ary mety hahasambatra ny ray aman-dreny. (Salamo 127:3-5) Miresaka tsara ny zava-misy iainan’ny reny ny Baiboly, ary mitantara ny zava-tsarotra maro hitan’izy ireny.

Misy heriny lehibe sy maharitra eo amin’ny fiainan’ny zanaka sy ny toetrany ny fanapahan-kevitra raisin’ny ray aman-dreny, momba izay hitaizany azy ireo sy ny adidin’ilay reny. Mety hampiova be ny fomba fiainan’ny ray aman-dreny izany fanapahan-kevitra izany ka ilaina hoeritreretina tsara. Anisan’ny tokony hoeritreretina ny hoe: Tokony hiasa ve ilay reny? Raha eny, hanao ahoana ny fotoana ho laniny amin’izany? Iza no hikarakara ny ankizy rehefa miasa ilay reny? Ny ray aman-dreny, amin’ny farany, no tsy maintsy manao izay heveriny fa hahasoa indrindra ny zanany, sy izay mety eo imason’Andriamanitra.

Tsy voatery hiady irery anefa ireo reny rehefa handray fanapahan-kevitra tsara. Tena afaka mampionona azy ireo ny teny ao amin’ny Isaia 40:11. Lazaina ao mantsy fa “horoahiny miadana” ny reny mitaiza kely, izany hoe ahin’Andriamanitra manokana. Maneho fiahiana toy izany Andriamanitra ka manome toro lalana ara-baiboly izay mety hahatonga ny fiainan’ny reny hahafaly sy hahomby.

❖ Mahalalà ny antonony: Tokony ho fantatra ho mahalala ny antonony ny Kristianina. (Filipiana 4:5) Niaiky ny hasarobidin’io toro lalana io i Janet Penley, mpanoratra sady reny. “Nanantena zavatra maro be aho rehefa nanomboka nitaiza”, hoy izy. “Ny ho reny tonga lafatra no tanjoko. Novakiko daholo rehefa nety ho boky ary nohenoiko daholo rehefa nety ho manam-pahaizana. Tsy nahatsiaro ho nahomby sy nahay be anefa aho, fa vao mainka nahatsiaro ho tsy mahay sy ketraka.” Hazavainy fa hihena ny risi-ponao sy tanjakao, sady hitebiteby sy hahatsiaro ho meloka ianao, raha mieritreritra hoe ‘vitan’ny hafa ve tsy ho vitako?’

❖ Manàna fiainana tsotra: “Ny zava-tsarobidy indrindra eo amin’ny fahazazan’ny ankizy sy ny fifaliana entin’ny fiainam-pianakaviana, no mety hafoin’ny fianakaviana noho ity fiainana hazakaza-dava ity”, hoy ny gazetiboky Herinandrom-baovao (anglisy). Izany no mahatonga reny maro haniry fiainana tsotra kokoa. Ahoana no hanatsoranao ny fiainanao? Jereo aloha izay zavatra ataonao loha laharana, ka ny “zavatra tsara indrindra”, anisan’izany ny fotoana sy ny fikarakarana manokana ilain’ny zanakao, no tokony ho voalohany. (Filipiana 1:10, 11) Diniho tsara avy eo ny fomba fiainanao, satria mety ho voatery hamela asa sy fananana tsy tena ilaina ianao.

Inona no zavatra tsara indrindra na lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao? Ny hahazo ny zava-drehetra avy hatrany ve, sa misy tanjona azo ampiandrasina mba hanatratrarana tanjona hafa? Mitantara ny ataony i Carolyn, renim-pianakaviana mahantrahantra. Hoy izy: “Notsoriko ny fiainana, ary nahenako ny fandaniana.” Milaza toy izao i Gloria, manan-janaka telo: “Tsy nanam-bola hividianana fitafiana ara-damaody izahay, fa izaho ihany no nanjaitra ny akanjon’ny ankizy. Nolazaiko tamin’izy ireo fa akanjo manokana ny akanjony, satria tsy nisy mpanana.”

Lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa “izay mitandrina fahalalana hahita soa.” (Ohabolana 19:8) Tototry ny fialam-boly sy fitaovana kely maoderina ary ny lamaody tsy misy farany ny reny sy ny zanaka ka ilainy ny mitandrina fahalalana na mahay manavaka mba hanombanana ny hasarobidin’izy ireny. Nilaza toy izao i Judith, reny atsy Afrika Atsimo: “Tototry ny zava-baovao, sy fitaovana maoderina ary asa fanampiana ny mpividy isika!” Izao no fomba iatrehan’i Angela, manan-janaka efatra, any Alemaina, an’io zava-tsarotra io: “Tsy maintsy mijery ianao hoe inona no tena ilaina sy mahasoa, ary ampio koa ny zanakao hanao toy izany.”

❖ Ovay izay azo ovana: Ampiasao “ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava”, hoy ny fananaran’ny Baiboly. (Ohabolana 3:21) Raha miasa ianao amin’izao fotoana izao, afaka mihafy amin’ny karaman’ny vadinao ve ianareo? Hanampy anao hamaly an’io fanontaniana io ny famaritana hoe ohatrinona marina ny vola ampiasainareo, rehefa esorina ny hetra, ny vola ikarakarana ny ankizy, ny saran-dalana, ny fitafiana, ny sakafo ary ny fandaniana fanampiny. Ankoatra izany, mety ho be kokoa ny hetra takina amin’ny vadinao, rehefa atambatra ny karamanareo mivady. Ho gaga àry ianao hahita fa hay vola kely no sisa tavela.

Misy miasa ora vitsy kokoa, na miasa eny akaikin’ny tranony. Ho kely kokoa ny vola miditra amin’izay nefa ho be kokoa ny fotoana iarahana amin’ny ankizy. Raha tapa-kevitra ny tsy hiasa intsony ianao, ary raha zava-dehibe taminao ny asanao satria nanome haja sy fahafaham-po anao, dia mitadiava fomba hihazonana izany haja sy fahafaham-po izany ao an-tokantranonao ihany.

❖ Mangataha fanampiana: Imbetsaka ny Tenin’Andriamanitra no mampiseho fa mety hisy vokany ny ‘fitarainana.’ (Eksodosy 2:23, 24; Salamo 34:15) Tokony hahatonga ny lehilahy hanampy ny vadiny ny fitarainan’ilay reny. Raha manampy anao ny vadinao, dia mety ho afaka hizara ny raharaha ao an-trano ianareo, mba hanananareo fotoana hanatratrarana ireo tanjona niarahanareo nametra, toy ny fiarahana amin’ny zanakareo. Tokony hanao lisitr’ireo olona azony angatahana fanampiana sy fampaherezana koa ny reny, raha mety. Anisan’izany ny havana aman-tsakaiza itokisany, sady mitovy zava-mahaliana sy tanjona aminy.

Misy reny maro mahazo fanampiana sarobidy avy amin’ireo mpiray finoana aminy eo anivon’ny fiangonana kristianina. Takatr’i María, manan-janaka telo, fa ny “fiarahana akaiky amin’ny fiangonana” no anisan’ny fomba “anehoan’Andriamanitra fitiavana sy fangorahana amintsika ary anehoany fa miahy antsika izy.”

❖ Makà fotoana hialana sasatra: Lehilahy lavorary sy natanjaka be i Jesosy, nefa nanasa ny mpianany handeha ‘hitokana tany an-tany foana, ka hiala sasatra kelikely.’ (Marka 6:30-32) Ny reny mahomby dia ny reny mahay mandanjalanja ao anatin’ny faneren’ny fiainana. Marina fa mila anao ny zanakao, nefa tian’izy ireo ho sambatra sy afa-po koa ianao. Mila fialan-tsasatra antonony ianao.

Izao no fandaharam-pialan-tsasatr’i Angela, voaresaka teo aloha: “Maka fotoana ialana sasatra kely aho ny maraina. Antsasak’adiny, fara fahakeliny, no atokako amin’izany. Manana takariva iray na roa isan-kerinandro koa izahay mivady, rehefa asaina mankany an-toeran-kafa ao an-trano ireo zanakay ary manao zavatra any tsy mitabataba. Afaka manana adiny iray hialan-tsasatra izahay amin’izay.”

❖ Ataovy loha laharana ny zavatra ara-panahy: Voamarika fa vao mainka sarotra ny fiainan’ny reny raha manadino ny zava-kendreny izy sady tsy mamaritra izay tokony hatao loha laharana. Ho sambatra ny fianakaviana kristianina rehefa miara-miezaka mametraka ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:8) Ho sambatra ny fianakaviana manana toe-panahy araka an’Andriamanitra sy manaraka ny tari-dalany voarakitra ao amin’ny Baiboly. Efa tsara noho ny tsy misy, na dia mpianakavy iray monja aza no mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.

Nahita ny soa entin’ny fifantohana amin’ny zavatra ara-panahy i Adele, reny kristianina miasa manontolo andro. Hoy izy: “Maro be ny tari-dalana sy fanazavana hitantsika ao amin’ireo boky sy gazety ara-baiboly izay mampahafantatra antsika ny zavatra atrehin’ny zanatsika sy ny fomba azontsika anampiana azy ireny. Manjary mendrika ny hanaovantsika ezaka lehibe izany, rehefa hitantsika fa mandray tsara ny sakafo ara-panahy omena azy, ireo zanatsika. Rehefa mahita fihatsarana kely eo amin’ny toetrany sy ny fisainany isika, dia takatsika fa azony ary ekeny ilay toro lalana. Nahomby izany ny ezaka nataontsika.”a

Tena azo atao ny hahomby eo amin’ny hazakazaka misy sakana ataon’ireo reny. Andriamanitra mihitsy no mampionona sy manome toky fa tsy ho very maina ny ezaka sy fahazotoana ary ny fahafoizan-tenan’ireo reny mitoky aminy. Afaka mahita fanamaivanana sy fampiononana ireo reny mamboly fifandraisana manokana aminy, satria mampanantena izy fa ‘hanatanjaka ny reraka.’—Isaia 40:29.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Namoaka boky ara-baiboly maromaro natao hampiofanana ny ankizy ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra ary Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.

[Efajoro, pejy 10]

Famolavolan’ny Reny

Mety hanontany tena indraindray ianao reny raha afaka mamolavola ny zanakao ianao. Mety ho toa mahery kokoa noho ny anao mantsy ny fitaoman’ny namana, ny mpampianatra, ny fialam-boly, ny lalao vidéo ary ny mozika.

Jereo ny ohatr’i Jokebeda, renin’i Mosesy. Niaina tao anatin’ny fotoan-tsarotra izy ary tsy nanana fahefana tamin’izay hanjo an’i Mosesy zanany. Nohararaotiny anefa izay fahafahana nananany mba hamolavolana ny toetran’io zanany io. Naneho finoana matanjaka aloha izy rehefa tsy namela an’i Mosesy hovonoina. Novalian-tsoa ny finoan’i Jokebeda satria sady voatsimbina ny ain-janany no izy reniny ihany no nataon’Andriamanitra ho mpitaiza azy.—Eksodosy 1:15, 16; 2:1-10.

Miharihary fa nandray anjara tamin’ny famolavolana ny toetran-janany i Jokebeda. Naleon’i Mosesy niaraka tamin’ny Hebreo sy ny Andriamanitr’izy ireo, rehefa lehibe izy, na dia nifandray akaiky tamin’ny mpanjakan’i Ejipta aza izy. Nidika izany fa nanana hery mitaona lehibe teo aminy ny ray aman-dreniny, nandritra ny fahazazany.—Hebreo 11:24-26.

Azo inoana fa afaka mamolavola kokoa ny zanakao noho i Jokebeda ianao. Hararaotinao ve ireo taona vitsivitsy mbola mahakely ny zanakao mba hampianarana azy tsara ka handraisany soa maharitra amin’izany? Sa kosa avelanao hamolavola ny toetran’ny zanakao ny fomba amam-panao manjaka ankehitriny?

[Sary, pejy 10]

Asaivo manao raharaha ny hafa, makà fotoana hialana sasatra, ary ataovy loha laharana ny ara-panahy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara