FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/4 p. 4-8
  • Manao Hazakazaka Misy Sakana ny Reny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manao Hazakazaka Misy Sakana ny Reny
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Reny miasa
  • Mitaky be ny toeram-piasana
  • Fahaizana mampifandanja zavatra
  • Avela hiady irery
  • Sakana fanampiny
  • Miatrika ny Zava-tsarotra Hitany ny Reny
    Mifohaza!—2002
  • Zava-tsarotra Atrehin’ny Reny
    Mifohaza!—2005
  • Reny Mahomby
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mihabetsaka ny Ray na Reny Tokan-tena
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/4 p. 4-8

Manao Hazakazaka Misy Sakana ny Reny

Sarotra nefa mahafinaritra ny fiainan’ny reny. Tsy misy na inona na inona hatakalon’ny reny an’ireo fotoana sarobidy iainany. Misy reny mahatsiaro ho trotraka ihany anefa indraindray. Ampitovin’i Helen amin’ny hazakazaka misy sakana ny fiainany amin’ny maha reny azy. Toa mitombo sy mihasarotra dinganina ireny sakana ireny rehefa mandeha ny fotoana.

Aleon’ny reny mikarakara ny zanany toy izay hanao zavatra hafa na hiara-mikorana amin’ny namana. “Tsy maintsy vonona foana aho rehefa misy ilana izany”, hoy i Esther, manan-janaka dimy. “Tsy mandany fotoana ela handroana intsony aho fa dosy maimaika fotsiny, ary tsy maka fotoana be intsony hanomanana sy hisakafoana aho fa sakafo tsotsotra dia ampy. Tsy mandeha lavitra intsony aho, tsy afaka mijery tany, ary tsy mahavita zavatra maro intsony. Fa ny lambanay kosa aloha voasasa sy voampirina e!”

Mazava ho azy fa hilaza ireo fotoam-pifaliana miavaka hitany rehefa mitaiza ny zanany koa ny ankamaroan’ny reny. Hoy i Esther: “Velom-bolo erỳ ny tena rehefa eo ny tsiky tsindraindray sy ny teny mamy hoe ‘Misaotra Neny a!’ ary ny famihinana mafana.”a

Reny miasa

Ity no anisan’ny sakana lehibe manasarotra ny fiainan’ny reny: Maro no miantsoroka ny andraikiny mahazatra ao an-trano, sady miasa mba hanampiana ny volan’ny fianakaviany. Tsy safidy fa faneren’ny fiainana no mahatonga an’ireo reny hitady asa. Fantany mantsy fa tsy ho azo ny ankamaroan’ny zavatra ilain’ny fianakaviany, indrindra fa ny zanany, raha mijanona fotsiny ao an-trano izy. Tena ilaina ny karamany na dia kely noho ny an’ireo lehilahy mitovy asa aminy aza matetika.

Vehivavy, ohatra, ny 42 isan-jaton’ny mpiasa any São Paulo, Brezila. Antsoin’ny gazety iray any an-toerana hoe “madiva ho lany tamingana” ireo reny mitaiza ny zanany manontolo andro. Fahita any ambanivohitra atỳ Afrika kosa ny reny mibaby zaza sady miloloha kitay.

Mitaky be ny toeram-piasana

Manampy ireo sakana koa ny fitakian’ny mpampiasa ora maro iasan’ny reny. Mety tsy ho izay ihany anefa no takiny. Nahazo asa i Maria mipetraka any Gresy. Nasain’ny mpampiasa azy anefa izy mba hanao sonia taratasy nampanantena fa tsy hiteraka ao anatin’ny telo taona, fa raha tsy izany dia hampandoavina onitra. Nosoniavin’i Maria ilay taratasy, kanjo bevohoka izy, herintaona sy tapany teo ho eo taorian’izay. Nasehon’ilay mpampiasa àry ilay taratasy. Nampakarin’i Maria tany amin’ny fitsarana ny lalàna arahin’ilay orinasa, ary miandry izay ho tohiny izy izao.

Tsy tafahoatra toy izany daholo ny toe-javatra. Mety hanery an’ireo reny vao tera-bao hiverina hiasa haingana koa anefa, ny mpampiasa. Mitovy amin’ny ora iasan’ny rehetra ihany anefa ny ora iasany. Manana andraikitra amin’ilay zanany vao menavava izao ilay reny, nefa tsy raharahaina izany. Hihena ny karamany raha maka fotoana be tsy iasana izy. Mety ho voatery hihafy amin’ny fomba tsizarizary fikarakarana ankizy sy ny fanampiana kely omen’ny fanjakana koa ireo reny.

Misy koa anefa ny reny miasa mba hahatsapany fahafaham-po, fa tsy noho ny faneren’ny fiainana. Tapa-kevitra ny hiverina hiasa i Sandra rehefa avy niteraka ny zanany mianadahy. Nitantara izy fa rehefa izy sy ny zanany kely no sisa tao an-trano, dia “nijery teo am-baravarankely izy ary nanontany tena ny amin’izay nataon’ny olon-kafa.” Misy koa reny mandeha miasa mba hialana amin’ny olana ao an-trano. Nilaza toy izao ny gazety Telegrafy Isan’andro, any Grande-Bretagne: “Aleon’ny ray aman-dreny sasany mandany fotoana be kokoa any am-piasana satria toa miadana kokoa izy any. Tsy vahaolana anefa izany, satria vao mainka mampihena ny fotoana iarahana amin’ireo zanaka, ka mahatonga azy ireo tsy hiraharaha sy ho tia ady ary hihamaditra.”

Fahaizana mampifandanja zavatra

Tsy mora ny mampifandanja ny asa sy ny tokantrano. Hoy ny reny iray any Holandy, milaza ny zavatra tsapan’ny ankamaroan’ny reny: “Vizana, vizana, vizana. Vao mifoha aza aho dia vizana. Matin’ny havizanana aho rehefa avy miasa. ‘Vizana foana i Neny’, hoy koa ny ankizy, ary lasa mahatsiaro ho meloka aho. Tiako ny asako, nefa tiako koa ny ho reny mahafinaritra, mahay mifanaraka amin’ny toe-javatra rehetra. Tsy reny tonga lafatra araka ny iriko anefa aho.”

Anisan’ireo reny miasa an-tapitrisa izay mihevitra toy izao izy: Tsy mampaninona raha ilaozanao matetika ny zanakao satria mameno kely ny banga amin’izany ihany ireo fotoana misy vidiny hiarahana amin’izy ireny. Hitan’ireo reny ireo anefa fa tsy marina io hevitra io. Maro ny reny milaza fa sarotra loatra ny fiezahana mampifandanja ny asa sy ny fikarakarana tokantrano ka manjary be asa loatra, reraka loatra nefa kely karama, izy ireo.

Tsy mahazo izay tena ilainy ireo ankizy, dia ny fotoana sy ny fikarakaran-dreniny, rehefa tsy hitany mandritra ny ora maro ilay reny. Lazain’i Fernanda Lima, manam-pahaizana brezilianina momba ny sain’ny ankizy fa tsy misy mahasolo ny reny. “Fotoan-tsarotra indrindra eo amin’ny fiainan’ny zaza ireo taona roa voalohany”, hoy izy. “Mbola kely loatra izy ka tsy takany ny antony tsy maha eo ny reniny.” Tsy mahasolo ny reny ny olona ampiasaina hikarakara an’ilay zaza. “Tsapan’ilay zazakely fa tsy ilay fikarakarana feno fitiavana avy amin-dreniny no azony”, hoy i Lima.

Hoy i Kathy, reny miasa manontolo andro, manan-janaka vavy kely: ‘Tena mahatsiaro ho meloka aho, toy ny hoe ariako [any amin’ny akanin-jaza] ilay zanako. Mafy izany hoe tsy afaka mahita ny zanaky ny tena mitombo sy mivelatra izany. Mahasorena koa ny mieritreritra hoe ny any amin’ny akanin-jaza indray no iraiketan’ny fony bebe kokoa noho ianao reniny.’ Niaiky toy izao ny vehivavy miasa amin’ny fiaramanidina, any Meksika: “Tsy fantatry ny zanakao intsony ianao rehefa tsy hitany elaela, ary tsy raharahainy intsony satria tsy mitaiza azy. Fantany ihany fa ianao no reniny, saingy tiany vetivety eo ilay olona mikarakara azy.”

Manindrahindra ny asa andraisan-karama ny olona, ka milaza ireo vehivavy mijanona ao an-trano mba hitaizana ny zanany fa ataon’ny olona tsinontsinona izy ireo. Tsy heverina ho manan-kaja toy ny taloha intsony ny vehivavy mpikarakara tokantrano, ka mahatsiaro ho voatery hitady asa izy ireo, na dia tsy misy antony ilana vola fanampiny aza.

Avela hiady irery

Sakana hafa hitan’ny renim-pianakaviana koa ity zava-misy ity: Manohy ny raharaha ao an-trano ny reny reraka avy niasa, fa tsy mba afaka miala sasatra akory. Ny reny ihany mantsy matetika no mbola heverina ho tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny tokantrano sy ny ankizy, na miasa izy na tsia.

Mihamaro ny reny miasa mandritra ny ora maro kokoa, nefa tsy manampy azy foana akory ny vadiny. Nanoratra toy izao Ny Fotoana Alahady, gazety iray any Londres: “Firenena tsy misy raim-pianakaviana i Grande-Bretagne. Asehon’ny fikarohana vaovao tokoa mantsy fa tsy mandany afa-tsy 15 minitra isan’andro iarahana amin’ny zanany ireo ray. ... Tsy finaritra akory ny ankamaroan’ny ray miaraka amin’ny fianakaviany. ... Mandany adiny iray sy sasany isan’andro iarahana amin’ny zanany kosa ireo reny miasa eto Grande-Bretagne.”

Misy ray mitaraina hoe tsy mety manankina raharaha amin’olon-kafa ny vadiny, satria tsy tian’ilay ramatoa raha vao hafa ny fomba hanaovana ilay izy. “Tsy mety ny zavatra raha vao tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’i madama”, hoy ireo ray. Mazava ho azy, fa mety ho voatery hifaly amin’izay fomba anaovana an’ilay raharaha ny vehivavy efa vizana, raha tiany hanampy azy ny vadiny. Tsy tokony hampiasa izany ho toy ny fialana mba tsy hanampiany ny vadiny koa anefa ilay rangahy.

Sakana fanampiny

Mety ho sakana fanampiny ireo fomba efa latsa-paka. Tokony hotezaina toy ny itaizana ny ankizy mitovy taona aminy ny ankizy any Japon. Raha mianatra mitendry piano na manao hoso-doko ny ankizy hafa, dia mahatsiaro ho voatery hanao toy izany amin-janany koa ilay reny. Teren’ny sekoly ireo ray aman-dreny mba hampiditra an-janany amin’ny fanaovan-javatra ivelan’ny fandaharam-pampianarana, toy ny ataon’ny ankizy hafa. Raha vao miavaka amin’ny hafa ny zanakao, dia mety ho avy ny fanorisorenana tsy an-kijanona avy amin’ny namana, mpampianatra, ray aman-dreny hafa ary havana. Misy toy izany koa any amin’ny tany hafa.

Mety hahatonga ny ankizy hitaky be ny dokam-barotra. Mety hahatsiaro ho voatery hividy izay irin-janany ireo reny any amin’ny tany mandroso, satria hitany fa manao toy izany ny reny hafa. Raha tsy izany dia mihevi-tena ho tsy mahay mitaiza izy.

Reny an-tapitrisa no be fandavan-tena eo amin’ny fitaizana an’ireo taranaka handimby. Tsy tokony hanamatroka an’izany asa lehibe izany izao firesahana momba ny fiainan’ny reny ankehitriny izao. Anisan’ny asa mendri-kaja indrindra mantsy ny fitaizana zanaka, satria tombontsoa izany. Hoy ny Baiboly: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo.” (Salamo 127:3) Mampiseho tsara izay tsapan’ny reny i Miriam, manan-janaka roa, rehefa nilaza hoe: “Sarotra ny fiainan’ny reny, nefa mitondra fifaliana tsy misy toy azy. Mahatsiaro ho afa-po izahay reny rehefa hitanay fa nandray tsara ny fampiofanana sy ny fifehezana nomenay ireo zanakay, ka lasa olona mahatsapa andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina.”

Inona no hanampy ny renim-pianakaviana hankamamy bebe kokoa io fanomezana io? Hanome soso-kevitra mahasoa ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Miresaka indrindra ny reny manambady ireto lahatsoratra ireto. Mbola hiresaka momba ny zava-tsarotra atrehin’ireo reny mitaiza irery ny zanany sy ireo niteraka tsy manambady ny Mifohaza!

[Efajoro, pejy 6]

“Fetin’ny Reny”

Izao avy no manjo ny reny any amin’ny faritra atsimon’i Afrika: mahantra faraidiny, zara raha nianatra, manana vady tsy mahatsapa andraikitra, ampijalina matetika, SIDA miparitaka. Nilaza toy izao ny gazety iray atsy Afrika Atsimo, tamin’ny Fetin’ny Reny vao haingana: “Vehivavy an’arivo no hampijalin’ny vadiny ka hisy ho faty amin’izao Fetin’ny Reny izao.” Zava-manahirana toy izany no mahatonga reny afrikanina tatsimo an’arivo hanary ny zanany kely, isan-taona. Nitombo 25 isan-jato ny isan’ireo zazakely nariana nandritra ny roa taona, vao haingana. Mbola mahakivy kokoa aza ny fitomboan’ny isan’ny vehivavy mamono tena. Vao haingana no nisy vehivavy nipetraka tao amin’ny faritra nahantra, namihina ny zanany telo sady nijoro niatrika lamasinina avy nanatona azy. Maty daholo izy efa-mianaka. Misy reny mivaro-tena sy mivarotra zava-mahadomelina, na mampirisika ny zanany vavy hanao toy izany koa, mba hahazoana vola.

Nilaza ny tatitra avy tany Hong Kong fa “misy reny mamono ny zanany vao teraka, na manary azy any amin’ny fasiam-pako, satria tsy zakan’izy ireo ny faneren’ny fiainana.” Nilaza ny gazety anglisy iray any Chine fa misy reny tanora any Hong Kong “manan-java-manahirana lehibe mety hanimba ny sainy, ka hahatonga azy hamono tena.”

[Efajoro, pejy 7]

Fiainan’ny Reny any Amin’ny Tany Samihafa

Kely dia kely ny fotoana

❖ Nasehon’ny fanadihadiana natao tany Hong Kong fa ny 60 isan-jaton’ny reny miasa no tsy manokana ny fotoana heveriny fa ampy ho an’ny zanany. Ny 20 isan-jaton’ny ankizy hatramin’ny telo taona, manana ray aman-dreny miasa, koa no mazàna mipetraka any amin’ireo raibe sy renibe, lavitra ny tranony, amin’ny andavanandro.

❖ Mandany 13 taona amin’ny fiainany ny reny any Meksika mba hikarakarana, fara fahakeliny, zaza iray latsaka ny dimy taona.

Reny sy asa

❖ Mijanona ao an-trano mba hikarakara ny zanany ny 60 isan-jaton’ny reny any Irlandy. Sahabo ho 40 isan-jato kosa no manao toy izany any Espaina sy Gresy ary Italia.

Manampy manao raharaha ao an-trano

❖ Ny 80 isan-jaton’ny vehivavy mpikarakara tokantrano any Japon no milaza fa tiany raha mba misy mpianakaviny manampy azy manao raharaha ao an-trano, indrindra fa rehefa marary izy.

❖ Mandany adiny 2 isan’andro eo ho eo iarahana amin’ny zanany ny raim-pianakaviana any Holandy, ary mandany 42 minitra anaovana raharaha ao an-trano. Mandany adiny 3 eo ho eo kosa iarahana amin’ny zanany ny reny, ary adiny iray sy 42 minitra eo ho eo anaovana raharaha ao an-trano.

Sahirana mafy

❖ Mahatsiaro ho sahirana mafy ny 70 isan-jato maherin’ny reny any Alemaina. Mitaraina ho marary lamosina ny 51 isan-jato eo ho eo. Maherin’ny ampahatelony no vizana sy kivy lava. Efa ho ny 30 isan-jato no marary andoha na misalebolebo sy mandoa.

Iharan’ny herisetra ao an-trano

❖ Ny 4 isan-jaton’ireo vehivavy nadinadinina tany Hong Kong, no nilaza fa novonoin’ny rain-janany tamin’izy bevohoka.

❖ Nasehon’ny fanadihadiana nataon’ny gazetiboky iray tany Alemaina fa efa ho reny 1 ao anatin’ny 6 no niaiky fa nodarohan’ny zanany indray mandeha, fara fahakeliny.

[Sary, pejy 7]

Mety ho tena sarotra ny fiainan’ny reny satria maro aminy no miezaka mafy mampifandanja ny asa sy ny fianakaviana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara