Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tokony Hanantena ny Harovan’Andriamanitra ve ny Kristianina?
Resahin’ny Baiboly matetika, fa afaka miaro ny mpivavaka aminy Andriamanitra. Hoy i Davida Mpanjaka: “Jehovah ô, vonjeo amin’ny olon-dratsy aho, ary arovy amin’ny olon-dozabe.” (Salamo 140:1) Maro amin’ireo mpivavaka amin’Andriamanitra ankehitriny no efa saika maty na saika naratra noho ny herisetra, asan-jiolahy, na noho ny hetraketraky ny natiora. Nanontany tena ny sasany tamin’izy ireny raha narovan’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga tamin’izany. Misy Kristianina tsy afa-miala mantsy indraindray, fa iharan-doza na fahafatesana mahatsiravina mihitsy aza.
MIARO ny olona sasany ve i Jehovah Andriamanitra fa tsy miaro ny hafa kosa? Tokony hanantena ny harovana amin’ny fomba mahagaga amin’ny herisetra sy ny loza ve isika?
Tantaran’olona ao amin’ny Baiboly narovana tamin’ny fomba mahagaga
Maro ny tantara ao amin’ny Baiboly momba ny nanampian’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga ny mpivavaka aminy. (Isaia 38:1-8; Asan’ny Apostoly 12:1-11; 16:25, 26) Tantaraina ao koa fa nisy hafa tsy voavonjy tamin’ny loza indraindray. (1 Mpanjaka 21:1-16; Asan’ny Apostoly 12:1, 2; Hebreo 11:35-38) Hita àry fa afaka manapa-kevitra ny hiaro i Jehovah raha tiany, satria misy antony na zava-kendreny amin’izany. Tsy tokony hihevitra àry ny Kristianina hoe nafoin’Andriamanitra raha tsy afaka ny fisedrana azy. Tsy maintsy manaiky isika fa mety hisy zava-dratsy hitranga, na dia amin’ny mpanompon’i Jehovah mahatoky aza. Fa nahoana?
Nahoana no misy zava-dratsy mitranga amin’ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky?
Ny antony iray dia satria nandova ota sy tsy fahalavorariana avy tamin’i Adama sy Eva isika rehetra. Mety hanaintaina sy ho azom-pahoriana ary ho faty àry isika. (Romana 5:12; 6:23) Ny antony iray hafa dia noho isika miaina amin’ny andro farany. Lazain’ny Baiboly fa “tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara” ny olona ankehitriny. (2 Timoty 3:1-5) Manaporofo izany ny fisavihana, fakana olona an-keriny, vonoan’olona, ary ny asan-jiolahy mahatsiravina hafa, fahita ankehitriny.
Mahery setra ny olona miara-monina sy miara-miasa amin’ny Kristianina mahatoky maro, ary mitady hanisy ratsy azy indraindray. Mety hiharan-doza isika satria sendra teo amin’ilay toerana fotsiny tamin’ny fotoana nitrangan’izany. Hitantsika koa fa marina ilay tenin’i Solomona hoe “ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.”—Mpitoriteny 9:11.
Nilaza koa ny apostoly Paoly fa henjehina ny Kristianina satria mivavaka amin’Andriamanitra. Hoy izy: “Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Timoty 3:12) Hita tany amin’ny tany vitsivitsy izany, tato anatin’ny taona faramparany.
Mety ho tratran’ny herisetra, asan-jiolahy, hetraketraky ny natiora, na fahafatesana tampoka àry, ny olona matahotra an’Andriamanitra. Nanandrana nampino i Satana fa manisy fefy manodidina ny mpanompony i Jehovah mba tsy hisy loza hanjo azy ireo. (Joba 1:9, 10) Tsy marina izany. Afaka matoky anefa isika fa tena miaro ny vahoakany i Jehovah na dia tsy mamonjy azy ireo amin’ny fomba mahagaga amin’ny zava-dratsy aza izy.
Ahoana no fomba iarovan’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny?
Manome tari-dalana miaro ny vahoakany i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny. Hahay hitsara zavatra isika rehefa tia zavatra ara-panahy sy manana fahalalana ara-baiboly. Hanampy antsika tsy hanao fahadisoana sy hanao fanapahan-kevitra tsara izany. (Salamo 38:4; Ohabolana 3:21; 22:3) Voaro tamin’ny loza maro, ohatra, ny Kristianina nanaraka ny torohevitry ny Baiboly mahakasika ny fitsipi-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy, fitiavan-karena, fahatezerana, ary herisetra. Tsy voatery ho eo amin’ny toerana mety hitrangan’ny loza koa isika, rehefa tsy minamana amin’ny olona ratsy toetra. (Salamo 26:4, 5; Ohabolana 4:14) Manana fomba fiaina tena tsara ireo manaraka ny fitsipiky ny Baiboly, ary salama kokoa matetika ny sainy sy ny vatany.
Tena mampionona ny mahafantatra fa na dia misy zava-dratsy avelan’Andriamanitra hitranga aza, dia hanome hery ilain’ny mpivavaka aminy izy mba hiaretan’izy ireo izany. Manome toky antsika ny apostoly Paoly hoe: “Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13) Mampanantena koa ny Baiboly fa hahazo ‘hery lehibe’ isika mba hahafahantsika hiaritra na dia misy zava-dratsy aza.—2 Korintiana 4:7.
Manao araka ny sitrapony Andriamanitra
Tokony hanantena ny hovonjen’Andriamanitra amin’ny fomba mahagaga ve ny Kristianina isaky ny misy loza mananontanona? Tsy afaka manantena izany isika, raha araka ny fitantaran’ny Baiboly.
Mazava ho azy fa afaka mifidy ny hanampy mivantana ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra. Tsy tokony hokianina koa ny olona mino fa nieren-doza noho ny fanampian’Andriamanitra. Tsy tokony hoheverina koa anefa hoe tsy nankasitrahan’i Jehovah ilay olona, matoa tsy narovany.
Aoka isika hatoky fa hiaro ny mpanompony mahatoky i Jehovah na inona na inona fisedrana na toe-javatra atrehin’izy ireo. Mety hesoriny ilay toe-javatra, na homeny hery hiaretana isika, ary na maty aza isika, dia hatsangany mba hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao.—Salamo 37:10, 11, 29; Jaona 5:28, 29.