FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/7 p. 8-13
  • “Jehovah Tsy mba Hanary ny Olony”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Jehovah Tsy mba Hanary ny Olony”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manampo ny hijaly ny Kristiana tsy mivadika
  • Izay ianarantsika avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly
  • Miahy an’ireo ory i Jehovah
  • Manohana antsika ireo fanomezan’i Jehovah
  • Jehovah no ‘Fiarovana Mafy ho Antsika Amin’ny Andro Fahoriana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Manafaka ny Ory i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Aoka isika hanovo fampaherezana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Nahoana ny Tsara Fanahy no Mijaly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/7 p. 8-13

“Jehovah Tsy mba Hanary ny Olony”

“Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” — SALAMO 34:19.

1, 2. a) Ahoana no itahian’i Jehovah ny vahoakany amin’izao andro izao? b) Inona no atrehin’ny Kristiana maro, ary fanontaniana inona avy no mipoitra?

MITOETRA ao amin’ny paradisa ara-panahy ireo mpivavaka amin’i Jehovah, ho fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly. (2 Korintiana 12:1-4). Ao anatin’ny fikambanana iraisam-pirenena, izay miavaka amin’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina, ny Vavolombelon’i Jehovah. (Jaona 13:35). Manana fahalalana lalina sy mivelatra ny amin’ireo fahamarinana ara-baiboly izy ireo. (Isaia 54:13). Velom-pankasitrahana an’i Jehovah erỳ izy ireo noho izy manome azy ny tombontsoa hitoetra ao amin’ny tabernakeliny ara-panahy! — Salamo 15:1.

2 Na dia mahazo fanambinana ara-panahy aza ny rehetra ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, ny sasany aminy dia toa miaina ao anatin’ny fiadanana sy ny filaminana voafetra, fa ny hafa kosa dia mandia fahoriana isan-karazany. Kristiana maro no ao anatin’ny tarehin-javatra mampahonena efa hatramin’ny ela, kanefa dia tsy mba misy fanamaivanana azo antenaina akory. Ara-dalàna ny isian’ny fahakiviana ao anatin’ny toe-javatra toy izany. (Ohabolana 13:12). Porofon’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ve ny fahoriana? Miaro manokana ny Kristiana sasany ve i Jehovah fa manary ny hafa kosa?

3. a) Tompon’andraikitra amin’ireo fahoriana diavin’ny vahoakany ve i Jehovah? b) Nahoana no mandia fahorian’olombelona, na dia ireo mpivavaka amin’i Jehovah mahatoky aza?

3 Mamaly toy izao ny Baiboly: “Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy”. (Jakoba 1:13). I Jehovah no Mpiaro sy Mpanohana ny vahoakany. (Salamo 91:2-6). “Jehovah tsy mba hanary ny olony”. (Salamo 94:14). Tsy midika akory izany hoe tsy handia fahoriana ireo mpivavaka mahatoky. Ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny dia tapahin’olona nandova tsy fahatanterahana efa raiki-tampisaka. Maro aminy no mikororosy fitondran-tena, ary ratsy fanahy tsotra izao ny vitsivitsy aminy. Tsy misy mitodika any amin’i Jehovah mba hahazoana fahendrena izy ireo. Izany no miteraka ny ankabeazan’ny fahorian’olombelona. Manambara mazava ny Baiboly fa tsy hoe afa-miala foana amin’ireo vokatra mampalahelo ateraky ny tsy fahatanterahana sy ny faharatsian’olombelona akory ny vahoakan’i Jehovah. — Asan’ny Apostoly 14:22.

Manampo ny hijaly ny Kristiana tsy mivadika

4. Inona no azon’ny Kristiana rehetra ampoizina raha mbola miaina eto amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ izy ireo, ary nahoana?

4 Na dia tsy naman’izao tontolo izao aza ireo mpanara-dia an’i Jesosy, dia miaina eo anivon’itỳ fandehan-javatra itỳ izy ireo. (Jaona 17:15, 16). Ao amin’ny Baiboly, i Satana dia ahanjahanja ho hery manapaka ao andamosin’itỳ tontolo itỳ. (1 Jaona 5:19). Noho izany, ny Kristiana rehetra dia afaka manampo fa tsy maintsy hiatrika olana lehibe izy ireo na ho ela na ho haingana. Izany no tao an-tsain’ny apostoly Petera, ka hoy izy: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.” (1 Petera 5:8, 9). Eny, ny Kristiana rehetra dia afaka manampo fahoriana.

5. Ahoana no nanambaran’i Jesosy mazava fa ireo Kristiana mahatoky dia handia tarehin-javatra mampalahelo eo amin’ny fiainana?

5 Na dia tia fatratra an’i Jehovah sy tsy mivadika amin’ireo fotopoto-pitsipiny aza isika, dia handia tarehin-javatra mampalahelo ihany eo amin’ny fiainana. Nanambara izany mazava i Jesosy tao amin’ilay fanoharana nataony voarakitra ao amin’ny Matio 7:24-27, izay nampifanoherany an’ireo mankatò ny teniny sy ireo tsy mankatò izany. Ny mpianatra mankatò dia nampitahainy tamin’ny lehilahy iray manan-tsaina izay manorina trano eo ambony vatolampy mafy iray. Ireo olona tsy mankatò ny teniny kosa dia nohariny tamin’ny lehilahy adala iray izay manorina ny tranony eo ambony fasika. Taorian’ny ranonoram-baratra mahery, dia tsy nisy afa-tsy ilay trano naorina teo ambony vatolampy ihany no niangana. Mariho fa tamin’ny tranon’ilay lehilahy manan-tsaina, dia “latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy”. Tsy nampanantena i Jesosy fa hahita fiadanana sy filaminana foana ilay lehilahy manan-tsaina. Nanomana ny tenany ho tafita soa aman-tsara tamin’ilay ranonoram-baratra kosa anefa ny fahamalinan’io lehilahy io. Hevitra mitovy amin’izany no fonosin’ilay fanoharana ny amin’ny mpamafy. Ao amin’izy io no anazavan’i Jesosy fa na dia ny mpivavaka mankatò aza, ka manao izany “amin’ny fo sady marina no tsara”, dia ‘hamoa amin’ny faharetana’. — Lioka 8:4-15.

6. Ao amin’ilay fanoharan’i Paoly ny amin’ireo fitaovana mahatanty afo, iza no mandia fitsapana mivaivay?

6 Rehefa nanoratra ho an’ny Korintiana ny apostoly Paoly, dia nampiasa teny ara-panoharana mba hanazavana ny ilana hananana toetra tsara maharitra izay afaka manampy antsika hiatrika fisedrana. Mifanitsy amin’ireo toetra araka an’Andriamanitra ny fitaovana mahatanty afo toy ny volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 3:13-15; 1 Petera 1:6, 7.) Etsy an-danin’izany, ireo toetra araka ny nofo dia ampitovina amin’ny fitaovana mety may. Hoy i Paoly nony avy eo: “Dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.” (1 Korintiana 3:10-14). Eto indray koa, dia hazavain’ny Baiboly fa tsy azo ihodivirana ny hoe hiatrika endri-pitsapana mahamay isika rehetra.

7. Araka ny Romana 15:4, ahoana no ahafahan’ny Soratra Masina manampy antsika hiaritra fisedrana?

7 Misy fitantarana maro ao amin’ny Baiboly, ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika izay tsy maintsy niaritra fahoriana nandritra ny fotoana ela indraindray. Tsy nanary azy ireny anefa i Jehovah. Ny ohatra navelan’ny olona toy ireny no azo inoana fa tao an-tsain’ny apostoly Paoly rehefa nilaza toy izao izy: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4). Diniho ny ohatra navelan’ny lehilahy telo, izay na dia nanana fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra aza, dia nizaka fahoriana maro.

Izay ianarantsika avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly

8. Inona no navelan’i Jehovah hitranga tamin’i Josefa, ary hafiriana?

8 Nahazo sitraka tamin’i Jehovah hatry ny fony kely i Josefa zanakalahin’i Jakoba. Na dia izany aza, dia nizaka fahoriana nifanesy izy, nefa tsy nisy fahadisoany akory. Nalain’ireo rahalahiny an-keriny sy nentiny tamin-kalozana izy. Namidy ho andevo tany an-tany hafa izy, ary nisy ampanga lainga natao taminy tany, ka napetraka tao ‘an-tranomaizina’ izy. (Jenezy 40:15, Kat.). Tao dia “nampijaliny tamin’ny fatorana ny tongony; nogadrany vy izy”. (Salamo 105:17, 18). Nandritra ny nanandevozana sy ny nampidirana am-ponja azy, dia tsy isalasalana fa namerimberina nitalaho tamin’i Jehovah i Josefa mba hafahana. Kanefa, tao anatin’ny 13 taona teo ho eo, dia mbola andevo na voafonja foana isan’andro vaky izao izy, na dia nohatanjahin’i Jehovah tamin’ny fomba maro samihafa aza. — Genesisy 37:2; 41:46.

9. Inona no tsy maintsy niaretan’i Davida nandritra ny taona maromaro?

9 Tarehin-javatra mitovy amin’izany no nisy an’i Davida. Rehefa nifantina lehilahy nahafeno fepetra hitondra ny Isiraely i Jehovah, dia hoy ny teniny: “Izaho nahita an’i Davida, zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko”. (Asan’ny Apostoly 13:22). Nizaka ny mafy i Davida, na dia teo aza ny hoe nankasitrahana teo imason’i Jehovah izy. Notandindomin-doza ny ainy ka niafina nandritra ny taona maromaro tany an’efitra, tany anaty zohy, teny an-tsefatsefa-bato, sy tany an-tany hafa, izy. Natao haza lambo izy ka azon’ny fahakiviana sy ny tahotra. Na dia izany aza, dia niaritra izy noho ny herin’i Jehovah. Afaka nilaza ara-drariny toy izao i Davida, noho ny zavatra niainany: “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” — Salamo 34:19.

10. Fahoriana faran’izay mafy inona no nahazo an’i Nabota sy ny fianakaviany?

10 Tamin’ny andron’i Elia mpaminany, dia tsy nisy afa-tsy 7 000 no tsy nandohalika tamin’i Bala andriamani-diso, teo amin’ny Isiraely. (1 Mpanjaka 19:18; Romana 11:4). I Nabota, izay azo inoana fa iray tamin’izy ireo, dia nanjary niharan’ny tsy rariny nahatsiravina. Nizaka fahafaham-baraka izy, noho ny niampangana azy ho niteny ratsy. Nambara fa meloka izy ka nosazina hotoraham-bato ho faty, araka ny didin’ny mpanjaka, ary nolelafin’ny alika ny rany. Novonoina ho faty hatramin’ny zanany aza! Tsy nanan-tsiny tamin’ilay zavatra niampangana azy anefa izy. Mpandainga ireo vavolombelona niampanga azy. Izany rehetra izany dia tsy inona akory fa tetika nokotrehin’i Jezebela Vadi-mpanjaka, mba hahazoan’ny mpanjaka ny tanimboalobok’i Nabota. — 1 Mpanjaka 21:1-19; 2 Mpanjaka 9:26.

11. Inona no resahin’ny apostoly Paoly amintsika, momba ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky voalazan’ny tantara ao amin’ny Baiboly?

11 I Josefa sy i Davida ary i Nabota dia vao olona telo monja amin’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky maro voalaza ao amin’ny Baiboly fa nizaka fahoriana. Nanoratra fandinihana indray ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah nandritra ireo taonjato, ny apostoly Paoly. Ao amin’izy io no niresahany ny amin’ireo izay “niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa; notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; efa lao, ory, fadiranovana (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory); dia nirenireny tany an-efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy”. (Hebreo 11:36-38). Tsy nanary azy ireo anefa i Jehovah.

Miahy an’ireo ory i Jehovah

12. Inona no sasany amin’ireo fahoriana diavin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?

12 Ahoana ny amin’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao? Amin’ny maha-fandaminana antsika, dia afaka manantena ny fiarovan’Andriamanitra sy ny fahatafitana soa aman-tsara amin’ny andro farany sy ny fahoriana lehibe isika. (Isaia 54:17; Apokalypsy 7:9-17). Kanefa, raha ny amintsika isam-batan’olona, dia miaiky isika fa mahazo ny olombelona rehetra ny “fotoana sy ny sampona”. (Mpitoriteny 9:11). Amin’izao andro izao dia misy Kristiana mahatoky maro izay eo am-pizakana fahoriana. Miaritra fahantrana faraidiny ny sasany. Miresaka ny amin’ireo “kamboty sy ny mpitondratena” kristiana izay tojo fahoriana, ny Baiboly. (Jakoba 1:27). Ny hafa dia ory, vokatry ny loza araka ny natiora, ny ady, ny heloka bevava, ny fanamparam-pahefana, ny aretina, sy ny fahafatesana.

13. Tarehin-javatra sarotra inona avy no nanaovana tatitra vao haingana?

13 Ohatra, tao amin’ny tatitra momba ny taona 1996, nataon’ireo biraon’ny sampan’ny Watch Tower tamin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nilazan’izy ireo fa ny sasany amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika dia eo am-piaretana fampidirana am-ponja ao anatin’ny toe-piainana mampahonena, noho ny fifikirany amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Kongregasiona telo any amin’ny tany iray any Amerika Atsimo no rava rehefa nisy mpiady anaty akata nanery Vavolombelona an-jatony maro hiala tao amin’ilay faritra. Any amin’ny tany iray atsy Afrika Andrefana, dia novonoina ho faty ny Vavolombelona sasany, izay tratran’ny ady an-trano. Any amin’ny tany iray any Amerika Afovoany, dia nanampy trotraka ny fahasahiranana ara-bola efa nahazo ny rahalahy sasany ny famelezan’ny rivo-doza. Any an-toeran-kafa, dia mety ho tsy olana goavana ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo, saingy ny fitaomana manimba dia mety hampihena ny fifalian’ny sasany. Vesaran’ny fanerena ateraky ny fiainana maoderina ny hafa. Noho ny tsy firaikan’ny olona, dia mbola misy hafa koa mety ho kivy rehefa mitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana.

14. a) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Joba? b) Toy izay hanana fisainana tsy manorina, inona kosa no tokony hataontsika rehefa mandia fahoriana isika?

14 Tsy tokony horaisina ho porofon’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ireny toe-javatra ireny. Tadidio ny amin’i Joba sy ireo fahoriana maro nozakainy. ‘Olona marina sy nahitsy’ izy. (Joba 1:8). Toy inona moa ny fahakiviana tsy maintsy ho tsapan’i Joba rehefa niampanga azy ho nanao ratsy i Elifaza! (Joba, toko faha-4, 5, 22). Tsy irintsika ny ho maika hanatsoaka hevitra hoe mandia fahoriana isika satria nandiso fanantenana an’i Jehovah tamin-javatra iray na satria nanaisotra ny fitahiany i Jehovah. Mety hampahalemy ny finoantsika ny fisainana tsy manorina eo anoloan’ny fahoriana. (1 Tesaloniana 3:1-3, 5). Rehefa mandia fahoriana ny tena, dia tsara indrindra ny hisaintsainana ny hoe eo akaikin’ny olo-marina i Jehovah sy i Jesosy na inona na inona mitranga.

15. Ahoana no ahalalantsika fa miahy lalina ny amin’ireo fahoriana zakain’ny vahoakany i Jehovah?

15 Manome toky antsika ny apostoly Paoly rehefa nilaza hoe: “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? (...) Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 8:35, 38, 39). Miahy lalina ny amintsika i Jehovah ary mahafantatra ny fahoriantsika. Raha mbola tany am-pandosirana i Davida, dia nanoratra toy izao: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah”. (Salamo 34:15, 18; Matio 18:6, 14). Miahy antsika ilay Raintsika any an-danitra ary mangoraka an’ireo ory. (1 Petera 5:6, 7). Manome izay ilaintsika mba hiaretana izy, na toy inona na toy inona fahoriana mety hodiavintsika.

Manohana antsika ireo fanomezan’i Jehovah

16. Fandaharana inona avy amin’i Jehovah no manampy antsika hiaritra, ary amin’ny fomba ahoana?

16 Na dia tsy afaka manantena fiainana tsy hisy fahoriana aza isika amin’itỳ fandehan-javatra tranainy itỳ, dia ‘tsy afoy’ isika. (2 Korintiana 4:8, 9). Nampanantena ny hanome mpanampy an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy. Hoy izy: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpanampy hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana”. (Jaona 14:16, 17, fanamarihana ambany pejy). Tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nilaza tamin’ireo mpihaino azy ny apostoly Petera fa ho azon’izy ireo atao ny handray “ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina”. (Asan’ny Apostoly 2:38). Eo am-panampiana antsika ve ny fanahy masina amin’izao andro izao? Eny! Manome antsika izao vokany mahatalanjona izao ny hery miasan’i Jehovah: “Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena”. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Toetra tsy hay tombanana izay manampy antsika hiaritra ireo rehetra ireo.

17. Inona no sasany amin’ireo fahamarinana ara-baiboly izay manatanjaka ny finoantsika sy ny fahatapahan-kevitsika hiandry amim-paharetana an’i Jehovah?

17 Ny fanahy masina koa dia manampy antsika hahatakatra fa ‘vetivety sy maivana’ ny fahoriana ankehitriny rehefa ampitahaina amin’ny valisoa, dia ny fiainana mandrakizay. (2 Korintiana 4:16-18). Miaiky isika fa tsy hanadino ny asantsika sy ny fitiavana asehontsika azy Andriamanitra. (Hebreo 6:9-12). Amin’ny famakiana teny ara-tsindrimandrin’ny Baiboly, dia mahazo fampiononana isika avy amin’ny ohatr’ireo mpanompo nahatoky fahiny izay niaritra fahoriana maro nefa nambara fa sambatra. Nanoratra toy izao i Jakoba: “Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana. Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra.” (Jakoba 5:10, 11). Ny Baiboly dia mampanantena “hery mihoatra noho ny mahazatra” mba hanampiana antsika hiaritra fisedrana. Mitahy antsika koa i Jehovah, amin’ny fanomezana antsika fanantenana fitsanganana amin’ny maty. (2 Korintiana 1:8-10; 4:7, NW ). Amin’ny famakiana ny Baiboly isan’andro sy amin’ny fisaintsainana an’ireny fampanantenana ireny, dia hanatanjaka ny finoantsika sy ny fahatapahan-kevitsika hiandry amim-paharetana an’Andriamanitra isika. — Salamo 42:5, NW.

18. a) Ampirisihina hanao inona isika ao amin’ny 2 Korintiana 1:3, 4? b) Ahoana no ahafahan’ireo mpiandraikitra kristiana ho loharanom-pampiononana sy famelombelomana?

18 Fanampin’izany, i Jehovah dia nanome antsika paradisa ara-panahy izay ahafahantsika mahatsapa ny fitiavana marina ananan’ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristiana. Samy manana anjara asa avokoa isika rehetra raha ny amin’ny fifampiononantsika samy isika. (2 Korintiana 1:3, 4). Ireo mpiandraikitra kristiana indrindra no afaka ny ho loharano lehibe miboiboika fampiononana sy famelombelomana. (Isaia 32:2). Noho izy ireo “fanomezana voaforona lehilahy”, dia nirahina hankahery ny ory, sy ‘hiresaka amin’ny fomba mampionona amin’ny fanahy ketraka ary hanohana ny malemy’, izy ireo. (Efesiana 4:8, 11, 12, NW; 1 Tesaloniana 5:14, NW ). Ampirisihina ireo loholona mba hampiasa tsara ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, ary koa ireo zavatra vita an-tsoratra hafa omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Mirakitra torohevitra sesehena miorina amin’ny Baiboly izy ireny ka afaka manampy antsika hamaha — sy hisoroka mihitsy aza — ny sasany amin’ireo olana miteraka fanahiana ho antsika. Enga anie isika hanahaka an’i Jehovah, amin’ny fifampiononantsika sy ny fifankaherezantsika samy isika, mandritra ny fotoan-tsarotra!

19. a) Inona no manampy antsika hanalavitra loza sasany? b) Rehefa dinihina tokoa, iza no tsy maintsy itokiantsika, ary ahoana no hahafahantsika hiatrika fisedrana?

19 Arakaraka ny irosoantsika lavitra kokoa ao anatin’ny andro farany ka iharatsian’ny toe-piainana eo amin’itỳ fandehan-javatra ankehitriny itỳ, ny Kristiana dia manao izay azony atao mba hanalavirana ny loza. (Ohabolana 22:3). Ny fahaiza-mitsara sy ny saina mahay mitsara zavatra ary ny fahalalana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia afaka manampy antsika hanao fanapahan-kevitra feno fahendrena. (Ohabolana 3:21, 22). Mihaino ny Tenin’i Jehovah sy mankatò azy io isika mba hanalavirana ny fanaovana fahadisoana tsy ilaina. (Salamo 38:4). Na dia izany aza, dia takatsika fa tsy ny halehiben’ny ezaka ataontsika akory no afaka manala tanteraka ny fahoriana eo amin’ny fiainantsika. Eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia misy olo-marina maro tojo fahoriana mangidy. Kanefa, afaka miatrika ny fisedrana mahazo antsika isika, amin’ny fananana toky tanteraka fa ‘tsy mba hanary ny olony i Jehovah’. (Salamo 94:14). Ary fantatsika fa hanjavona tsy ho ela itỳ fandehan-javatra itỳ sy ireo fahoriana entiny. Noho izany, dia enga anie isika ho tapa-kevitra ny ‘tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika’. — Galatiana 6:9.

Inona no Nianarantsika?

◻ Fisedrana inona avy no diavin’ny Kristiana rehetra?

◻ Ohatra ara-baiboly inona avy no manampy antsika hahatakatra fa tsy porofon’ny tsy fankasitrahan’i Jehovah akory ny fahoriana?

◻ Manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah eo anoloan’ireo fahoriana zakain’ny vahoakany?

◻ Inona no sasany amin’ireo fanomezana avy amin’i Jehovah izay manampy antsika hiaritra fisedrana?

[Sary, pejy 10]

I Davida sy i Nabota ary i Josefa dia olona telo izay nizaka fahoriana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara